Talata 02 Novambra 2021
SALAMO 73.21-28
Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo
Ao anaty famoizampo , mijery ny zavatra iainan’ny ratsy fanahy ny mpanao Salamo eto . Ary rehefa nandinika izy dia nanao fanekem-pinoana lehibe hoe : « Izaho dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy » .Mitoetra ho akaikin’Andriamanitra .
1-Very izay lavitra Azy :

Very izay lavitra an’Andriamanitra , dia ireo izay manalavitra azy noho ny tsy finoana sy noho ny fahotana . Fa hoy ny Soratra masina hoe : « Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo , ary ny fahotanareo no mapiafina ny tavany aminareo , ka dia tsy mihaino Izy » (Isa 59.2). Aringany ireo mpijangajanga , dia ireo manana andriamanin-kafa tompoina ka manolo zavatra hafa hakany ny toeran’Andriamanitra ao am-pony . Andriamanitra saro-piaro Andriamanitra ka tsy tiany hampirafesina amin’andriamanitra hafa Andriamanitra . Efa niezaka nanakaiky antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany Izy, fa matetika isika no manalavitra azy noho ny fahotantsika . Dia nanakaiky antsika Izy ka nampidina ny zanany tsy foiny (vakio Jao 3.16)
2-Mahatsara ny eo akaikiny

Ny mpanao Salamo dia nanao fanambarana miezinezina eto fa ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara azy , satria nosafidiany ho hany mpiaro azy Andriamanitra . Hoy ny voasoratra : »Tsara ny mialoka amin’i Jehovah , noho ny mialoka amin’ny olona » (Sal 118.8) . Ny fisafidianana ho eo akaikin’Andriamanitra dia fanomezana toerana Azy eo amin’ny fiainantsika ka hahafahany mandray andraikitra , indrindra amin’ny zava-tsarotra atrehantsika . Ary amin’izany dia tonga vavolombelon’ ny asan’Andriamanitra isika , araka ny voalaza eto hoe : » …mba hilaza ny asanao rehetra aho » . Ny fandraisantsika an’i Jesoa no andrasany amintsika , fa Izy efa vonona araka ny Teniny hoe : « ...ary izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy « (Jao 6.37)
Fanontaniana :
Fantatrao ve fa misy anjara toeranao ao amin’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM