HAFATRA ALAHADIN’NY AKANY FIALOFANA TANGAINA
« Ary ny zanany hahazo fialofana.. » Oha 14,26b.
Io no teny manentana ny AKANY FIALOFANA TANGAINA amin’ny asa masina fitaizana zaza kamboty tanterahin’ny FJKM ety Ampitatafika ambony. Andriamanitra tokoa no FIALOFANA tsara indrindra ka taratr’izany ny asa fiahiana tanterahintsika eny antoerana. Anisan’izany fiahiana ny ara-tsaina. Isaorana ny Tompo fa afaka mianatra any an-tsekoly ny ankizy rehetra ary misy aza ny efa mihofana arak’asa. Hatreto dia tena tsara ny vokatry ny fanadinana ara-panjakana. Mahavelom-panantenana izany.
Ho an’ny fiahiana ara-panahy koa dia miezaka isika. Vita batisa avokoa ny ankizy rehetra ary roa vavy izao no manomana ny fandraisana azy ireo ho mpandray ny fanasan’ny Tompo. Ny fiahiana ara-pihetseham-po koa dia tsy ambanin-javatra satria mahazo tohana ara-psykolojika ireo tanora ao. Ny ara-nofo sy ara-batana moa dia tsy azo atao tsinontsinona rahateo. Miezaka isika hanome sakafo ara-pahasalamana araka izay azo atao ireo zanatsika. Hatreto dia mivelona amin’ny fanampiana tanteraka ny Akany.Tanjontsika ny hanana fidiram-bola raikitra ao aoriana kely saingy amin’izao fotoana izao aloha dia zava-dehibe ny fisian’ny fotoana toy izao mba ifampaherezana sy ifanohanana. Iaraha-mahalala ny fahasahiranana iainana ankehitriny, saingy tompon’ny zavatra rehetra moa ny Andriamanitsika koa Izy no nihazona antsika rehetra mandraka ankehitriny.
Araka izany dia toy ny tokantrano rehetra ihany, rehefa nandalo ny krizy samihafa ny firenena, dia mba tojo fahasahiranana ihany koa ny akanintsika. Andriamanitra no miahy ny asany ka mino isika fa ho fiorenana amin’ny asa tsara dia isika rehetra ihany no ratsatanany hifanampy amin’ny fiatrehana izao andro sarotra izao aminay. Te- haneho fisaorana feno antsika rehetra tsy namela anay ho irery tao anatin’izao fotoantsarotra izao, namangy sy na nanao rakitra Alahady AKAFITA ary nanampy anay tamin’ny endriny samihafa.
Farany dia manentana antsika mpianakavin’ny finoana mba samy hisaina ny hananan’ny FJKM ny Akany fitaizana toy itony manerana ny Synodam-Paritany rehetra. Satria tokoa dia tena betsaka ireo ankizy mila vonjy tokony ho raisina an-tanana saingy tsy maharaka ny tolotra. Rehefa voakarakara ireny zaza sy tanora ireny dia lavitra ny herisetra samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina ary manjary tonga mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiangonana. Manjary lasa olom-banona mahaleo tena sy tompon’andraikitra. Izany rahateo no tanjontsika raha manabe ny ankizy isika. Samia mahereza ry Havana!
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amen!
Ny Filohan’ny Filan-kevi-pitantanana
ANDRIANAINA Eric Mpitandrina
Ny Talén’ny Akany Fialofana Tangaina
RANDRIANAIVOARIVELO Beby Hasina
NB: Ny RAKITRA na fanampiana hafa dia azoaterina mivantana eny amin’ny AKANY FIALOFANA AMPITATAFIKA AMBONY, na aterina ao amin’ny FOIBE FJKM varavarana 202 na koa arotsaka amin’ny KAONTY BOA 11001110295 (Akany Fialofana)
………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………….
FANDAHARANA IOMBONANA
Efesiana 1. 2,3
- FISAORANA SY FIDERANA
SALAMO FIDERANA: SAL. 91.1-9
HIRA FIDERANA: 14
VAVAKA FIDERANA: - FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA: Efesiana 2. 8,9,10
“Sambatra ny mahitsy làlana, izay mandeha araka ny lalàn’I Jehovah; sambatra izay
mitandrina ny teny vavolombelona ka mitady azy amin’ny fony rehetra.” - FIAIKEN-KELOKA: VAVAKA FIFONANA
HIRA 235: 1,2,3 - FAMELAN-KELOKA ATOLOTR’ANDRIAMANITRA: Sal.34.18, 19, 22
“Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany; Sambatra ny olona
izay tsy isain’I Jehovah heloka sady tsy misy fitaka ny fanahiny.”
HIRA 317: 1,3 - FANAMBARANA NY FINOAN’NY FIANGONANA
Fiaraha-manonona ny Fanekem-pinoana Apostolika
Feon-javamaneno
Hira 305:1,4 - ASAN’NY FIANGONANA
RAHARAHAN’NY FIANGONANA
FAMAKIANA NY HAFATRA ALAHADY AKAFITA
RAKITRA: 310
Vavaka fanolorana ny rakitra - FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA:
HIRA 808:1,2
5MN S.A. « Mofon’aina »
VAVAKA fangatahana ny fitsilovan’ny Fanahy Masina
VAKITENY: II Samoela 9.1-13 / Lioka 6. 27-36 / Hebreo 10.19-26
HIRA: 823:1,2
TORITENY - VAVAKA SETRIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA SY
FANGATAHANA + Vavaka nampianarin ‘ny Tompo. - FAMARANANA
HIRA FF 24: 2
TSODRANO
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.
Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen
……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………
LISITRY NY FIANGONANA NAMANGY SY /NANAMPY
FJKM Tangaina Fanantenana
FJKM Soanierana
FJKM Ifaliarivo Ambanidia
FJKM FMF Anosizato Andrefana
FJKM Antanetibe Fitiavana
FJKM Antanetibe Fitiavana
FJKM Andrainarivo Fahasoavana
FJKM Andavamamba Kristy velona
FJKM Amparibe Famonjena
FJKM Amparibe Famonjena
FJKM Ambohitrandraina
FJKM Ambohimiadana
FJKM Ambanidia
FJKM Ambalavao Isotry
FJKM Adrainarivo Fahasoavana
n FJKM Ziona Vaovao Paris
FJKM Anosizato Hebreona (+ Sampana 8)
Filohan’ny FJKM
Fikambanan’ny Tanora Zokiny FJKM Ankadifotsy
FDL FJKM Tangaina Fanantenana
Dorkasy Tsarafara Sabotsy Namehana
Dorkasy S.P.I.A
Dorkasy FJKM Tangaina Fanantenana
Dorkasy FJKM Rasalama
Dorkasy FJKM Ambohinaorina Sabotsy Namehana
Dorkasy FJKM Ambohidroa
Dorkasy FJKM Ambodiala Peniela Fahazavana
Dorkasy Ankadikely
Dorkasy 4 Trano (Atsimon’Imahamasina,
Diakona sy Loholona SPAA 10
DIAKONA FJKM Paroisse International
Ankadifotsy, Ambonin’Ampahamarinana,
AMPIFITIA FJKM Isotry Fitiavana
AFIFAB FJKM
AFF sy VFL Ambohidroa Antehiroaka
VMFP FJKM Amparibe Famonjena
VMFF FJKM Amparibe Famonjena
VFL FJKM isotry Fitiavana *FJKM Ankadimbahoaka
Vehivavy Kristiana Canada Quebec
Vaomiera Sosialy FJKM antanetibe Fitiavana
Vaomiera Sosialy FJKM Antanetibe Fitiavana
STK Zokiny Amparibe Famonjena
STK FJKM Amparibe Famonjena
Sekoly Alahady FJKM Amparibe Famonjena
Sampana Taniketsa FJKM Amparibe Famonjena
Sampana Mpiangaly zava-maneno
Sampana Mena (Mpanazava) Afo St Michel Itaosy
Sampana Fifohazana FJKM Ambohibao Ziona
SAFIF FJKM Tangaina Fanantenana Dorkasy SPAA 10
SAFIF FJKM Tangaina Fanantenana
Manarintsoa Namehana
Lycée Privé FJKM Ambohimamory
Ifaliarivo Ambanidia)
FMT2S FJKM Anosisoa
Dorkasy FJKM Betlehema Fahazavana
A.V.E.C Belgique
Sampana Mena Mpanazava FJKM
Andohatanjona Fihavaozana
Sampana Mena (Mpanazava) Fanilo Masina
Misely Itaosy
LISITRY NY FIANGONANA NANAO
RAKITRA
FJKM Ziona Vaovao F. Imeritsiatosika
FJKM Soanierana
FJKM Soamiavaka Filadelfia
FJKM Sanjanoro Fahazavana
FJKM Rasalama Martiora Ampbohipotsy
FJKM Manjakatompo
FJKM Mandrosoa Ambohidavenona
FJKM Malaza Fahazavana
FJKM Malaimbandy
FJKM Mahitsy Famonjena
FJKM Karmela Ambohitrarivo
FJKM Ifarihy Famonjena
FJKM Fiadanana Martiora
FJKM Fiadanana Martiora
FJKM Fahadiovana Sahamaloto
FJKM Betela Vaovao Maintirano
FJKM Betafo Vavolombelona
FJKM Atsimon’Imahamasina
FJKM Antso Mahatoky fenoarivo
FJKM Anosizato hebrona
FJKM Anosivavaka
FJKM Anosimasina Ziona
FJKM Andohatanjona Fihavaozana
FJKM Andavamamba Filadelfia
FJKM Ampangabe Famonjena
FJKM Amntanimarina
FJKM Ambohimiandra
FJKM Ambohimiadana
FJKM Ambohimandroso Fahazavana M.
FJKM Ambohimamory Malala orimbato
FJKM Ambohimahitsy
FJKM Ambohijatovo Fitiavana
FJKM Ambohijanaka G.F
FJKM Ambohidavenona
FJKM Ambohibao Antehiroka
FJKM Ambatonakanga
FJKM Ambatonakanga
FJKM Ambatolampy Fieferana
FJKM Ambatoampy Antehiroka F.
FJKM Ambalavao Isotry
FJKM Almbohimiadna Fanilo
Fianakaviana RAZAFISOA Clairefine
Fianakaviana RANDRIANARY
Ankohonana RAMINOSOA hoby
Zanaky ny Fifohazana Tangaina F.
sy RAHERIVOLOLONA
STK Ambohipotsy
SAFIF FJKM Tangaina Fanantenana
……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..