Vavaka iombonana 26

Ny Panthay any Myanmar

Ankehitriny dia tombanana ho 30 000 ka hatramin’ny 50 000 ny Panthay mipetraka any avaratr’i Myanmar. Iray amin’izy ireo i Ma Pyu. Vehivavy tanora nahita fianarana, mampihatra ny finoana silamo, mbola mpitovo izy. Araka ny fomban-drazana dia mitady vady sahaza ho an’i Ma Pyu ny ray aman-dreniny. Na izany aza, tsy nahita izay mitovy taona taminy, na fahaizana na fari-panana tao amin’ity vondrom-piarahamonina kelin’i Panthay izy ireo.
Rehefa nanontanian’ireo Silamo mpitady vady avy amin’ny foko hafa toa ny Birmana sy Karana dia namaly ny rain’i Ma Pyu hoe: “Sanatria! Aleoko maka Bodista sinoa! Ny Panthay dia miorim-paka lalina amin’ny kolon-tsaina Sinoa sy ny fiteniny. Raha ampitahaina amin’ny Rohingya na ny mponina Silamo hafa ao amin’io faritra io, ny Panthay dia tsy tia ny fanavakavahana ataon’ny Birmana maro an’isa.
Hatreto dia tsy misy ezaka fantatra hampidirana an’i Panthay ho amin’ny Filazantsara. Ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila tamin’ny Febroary 2021 sy ny fameperana noho ny Covid-19 no nanakana ny fidirana tao Myanmar.

Mivavaha isika :
• Mba hiantsoan’Andriamanitra mpiasa hanompo eo anivon’ny Panthay sy hahita ny fidirana ao Myanmar sy ny vondrom-piarahamonina Panthay.
(Lioka 10:2).
• Hanoman’Andriamanitra ny fon’ny Panthay ka hilatsaka ao amin’ny ny Teniny ka hamoa be amin’ny tany lonaka. (Marka 4:8).
• Mba ho maro ny Panthay handre ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fiteniny sy amin’ny alalan’ny vavolombelona hanazava momba an’i Jesosy. (2 Petera 3:9).

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM