Vavaka iombonana 17

PAKISTAN

Indro lehilahy iray antsoina hoe Anwar. Nisento izy, feno fanahiana noho ny fanafihan’ny miaramila ny tanàna tsy lavitra azy, eo koa ny fiatrehana ny fiterahan’ny vadiny izay efa miandry andro. Manontany tena ny amin’ny amin’ny ho avin’ny zanany rehefa ho teraka fa tsy misy fiafarana ny ady sy korontana eo amin’ny fireneny. Madiva hilentika eny amin’ny faran’ny tendrombohitra ny masoandro, ary teo am-pamaranana ny khaddi kabab – sakafo nentim-paharazana Balochi ahitana ondry sy vary nandrahoina tanaty lafaoro tany izy dia miomana amin’ny vavaka hariva. Antenainy fa hitondra fiadanana ho an’ny eritreriny mikorontana izany vavaka izany.
Ny vahoaka Baloch dia hita any an-tendrombohitra sy any an- tany efitra any atsimon’i Pakistan. Fomba amam-panaony ny mifindrafindra monina, fa ny ankamaroany dia mipetraka ao anaty trano rotso-peta na any anaty lava-bato eny amin’ny havoana, mpamboly varimbazaha sy mpiompy rameva, omby, ondry ary osy, izy ireo ary mivezivezy amin’ny ririnina mba hitady vilona. Mponina mahantra sy tsy nahita fianarana indrindra ao Pakistan izy ireo.
Sarotra ny fiainana any amin’ny faritra satria kely ny fandrosoana hita. Tato anatin’ny roapolo taona farany, nahitana firongatry ny herisetra teo amin’ireo vondrona nasionalista Baloch izay te-hametraka Balochistan mahaleo tena sy fahefana Pakistane. Ny ankamaroan’ny Baloch dia maniry ny hifehy bebe kokoa ny harena voajanahary ao amin’ny tanindrazany (toy ny arina, entona, solika ary volamena), tsy ilana ny fandaozana an’i Pakistan. Saingy henjana ny governemanta Pakistane tamin’ny fiezahany hanakana ireo vondrona mpikomy, noho izany dia mitohy ny fifandonana miaraka amin’ny fipoahan’ny herisetra ary kely ny fanantenana ahitam-bahaolana.

Mivavaha isika :
• Ny Baloch dia tsy mbola misy mpino fantatra ary mbola tsy misy ezaka vita amin’ny fanaovana mpianatry ny Tompo eo anivon’izy ireo. Mivavaha mba homen’Andriamanitra fomba hanatanterahana ny Iraka
Lehibe eto amin’ity faritra ity. (Matio 28:19).
• Mba hisian’ny vahaolana hampilamina ny fifandirana sy ny hisian’ny ezaka hanatsarana ny fari-piainana eto. (2 Tantara 7:14).
• Mivavaha mba hitahiana ny Baloch, mba hiainany ny fitiavana sy ny famindrampon’Andriamanitra. (Isaia 54:10).

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV