MOFO/ Nov 2021

TAFATOETRA IZAY MIANDRY NY TOMPO

DATYTENY HOVAKIANA
01Fit. 3. 22 – 27
02Sal. 73. 21 – 28
03Mat. 6. 19 – 24
04Sal. 108. 1 – 6
05Sal. 27. 1 – 4
06Lio. 12. 22 – 31
07Sal. 57. 1 – 11
08 Isa. 64. 3 – 11
09Sal. 25 . 1 – 7
10Mat. 13. 36 – 43
11Sal. 112. 1 – 11
12Heb. 9. 23 – 28
13Apo. 21. 1 – 5
14Jak. 5. 7 – 11
15Sal. 33. 12 – 22
16Lio. 6. 43 – 49
17Asa. 14. 19 – 28
18Isa. 30. 18 – 22
19Mat. 7. 24 -29
20Jer. 17. 5 – 8
21Jao. 11. 21 – 27
22Isa. 40. 21 -31
23Lio. 21. 20 – 28
24Kol. 1. 21 – 23
25Isa. 49. 22 – 26
26Amo. 9. 11 – 15
271Tes. 4. 13 – 18
28Sal. 16. 7 – 11
29Lio. 1. 46 – 55
30Rom. 8. 18 -25

Alahady 31 Oktobra 2021

EZEKIELA 43.18-27

Andriamanitra tsy mahafoy ny olony fa :

1-Miteny aminy mandrakariva (and18)

Mampahery ny vahoakany babo Andriamanitra , satria kivy tanteraka izy ireo ary nihevitra fa resy Andriamanitra sady efa nanadino azy ireo rahateo. Eo anatrehan’izany indrindra no niantso an’i Ezekiela ho mpaminany Izy , izay sady efa mpisorona rahateo ny teny hoe : « ary hoy izy tamiko » dia midika tsy mangina Andriamanitra ary ny fanirahana mpaminany dia maneho fa mbola tsy nanary ny olony izy. I Jesoa nomena antsika ,Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo . Porofon’ny fitiavany antsika izany , itenenany amintsika ihany koa , ka henoy Izy fa aza odiana tsy hita .

2-Manoro izay tokony hataony (and 19)

Omen’ny Tompo eto ny refin’ny tempoly sy ny fombafomba rehetra tokony harahina , indrindra mahakasika ny alitara ary mampita izany amin’i Ezekiela . Maneho izany fa mitari-dàlana ny olony hatrany Izy ny amin’izay tokony hatao fa tsy mamela azy ireo ho ao anaty fahakiviana fotsiny . Izany toetran’Andriamanitra izany dia hita ao amin’i Jesoa koa , manoro làlana ny olona hatrany , indrindra ho an’izay very hevitra , ohatra amin’izany ilay tovolahy mpanankarena nanatona Azy (Lio 18.18)

3-Mankasitraka ny mpankato (and 27)

Miavaka ny Andriamanitra ivavahantsika . Izy tsy manao ankinafinafina na miandry kendry tohana hamelezana ny olony fa efa ambarany mialoha hatrany ny zavatra ankasitrahany , efa hatrany amin’ny bokin’ny lalàna . Safidin’ny olona sisa ny hankato na tsia, fa izay te-hahazo sitraka Aminy dia tsy maintsy manao ny sitrapony .

Fanontaniana :

Ahoana ny fahatsapanao izany Andriamanitra tsy mahafoy ny olony izany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 30 Oktobra 2021

Jaona 6. 34 – 51

Ny teny nataon’i Jesoa tamin’ny vahoaka nitady azy rehefa novokisana mofo no hitantsika eto. Zavatra telo no lazain’i Jesoa :

1- Ny momba Azy

« Izaho no mofon’aina » (and 35). Manitsy ireto vahoaka izay mitady azy fatratra ireto i Jesoa eto satria ny manosika azy ireo dia ny fanantenana ny mbola hihinana mofo fotsiny ihany indray. Taomin’i Jesoa izy ireo hahatakatra fa tsy ny hanin’ny nofo akory ny zava-dehibe sy maika fa ny hanim-panahy, izany hoe: tsy ilay fahavokisana indray maka no tokony hifantohana fa ilay hery vaika, ilay hery miasa maneho ny maha- Mesia an’i Jesoa ka afaka manome fahavokisana, tsy ny nofo ihany fa ny fanahy indrindra koa.

2- Ny momba izay manatona Azy

« Izay manatona Ahy tsy mba ho laviko mihitsy » ( and 37 ). Sarihan’ny Tompo ny olona eto mba hahazo fa ny Ray mihitsy no tompon-kevitra ny amin’ny famonjena ka mitaona ny olona hanatona an’i Jesoa, ary izay rehetra tonga eo amin’i Jesoa dia tsy ho voatosi-bohon-tànana, na iza izy na iza, na avy aiza na avy aiza . Ianao koa taomina hanatona an’i Jesoa, raisiny ianao !

3- Ny amin’ny sitrapon’ny Rainy

« Ny hahazoan’izay mijery ny Zanaka ka mino Azy ny fiainana mandrakizay » (and 40). Ambaran’i Jesoa mazava eto fa ny sitrapon’ny Ray dia ny hamonjena ny olona rehetra; tsy ny olona rehetra anefa no hahazo fiainana mandrakizay fa izay mino an’i Jesoa ihany, ary izay tsy mety mino kosa dia tompon’antoka amin’ny fahaverezany ( Mar 16.16 ). Minoa an’i Jesoa àry ianao raha hovonjena, aza atao filan-javatra fotsiny Izy.

Fanontaniana :

Manao ahoana ary izao ny fahazoanao ny momba an’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 29 Oktobra 2021

Romana 15. 25 - 29

« Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan’ny fitahian’i Kristy » and 21

Ny fahafenoan’ny filazantsara

1- Manao ahoana izany fahafenoana izany ?

I Paoly eo am-panatanterahana ny asa fanompoany no miresaka eto ny amin’ny fahafenoan’ny fitahian’i Kristy Tiany asongadiana amin’izany amin’ny maha- mpanompo irahin’Andriamanitra azy, ary traikefa efa niarahany tamin’ Andriamanitra ihany io fitahiana io .Fitahiana tsy ara-nofo fotsiny fa ara-panahy indrindra koa. Zarain’i Paoly eto amin’ny Romana fa eo am-piatrehana ny hazakazaka dia tsy avelan’Andriamanitra ho diso fitahiana akory ny mpanompony. Nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany fa rehefa naniraka azy ireo izy dia noferany hoe: « aza mitondra kitapom-bola na kitapom-batsy », izany hoe : Andriamanitra no hikarakara sy handray an-tànana. Ianao koa, ataovy ny asan’Andriamanitra fa tsy diso anjara fitahiana, sady ho fitahiana feno ianao.

2- Inona ary no andrasana amintsika mino amin’izany ?

Ny fitahiana , hoy i Paoly eto dia fahafantarany fa homba azy ny Tompo . Tsy zavatra mbola angambaina fa efa azo antoka tanteraka, ary tsy hametrahany fisalasalana na dia kely monja aza. Koa anjarantsika ny matoky ary tsy misalasala hanao ny aina tsy ho zavatra amin’ny zara-fanompoana napetraka tamintsika. Na dia tafita tamin’ny Kristiana ihany ary nampahery azy ireo ny hafanam-po sy finoana nentiny nanao ny iraka nampanaovin’ny Tompo azy.

Fanontaniana :

Amin’ny fotoana manao ahoana no ahatsapanao fa tsy diso anjara fitahiana tokoa ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 28 Oktobra 2021

I Jaona 5. 1 – 9

Ity Epistily ity dia miresaka ny amin’ny fifamatoran’ny finoana sy ny fitiavana ary i Kristy. Misongadina eto fa ny maha- Zanak’Andriamanitra dia :

1- Ny finoana fa i Jesoa no Kristy ( Mesia )

« Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy dia naterak’Andriamanitra » hoy i Jaona eto, izany hoe : tena singa fototra ny finoana an’i Jesoa ho Kristy, io no mila tsindriana tsara satria maro ny antokom-pivavahana milaza fa mino an’i Jesoa, nefa milaza Azy ho anankiray amin’ireo mpaminany lehibe teo amin’ny tantara fotsiny (Silamo) fa tsy manaiky azy ho Mesia na Kristy izay voahosotra hamonjy izao tontolo izao ( Jodaisma). Ao koa ireo mihevitra Azy ho olombelona irakiraka fotsiny fa tsy mpamonjy ( vavolombelon’I Jehovah). Ianao kosa taomina hino fa i Jesoa no hany Mpamonjy voahosotra.

2- Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana

«  Ary izay rehetra tia izay niteraka dia tia izay naterany koa« , fitiavana mifamatotra amin’ny finoana voalaza teo ny fitiavana voaresaka eto. Izany hoe : izay mino an’i Jesoa no manam-pitiavana an’Andriamanitra ary manam-pitiavana ny namana ihany koa. Noho izany izay milaza fa mino nefa mankahala dia mpandainga , ary izay milaza fa tia nefa tsy mino dia fitiavana mitady tombotsoa ihany izany.

3- Ny fandresena izao tontolo izao

Ny hoe : « maharesy izao tontolo izao » dia hoe : tsy voafatotry ny nofo na andevozin’ny fahotana intsony, satria olom-baovao ary manana ny fiainana mandrakizay ao aminy sahady, tsy miraika na mirona amin’ny rendrarendra.

Fanontaniana :

Aiza ho aiza izao ny toerana misy anao raha ireo mari-drefy ireo no jerena ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

SP MIARINARIVO FAHAZAVANA (27)

Lot: A.X.6. Antanisoa. 117. Miarinarivo

Tel: 033 02 635 03

spmiarinarivofahazavana@gmail.com

Biraon’ny SP

FPS : RAZAFINTSALAMA Paul-0330263503

FM1 : RAZAFIMAHALEO Rowlands Peter, Mpit, 034 69 669 40

FM2 : RANDRIANARISOA Robinson, Diak. 032 64 219 76

MSF : RANDRIAMBAHALISOA Bernard, Mpt 034 95 370 16

MSV : RANDRIANATORO Armand, diakona, 034 16 647 90

MPV : RANDRIANIRINA Harimbola Sylvain, Diak., 034 69 010 95

MLS : RAKOTOMBOLA Jean Marc, Mpit, 033 13 112 60

Mpampiasa CNaPS Matricule N° : 950 678

FIlan-Kevitra momba ny FAndaminana MPItandrina

Filoha : RASAMIMANANA Mino Andriampenosoa, 033 85 286 89

Filoha mpanampy : RAZANAJATOVO Fanomezantsoa Jaona, Mpit, 032 51 616 21

Mpitantsoratra : RAZAFINDRATSMBA Norosoa Lalao, Mpit, 033 17 321 72

Mpikambana : RASOAMAMPIONONA Jeanne, Mpit, 033 21 091 30

ANDRIANASOLO Mirantsoa Harivelo,

 034 15 609 02

IHASINA RAZAFINDRAKOTO Jaona,

033 12 778 87

An-tratra :

RANDRIAMBOLOLONIAINA Laurent Jules,

RAKOTOVAO Jean Claude, 034 15 317 72

FIlan-Kevitra momba ny FAndaminana FIangonana

Filoha : RANDRIAMIANDRISOA Jean Robin, diakona, 032 66 427 65

Filoha mpanampy : RANDRIANOBINA Herimalaza, Mpit, 034 03 029 18

Mpitantsoratra:

RAVOSON Pierre Michel, 034 15 063 65

Mpikambana:

RANDRIAMORA Philibert

RAKOTOARINELINA Jeremy

RANDRIANARISOA Didier

RAKOTONDRAMIALY Vonimboahirana Fanantenana Mpit

RAVOLOLONIRINA Hanitrinirainy Mpit

RAZAFINDRATSIMA Mamy Nirina Désiré, Mpit

RAKOTOARISOA Mamitiana Olivier, Mpit

An-tratra:

RANDRIANARISOA Sendra Mahefa

RADIARISON Célestin

RASOAMIFIDY Mandaniaina, Mpit

ANDRIARIMANANA Yollande, Mpit

SAF/FJKM

RAHARILALAO Léa Irène Disp ISALAMA Andolofotsy 033 08 392 12

Dr RAVOSON Pierre Michel, Disp ISALAMA Sanganoro, 034 15 063 65      

Ireo Mpitandrina sy ny Fitandremana Entiny

RALAMBOMIARANA Niry Haja : Ambalavato Vaovao 033 17 602 67

RAVELOTSEHENO Feno : Ambatolampy Ifanja 032 62 670 21

RAKOTOVAO Jean Claude : Ambatomanjaka 3 F 034 15 317 72

RABARISON Fidiarilala : Ambatomisangy Fitiavana 034 43 922 01

ANDRIANASOLO Mirantsoa Harivelo : Ambohimirary Faharetana
034 15 609 02

RANDRIANJAFY Valiarisoa Laurent : Amparibohitra Fitahiana 034 43 321 45

RAZAFINDRATSIBA Norosoa LalaoAmpefy Ifanja 033 17 321 72

RASAMIMANANA Mino Andriampenosoa : Analavory Fitiavana 033 85 286 89

RAZAFINDRATSIMA Mamy Nirina Desiré : Andolofotsy Fitahiana 033 08 774 34

RAKOTONDRAMIALY Vonimboahirana Fanantenana : Ankorondrano
033 12 778 87

RAZANAJATOVO Fanomezantsoa Jaona : Ankotrabe 032 51 616 21

IHASINA RAZAFINDRAKOTO Jaona : Avaradalana 033 12 778 87

RAMBELOARIHAJA Farasoa : Bedasy Fanavaozana 032 41 891 87

RANDRIAMBAHALISOA Bernard : Fenoarivobe Fahasoavana
033 32 869 93

ANDRIANJAFY Nalisoa Ezekiela Manoa : Firavahana Fehizoro 034 51 671 00

RASOAMIFIDY Mandaniaina : Firavahana Fitiavana 034 51 671 00

VOLASANA Stéphanie Edithe : Kianjamalaza Faharetana 033 04 426 67

TAHINA Manantsoa : Mahabo Finoana 034 58 527 58

RANDRIAMANAVOTRA Yonnat Randrine : Manazary Fiakarantsoa Nazareta
032 49 982 58

RANDRIAMBOLOLONIAINA Laurent Jules : Mandiavato Filadelfia 032 53 934 02

RANDRIANOBINA Herimalaza : Mangatany 034 03 029 18

RAHARIMANDRANTO Liva Daniel : Miarinarivo Finoana 033 05 085 19

RASOAMAMPIONONA Jeanne : Miarinarivo II 033 21 091 30

RAZAFIMAHALEO Rowlands Peter : Sanganoro Fahazavana 034 69 669 40

RAKOTOMBOLA Jean Marc : Soamahamanina 033 13 112 60

RAKOTOARISOA Malalatiana Olivier : Tafaina 032 50 633 42

ANDRIARIMANANA Yollande : Ziona Vaovao Tsianovana 033 01 918 37

RANDRIANANTENAINA William : Ziona Fitahiana Ierana 032 46 970 15

RAKOTOVOAHANGY Hery : Anosibe Famonjena 034 06 183 76

Ireo Katekista Delege (Kd)

RANDRIANARISOA Didier : Mahaliana Fahazavana 033 16 162 17

RAKOTONANDRASANA Victor : Ambohimandroso Fanantenana

RAMAMINIRINA Harison Remy : Ambohimarina Fanavaozana
034 88 220 03

RANDRIAMORA Philibert : Andrefanalatsinainy 032 50 872 10

RAKOTONJANAHARY Solofo Alphonse : Anjahana 032 40 774 52

RATSIMBARISON Jean Claude : Antambiazina Fehizoro 033 79 715 42

RANAIVOARIMANANA Eloi : Antamboho Fanavaozana 032 49 393 19

RANDRIAMANGA Daniel : Antoby Fanantenana Vaovao 032 44 327 50

FILIPOARISON Fanja Armand : Avaratrinirano Fitiavana 032 60 644 82

RAKOTOARIVAHOAKA Jean : Fenoarivobe Kritsy Fehizoro 032 59 165 10

RABENANTENAINA Jean De Dieu : Kianjamalaza Faharetana

RAKOTONDRAZAFY Daniel : Betsinjovina Fitiavana 033 48 834 98

Ireo Tale sy ny sekoly iadidiany

TALE FPMP.27 : RANDRIANIRINA Harimbola Sylvain – 0346901095 : leprinceharimbola@gmail.com

CP FJKM Sanganoro Ifanja : RAVELOMANANA Roland – 0346966940 :

CP FJKM Ziona Vaovao Mangatany : HERINIRIANA Jeannot Ferdinand – 0339204284 :

EP FJKM Ambatomanjaka : RAZAFIARITSIMBA Miarintsoa Rogeline :

EP FJKM Ankanisoa Fitiavana Ambohibe : RAHOLINIRINA Hanitra Narindra :

EP FJKM Anosivola : RAMANANARIVELO Andrisoa Abel – 0327589838 :

EP FJKM Antso Mahaimandry : RAVELOARITSIBA Fenosoa Nariseheno :

EP FJKM Fahazavana Ankadimena : RASOANIAINA Voahanginiaina Liliane  – 0322699062 :

EP FJKM Fanamiana Savidahy : ANDRIAMIHAJASOA Lazanirina :

EP FJKM Fanantenana Ambatolampy : RAVELOARITSIBA Fenosoa Fanomezantseheno – 0332522765 :

EP FJKM Fanantenana Ankijana Talata Ambatofolaka : ANDRIAMAHOLISON Jules :

EP FJKM Fanantenana Morarano   : ANDRIANAIVO Herilala :

EP FJKM Fanantenana Tianarivo Ifanja : ANDRIANARIFENO Ruffin :

EP FJKM Fanantenana Tsarahonenana Maropapelika : SANDRATRINIAINA Noronirina Hasinatiana :

EP FJKM Fanilo Fiadanana :  –

EP FJKM Fanovozantsoa Tsinjorano : RAVAOHARITIANA Lydie Chantale :

EP FJKM Fidasiana Ambohibary Est : RAHARISOA Isabelle :

EP FJKM Finoana Ambodiamontana Ambohibary : RAMBOLAMANANA Jean Chrys :

EP FJKM Fitiavantsoa Ambohitsitakatra : RAVELOARISOA Felaniaina  :

EP FJKM Imerinavaratra : RANDRIANAMBININA Setrarivo :

EP FJKM Koloina Ampasamanatongotra : RAVOLOLOMALALA Hanitra Aminah – 0336395120

EP FJKM Loharano Andolofotsy : RAKOTONDRAZAFY Daniel – 0330363959 :

EP FJKM Lovasoa Ambohitrakely Miadanarivo :  – :

EP FJKM Lovasoa Manerinerina Amparihiritra : RAMAHEFARIMANANA Dieudonné :

EP FJKM Manazary Valalafotsy Tsarahonenana : RAMALANJAONA Jean Pierre – 0322195076 :

EP FJKM Mataviakoho :  –

EP FJKM Morarano Amparibohitra : RAKOTONIAINA Tolotra :

EP FJKM Ny Finoana Marovotry Masindray :  – :

EP FJKM Safidisoa Andranovelona : RAKOTOARINAIVO Jean Victor :

EP FJKM Sampamboaloboka Avaradalana Ambohimandroso : RANDRIAMBOLOLONA Fenomalala – 0338309233

EP FJKM Soavinarivo :  – :

EP FJKM Taratra Anosimiarina Miadanarivo :  –

EP FJKM Vatofehizoro Antanimbary Amboniriana : RASOANAMBININA Lisette – 0331369290

LP FJKM Analavory : ANDRIAMIADANARIVO Mamiarisoa Jacques Odile – 0331446276/341556875 : tale.rozelina@gmail.com

LP FJKM Antanisoa : RANDRIANIRINA Harimbola Sylvain – 0346901095 : leprinceharimbola@gmail.com

LP FJKM Fahasoavana Fenoarivobe : RAVOLOLONIRINA Hanitrinirainy Bakolisoa Anny Clara – 0325912818

LP FJKM Mofonaina sy Fahasoavana Firavahana : RASOANJANAHARY Lalaina Nadine

Atontan’isa tsara ho fantatra

Fiangonana : 190              Mpitandrina : 29

Sekoly : 22                       Fitandremana : 51

Katekista Delege : 12         Mpampianatra : 173           

VOMM : 18

Alarobia 27 Oktobra 2021

MARKA 14.22-25

Ny Fanasan’ny Tompo

1-Famantarana

Hitantsika eto fa teo am-pamaranana ny sakafon’ny Paska i Jesoa (izany hoe : efa avy nihinana izy ireo ka voky) no izao manorina ny Fanasan’ny Tompo izao . Maneho izany fa ity fanasana ity dia tena famantarana , tsy hanina (mofo) natao hahavoky ny nofo loatra na divay natao hahafaka hetaheta ara-batana , fa famantarana ny fijaliana hiaretan’i Jesoa ka ny famakiana ny mofo dia izay hihatra amin’ny tenany , ary ny divay dia handatsahany ny rany ho famonjena. Mirodana araka izany ny fiheveran’ny Jiosy fa ara-bakiteny ny fanomezan’i Jesoa ny nofony . Efa nisy fampianaran-diso sahala amin’izany koa teo amain’ny tantara . Hamafisina àry fa famantarana fotsiny ihany ny mofo sy divay.

2-Santatry ny fiaraha-misakafo ao amin’ny fanjakan’ny lanitra

« Tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra » (and 25), hoy i Jesoa eto . Midika izany fa mbola hisy io fiombonana na fifandraisana amin’ny fiaraha-misakafo io ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra , ka izay miray latabatra Aminy izao no mbola hiray latabatra Aminy koa amin’ny fotoanandro. Taomina àry ianao mba hiroso ho mpiray latabatra amin’ny Tompo fa santatry ny any an-danitra izany ary azonao hananana anjara dieny izao sahady antoky ny famonjena rahateo izany , satria fanamafisana ny batisa.

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny olona ho sarotra taomina mba hiray latabatra amin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 26 Oktobra 2021

Salamo 118. 19 – 29

« Hidera anao aho fa efa namaly ahy Ianao ka efa famonjena ahy » ( and 21)

Tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo satria :

1 – Mamaly vavaka Andriamanitra

« … fa efa namaly ahy Ianao » hoy ny mpanao Salamo eto, namaly vavaka no tiany ambara amin’izany. Ity mpanao salamo ity dia nodidinin-doza noho ny nafitsoky ny fahavalony taminy sy tamin’ny fireneny. Teo anatrehan’izany dia niantoraka tamin’Andriamanitra izy, niantso an’Andriamanitra (and 5) ary nohenoin’Andriamanitra tokoa ka novaliany. Miharihary eto fa Andriamanitra dia mandre sady mamaly koa . Taomina isika araka izany tsy hisalasala hiantoraka Aminy ary ho sahy mijoro koa fa tena mamaly vavaka Izy . Modely omen’i Jesoa antsika rahateo ny fiantorahana amin’Andriamanitra indrindra eo anoloan’ny ady saotra ( Mar 14. 36 ) noho ny fahatokiana fa mamaly tokoa Izy.

2- Mahagaga ny famonjen’Andriamanitra

« Ka efa famonjena ahy » hoy ihany ny mpanao salamo eto . Mifono ao anatin’izany fa tsy hoe : nihaino fotsiny Andriamanitra fa sady miasa manatanteraka famonjena ho an’ny olony, ary amin’ny fomba tsy takatry ny saina, izany no mahaloa-bolana ny mpanao salamo eto hoe : « avy tamin’I Jehovah izany ka mahagaga eo imasontsika ». Rehefa Izy no miditra an-tsehatra mamonjy ny olony dia miova tanteraka ny toe-javatra ka « ny vato izay nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro indrindra » . Asa mahagaga ny famonjena tao amin’i Jesoa Kristy ka fahafatesana aza resy. Torio sy ambarao izany ho ren’izao tontolo izao.

Fanontaniana :

Inona no famonjena mahagaga efa nataon’ny Tompo taminao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM