Sabotsy 25 Desambra 2021
LIOKA 2.8-14
Ny nahaterahan’i Jesoa Kristy
« …fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’i Davida dia Kristy Tompo « .Mahafaly antsika ny mahalala fa :
1-Jesoa no Kristy
Ny anarana hoe: Kristy dia midika hoe : « voahosotra » .Io no teny mahalaza ny voambolana Hebreo hoe: « Mesia » . Jesoa no Ilay voafidin’Andriamanitra sy voatendriny ka nirahiny hamonjy ny olombelona rehetra . Jesoa no Ilay voahosotr’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina , ho mpaminany mitondra antsika ho amin’ny fahalalana ny fahamarinan’Andriamanitra .Izy no voahosotra ho mpisorona izay nanolotra ny tenany ho fanatitra fampihavanana antsika amin’Andriamanitra .Izy no hanapaka ny oony .Raha misy olona milaza ny tenany ho Mesia na milaza azy ho Kristy ankoatra Azy dia mpandainga sady mpanohitra an’Andriamanitra .
2-Izy no Mpamonjy
Samy efa nanota teo anatrehan’Andriamanitra avokoa isika rehetra fa tsy misy na dia iray akory aza . Ny fahotantsika dia mahatonga fanamelohana sy fitsarana ary fahafatesana ho antsika .Rehefa tafasaraka amin’Andriamanitra ny olona dia simba ihany koa ny fiandraisany amin’ny oona , ary mihasimba koa ny fifandraisany amin’ny zava-boahary .Koa na inona na inona ezaka atao hikatsahana fiadanana dia tsy hahomby velively izany .Miharatsy sy mihasimba ny tontolo iainana . Ny fihavanana amin’Andriamanitra irery ihany no làlana tokana hahazoam-pamonjena .Ao amin’i Jesoa Kristy no tanteraka hy fampihavanana antsika amin’Andriamanitra . Ny mpiandry ondry any an-tsaha no nisehoan’ny anjely sy nampahafantarina izany vaovao mahafaly ho an’ny olona rehetra izany .
Fanontaniana :
Inona no tena mahafaly anao amin’izao krismasy izao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM