Sabotsy 30 Aprily 2022

LIOKA 21.12-19

Tian’ny Tompo handresy isika ka :

1-Ampiomaniny mialoha

Mampiomana antsika izay hitranga amin’izao vanim-potoana farany izao ny Tompo . Hisy fisamborana, sy fampidirana am-ponja , fampijaliana noho ny Anaran’ny Tompo , hisy havana akaiky hanolotra sy hamadika , hisy fankahalana .Izay tsara fiomanana ,hoy ny fitenenana tsy tampohan’ny loza.Tia antsika ny Tompo ka mampahafantatra antsika mialoha izay hitranga .

2-Tolorany saina

Tsy mionona amin’ny fampiomanana mialoha ihany ny Tompontsika fa manolo-tsaina ihany koa Izy . « Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo , fa Izaho hanome anareo vava sy saina izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena  » (and 14-15).Omen’ny Tompo antsika ny Fanahy Masina ,Ilay mpanolo-tsaina , mpisolo vava sy saina entina miatrika sy mandresy ny fahavalo.

3-Omeny toky

« nefa tsy hisy ho very na dia singambolo iray eo lohanareo aza » (and18).Ireo fiasan’ny Tompo tamin’ireo mpanompony natoky Azy hatrami’izay dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay . Ny fandresena ny lafaoro mahamay , ny liona noana , ireo karazana Goliata izay miseho amin’ny endrika hafa indray dia azo resena tsara .

4-Omeny paikady mazava tsara

« Amin’ny faharetanareo no hahatananreo ny ainareo »(and18) .Efa nambaran’i Jesoa fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena (Mar 13.13)

Fanontaniana :

Inona no azonao ambara momba ny fitiavan’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 29 Aprily 2022

2 TIMOTY 1.6-12

Ny mpino nandray fanomezam-pahasoavana

« Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika , fa fanahy mahery sy fitiavana » (and7). Nametra-tànana tamin’i Timoty i Paoly sy nahafahan’i Timoty nandray ny Fanahy Masina .Ambaran’i Paoly fa fanahy mahery sy fitiavana no noraisin’iTimoty .Ny Fanahy masina no hanova ny tantaran’i Timoty ka hahafahany miroso amin’ny lalina araka ny toromarik’i Jesoa Tompo .

2-Mijoro vavolombelona

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (and8). Ny hevitr’izany dia aoka ho sahy maty amin’ny fijoroana amin’ny fahamarinana ka tsy hihemotra na amin’ny mora na amin’ny sarotra , satria omban’ny fanahy maherin’iJesoa Kristy Tompo .

3-Mitory Filazantsara

« ny amin’io Filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra «  (and 11). Fitoriana an’iJesoa Kristy Mpamonjy , ilay nahafoana ny fahafatesana (and10). Jesoa ,Ilay niantso tamin’ny fiantsoana masina araka ny fikasany sy ny fahasoavany (and9) .Mibaiko antsika hitory ny Filazantsara ny Tompo .Fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho.

4-Manana faharetana

« Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao , ka tsy menatra aho , satria fantatro izay inoako » (and12). Ny fahafantarana tsara izay inoana no hahafahana mijoro tsara ka hananana faharetana amin’ny fanompoana . Na dia any am-ponja aza i Paoly dia mbola mijoro ho mpampahery .

Fanontaniana:

Inona amin’ireo toromarik’i Paoly ireo no efa niainanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 28 Aprily 2022

1 SAMOELA 2.1-10

I Hana dia vehivavy tsy niteraka .Nahery nivavaka tamin’i Jehovah izy ary nahazo valim-bavaka ka nanefa voady ary nanao vavaka fisaorana .Nambarany mazava fa :

Ilay Andriamanitra mahery dia :

1-Masina indrindra

« Tsy misy masina tahaka an’i Jehovah «  (and 2) .Andriamanitra irery no masina .Tsy misy tahaka azy .Didiany ho masina ihany koa ny mpanompony . »Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo , satria masina Aho , hoy i Jehovah « (Lev 20.26) .Voatokana ho an’ny Tompo isika .

2-Andriamanitry ny fahalalana

« Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana  » (and3d).Izy no nahary antsika .Izy no mahafantatra ny antsipirihany amin’ireo singa mandrafitra ny tenantsika hatramin’ny bitika indrindra .Any aminy ny vaha-olana.

3-Mampitsangana

« Izy no mampidina ho any amin’ny fiainan-tsy hita ary mampitsangana » (and6) .Fahefan’ny Tompo ny fanapahan-kevitra momba ny ho avin’ny olona , na ho amin’ny fahaverezana , na ho amin’ny famonjena .Raisin’iHana ho toy ny fananganana ny fanomezana taranaka azy na dia efa nanana olana mifanandrify amin’izany aza .

4-Mampanankarena

Samy manana izay heveriny ho harena ny tsirairay .Ho an’iHana dia ny fiatrehana ny rafiny noho ny tsy fananana zanaka no mampahory azy . Rehefa novahan’Andriamanitra io olany io dia nijoro vavolombelona izy fa  » Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena  » (and7). Ny fitahian’Andriamanitra no mampanan-karena (Oha 10.22)

Fanontaniana :

Tanisao izay fantatrao fa mampiavaka ny Tompontsika

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Vavaka iombonana 26

Ny Panthay any Myanmar

Ankehitriny dia tombanana ho 30 000 ka hatramin’ny 50 000 ny Panthay mipetraka any avaratr’i Myanmar. Iray amin’izy ireo i Ma Pyu. Vehivavy tanora nahita fianarana, mampihatra ny finoana silamo, mbola mpitovo izy. Araka ny fomban-drazana dia mitady vady sahaza ho an’i Ma Pyu ny ray aman-dreniny. Na izany aza, tsy nahita izay mitovy taona taminy, na fahaizana na fari-panana tao amin’ity vondrom-piarahamonina kelin’i Panthay izy ireo.
Rehefa nanontanian’ireo Silamo mpitady vady avy amin’ny foko hafa toa ny Birmana sy Karana dia namaly ny rain’i Ma Pyu hoe: “Sanatria! Aleoko maka Bodista sinoa! Ny Panthay dia miorim-paka lalina amin’ny kolon-tsaina Sinoa sy ny fiteniny. Raha ampitahaina amin’ny Rohingya na ny mponina Silamo hafa ao amin’io faritra io, ny Panthay dia tsy tia ny fanavakavahana ataon’ny Birmana maro an’isa.
Hatreto dia tsy misy ezaka fantatra hampidirana an’i Panthay ho amin’ny Filazantsara. Ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila tamin’ny Febroary 2021 sy ny fameperana noho ny Covid-19 no nanakana ny fidirana tao Myanmar.

Mivavaha isika :
• Mba hiantsoan’Andriamanitra mpiasa hanompo eo anivon’ny Panthay sy hahita ny fidirana ao Myanmar sy ny vondrom-piarahamonina Panthay.
(Lioka 10:2).
• Hanoman’Andriamanitra ny fon’ny Panthay ka hilatsaka ao amin’ny ny Teniny ka hamoa be amin’ny tany lonaka. (Marka 4:8).
• Mba ho maro ny Panthay handre ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fiteniny sy amin’ny alalan’ny vavolombelona hanazava momba an’i Jesosy. (2 Petera 3:9).

Alarobia 27 Aprily 2022

Jaona 20, 26-31

Ilay nandresy ny Fahafatesana

1 – Tsy voasakan’ny varavarana voarindrina

« Dia tonga Jesoa rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany » (and. 26). Rehefa avy nandresy ny fahafatesana ny Tompo dia tafiditra tao amin’ny trano mihidy indray. Miala any amin’ny fonenan’ny maty Izy ary miditra eo anivon’ny mpianatra. Tsy voafetran’ny toerana ny Tompo fa manana fahefana hiantrano amin’izay tiany hiantranoana. Andrandrao ny fanatrehany.

2- Tompo sy Andriamanitra

Rehefa nanehoan’ny Tompo porofo hita maso sy azo tsapain-tànana teo amin’ny tànany dia nanambara fanekem-pinoana miavaka i Tomasy ho : « Tompoko sy Andriamanitro » (and. 28). Jesoa Kristy tokoa no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay (1 Jao. 5, 20) … Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita (Kol. 1. l5a) … Izaho sy ny Ray dia iray ihany » (Jao. 10, 30) hoy ny Tompo. Sahia mijoro manambara ny fanekem-pinoana.

3- Manome fiainana

« Hanananareo fiainana amin’ny anarany raha mino ianareo » (Jao. 20, 31). Hafa mihitsy ny fiainana miaraka amin’ny Tompo. Fiainana eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, fiainana araka ny fahamasinana sy ny fahamarinana. Fiainana manome voninahitra an’Andriamanitra amin’izay atao rehetra. Fiainana feno fisaorana ary tsy mitarain-tana-miepaka satria miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra. Fiainana manao laharam-pahamehana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany ka mandova fianana mandrakizay.

Fanontaniana :

Ataonao ho iza moa i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

MOFO/ Mey 22

MANAVAO NY FANAHY MASINA

DATYTENY HOVAKIANA
01Isa 32.9-20
02Heb 6.1-6
03Eze 36.22-30
04Jao 4.19-24
05Rom 8.12-17
06Tit 3.3-7
071 Tim 3.14-16
08Jao 7.37-44
09Efe 5.8-21
10Jao 14.25-26
11Deo 34.5-12
12Asa 8.25-34
13Asa 19.1-7
14Lio 10.20-24
151 Kor 2.12-16
161 Sam 10.1-8
17Asa 10.34-48
18Mar 1.1-8
19Jao 15.26-27
20Eks 35.30-35
21Efe 1.7-14
22Eze 1.7-14
23Asa 11.19-26
24Jao 3.31-36
25Gal 5.16-26
26Gen 5.18-24
27Lio 24.50-53
28Kol 3.1-11
29Lio 11.9-13
302 Tes 2.1-12
31Sal 104.24-35

Sabotsy 30 Aprily 2022

LIOKA 21.12-19

Tian’ny Tompo handresy isika ka

1-Ampiomany mialoha

Mampiomana antsika izay hitranga amin’izao vanim-potoana farany izao ny Tompo . Hisy fisamborana sy fampidirana am-ponja , hisy fampijaliana noho ny Anaran’Izy Tompo , hisy ny havana akaiky hanolotra sy hamadika , ny fankahalana .Izay tsara fiomanana tsy tampohan’ny loza .Tia antsika ny Tompo ka mampahafantatra antsika mialoha izay hitranga .

2-Tolorany saina

Tsy miomana amin’ny fampiomana mialoha ihany no Tompontsika fa manolo-tsaina ihany koa Izy . « Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo , fa Izaho hanome anareo vava sy saina izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena « (and14-15).Omen »ny Tompo antsika ny Fanahy Masina , Ilay mpanolo-tsaina , mpisolo vava hanome antsika vava sy saina entina miatrika sy mandresy ny fahavalo .

3-Omeny toky

« nefa tsy hisy ho very na dia singambolo iray eo amin’ny lohanareo aza » (and18).Ireo fiasan’ny Tompo tamin’ireo mpanompony natoky Azy hatramin’izay dia tsy miova omaly sy anio ary rahatrizay .Ny fandresena ny lafaoro mahamay , ny liona noana, ireo karazana Goliata izay miseho amin’ny endrika hafa indray dia azo resena tsara .

4-Omeny paikady mazava tsara

« Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo « (and8). Efa nambaran’i Jesoa «  »fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena (Mar 13.13)

Fanontaniana :

Inona no azonao ambara momba ny fitiavan’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 26 Aprily 2022

Jaona 11, 18-27

Nomena saina mandinika isika ahatsapana fa:

1 – Zava-doza ny fahabangan’i Jesoa

« Raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko » (and. 21): Fantatr’i Marta tsara ny fatiantoka goavana vokatry ny tsy maha eo ny Tompo. Fahafatesana, alahelo, ranomaso, fahadisoam-panantenana, nenina, fahakiviana, harerahana, izany no toe-javatra iainan’ireo olona maro izay lavitra ny fanatrehan’ny Tompo. Ny mampieritreritra dia olona akaikin’ny fon’i Jesoa na Marta na Maria na Lazarosy saingy niniany nampahafantarina ny fahabangany sy ny fahamarinan’ilay teniny hoe : « ety amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana » (Jao. 16. 33). Ny fahatsapana ny fikorontanam-piainana noho ny fahabangan’i Jesoa dia efa asan’ny Fanahy Masina sahady ahafahana mivoatra. Ireny no miseho dia ny hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra.

2 – Sarobidy ny fanatrehan’i Jesoa

JESOA KRISTY no vahaolana dieny ankehitriny araka ny teniny hoe : « Hitsangana ny anadahinao » (and. 23). Asehon’ny Tompo fa tsy ny hasarotry ny olana akory no ilazana fa tsy misy vahaolana intsony. Ao amin’ny toerana misy fahafatesana, alahelo, fahakiviana, dia afaka manova ny zava-misy ny Tompo. Eny fa izay heverina ho maimbo sy lo, voafatotra tanteraka, dia manam-pahefana amin’ny velona sy ny maty ny Tompo. Eo amin’ny toerana misy ny fanatrehan’ny Tompo dia misy vahaolana mazava, fanantenana, valim-bavaka, fifaliana, fahagagana. Manamafy izany ny Tompo araka ny teniny hoe : « Izaho no fananganana sy fiainana ». Manana vahaolana mihoatra noho izay takatry ny sainao ny Tompontsika.

Fanontaniana :

Hafa mihitsy ny fiainana ao amin’ny Tompo, nahoana ?