Alarobia 03 Novambra 2021

MATIO 6.19-24

Tafiditra tao anatin’ny toriteny teo an-tendrombohitra nataon’i Jesoa ity perikopa ity . Fotoam-piomanana izao :

1-Koa aza mihary zava-mora lo

Zovy amintsika no tsy maniry hanankarena ? Ary fanaontsika mihitsy aza ny mangata-bavaka amin’ny mpanompon’Andriamanitra mba hahombiazan’ny izay hatao hitomboan’ny harena . Misy aza moa fivavahana izay mampianatra fa ny harena no mari-pitahiana . Ambaran’i Jesoa fa zavatra tsy maharitra ireny fa miovaova sy mora levona . Koa raha izany no hametraham-pitokisana dia handiso fanantenana antsika . Raha amin’ny fitenintsika Malagasy dia hoe : « miantehitra amin’ny hazo boboka » . Hoy i Paoly : « Anaro ny mpanankarena amin’izao amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra izay manome malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika » (1 Tim 6.17).

2-Koa miharia harena any an-danitra

Ny haren’ny tany dia miovaova ny sandany , mety misy handrombaka sy hangalatra ary tsy hanam-piadanana fa mampiasa saina isanandro .Koa asain’i Jesoa misafidy ny fiharian-karena any an-danitra isika eto. Ny haren’ny lanitra dia azo antoka fa tsy miova , satria Andriamanitra mihitsy no mitahiry izany . Hoy i Paoly : « Hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana izay omen’ny Tompo mpitsara marina ho ahy amin’izay andro izay , ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehony koa  » (2 Tim 4.8) . Ahoana no hahazoana izany ? Azo amin’ny alalan’ny fankatoavana an’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra . Hoy ny voasoratra : »…Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky …midira amin’ny fifalian’ny Tomponao  » (Mat 25.23)

Fanontaniana :

Raha tonga ny Tompo , harena toa inona no hitany ao am-ponao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 22. Ala. I man. Trinite - S. Vokovoko Manga
Oha. 23. 19-25 | Lio. 12. 35-40 | 1 Kor. 10. 31-11.1

| | 29. Ala. II man. Trinite
1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025