Vavaka iombonana 15

Anatolian Alevis ny Turquie

Hasan dia lehibe tao amina tanàna Silamo Alevi (karazana sekta Silamo), tanàna kely mahantra ao atsinanan’i Turquie. Ny fiteny antsoina hoe Zaza no iresahany nefa koa dia nianatra ny fiteny Turque izy tany an-tsekoly. Mpampianatra no asa nataony ary efa misotro ronono ankehitriny. Mampahory azy kosa ny fahitana ny zanany lahy izay efa lehibe kanefa dia mirona amin’ny fisotroan-toaka, Manahy izy sao hivarilavo toy ny nataon’ny rahalahiny. Natahotra koa izy fa ho voaozona ny fianakaviany.
Nikaroka fanampiana i Hasan, nanomboka nijery fahitalavitra Kristiana tamin’ny zanabolana izy ary nahatsapa fa Jesoa no vahaolana ho azy sy ny ankohonany. Namaky Baiboly izy ary resy lahatra momba izany. Nivavaka i Hasan mba handray an’i Kristy, avy eo izy nanoratra tany amin’ny televiziona mba handefa olona hitsidika sy hiara-mivavaka aminy ho an’ny fianakaviany.
Manodidina ny 20 tapitrisa eo ho eo ny Anatolian Alevis anatina vondrona miteny ireo fitenin-drazana miisa telo (Turque, Kiorda ary Zaza). Avy any Azia Afovoany izy ireo ary eo anivon’ny Turkman. Izy no antokom-pivavahana lehibe indrindra ao Turquie. Ny Sekta Alevis dia tsy mifady hanina mandritra ny Ramadany fa mandritra ny folo andron’ny Muharram (ankalazana ny fahafatesan’ny Imam Hussein maritiora ny Silamo Shia) fotsiny ihany. Tsy miankohoka sy mivory any amin’ny moske izy ireo rehefa mivavaka fa any amin’ny toeram-pivavahana kely kokoa, antsoina hoe cemevis. Tsy manao fiantrana araka izay takian’ny finoana Silamo nentim-paharazana izy ireo, fa mihevitra ny fitiavan’Andriamanitra sy ny olombelona ho zava-dehibe kokoa noho ny lalàna Silamo. Tsy voarakitra an-tsoratra ny teolojian’izy ireo sy ny finoany fa niampita tamin’ny taranaka fara mandimby tamin’ny alalan’ny tononkalo sy hira izany.
Ny Alevis dia miatrika fikorotanana ara-politika sy ara-tsosialy ao Turquie. Tsy azo atao amin’ny fiteny Kiorda na Zaza ny fampianarana, fa amin’ny teny Turque ihany. Na dia eo aza izany, ny Alevis dia manome lanja ny fanabeazana, indrindra ho an’ny zazavavy sy ny tanora tovovavy, ary noho ny hamafin’ny asa dia maro no mandeha mamonjy fianarana.

Mivavaha isika :
• Ho an’ireo mpiasa Kristiana manolo-tena, indrindra ireo mpampianatra, mpitendry zavamaneno ary ireo olona mpandraharaha mba handeha any amin’ny faritry ny Alevis. (Romana 15:20).
• Mba hipaka ao am-pon’ny Anatolian Alevis ny handray ny voa tsara (ny Tenin’Andriamanitra). (Matio 13:1-9).
• Mba hitahiana an’ireo mpino Alevis vitsy ary ho bebe kokoa ny Kristiana hahay ny fiteniny. (2 Petera 1:3).

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV