Vavaka iombonana 13

Rehefa nivavaka ho an’i Azia Afovoany izahay

Vao nanomboka ny 30 androm-bavaka ho an’ny firenena silamo dia tafiditra hatrany tao anatin’ny antom-bavaka i Azia Afovoany. Faritra tsy mba tratry ny filazantsara, takon’ny fanenjehana mamaivay ary tsy mba nanana fahafahana. Ny finoana Silamo nanjaka tao hatramin’ny taonjato faha-8, tamin’ny alalan’ny fandresen’ny Arabo. Teo koa ny Fanjakana Rosiana izay nikasa hametraka ampira laika, tany amin’ny tapaky ny taona 1800, ka niezaka nanafoana ireo endrim-pivavahana nisy tao. Nihanalefaka izany rehefa nirodana ny Firaisana Sovietika. Nifoha indray ny finoana Silamo izay notohanan’i Arabia Saodita sy ny firenena silamo hafa. Nandefa Korany ireo ary namatsy vola ny moske.
Tamin’ny 1994, ny 30 Andro dia nivavaka ho an’ilay antsoina hoe “Commonwealth of Independent States (fikambanan’ny firenena mahaleotena)” – firenena vaovao izay sambany vao nifandray tamin’ny tontolo hafa. Nivavaka izahay ho an’ny Kristiana nanaiky hirotsaka hanampy amin’ny fanorenana tobim-pitsaboana, fampianarana sy fandraharahana, ary ho an’ny loharano hizarana ny hafatr’i Jesoa.
Efa tanteraka izany rehetra izany. Tao anatin’ny 30 taona lasa izay dia betsaka kokoa noho ny teo aloha ny Silamo tao an-toerana no lasa mpanara-dia an’i Kristy. Betsaka koa raha hoarina amin’ireo firenena sasany. Miroborobo ireo vondrom-piarahamonina kristiana, ary ireo silamo izay tonga mpanaradia an’i Kristy no mitarika izany. Ireo mpitarika kristiana any Azia Afovoany dia mandray anjara amin’ny hetsika misionera maneran-tany, manampy amin’ny fampivelarana ireo loharanon-karena ara-pilazantsara ho an’ny fireneny, ary mamorona hira sy fombam-pivavahana ho azy manokana.
Ireo izay nivavaka dia mahatsapa fa mampientam-po ny mahita ny vokatry ny vavaka ary haingana dia haingana izany ho an’i Azia Afovoany amin’izao androntsika izao.

Mivavaha isika :

Mivavaha isika :
• Mivavaha mba hitombo ny firahalahin’ny mpino ao Azia afovoany ka hanana fahendrena amin’ny fanaovana mpianatra ary hahazo ny fitaovana rehetra ilaina entina manatanteraka izany. (Filipiana 1:9-11).
• Mba hiarovan’ny fitondram-panjakana ny fahalalahana ara-pivavahana sy hamelana ny Kristiana hivavaka amim-pilaminana sy handray anjara amin’ny fampandrosoana ny fireneny. (Kolosiana 1:9-12).
• Mba ho ny ankamaroan’ny Silamo eo amin’ny fiaraha-monina no hihaona amin’ny Kristiana ary ho tonga amin’ny finoana.
(1 Petera 3:15).

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV