Manjo
Nodimandry teo amin’ny faha-90 Taonany ny Mpitandrina RAKOTONDRAINY , sady Mpampianatra TPM ny Alahady 26 Septambra 2021. Nitondra ny Fitandremana SOANIERANA teo aloha .
Ny nofony dia hiala ao an-tranony IIIR 68 Tsarafaritra Tsimbazaza ny Talata 28 Septambra tolakandro , ho entina andrasana ao amin’ny FJKM Soanierana , hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny Alarobia 29 Septambra 2021 amin’ny 1 ora tolakandro alohan’ny hametrahana azy ao Antsobolo Ambohijoky .
« Sambatra ny maty , dia izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao , eny hoy ny Fanahy fa hitsahatra amin’izay nisasarany izy , fa ny asany manaraka azy » Apo 14.13