Vavaka iombonana 18

Ny Shabak any Irak

Nanasa ny namany mba hiara-mihinana mofomamy sy dite i Hassan. Nihahenjana anefa ny fifandraisana. “Nandroaka azy ireo ny Arabo, tsy nandray azy ireo koa ny Kiorda. Hoy izy : ”Iza no tokony mbola hatokisana?”.
Hassan dia mpanao politika ary mpikambana ao amin’ny Shabak, izay vondrona foko ao Iraka. Eo ho eo amin’ny 300 000 ny Shabak mipetraka ao amin’ny faritra iray antsoina hoe lemaky Ninive, any avaratr’ilay tany izay niantsoana an’i Jona mpaminany hampibebaka ny mponina tao, tokony ho 2700 taona lasa izay. Amin’izao fotoana izao, ny faritra dia toerana hisian’ny fifandonana maharitra; tamin’ny taon-dasa, nirongatra tao amin’ny faritra ny Fanjakana Islamika (IS). Novonoin’ireo jihadista ireo fikambanana vitsy an’isa rehetra dia ny : Kristiana, Yazidis, Turkmens ary Shabak.
Ny ankamaroan’ny Shabak dia manaraka ny Silamo Shia, miaraka amin’ny ekipa Sofisma – fanehoana mistika ny finoana Silamo, miaraka amin’ireo mpitarika ara-panahy, fantatra amin’ny anarana hoe pirs. Ny fomba fijerin’ny Fanjakana Islamika (IS) azy dia Silamo Ortodoksa Sunni, izay mahatonga ny Shabak ho mpivadika. Ny foko roa (Arabo sy ny Kiorda) no manjaka ao Iraka, matetika izy ireo no manao tsinontsinona ny Shabak, izay mivelona amin’ny fambolena tsotra na mpamily fiara fitanterana vokatra.
Nandritra ny fotoana ela, ny Shabak, izay misy mponina tsy latsaky ny 300.000, dia tsisy mpahafantatra loatra tany ivelan’i Iraka. Ny fanenjehan’ny Fanjakana Islamika azy ireo nampalaza azy tampoka ho fantatry ny firenena hafa satria dia lohatenim-baovao izany. Tsy nanova firy ny fahasahiranan’izy ireo anefa izany: betsaka ny tsy an’asa, indrindra ny tanora. Maro amin’izy ireo no miady mafy amin’ny fitoviana noho izy fikambanana vitsy an’isa.

Mivavaha isika :
• Ho an’ireo Kristiana vitsivitsy any amin’ny lemaky Ninive mba ho fahazavana sy fanasina ho an’i Shabak.
(Matio 5:13-16).
• Mba hahazoana Baiboly amin’ny fiteny Shabak, izay mifandray amin’ny fiteny Kiorda. (Isaia 55:11).
• Mba tsy ho ela dia ho maro ny Shabak ho afaka hilaza toa an’i Jona hoe : “Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, ka dia namaly ahy Izy.
(Jona 2:3).

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV