Talata 04 Janoary 2022
MATIO 14.24-36
Rehefa eo ny Tompo …
« Matokia , fa Izaho ihany . Aza matahotra ! »(and 25b). Izany no teny fampaherezana antsika anio :
1-Matokia !
Nirahin’i Jesoa hiondrana an-tsambokely ny mpianatra , fa Izy kosa mbola nandefa ny vahoaka hody . Rehefa izany dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hivavaka . Teny am-povoan-dranomasina kosa ny mpianatra no nisehoan’ny loza , natopatopan’ny alondrano sy ny rivotra ny sambokely , ka nila ho fefika .Rehefa hadiva ho maraina ny andro ,dia nahita an’i Jesoa nanatona Azy ny mpianatra . Raiki-tahotra sady nisalasala izy ireo , satria tsaroany fa tsy niaraka niondrana taminy tao an-tsambokely i Jesosy . Nahagaga fa afaka nandeha teny ambonin’ny rano Izy .Tsy mandao antsika amin’ny fotoan-tsarotra nyTompo . Manatrika antsika Izy sady mampahery antsika amin’ny alalan’nyTeniny , ka na ny ranomasina hanonja na tafiotra hamely dia matokia fa eo ambany fahefan’i Jesoa Kristy avokoa ny zavatra rehetra.
2-Aza matahotra !

Petera dia nahalala fa manana ny fahefana rehetra Jesoa , saingy mbola te-haka toky bebe kokoa izy , ka hoy ny teniny : « Tompoko , raha hianao ihany , dia asaivo manatona Anao eny ambonin’ny rano aho » (and28). Nasain’i Jesoa, hanatona Azy i Petera ka afaka nandeha teny ambonin’ny rano kanjo nony nahita ny tafio-drivotra izy dia nanomboka nilentika ka nila vonjy tamin’i Jesoa . Mazava ny fampianarana tian’iJesoa horaisintsika , fa na dia tandindomin-doza aza ny fiainana , dia lehibe mihoatra lavitra noho izany ny herin’Andriamanitra hamonjena antsika . Kely tokoa ny finoantsika , kanefa lehibe sy mahery ny Tompo ka mamonjy antsika amin’ny fotoana izay iantsoana Azy . « Aza matahotra !*
Fanontaniana :
Inona no teny fanomezan-toky efa nomen’Andriamanitra ho anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM