Vavaka iombonana 16

Hetsiky ny Fethullah Gülen

Tamin’ny taona 2016, nisy fikasana hanonganam-panjakana nataon’ny miaramila tao Turquie, izay noketrehin’ireo Fethullah Gülen mpanaraka fivavahana silamo. Nandà ho tsy mpitarika ny herisetra i Gülen, saingy azo antoka fa izy no mpitarika tena nanentana sy nanainga izao hetsika lehibe izao manerana an’i Turquie sy ny manodidina. Ireo mpikambana ao amin’ny hetsika dia mampitaha ny tenany ho Hizmet, izay midika hoe: “manompo.”
Ny hetsika Gülen dia mifototra amin’ny fampianarana ortodoksa Sunni, miaraka amin’ny Sufi matanjaka. Ny tena mampiavaka azy ireo dia ny fandikana maoderina ny finoana Silamo, izany manindry mafy ny siansa, ny fanabeazana ary ny fifampiresahana amin’ny fivavahana hafa. Nipaka tany amin’ny trano fandraisam-bahiny, sekoly ary oniversite ny fitaoman’izy ireo. Mpianatra Hizmet maro no tafakatra tamin’ny toerana ambony na teo amin’ny tafika, na ny fitsarana, na ny haino aman-jery ary ny fandraharahana. Ny tombatombana dia milaza fa olona 4 tapitrisa no fantatra fa nandray anjara tamin’ny hetsika tamin’ny fotoana rehetra.
Nandraisan’ny governementa Islamista fepetra hentitra ireo nanao ny fikasana hanongam-panjakana, nenjehina ary nogadraina, ireo izay mpanohana ny Hizmet no nokendreny voalohany ary avy eo ny mpanohitra rehetra. 70 000 teo ho eo no nigadra ary 150 000 mahery no voaroaka. Maro koa no tsy maintsy nandositra nankany Andrefana. Vitsy dia vitsy no lasa mpanara-dia an’i Kristy.
Nanatrika ny fampianarana Hizmet i Ayshe ary nanatevin-daharana ny fotoam-bavaka tao amin’ny oniversite. Niova izany rehetra izany rehefa namaky ireo andininy mahakasika ny herisetra ao amin’ny KORANO izy, izay niteraka krizy ara-panahy ho azy. Mba hamahana ny olana mahazo azy dia nanomboka nanao fiaretan-tory isan-kariva izy ary nandritra izany fotoana izany dia nomena azy ny Testamenta Vaovao. Nosokafany kisendrasendra ilay izy ary namaky ny Matio 5:44, izay nampianaran’i Jesoa hoe: “Tiava ny fahavalonao.” Io fanambarana io no nitarika azy ho tonga mpanara-dia ilay tena Andrianan’ny Fiadanana.

Mivavaha isika :
• Ho an’ireo gadra Hizmet, mba hiseho amin’ny tenan’izy ireo ny Tompo. (Isaia 61:1).
• Ho an’ireo lasa sesitany, mba ho liana amin’ny fifampiresahana amin’ny fivavahana hafa izy ireo.
(Matio 7:7).
• Mba ho fantatry ny mpanara-dia an’i Hizmet fa ao amin’i Jesosy ihany no hahatanteraka ny toe-panahiny masina.
(Jakoba 2:14-26).

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV