Alahady 26 Desambra 2021
ISAIA 40 :6-8
Mitondra fanavotana ho an’ny olony Andriamanitra.
Teny fampiononana no entin’Andriamanitra maneho fa :
1-Andriamanitra no Tompon’ny fahefana rehetra.
Eto amin’ity faminanian’Isaia ity dia efa madiva hifarana ny fotoana famaizan’Andriamanitra,ary efa manakaiky ny fotoam-panafahana avy amin’ny fahababoana.Ny Persiana no hery eo am-pelatànan’Andriamanitra ho enti-manafaka ny olony eo ambany fanapahan’ny Babyloniana. Izy no Tompon’ny teny farany. Voafetra sy voafehy eo am-pelatànan’Ilay Andriamanitra Mpahary ny zava-boahary rehetra ,ka na iza na iza milaza azy ho matanjaka,na iza milaza ho mahery,rehefa tonga ny fetra omen’Andriamanitra, dia tsy maintsy mifarana izany.”Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin’ny fofonain’I Jehovah ireny, eny ahitra tokoa ny olona”(and.6). Na ny hery na ny fahefana,na izay heverin’ny olona ho fahatsarana dia samy tsy haharitra fa mandalo ihany.
2-Tsy maintsy tanteraka izay nampanantenainy.
“Fa ny Tenin’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay”(and.8b). Na teo aza ny fahababoana tany Babylona izay nahatonga ny sasany hiala tamin’Andriamanitra,dia nisy ireo sisa izay nino sy nanantena fa ho avy ny fotoana izay hanehoan’ny Tompo ny heriny, ka hanafahany azy ireo sy hampodiany azy indray ho any amin’ny taniny .Tsy tokony ho kivy na hihevitra an’Andriamanitra ho manadino azy ny olony,raha sendra ka mandalo fotoan-tsarotra. Sambatra izay rehetra mitahiry ka mitandrina izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa sady hanana faharetana amin’ny fahoriana izy no hiorina tsara ny fanantenany ny fiainana mandrakizay.Fa izay rehetra nampanantenainy dia tsy maintsy ho tanteraka amin’ny fotoana izay heveriny ho mahamety izany.
Fanontaniana:
Inona ny Tenin’Andriamanitra anorenanao ny fanantenanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM