Alatsinainy 31 Janoary 2022

1 JAONA 3.1-6

Ny maha- zanak’Andriamanitra

1-Fitiavan’Andriamanitra

« Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray antsika ... »(and1)

Noho ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra no nahatonga Azy niantso antsika ho zanany . Anarana milaza fahatsarana, voninahitra, fahalehibiazana, fahalemem-panahin’Andriamanitra amintsika. Izy mihitsy no manambara ny maha-zanany antsika .Tsy tongatonga ho azy anefa izany , fa noho ny naneken’i Jesoa Kristy ho faty teo amin’ny hazo fijaliana ka nahazoan’ny mpino fahateram-baovao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina . Dia tonga zanak’Andriamanitra ny kristiana . Izay rehetra manaiky ny famonjen’i Jesoa Kristy sy fanavaozan’ny Fanahy Masina no tonga zanak’Andriamanitra . Fitiavan’Andriamanitra no mahatonga antsika ho zanany .

2-Manomboka ankehitriny

« Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika , …izay ho toetsika rahatrizay » (and2)

Ny filazan’Andriamanitra ny maha-zanany antsika dia tsy fahatsarana mbola andrasana na ampanantenaina amin’ny andro ho avy akory fa manomboka « ankehitriny« .Amin’ny fotoana izay haneken’ny olona fa i Jesoa Kristy no Tompo sy Mpamonjy azy , dia tonga zanak’Andriamanitra izy.Tsy amin’izao fiainana izao ihany anefa izany , fa mitohy hatrany amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy . Amin’izay fotoana izay , dia ho tahaka an’i Jesoa Kristy isika sady hanatrika an’Andriamanitra mivantana . Voninahitra sy fifaliana lehibe ho an’ny zanak’Andriamanitra ny fanatrehana Azy mivantana izay tsy hita tety an-tany afa-tsy tamin’ny alalan’ny finoana ihany .

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba iainanao ny maha-zanak’Andriamanitra anao mba hahatanteraka ny fifaliana rahatrizay ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 29 Janoary 2022

JAKOBA 5.7-11

Ny olona miandry ny fiavian’ny Tompo

1-Manana faharetana

« Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fiavian’ny Tompo » (and8) . Na dia eo aza ny fahoriana sy ny fahasahiranana tsy maintsy iaretana amin’izao andro izao dia miandry amin’ny faharetana ny fiavian’ny Tompo ny mpino. Ny fiverenan’i Jesoa Kristy dia fahatanterahan’ny fanafahana ho an’ny kristiana ary fandravana ho an’ny mpanao ratsy .Koa tahaka ny iandrasan’ny mpiasa tany amin’ny faharetana ny vokatry ny tany no iandrasantsika ny fiavian’ny Tompo .Izany fiavian’ny Tompo izany dia fandtesen’ny fanjakan’Andriamanitra sady famonjena ho an’ny zanany . Satria manantena izany famonjena izany isika dia mampaheza ny tenanao ao amin’i Jesoa Kristy mba haharetanao hatramin’ny farany .

2-Miala amin’ny fifanomezan-tsiny

« Aza mifampimonomonona ry rahalahy , fandrao hohelohina ianareo .Indro ny mpitsara ... » (and9)

Miteraka fahasorenana eo amin’ny samy mpiara-manompo ny ngidin’ny fahoriana iaretana amin’ny fiainana andavanandro.Lasa mifampimonomonona , mifanome tsiny , mifanaratsy etsy sy eroa .Mahatonga fitsarana avy amin’ny Tompo anefa izany .Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny samy mpino kristiana , mifanome tsiny sy mifanaratsy .Aleo mandefitra na dia iharan’ny tsy rariny aza , satria efa nanome fianarana momba izany fiaretana fahoriana izany i Joba . Koa aza mifampimonomonona noho ny amin’ny Tompo , fa Izy hamindra fo aminao ka hanome izay tokony ho anao .Sarotra anefa izany , tsy efan’ny nofo aman-dra ka mianara mandefitra ao amin’i Jesoa Kristy dia ho vitanao izany .

Fanontaniana :

Inona no sakana tsy hahafahanao mandefitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 28 Janoary 2022

ISAIA 48.12-16

Andriamanaitra tsy miova mandrakizay

1-Andriamanitra Mpahary

« Eny ny tànako no nanorina ny fanambanin’ny tany , ary ny tànako ankavanana no namelatra ny lanitra » (and13)

Rehefa babo tany Babylona ny taranak’i Joda dia nahatsiaro ho toy ny nafoy mihitsy izy ireo , satria misaona ny tany , lao ny tanàna , afa-baraka ny firenena , kivy ny vahoaka . Nanoloana izany dia nampahatsiahy ny anarana nahafantaran’Israely Azy Andriamanitra , dia ny maha- Mpahary Azy izany . Ary ny antony isehoan’Andriamanitra amin’ny maha-Mpahary Azy dia ho fanomezan-toky ny vahoaka fa afaka manova sy mahary fiainam-baovao ho an’ny olony Izy .Amin’ny fotoana izay mahavery ny olona Izy. Ary ny fahariana lehibe indrindra amin’izany dia ny maha-olom-baovao ao amin’i Kristy .

2-Mitaona ny olona hantona Azy

« Manatona Ahy ianareo ka mihainoa hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina… » (and16)

Taorian’ny fampahatsiahana nataon’ny Mpaminany fa Jehovah no Andriamanitra tokana sady marina , dia nitodika tamin’ny vahoaka Izy mba hanraraotra ny fotoana iantsoana azy ireo hisitraka ny fitiavan’Andriamanitra .Andriamanitra maneho ny fitiavany ny olona ka miteny amin’ny olona no hanehoany ny fitiavany ny vahoaka .Ka izay rehetra mihaino ny Tenin’Andriamanitra no misitraka ny fitahiana sy fahasoavana aterak’izany .Ary izany teny izany dia tsy hafa fa i Jesoa Kristy , Ilay fiainana sady mpizara fiainana amin’izay rehetra mino Azy .

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba iainanao ny fahariana vaovao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

FJKM / Greeting

New Year’s Greeting from the FJKM

« Hello. It is a joy to bring you New Year’s greetings from the FJKM church. 

We give thanks to the Lord for bringing us all through 2021 into the new year. 

While there are many things that are challenging, we give thanks that we serve a God who is faithful. 

We appreciate what you have done to walk alongside us in 2021. Having brothers and sisters in Christ in the Presbyterian Church who pray for us and work with us means a great deal to us. We have been able to do many wonderful things together including helping the people in southern Madagascar who are suffering from hunger.   

As the world suffers from another COVID wave, we ask for your prayers. We will not forget to pray for you. May we as the church be God’s light in these times when people despair. 

We look forward to sharing with the Madagascar Mission Network on February 26th about FJKM’s vision for the next 4 years and about what we are doing in southern Madagascar. We hope that you can join us at that time. 

We pray that these verses from Isaiah 43:1-2 may be true for you in this new year.

But now, this is what the Lord says—
    he who created you, Jacob,
    he who formed you, Israel:
“Do not fear, for I have redeemed you;
    I have summoned you by name; you are mine.
When you pass through the waters,
    I will be with you;
and when you pass through the rivers,
    they will not sweep over you.
When you walk through the fire,
    you will not be burned;
    the flames will not set you ablaze.” “

May God bless you.

Rev. IRAKO Andriamahazosoa Ammi

The President of the FJKM

Alakamisy 27 Janoary 2022

HEBREO 7.20-28

Jesoa Kristy Mpisorona

1-Maharitra mandrakizay

« fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana , satria maharitra mandrakizay Izy » (and24)

Tany amin’ny fanekena taloha , dia maro ireo mpisorona nifandimby nanao ny asa fisoronana tao amin’ny Tempoly .Anisan’ny antony lehibe mahatonga izany fifandimbiasana eo amin’ny fanaovana ny asa fisoronana izany ny fahafatesana .Tsy mba toy izany anefa i Jesoa Kristy , tsy azo dimbiasana ny asa fisoronana nataony satria velona mandrakizay Izy . Ary ny fahaveloman’i Jesoa Kristy sy ny fiakarany any an-danitra , mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra no hahafahany manohy hatrany ny asa fisoronana , satria mifona ho antsika isanandro Izy .ary izany no mahatonga antsika rehefa mivavaka dia hatao amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy .

2-Miavaka

« …dia izay masina , tsy misy tsiny , tsy misy loto , voasaraka amin’ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra  » (and26)

Miavaka amin’ny mpisorona rehetra i Jesoa Kristy , satria tsy voampentipentin’ny ota sy ny fahotana . Masina sady tsy manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra , satria tsy mpanota sady tsy nanota , na dia niara-nonina sy nifanerasera tamin’ny mpanota , eny tonga hamonjy ny mpanota .Marihana tsara mantsy fa ny dikan’ny « voasaraka amin’ny mpanota » ,tsy nandroaka ny mpanota akory fa tsy nanao ny fanaon’ny mpanota. Ary izany no nahatonga Azy voalaza eto fa »Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika » , satria Izy no mahavonjy antsika . Jesoa Kristy irery ihany no mpamonjy , satria Izy irery ihany no mendrika izany . Koa raiso sy ekeo ary iaino ny famonjena nentiny ho anao .

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba iainanao ny famonjen’i kristy ? Ary inona no mety ho antony tsy ahafahanao mihazona izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 26 Janoary 2022

MIKA 7.18-20

Andriamanitra tsy misy tahaka Azy

1-Mpamindra fo

« Izay mamela ny heloka sady mandalo ny fahadisoana…tsy mitana ny fahatezerany …fa tia famindrampo … »(and18).

Tonon kiram-pinoana sy fisaorana ho fiderana ny famindrampon’Andriamanitra no entin’ny mpaminany Mika mamarana ny bokiny . Ny fanafahana sy famonjena dia vokatry ny famindrampon’Andriamanitra ary izany no mbola ananan’ny olona fahavelomana . Amin’ny fotoana ahatsapan’ny olona fa noho ny famindrampon’Andriamanitra no mbola mahavelona azy dia hidera sy hisaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izy satria ny famindrampon’Andriamanitra dia raisina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy . Koa derao mandrakariva Andriamanitra noho ny famindrampony .

2-Mitana ny fanekeny

« Hanefa fahamarinana…dia ilay nianiananao tamin’ny razanay hatramin’ny andro taloha ela » (and20)

Nofaranan’ny mpaminany tamin’ny filazana ny fahazoana antoka ny famonjena ny boky.Ny filazana ny anaran’i Abrahama sy Jakoba dia midika fa ny fanekena nataon’Andriamanitra dia tsy miova ary mihatra amin’ny taranaka mifandimby .Tsy miova amin’ny Teniny Andriamanitra ary tsy mivadika amin’ny fanekena nataony na dia mivadika aza ny olombelona .Ary izany tsy fivadihan’Andriamanitra izany ihany koa no mahatonga an’Andriamanitra mamindra fo amin’ny olony . Ary ny lehibe indrindra amin’izany dia Andriamanitra mitana ny fanekeny izany , dia tamin’ny nanomezany antsika an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy antsika .

Fanontaniana :

Inona avy no tokony hataon’ny olona mahatsapa ny famindrampon’Andriamanitra eo a amin’ny fiainany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

BMF/Fanambarana vonjy voina

Fanambarana manokana (Jan 2022)

«Miorena tsara, aza miova» (Kor 15:58)

Ry havana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny Biraon’ny mpiandraikitra Foibe dia manao izao hafatra izao: Mampahery ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny toy ny rivo-doza, ny ranobe sns..izay misy fiatraikany mafy eo amin’ny fiainantsika. Maro ireo traboina rava fananana, namoy havan-tiana, ao ireo nandao tsy fidiny ny toeram-ponenana. Miaina ao anatin’ny fahasahiranana lalina isika.Fa hoy ny Soratra masina: ” ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin‘ny voninahiny mandrakizay ao amin‘i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo” I Pet. 5,10

Miantso antsika rehetra hanamafy hatrany ny vavaka isam-batan‘olona sy isan-tokantrano fa: “ny fiasan‘ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra” Jak. 5,16b

Manentana ny rehetra samy hiomana fa araka ny vinavinan’ny mpahay toetrandro dia mbola mety hisy roa amby folo (12) eo ho eo ny andro ratsy ka ny 4 hatramin’ny 6 mety ho rivo-daza, hatramin’ny volana Avrily 2022. Aoka hanaraka tsy tapaka ny vaovao sy toromarika omen’ny tomponandraikitra isika. Hoy ny Soratra Masina: “fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona” Lio.21,36

Hoy ny Soratra Masina: “fa noana Aho, dia nomenareo hanina, nangetaheta Aho dia nampisotroinareo, nivahiny Aho dia nampitranoinareo, tsy nanan-kitafy Aho dia notafianareo, narary Aho dia notsaboinareo… Lazaiko aminareo marina tokoa: araka izay efa nataonareo tamin‘ny anakiray amin‘ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko” Mat. 25:35,36ab, 40

Noho izany dia mitaona antsika hanao voin-kava-mahatratra ho an’ireo traboina, eo amin’ny faritra misy antsika, ho an’ny isam-pitandremana sy isaky ny Synodamparitany.

Koa miantso antsika Mpitandrina sy ny tomponandraikitra amin‘ny Fitandremana, hanentana sy handray ny fanampiana ary handamina ny fizarana izany ho an‘ireo traboina.

Azontsika atao ihany koa ny manatitra izany mivantana aty amin’ny Foibe FJKM varavarana 201 (Aumonerie) na handefa izany amin‘ny Mvola finday : 034 96 209 32 (Andry Nina Velosoa TDMVF) Raison:Vonjy Voina, na arotsaka amin‘ny Bankin’ny Foibe FJKM, BAOBAB BANQUE : 00013 00022 23658977811 43 Tsaralalàna

Aoka isika hijery ny zava-misy marina eo amin’ny toerana izay misy antsika ka hahafoy tena, fananana, ary hanao asa soa sy fiantrana ho an‘ireo mila vonjy, hahafoy fotoana hampahery ary hitrotro am-bavaka azy ireny. Araka ny Soratra Masina: “Isika tsy maintsy manao ny asan‘izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro” Jao 9, 4a

Ho antsika tomponandraikitra, samia manao tatitra marina sy mazava eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny Fiangonana ary ny fiaraha-monina, Fa hoy ny Soratra Masina: “fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason‘ny Tompo ihany, fa eny imason’ny olona koa.” 2 Kor. 8,21

Manao veloma anareo amin‘ny anaran’ilay Tompo Jesoa Lohan‘ny Fiangonana.

Ny Filohan’ny FJKM
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Talata 25 Janoary 2022

JAONA 6.22-27

Ny  olona mitady  an’i Jesoa Kristy

1-Mitady  fiainana mandrakizay 

« Aza miasa hahazo  hanina  mety ho levona , fa ny hanina   izay maharitra  ho  fiainana mandrakizay «   (and 27)

Ampitson’ny andro  izay nampihinanan’i Jesoa   ny lehilahy tsy omby dimy arivo  , dia mbola tonga hitady   an’i Jesoa  indray ny vahoaka , mba hihinanan’izy ireo  mofo indray . Nanohitra izany fomba fisainana izany i Jesoa  , satria hanina tsy maharitra sady fanomezana  fahafahampo ny nofo fotsiny ihany fa tsy mikendry fiainana mandrakizay .Noho izany , ny hoe: mitady an’i Jesoa dia tsy noho ny fitadiavana hanina hahavoky ny nofo ihany fa hanomezana fahafahampo ny fanahy , dia ny Tenin’Andriamanitra izany . Jesoa Kristy , izay ambaran’ny Soratra Masina no fiainana ka izay rehetra manatona Azy amin’izany no manana fiainana mandrakizay .

2-Mino Azy ho avy amin’ny Ray

« …izay homen’ny Zanak’olona anareo , fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombokase » (and27)

Jesoa Kristy no nomen’Andriamanitra fahefana ary azo antoka fa Izy tokoa Ilay avy any amin’ny Ray mampiditra ny olona ho amin’ny fiainana mandrakizay . Ka raha mitady Azy ireto vahoaka ireto dia mila mino fa Jesoa Kristy dia avy amin’ny Ray .Toy izany koa isika , raha mitady sy manatona an’i Jesoa Kristy , aza mianina amin’ny fahazoana hanina mety levona amin’izao fiainana izao , fa kendreo ihany koa ny hinoana fa Jesoa Kristy no irak’Andriamanitra , mitondra fampihavanana amin’Andriamanitra sy ny olombelona . Koa aoreno amin’i Jesoa Kristy , Ilay voahosotra hitondra famonjena ho an’izay rehetra mino .

Fanontaniana :

Inona no manosika anao hitady an’i jesoa Kristy ? Hatraiza ny finoanao Azy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 24 Janoary 2022

Hebreo 13. 7 – 16

Jesoa Kristy tsy miova mandrakizay

1- Anorenana ny finoana

« Aza mety havilin’izay fampianarana maro hafahafa … Fa tsara raha ampiorenina amin’ny fahasoavana ny fo «  (and. 9 )

Mananatra ny mpino kristiana rehetra ny Soratra Masina eto mba tsy ho voavilivilin’ny fampianarana hafa izay toa marina kanefa mifanohitra amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Fampianarana izay miorina amin’ny fihinanana fa tsy mampiorina ny fo amin’ny finoana an’i Jesoa. Ny finoana an’i Jesoa Kristy irery ihany anefa no mampahery sy mitondra fiadanana. Koa izay maniry fiadanana dia miorina amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny finoana velona. Koa aoreno amin’i Jesoa Kristy tsy miova ny finoana.

2- Iderana an’ Andriamanitra

« Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, … » (and. 15)

Noho ny fanati-panavotana, izay nanadio antsika ho afaka amin’ny fahotana rehetra, nataon’i Jesoa Krsity ho antsika dia aoka tsy hanankina ny fo amin’ny fanatitra tsy maharitra. Satria famonjena lehibe no azo tamin’izany, dia tokony hanolotra fanatitra fiderana ho an’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny mpino; izay mariky ny fanolorana ny fo sy ny fiainana ho Azy. Tsy eken’Andriamanitra ny fanoloran-tena ho Azy raha tsy amin’ny alalan’ i Jesoa Kristy, izay midika ho fiderana an’ Andriamanitra .

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba entinao miaina ny fanoloran-tena sy ny fiderana an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM