Alatsinainy 27 Desambra 2021
2 TANTARA 23 .18-21
Fomba nenti-nandrava ny fahefan’ny mpanjaka ratsy fanahy
Ny fifandimbiasam-pahefan’ny mpanjaka teo amin’i Atalia sy Joasy no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra amintsika anio .
1-Manana andraikitra ny mpitondra fivavahana
Marihana fa ny fahefan’ny mpanjakavavy Atalia dia tsy ara-dalàana satria fanjakana nalaina an-keriny , ary ny tena loza dia izy nanome vahana ny fanompoan-tsampy tao amin’ny fanjakany . Nilaina ny fandraisana andraikitry ny Mpisorona sy ny Levita ho famerenana izany araka ny fampanantenan’Andriamanitra ho amin’ny taranak’i Davida sy Solomona . I Joiada mpisoronabe no nanomana ny tetika sy ny toromarika rehetra handravana ny fanjakan’i Atalia sy hametrahana ny mpanjaka Joasy izay hisolo azy .. Ny mpitondra manome vahana ny fanompoantsampy dia mampitotongana ny fiainana ara-panahy , ka tsy afa-mitazana fotsiny izany mpirondra fivavahana fa mila mandray andraikitra araka izay hitarihan’ny Fanahy Masina azy .
2-Manana andraikitra amin’izany ny vahoaka
Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy manaraka an-tsakany sy an-davany izay rehetra nitarihan’iJoiada mpisoronabe mpifehy ny Tempoly azy ny vahoaka . Ny mpisorona tokoa mantsy no mampifandray ny vahoaka amin’Andriamanitra sady mampita ny fitahian’Andriamanitra ho azy . Nahafaly ny vahoaka ny fametrahana an’i Joasy mpanjaka sy ny fahafatesan’i Atalia satria nahatsiaro ho nitondra faisana ny ankabeazany nandritra ny fotoana nanjakan’itsy farany ., ‘Dia nifaly ny vahoaka rehetra ary nandry fehizay ny tanàna » (and21a). Mariky ny fitahian’Andriamanitra ny fisian’ny fandriampahalemana toy izany .Ny fiverenana amin’Andriamanitra no mitondra fiadanana .
Fanontaniana :
Inona no andraikitra andrasana amin’ny Fiangonana sy ny mpitarika manoloana ny fahalovan’ny firenena?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM