Alatsinainy 01 Novambra 2021

FITOMANIANA 3.22-27

Olona ao anaty fahoriana sy famoizampo no miteny eto ( jereo and19 ) . Mipololotra ny vavaka ataony . Nitodika tamin’Andriamanitra izy ka ambarany fa ny fisaintsainana Azy no mampitoetra .

1-Andriamanitra mpamindra fo (and22-24)

Fotoana fohy ihany no haharetan’ny fahatezeran’Andriamanitra , fa ny fitiavany lehibe kosa tsy manam-pitsaharana .Araka ny voalaza hoe: « Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany , nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany . Amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina , fa nony maraina kosa dia misy fihobiana «  (Sal 30.5) .Tahaka izany hatrany ny fitantanan’Andriamanitra ny fiainantsika . Noho ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny olona dia manana drafitra manokana ho antsika Andriamanitra . Tafiditra ao anatin’ny drafi-pamonjena izany ny nanirahany ny zanany , dia Jesoa hamonjy antsika .

2-Andriamanitry ny fanantenana (and 25-27)

Ny fahatsaran’ny Tompo dia miseho amin’ny famindrampony amin’ireo miandry Azy amin’ny fanetrentena sy am-pibebahana marina. Raha misy zavatra tsara azo antenaina eto amin’ity tany onenantsika ity dia tsy misy miohatra an’Andriamanitra satria tsara Izy amin’izay manantena Azy . Ny hoe : manantena eto dia izay mitady marina Azy . Tokam-po fa tsy mitady famonjena amin’ny hafa , fa tsy misy anarana hafa . « Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa , fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena  » (Asa 4.12). Amin’izany , Ilay Andriamanitry ny fanantenana dia ilay mandray andraikitra hahatanteraka ilay fikasana tsara ao anatinao izay anaty famoizampo , hanova ny fiainanao ho amin’ny tsara hatrany . Hoy i Jesoa : « …Izaho avy mba hananany fiainana , sady hananany be dia be » (Jao 10.10b)

Fanontaniana :

Tafatoetra ao amin’Andriamanitra ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 22. Ala. I man. Trinite - S. Vokovoko Manga
Oha. 23. 19-25 | Lio. 12. 35-40 | 1 Kor. 10. 31-11.1

| | 29. Ala. II man. Trinite
1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025