Alakamisy 30 Septambra 2021

LIOKA 12.49-53

Ny fanarahan-dia an’i Kristy

1-Ahitana fiovana goavana

Raha nampianatra i Jesoa dia matetika amin’ny alalan’ny fanoharana .Eto dia fanoharana ny amin’ny mpanompo sy ny tompony ary ny hitsarana azy amin’ny asany . »Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho« , hoy Izy . Izany hoe : mitondra fiovana goavana eo amin’ny fiainana ambonin’ny tany Izy. Miala tanteraka ao amin’ny fahazarana ny olona ary dia tena mitondra fisarahana amin’ny olona izay tena akaikin’ny fo mihitsy aza . Mba hanamarihana izany dia mampiasa ireto teny ireto ny mpanoratra : ray , zananlahy,reny ,zananivavy,rafozany, vinantony . Maneho ireo fa tena sarotra ny fanarahan-dia an’i Kristy. Hamafisin’i Jesoa mazava fa » »tsia, hoy izaho aminareo fa fampisarahana ». Hisy fanenjehana eo amin’ny samy olona, samy mpianakavy . Izay mitazona ny fomba taloha kosa no manenjika ny olona izay manara-dia an’i Kristy . Izany no tsy maintsy ho fiainan’ny olona milaza ny tenany ho kristiana . Mitaky fandinihana ny fiainana lalina izany , ary tokony tsy hahataitra ny kristiana intsony raha misy ny toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana andavanandro.

2-Mitaky faharetana

Manoloana ireo fiovam-piainana ireo dia eo no ahitan’Andriamanitra ny tena mpanara-dia sy mijoro amin’ny finoany .Raha niresaka ny amin’ny tokantrano iray i Jesoa dia hoy Izy ; »fa hatramin’izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray , ny telo hanohitra ny roa , ary ny roa hanohitra ny telo« (and52). Fifanoherana : iray mihevitra araka ny sitrapon’Andriamanitra , ary ny iray kosa dia mifanohitra amin’izany . Eo indrindra no ilàna faharetana mba ho antoky ny fandresena ao amin’i Kristy . Raha tsy maharitra mantsy dia miverina ao anatin’ny fahamaizinana . Hoy ny Soratra Masina : » fa aoka isika hifaly ao amin’ny fahoriana aza…ary ny fahatsaram-panahy voazaha-toetra mahatonga fanantenana » Rom 5.3,4. Jesoa Kristy no mahatonga fandresena ho an’ny mpino raha mitoetra tsara amin’ny faharetana.

Fanontaniana :

Fantatra fa sarotra ny faarahan-dia an’i Kristy . Moa ve isan’ny olona izay manana faharetana ianao sa isan’ny mpitsoaka an-daharana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 29 Septambra 2021

NOMERY 31.21-24

1-Fanadiovana ny fitaovany

Namoaka didy Jehovah Andriamanitra ny amin’ny hamaliana ny Medianita , satria nanao ratsy tamin’ny Zanak’Israely izy ireo . Rehefa resy ny Midianita dia tsaroan’i Jehovah Andriamanitra fa tsy masina ny vono olona vokatry ny ady. Noho izany dia i Eleazara mpisorona no nataony fitaovana hahatanteraka ny lalàna izay nasainy hotandremana . Mialohan’ny hidirana amin’ny toby no tsy maintsy diovina « ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy, ny vifotsy ary ny firavaka …ataovy ao amin’ny afo dia hadio, kanefa hodiovina amin’ny rano fanadiovana koa izy » (and 22). Andriamanitra dia tsy tia fahalotoana fa mitazona mandrakariva ny fahamasinany . Ekena fa tsy misy ady toy izany ny ao amin’ny tranon’Andriamanitra , fa ny fitaovana rehetra izay ampiasaina kosa ho amin’ny fanompoana dia tokony hosasana sy hodiovina mba hanehoana ny Voninahiny.

2-Fanadiovana ny tena

Tsy nijanona tamin’ny fanadiovana ny fitaovana ihany ny lalàn’Andriamanitra fa tohizany amin’ny hoe : « ary sasao ny fitafianareo amin’ny andro fahafito , dia hadio ianareo » (and24). Ny fitafiana dia ho entina hilazana ny fitafiam-panahy sy ny tena ary koa ny ao anaty . Noho izany dia tsy mahazo miditra amin’ny toby rehefa tsy madio ny tena . Tandreman’Andriamanitra mihitsy ny fanatanterahana izany ka notsindriany tsara ilay hoe : « amin’ny andro fahafito » . Manana dikany manokana ny isa « fito » ao amin’ny Soratra masina , satria maneho ny fahafenoana sy ny fahatanterahana. Ny fanadiovana ny tena dia milaza ny fialana amin’ny toetra taloha ka hiovana araka ny sitrapon’Andriamanitra. Efa nodiovin’i Jesoa Kristy tamin’ny Rany ny mino ka tokony hitandrina mba tsy hiverina amin’ny fanaony taloha intsony fa hanao ny iraka izay nanirahana azy .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fitandrovanao eo anatrehan’Andriamanitra manoloana ny fiainan’izao tontolo izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Manjo

Nodimandry teo amin’ny faha-90 Taonany ny Mpitandrina RAKOTONDRAINY , sady Mpampianatra TPM ny Alahady 26 Septambra 2021. Nitondra ny Fitandremana SOANIERANA teo aloha .

Ny nofony dia hiala ao an-tranony IIIR 68 Tsarafaritra Tsimbazaza ny Talata 28 Septambra tolakandro , ho entina andrasana ao amin’ny FJKM Soanierana , hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny Alarobia 29 Septambra 2021 amin’ny 1 ora tolakandro alohan’ny hametrahana azy ao Antsobolo Ambohijoky .

« Sambatra ny maty , dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao , eny hoy ny Fanahy fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy , fa ny asany manaraka azy  » Apo 14.13

Toriteny sy Sakramenta

Fampianarana

Zavatra roa ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny Toriteny sy ny Sakramenta. Fa tsy mitovy ny laharana omen’ny isam-piangonana azy, araka ny teolojiany. Ny fahafantarana tsara izany, dia mampitombo ny fiorenantsika amin’ny foto-pinoana sy fampianaran’ny Fiangonana misy antsika.

  1. AMBONY LAHARANA NY SAKRAMENTA

Ny Fiangonana Katolika no manana ity fijery ity. Ho azy, dia mitana ny toerana lehibe  sy voalohany ny Sakramenta. Ny Sakramenta no mamelona ny Finoana sy manondrotra azy ho an’ny  amin’ny faratampony.

Ilaina ny Toriteny amin’ny fanompoam-pivavahana, hoy ny Fiangonana Katolika, fa tsy mitana ny toerana voalohany. Manaraka aorian’ny Sakramenta ny Toriteny, azo tsy asiana. Mpanompon’ny Sakramenta ny Toriteny, miankina aminy, baikoiny.

Ho an’ny trano fiangonana Katolika sasany izay ahitana azy, dia eny ivelan’ny Otely misy ny Latabatra Masina ny Fitorianteny. Ny Katedraly Andohalo dia manana izany, izay toy ny Polipitra Protestanta ireny. Raha tsy manana kosa ilay trano fiangonana Katolika, dia eo amin’ny Otely ka eny amin’ny sisiny no misy io fitorianteny io.

  1. MITOVY LAHARANA IZY ROA

Ny Fiangonana Loterana no manana ity fijery ity. Samy zava-dehibe aminy ny Toriteny sy ny Sakramenta: mitovy lanja, mitovy asa. Tsy misy ambonian’ny Loterana manokana ireo zavatra roa ireo.

Avy amin’ny Tenin’Andriamanitra no ivoahan’ny Toriteny sy ny Sakramenta. Loharano iray ihany, fototra iray ihany, ary atobaka ho an’ny Fiangonana. Araka an’i Lotera, ny Fanasan’ny Tompo dia Teny hita maso, Toriteny azo tsapain-tanana.  Amafisin’i Melanchthon izany : “ny Finoana dia  mifoha avy amin’ny Teny sy ny Sakramenta”.

Ny Fitorianteny ho an’ny Fiangonana Loterana dia miray toerana amin’ny Latabatra Masina, mifanaraka amin’io fijery mampitovy laharana azy roa io.

  1. AMBONY LAHARANA NY TORITENY

Ny Fiangonana reforme, toy ny FJKM, no manana ity fijery ity. Ny Toriteny no iasan’Andriamanitra voalohany ao amin’ny olona, vao manaraka ny Sakramenta. Tsy azo atao ny Fanasan’ny Tompo, raha tsy misy Toriteny mialoha azy. Izany koa no ametrahany ny Batisa aorian’ny Toriteny.

Ny “Confession de la Rochelle” (1559-1570), ahitana ny foto-pampianarana reforme, dia milaza fa « nomen’Andriamanitra ny Fanasan’ny Tompo ho fanampin’ny Toriteny ». ny “Consensus Tigurinus” (1549) dia milaza ny Fanasan’ny Tompo ho miankina sy fanampin’ny Toriteny, ary ambany ny laharany amin’izany.

Ho an’ny Fiangonana refome, dia eo afovoan’ny Alitara no misy ny Polipitra, noho izy fototry ny fanompoam-pivavahana ataony. Ary mivohitra sy avo toerana mihasinkasina izany, mihoatra noho ny Latabatra Masina eo ambaniny eo.

  1. AVELA NY SAKRAMENTA

Taty amin’ny taonjato faha 18 dia nampianatra izany ny Frenjy. Nampianariny fa, manome vahana ny fivavahana manaraka sy manaja fomba fotsiny ny Fiangonana amin’ireny Sakramenta ireny. Tsy hita akory izay finoana sy fahamasinam-piainana  entiny ho an’ny Fiangonana. Najanon’ny Frenjy tanteraka ny Sakramenta, fa nataony hoe “mandray am-panahy”, tsy misy mihinana sy misotro.

Teo koa ny “Armée du salut” tamin’ny taonjato faha 19. Nantsoina hoe salutiste izy ireto. Mitovitovy ihany tamin’ny fijerin’ny Frenjy ny azy ireto. Saingy tsy azo itokiana ny Sakramenta, hoy izy ireto, fa tsy hoe avela tanteraka akory.

Ny toeran’ny Toriteny no mivohitra tsara ao am-piangonana, ho azy roa ireto. Tsy manana anjara toerana ao amin’ny fanompoam-pivavahana ny Sakramenta.

Past A .ZAKA

Tolotrasa/ Sekretera Jeneraly FJKM

Tolotrasa

Ny FJKM, amin’ny alalan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, dia mitady olona ho SEKRETERA JENERALY FJKM hiasa mandritra ny 4 taona (2021- 2025)

ANDRAIKITRY NY SEKRETERA JENERALY

Araka ny Fitsipika FJKM (FDF and.272), dia toy izao no ventin’ny andraikitry ny Sekretera Jeneraly:

1-Tompon’andraikitra mivantana amin’ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe, ny an’ny Mpiandraikitra Foibe, ny an’ny BMF, ny an’ny FiFaMpi Foibe.

2-Tompon’andraikitra amin’ireto Fitantanana ireto: Fampandehanan-draharaha, olona, fanofanana, lalàna, vola, fanaraha-maso, fifampiraharahana, tatitra, fifandraisana amin’ny SP, adidy.

TSANGANANA HO SEKRETERA JENERALY

Toy izao ary ny tsanganana ho an’izay hirotsaka ho mpifaninana amin’izany toerana izany:

-Mpitandrina FJKM na Laika Mpandray ny Fanasan’ny Tompo FJKM, 40 taona no ho mihoatra.

-Raha Mpitandrina dia

*Manana ny mari-pahaizana Master (Théologie, sehatra hafa), raha kely indrindra.

*15 taona niasana mitohy tato amin’ny FJKM

-Raha laika dia:

-Mahay mitarika (leader)

-Mahay mitantana (manager)

-Mahay mifandray amina sokajin’olona samihafa ( bon communicateur)

-Mahay tenim-pirenena samihafa : Malagasy, Frantsay, Anglisy …

-Manana fahalalana tsara ny FJKM, ny Rafitra ary ny fiainam-piangonana

-“Izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena” (Asa.6.3)

ANTONTAN-TARATASY ILAINA

1-Dinidinika momba ny tena ( CV)

2-Taratasy fanehoam-pahavonana

3-Taratasy fanolorana avy amin’ny Prezida Synodaly ( aha Mpitandrina ), avy amin’ny Mpitandrina (raha laika)

4-Certificat de travail (raha laika)

5-Dinidinika (CV) mifanaraka amin’ny andraikitra faobe an’ny Tonian’ny Departemanta (FDF and. 272) sy izay andraikitra manokana andrasana aminy momba ireo olona ho Tonia (Tonian’’ny Fiangonana, Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly, Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny Vola ary ny Fananana) atolotrao hiara-miasa aminao, raha voafidy ianao.

FANAMARIHANA

1-Ny antontan-taratasy dia aterina ao amin’ny Biraon’ny Filohan’ny FJKM ao amin’ny Foibe FJKM Ifanomezantsoa Analakely Antananarivo na alefa amin’ny adiresy mailaka irakoammi@gmail.com hatramin’ny ALAKAMISY 07 OKTOBRA 2021 amin’ny 4 ora folakandro, raha ela indrindra.

2-Hisy fihaonana hifampidinihana (entretien) hatao amin’ny mpifaninana tsirairay.

Ifanomezantsoa, Talata 28 Septambra 2021

FANASANA

Fametrahana ireo tomponandraikitra vao voafidy

Talata 28 Septambra 2021

GALATIANA 5.2-6

Lalana roa ilàna safidy

1-Lalana ho amin’ny fahandevozana

Nanoratra ity taratasy i Paoly nanoloana ny zava-nisy dia ny fihainoan’ny vahoaka ireo fampianarana sandoka. Fampianarana milofo amin’ny fanafoanana ny famonjena izay vitan’i Jesoa Kristy . Nanasongadina ny famorana izay fomba Jiosy ireo mpampianatra sandoka ireo. Nitaona olona maro sy nilaza tamin’ny Jentilisa ireo fa tsy azo hamarinina tahaka ny Jiosy ny olona raha tsy voafora . Izay no nahatonga an’iPaoly hilaza fa « ...tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ny lalàna « . Manafoana ny hazo fijaliana izay niaretan’i Jesao Kristy izany fiheverana diso izany ka mitarika tanteraka ho amin’ny fahandevozana . Tsy nanana fisalasalana i Paoly raha nanakiana mba hahafahan’ny Jentilisa koa misitraka ny famonjena , ary mba hahafahan’ireo olona misafidy tsara ny làlana tokony izorany.

2-Lalàna ho amin’ny fahafahana

Manoro làlana ho an’ny Galiliana iPaoly , làlana ahazoan’ireo ny fiainam-baovao . »Fa ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsy famorana , fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana ». Asongadiny mazava tsara fa ny finoana no hanamarinana ny olona fa tsy ny lalàna velively . Velom-panantenana izy ny amin’ny hanamarinana azy noho ny fiasan’ny Fanahy sy finoana ao aminy . Izany no antoky ny fahafahana ao amin’i Kristy . Hamafisina hatrany izany fa « …isika dia tsy ambanin’ny lalàna fa ambanin’ny fahasoavana ». Tsy misy olombelona na dia iray aza tanteraka ety ambany masoandro , fa Kristy kosa dia niaritra ny mafy indrindra ho fanavotana ny fanahin’ny tsirairay.

Fanontaniana :

Manana safidy hatrany ianao eo amin’ny fiainanao . Aiza amin’ireo làlana roa ireo àry no hosafidinao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 27 Septambra 2021

JAONA 3.1-8

Fahateraham-baovao

1-Fanasana ny loton’ny nofo

i Nikodemosy dia anisan’ny Fariseo mpikambana téo amin’ny Synedriona.Nahatàlanjona azy ny maha-mpampianatra avy amin’ Andriamanitra an’i Jesoa,ka nahatonga azy hidera Azy. Nilaza taminy ny amin’ny fahateraham- baovao i Jesoa ka nahatonga azy hanontany ny maha- mety Izany. Ny fahaterahana tian’i Jesoa ambara dia fanasana ny loton’ny nofo,izay batisa àmin’ny rano notanterahan’i Jaona .Izay no nahatonga Azy hilaza fa »Raha misy olona tsy ateraky ny rano dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjàkan’ Andriamanitra » .Ny fahotana no antony tsy maintsy hanadiovana n’y olona hahafahany mahita ny fanjakan’Andriamanitra

2-Fandraisana ny Fanàhy Masina

Nambaran’i Jesoa mazava tsara fa tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra mihitsy ny olona raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy. Ny batisan’ i Jesoa Kristy dia batisa àmin’ny Fanàhy Masina ,araka ny voalazan’ ny Soratra Masina hoe : » Izay tarihan’ ny Fanahin’ Andriamanitra no zanak’Andriamanitra » . Ny batisan’ i Jesoa Kristy dia mitarika ny mpino ho amin’ny fihavaozam-piainana,fandraisana hery ho tonga mpiombona amin’ Andriamanitra. Ny Fanàhy Masina no mitarika ny olona tsy hiverina ho amin’ny fahotana intsony ,fa mitarika azy hanana fifamatoram-piainana amin’ Andriamanitra .Oharin’i Jesoa ho toy ny rivotra ny fahateraham- baovao, ny rivotra dia re feo ary hita maso ny vokatra aterany,fa tsy fantàtra kosa izay fiaviany. Araka izany, Andriamanitra mihitsy no mitondra ny fahaterahàm- baovao amin’ny fomba Izay tsy takatry ny saintsika.

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fanomananao ny mandrakizainao ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM