Talata 31 May 2022

Salamo 104. 24-35
Ny Fanahy Masina sy ny zava-boahary

Manana anjara toerana manokana hitondran’ Andriamanitra ny zava-boahary ny Fanahiny. amin’ny alalan’ny

1- Ny Fanahin’Andriamanitra : Mpahary
«Maniraka ny Fanahinao ianao, dia àry izy…» Ny Fanahiny no nentin Andriamanitra nahary sy namoronany zavatra rehetra. Safidin’ Andriamanitra no nahary ny zavatra rehetra, Izy no Tompon ny hevitra hahary ny zavatra rehetra. Azo ambara fa vinan’ Andriamanitra noho izany ny fahariana . Izy Andriamanitra no nandamina. Ny Fanahin’ Andriamanitra kosa no nandavorary ny zavatra rehetra, tsaroana amin izany ny Gen 12-ary Fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano
2- Ny Fanahin’Andriamanitra: mpamelona
«ary manavao ny tarehin’ny tany ianao»: Ilay tontolo noharin’ Andriamanitra dia mila aina. fahavelomana. Ilay manavao tarehin’ny tany dia azo ambara hoe: manome aina. manome endrika ilay asa fahariana nataon’ Andriamanitra. Izany hoe :ny Fanahin’ Andriamanitra dia manome aina, mamelona, manome endrika ny zavatra rehetra. Tsarovy fa isika olombelona dia noharian ‘Andriamanitra hitovy endrika Aminy. hifandray Aminy. Simban’ny fahotana anefa izany. Nomena ho antsika ny Fanahy Masina mba hanavao antsika, hanome fiainana vaovao ho antsika. Meteza hotarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva mba hanananao fiainana vaovao.

Fanontaniana:

Lazao fa tombotsoa omen’ Andriamanitra ho anao ny Fanahy Masina?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

MOFO/Jiona 22

MAMPANJAKA NY FAHEFANY NY TOMPO

DATYTENY VAKIANA
01ISAIA 43.10-13
02LIO 19.45-48
03GEN 18.1-15
04MAR 4.35-41
05ASA 4. 27-31
06ISA ‘45.9-13
07JAO 20.19-23
08GEN 1.1-5
09JAO 11.32-46
10NOM 11.16-25
11MAR 9.14-29
12LIO 6.1-5
132 TANT 20.5-9
14MAT 21.23-27
152 KOR 10.1-11
16ISA ‘46.8-13
17MAT 28.16-20
18SAL 24.1-10
19HAB 2.1-10
20ASA 1.6-11
21LIO 4.31-37
22MAT 9.1-8
23EKS 9.13-21
24APO 12.7-12
25APO 5.1-14
26EFE 1.15-23
27SAL 68.32-35
28MAT 24.15-28
29LIO 7.36-50
302 TANT 13.4-18

Hafatra Pentekosta 2022

HAFATRA PENTEKOSTA 2022

« NY FANAHY MASINA DIA FANAHY … MASINA :

MIVERENA AMIN’NY FAHAMASINANA ! »

Ry havana malala,

Miarahaba antsika rehetra nomen’Andriamanitra ity Andro Firavoravoana lehibe amin’ny Pentekosta 2022 ity ary mirary mba tsy handalo foana na holalovantsika foana anie ity Andro famangian’Andriamanitra antsika ity! Nisy lehilahy Hendry iray nanafatra ny zanany ka nanao hoe: “Tsarovy, anaka « :

“NY FANAHY MASINA DIA FANAHY … MASINA:

MIVERENA AMIN’NY FAHAMASINANA!”

Mihazakazaka ho any amin’ny tsy fahamasinana izao tontolo izao, ka manao an’Andriamanitra ho tsy misy, ary na misy aza dia efa maty. “Andriamanitra” dia lohahevitra tsy ilain’ny sasany ary ihomehezan’ny hafa. Ianao kosa: notezaiko ho Kristianina ianao, ary efa nomen’Andriamanitra tokoa ny Fanahy Masina ka tsarovy, anaka:

NY FANAHY MASINA DIA FANAHY … MASINA:

MIVERENA AMIN’NY FAHAMASINANA! “

Miaina ao anaty fiarahamonina feno tsy tsy fahamasinana ianao, dia olona izay tsy manaja izay masina, manao ny fivavahana ho fahazoam-bola, hisehosehoana, hitadiavam-boninahitra amam-pahefana; ny anarana maha kristianina entina fa ny fitiavam-bola ihosenana ao anaty fahalovana tohizana ihany. Saingy, efa nomen’Andriamanitra tokoa ny Fanahy Masina ary tsarovy, anaka:

NY FANAHY MASINA DIA FANAHY … MASINA:

MIVERENA AMIN’NY FAHAMASINANA! “

Milomano ao anaty fiainam-pihatsarambelatsihy ny olona, maty eritreritra ao anaty fiainam-pijangajangana , saingy hoe mahay miafina sy manafina, hono. Afenina ao ambadiky ny vavaka tsara lahatra sy ny toriteny mahataona ary ny fahaiza-mandalin-kevitra maharesy lahatra ny fiainam-pahalotoana iainana andavanandro. Saingy, efa nomen’Andriamanitra tokoa ny Fanahy Masina ary tsarovy, anaka :

“NY FANAHY MASINA DIA FANAHY … MASINA:

MIVERENA AMIN’NY FAHAMASINANA! “

fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hoe: “Ho masina ianareo, satria masina Aho”(I Pet. 1, 15- 16)

“Fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo” (Heb. 12, 4)

“Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ny fahalotoana, fa amin’ny fahamasinana.”(ITes.4, 7)

Ry Havana Malala, Atsipy, hono, ny tady eny an-tandroky ny omby ; atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala. Trafon-kena ome-mahery izany anatr’ilay lehilahy Hendry ho an’ny zanany ity izany : am-bava homana, am-po mieritra! Dia manatitra ny fiarahabana antsika rehetra nomen’Andriamanitra ity Andro Firavoravoana lehibe amin’ny Pentekosta 2022 ity ary mirary mba tsy handalo foana na holalovantsika foana anie ity Andro famangian’Andriamanitra antsika ity fa hahatsiarovantsika tokoa ny hafatra hoe :

“NY FANAHY MASINA DIA FANAHY … MASINA:

MIVERENA AMIN’NY FAHAMASINANA! “

HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY! Amen.

Faravohitra, ho amin’ny 5 Jona 2022

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

Alatsinainy 30 May 2022

2 Tesaloniana 2, 1-12

Ilay Fanahy Masina mampandresy

« Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsy fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany» (and 7)

1- Mampiorina tsara ny mpino

Tsy maintsy ho avy ny andro hihavian’ny Tompo. Mialoha izany dia hiseho ny mpampianatra sandoka, ilay mpamitaka ny olona, mitarika ho amin’ny fihemorana amin’ny finoana, mampangatsiaka ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra. Na dia eo aza anefa izany asan’ilay lehilahin’ota izany dia mila matoky sy miorina tsara isika satria efa nomena ny Fiangonana ny Fanahy Masina. Io Fanahy Masina io no «ilay misakana « (and 7) ny asan’ilay ratsy tsy hanimba ny tena finoana. tsy handrava ny famonjena efa noraisin’ny mpino. Meteza hotarihin ‘ny Fanahy Masina mandrakariva dia hiorina tsara sy handresy ny faminganan’ ilay ratsy ianao.

2- Manolotra ny fandresena miavaka

Miezaka mandevona ny finoana ao anatin’ny mpino ilay ratsy, ilay lehilahin’ota. Na manao ahoana na manao ahoana anefa ny herin’ilay ratsy dia tsy mahatohitra ny Hery sy ny fahalehibiazan’i Jesoa Kristy izany. I Jesoa Kristy no handevona azy amin’ny fofonain’ny vavany (and. ). Io fofonain’ny vavan’i Jesoa Kristy io dia ny Fanahy Masina nomena ny mpino. Nomena ny Fanahy Masina ny mpino mba tsy hiady irery manoloana ny fampianaran-diso. Izay manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina dia ho mpandresy amin’ny andro hihaviany indray.

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao hanoherana ny fampianaran-diso?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 29 May 2022

Lioka 11. 9-13
Ilay Andriamanitra Raintsika 
1- Mitsinjo ny zanany mandrakariva 

Afaka mifandray amin’Andriamanitra mandrakariva isika zanany, fifandraisana amin’ny alalan’ny vavaka sy ny tenin’Andriamanitra izany. Mitovy amin’ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny niteraka sy ny zanany ao an-tokan trano. Eo amin’ny fiainana andavanandro, ny ray aman-dreny niteraka dia manome izay zavatra ilain’ny zanany manolotra ny mahasoa mandrakariva. Tsarovy fa ilay Andriamanitra Ray Mpahary antsika dia tena Ray mitsinjo, mivehitra ny mahasoa antsika zanany. Efa nomeny antsika ny Fanahy Masina ka afaka mifandray Aminy isika, afaka mitondra ny hetahetantsika eo Aminy. 

2- Manome ny tsara indrindra ho an’ny zanany 

Ny olombelona dia manana ny fahalemena, tsy tanteraka. Kanefa na dia izany aza dia mahalala hanome ny tsara sy izay mahasoa ny zanany mandrakariva. Tsarovy fa Ilay Andriamanitra fitiavana dia mihevitra ny mahasoa antsika hatrany. Azontsika atao ny mangataka izay zavatra mahasoa antsika ao Aminy I Jesoa Kristy dia mamporisika ny mpianatra hoe, mangataha dia homena hianareo, mitadiava, dia hahita lanareo: dondony dia hovohana lanareo» (and.9). Mitaona antsika hangataka ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy, izany Fanahy Masina izany no fanomezana tsara indrindra tena ilain’ny olona eo amin’ny fiainana. Miavaka tokoa mantsy ny olona manana ny Fanahy Masina satria mpanolontsaina, mpampahery ahafahana miatrika ny fiainana ho avy. manana 

Fanontaniana:

Inona no mahatery anao rehefa mivavaka?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 28 Mey 2022

KOLOSIANA 3.1-11

Ny olona miaina miaraka amin’i Kristy

1-Mikatsaka ny fiainana ao amin’Andriamanitra

« Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony , any amin’izay itoeran’i Kristy «  (and1)

Nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy .Tsy fandresena ho Azy irery izany fa an’ny mpanara-dia Azy ihany koa .Afaka miaina izany fiainam-pandresena izany isika rehefa mino fa ny fiainantsika ankehitriny sy ny ho avy dia ao amin’i Kristy .Hiara-miaina amin’i Kristy ao amin’ny fanjakany isika. Noho izany , meteza hotarihan’ny Fanahy Masina mba hahafahantsika mikatsaka , misaina , mihevitra izany mandrakariva mba tsy ho voafatotry ny zavatry ny tany.

2-Mandà ny fanaon’izao tontolo izao

« Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany … » (and5). Ny fiainam-pandresena noraisin’ny mpino tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia mitaona azy hiambina sy hitandrina mba tsy ho latsaka amin’ny fatoran’ilay ratsy indray. Tsy maintsy mandà ny fitondrantena rehetra mitarika fisarahana amin’Andriamanitra .Ny fitondrantena izay manome anjara toerana ny nofo , mifanohitra amin’ny fahamasinan’Andriamanitra .Mitaky toe-panahy vaovao ny fiainana miaraka amin’i Kristy . Ny mpino manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia afaka manohitra , mandà ny fanaon’izao tontolo izao . Mangataha ny fitarihan’ny Fanahy Masina mandrakariva mba ho mendrika ny famonjena notanterahin’i Jesoa Kristy ianao .

Fanontaniana :

Toe-panahy manao ahoana no takiana amin’izay olona manantena ny fiainana ao amin’i Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Trano Famoahamboky Antso

FIANTSOANA HO KOMITY MPITANTANA

TRANO FAMOAHAMBOKY ANTSO

Ny Foibe  FJKM  dia manao antso  amin’ny Teknisiana zanaky ny Fiangonana vonona hitondra ny fahaiza-manaony  ka manolo tena mba handrafitra ny Komity Mpitantana (Comité de Direction ) ao amin’ny Trano Famoahamboky ANTSO .

Toy izao ny andinindiny :

Olona 3 manana fahalalana sy fahaiza-manao

-Na momba ny fitantanana

-Na momba ny Haivarotra

-Na momba ny lalàna

Mari-pahaizana takiana

-Maîtrise no mihoatra

-Na Licence miampy traikefa manokana

Anton-taratasy ilaina

-Taratasy fanehoana fahavononana + CV

-Dika mitovy mari-pahaizana

-Taratasy fanamarinana maha-Mpandray avy amin’ny Mpitandrina

  • Atao anaty valopy mihidy , asiana soratra hoe : fanolorantena ho Komity mpitantana (Comité de Direction) ao amin’ny Trano Famoahamboky ANTSO.
  • Avantana amin’Andriamatoa  Filohan’ny FJKM
  • Aterina ao amin’ny FOIBE FJKM Ifanomezantsoa ,rihana  voalohany ,  Sekreteran’ny Prezidansa hatramin’ny 05 Jiona 2022 .

Fankasitrahana/Rasoasihanaka Helene

FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA

« Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy , ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko , nefa tsy izaho fa ny fahasoavan’Andriamanitra no niara-niasa tamiko » 1 Kor 15.40

Ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra noho ny faha-85 taona nahaterahany sy ny 63 taona niasany teo amin’ny sahan’ny Tompo

Ramatoa RASOASIHANAKA Helene

sy ny zanaka aman-jafiny dia faly manasa anao hanatrika ny fanompoampivavahana izay hatao ao amin’ny

FJKM TRANOVATO RASALAMA Ambohipotsy ,

ny Sabotsy 28 Mey 2022 , manomboka amin’ny 9ora maraina .

Hery lehibe ho azy ny fanotronanao ho Voninahitr’Andriamanitra .

Zoma 27 May 2022

Lioka 24. 50-53 

Jesoa Kristy nitsodrano ny mpianany 

Toe-javatra miavaka no niseho tamin’ny fotoana namarana ny fiarahan’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianatra. Fisaorana nanolorany tsodrano manokana ho azy ireo. 

1- Nandray fitahiana ny mpianatra 

Nifarana ny fotoana niarahan’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianatra tamin’ny endrika hita maso. nofo aman-dra. Andraikitra manokana no miandry ny mpianatra dia ny hanohy ny asan’i Jesoa Kristy, hitory ny Filazantsara nifidianany azy ireo. Mba hahafahan’ny mpianatra manatanteraka izany dia mitsodrano azy ireo i Jesoa Kristy. Tsodrano : mifarana ny tontolo niarahana teo aloha, tontolo vaovao indray no misehatra atrehin’ny mpianatra. Miatrika ny ho avy eo ambany fitahian’i Jesoa Kristy ny mpianatra, antoka ho amin’ny fahombiazana izany .

2- Nandroso hery ny mpianatra

Rehefa nandray ny tsodrano ny mpianatra dia feno hery, feno fahavononana hanatanteraka ny iraka napetrak’i Jesoa Kristy tamin’izy ireo. Tena miavaka tokoa ny fiainan ‘izy ireo. Matetika rehefa mandao ny olona tena akaiky dia kivy, ketraka, mila tsy hahajoro ny olona. Tsy mba toy izany ny mpianatr’i Jesoa Kristy, fifaliana, faherezana, fahavononana hanao ny asa fanompoana no hita taratra teo amin’ny fiainany. Midika izany fa ny olona mandray ny tsodrano avy amin’i Jesoa Kristy dia feno hery sy fahavononana hanatanteraka asa fanompoana .

Fanontaniana :

Nahoana no misy hatrany ny Tsodrano atolotra ho an ny mpino rehefa mifarana ny fanompoam-pivavahana na koa amin ny fanompoam-pivavahana fanokanana samihafa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM