Jery todika ireo SL /FJKM

Ireo Synoda Lehibe FJKM

Toerana faha-11 nampiantrano azy i Sambava

Efa in-18 izay no nisy Synoda Lehibe FJKM, ary ny  notanterahina tany Sambava, Synodamparitany Kristy Fihavanantsika Avaratra Atsinanana (SP KRIFAA), ny 11 hatramin’ny 18 Aogositra 2021 iny ny faha-19. Efa nampiantrano ny Synoda Lehibe avokoa ny faritany 6. Tany Toamasina no nisantarana azy voalohany ny 13 hatramin’ny 17 Aogositra 1968. « Indro havaoziko ny zavatra rehetra » (Apok. 21 :5), no teny faneva nosafidiana tamin’izany ; in-telo Toamasina no nampiantrano (1968, 1984, 2004). Taorian’izany Antananarivo nampiantrano in’enina (1970, 1974, 1978, 1992 ; 1980 ; 2016); Mahajanga intelo (1972, 1986, 2008); Fianarantsoa intelo (1976, 1988 ; 2012); Toliara iray (2000) ; Antsiranana intelo (1982, 1996, 2021).

Raha toerana kosa no andraisana azy, dia 10 no efa nandraisana ny Synoda Lehibe, ary faha-11 ny tany Sambava. Ny teny faneva noraisina dia ny ao amin’ny I Kor 15 : 58b « Miorena tsara, aza miova ».

Rehefa jerena, ny taona 1968 hatramin’ny 1988, dia isaky ny roa taona no nanatanterahana ny Synoda lehibe. Nanomboka ny taona 1988 kosa vao isaky ny efatra taona, ka ny taona 1992 no nanaovana ny Synoda Lehibe.

Tamin’ny Synoda Lehibe faha-XVIII (2016) hiditra izao Synoda Lehibe faha-XIX izao no mielanelana dimy taona, noho ny fisian’ny fihanaky ny valanaretina covid-19, izay iaraha-mahalala sy niaina, teto amin’ny firenena sy ny fepetra noraisina tao anatin’izany.

Raha ny ara-potoana amin’ny Synoda Lehibe izany dia afaka efa-taona, amin’ny 2025 ny Synoda Lehibe manaraka. Tsy mbola voalaza tany Sambava aloha ny toerana hanatanterahana azy. Andrasana ny amin’izany amin’ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe amin’ny volana Oktobra raha sitrapon’ny Tompo.

afifab FJKM

Hafatry ny SL XIX

Hafatry ny SYNODA LEHIBE faha-XIX

Sambava 11- 18 Aogositra 2021

“Miorena tsara, aza miova”

Ry Havana Malala ao amin’ny Tompo,

Ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Zanaky ny Ray amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana (II Jao.1.3)

Tontosa soa aman-tsara ny 11- 18 Aogositra 2021 ny Synoda Lehibe faha-19 (SL XIX) natao teto amin’ny Filadelfia FJKM Sambava Afovoany (SP Kristy Fihavanantsika Avaratra Atsinanana (KRIFAA), na dia tao aza ny fotoan-tsarotra namely izao tontolo izao ka nahavoatery nanemorana herintaona izany. Miompana amin’ny teny faneva hoe “miorena tsara, aza miova” (I Kor.15: 58) izany SL XIX izany.

Vita tamin’izao SL XIX izao koa ny fanavaozana ireo Mpiandraikitra Foibe miisa 100 sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe hiasa mandritra ny efa-taona manaraka (2021- 2025). Deraina , isaorana eram-po indrindra ny Tompo Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina.

Tolorana fisaorana sy fankasitrahana ihany koa ny Filoha sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ny Mpiandraikitra Foibe, ny Mpanatanteraka teo aloha, ny Synodamparitany rehetra ary ireo vahiny nasaina. Voaray soa amantsara ireo fanehoana fiombonana rehetra.

Isaorana manokana ny SP KRIFAA 16, ny FJKM Filadelfia Sambava nandray ary ireo Fiangonana manodidina nanaovana ny hetsika mandritra izao SL XIX izao.

Nandritra ity SL XIX ity dia tsapa fa miaro ny Fiangonany ho iray tsy mivaky ny Tompo. Tsapa tokoa ny firedaredan’ny fitiavan’ny rehetra handray anjara amin’ny fampandrosoana ny Fiangonana. Niseho izany na tamin’ireo lahateny tao anatin’ny Fivoriambe, na tamin’ireo famelabelaran-kevitra isan-kariva tany amin’ny FJKM Karmela Antanifotsy azon’ny rehetra natrehina. Samy nanandram-bavaka ny rehetra mba ho izay voafidin’Andriamanitra tokoa no homeny hitondra ny Fiangonana amin’ny efa-taona ho avy.

Miorina tsara ary tsy miova amin’ny maha-Fiangonana nohavaozina azy ny FJKM. Marin-toerana ny rafi-pandaminany. Tsy nisy niova firy ny Foto-Dalàna sy Fitsipika (FDF) afa-tsy ny fidirana ho loholona. Ankoatra izay, ny zavatra vaovao ao dia ny mahakasika ny Fampianarana Teolojika sy ny fanomanana Mpitandrina. Manao lohalaharana ny fampandrosoana ny Asa Misiona ny FJKM mba hampivelatra ny tena, ny ankohonana, ny firenena. Miezaka koa isika hihevitra kokoa ny fahadiovana, ny fikajiana ary ny fanatsarana ny tontolo iainana ka hanatanteraka ny fiangonana maitso. Atao laharam-pahamehana ny fijerena ny maha-olona manontolo. Hamafisina hatrany ny fanaovana Tafika Masina. Atao koa izany ho fiatrehana ny fielezan’ny fivavahana hafa.

Ataon’ny FJKM ho zava-dehibe ny fiainam-pianakaviana. Heverina ny hisiana rafitra mandrindra ny asa mba hahatomombana kokoa ny fitaizana omena ny ankohonana sy ny olom-pirenena, mba hiainana tokoa na maha-olona tan-dalàna sy manara-pitsipika. Tsy mankasitraka velively ny fifofoana sy ny tsy fanajana ny aina ny Fiangonana.

Miara-miezaka amin’ny fiombonana ny FJKM mba havitrika amin’ny fanompoana sy ny fampandrosoana ny asa sosialy. Hahatongavana amin’izany dia ilaina tokoa ny hananana ny fanahin’ny fahafoizana hiatrehana ny fotoan-tsarotra. Manoloana ny fahasahiranana ara-bola dia ampirisihina ny Fiangonana hanana loharanom-bola maharitra sy hampamokatra ny fananany. Tohizana ny ezaka fanoratana ny tany sy fananan’ny Fiangonana amin’ny anarany. Hatao ho fomba fiasa ny fitsirihana (audit systematique) na momba ny rafitra, na momba ny fitantanam-bola na momba ny tetikasa.

Ataon’ny fiangonana loharalaharana ny hahenika ny Sekoly FJKM ireo renivohitry ny SP mipaka hatrany amin’ny fitandremana tsirairay ka ho Sekoly mivelatra, tsara laza, tsara tantana, mamoaka olona resy lahatry ny Filazantsara. Hamafisina hatrany ny fanohanana ny Sekoly FJKM, na amin’ny teti-bola na amin’ny fanohanana ny mpiasa.

Mbola tsy miova ilay vinany mbola haha-firenena kristiana an’i Madagasikara amin’ny taona 2118. Ry vahoaka Kristiana Malala! Manainga antsika rehetra hahatsiaro ho tompon’andraikitra.

Anjaran’ny voafidy eo amin’ny Fiangonana ny hitahiry hatrany ny firaisan’ny Fiangonana tsy ho simba ka hampivelatra ireo fanomezam-pahasoavana ananany. Manana adidy ny Fiangonana handresy ny fahalovana sy ny fahantrana ka miantso ny zanany hijoro amin’ny maha Kristiana marina azy ary manainga azy hirotsaka amin’ny andraikitra tandrify rehetra. Ry zanaky ny Fiangonana tompon’andraikitra ara-panjakana, mijoroa amin’ny fahamarinana ho olona vanona sy vonona! Miorena tsara, aza miova! Ataovy ho vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly sy fijerena ny tsy fandriampahalemana.

Miantso ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika hitandro toy ny anakandriamaso ny firaisam-pirenena, ka tsy ho ny firehan-kevitra no ho antom-pizarazarana sy hampiady. Manaitra ny fitondram-panjakana hikatsaka bebe kokoa ny tombontsoa iombonana ny Fiangonana. Mila jerena bebe kokoa ny sosialim-bahoaka, ny tsy fandriam-pahalemana, ny fiarovana ny Malagasy izay misy miaina ao anatin’ny kere, ny fiarovana ny taniny mbamin’ny fananany…

Entanina hatrany ny rehetra hivavaka ho an’ny firenena sy ny mpitondra. Mbola mitoetra hatrany eto mantsy ny aretina samihafa. Aoka hatao ho zava-dehibe ny fifampitsinjovana amin’ny fahasahiranana nateraky ny valan’aretina. Dia manao veloma finaritra sy manonona ny fiadanan’ny Tompo Jesoa ho amin’ny rehetra. Mirary soa hatrany fa ny fiainantsika dia eo ambany fitantanan’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina.

 “Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany, ny fitsarany tsy hita lany ary ny lalany tsy azo fantarina! (…) Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena ! (Rom.11.33- 36)

Amin’ny anaran’ny SL XIX

Sambava, 18 Aogositra 2021

Filohan’ny Synoda Lehibe XIX

RABEVITA Saina, Mpitandrina

Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe

Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Talata 31 Aogositra 2021

2 SAMOELA 9.1-13

1-Andriamanitra no fitaratra amin’ny fanaovantsoa

Nihevitra ny hanao soa izay sisa avy tamin’ny tamingan’i Saoly i Davida eto . Mahavariana ihany izany toe-javatra sy fihetsika ataon’i Davida izany ,raha ny zava-misy tamin’ny fotoana andro no arahina tsara . Azo atao hoe : mpifahavalo tokoa mantsy i Davida sy i Saoly ka raha teo amin’ny fahefana i Saoly no nodimbiasan’i Davida , ny lojika tamin’izany fotoana izany dia ny fandripahana izay rehetra mety ho taranak’ilay fahavalo mba hahamari-toerana ny fanjakana (cf 1 Sam 20.30-31). Raha izany lojika izany no arahana dia tsy tokony hanao izao fihetsika hanisy soa amin’ny taranak’i Saoly izao mihitsy i Davida fa ny hamono azy kosa aza .Eto anefa dia nihevitra ny hanao soa indrindra , satria ny fanarahana sy faharesen-dahatra amin’ny fanekeny an’Andriamanitra no mibahana ao aminy koa satria mpanao soa ny Tompo dia manao soa ny mpanara-dia Azy tahaka an’i Davida.

2-Tena soa atao indrindra ny fanomezana zara tany

And 7 : « hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’i Saoly rainao« . Tsy misaraka amin’ny tany ny olona raha araka ny fampianaran’ny Testamenta Taloha satria tany no nanamboarana ny olona, tany niveloman’ny olona . Ankoatra izany , rehefa manome fiainana ny olona ny Tompo dia tsy misaraka amin’izany mihitsy ny fanomezany zara tany (cf Gen 2.8) rehefa nanala ny zanak’Israely tany amin’ny fanandevozana Izy dia nampanantena tany tondra-dronono sy tantely ho lovan’izy ireo . Manatanteraka izany i Davida eto .

Fanontaniana :

Mbola mety ve ankehitriny ny fanaovan-tsoa araka ny fanaon’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fiangonana mihavao!

FIANGONANA MIHAVAO ! MPITANTANA MIHAVAO NY FJKM

«Miorena tsara, aza miova ». Izany indray izao ny teny fanevan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ao anatin’ny efa-taona. Nanentana ireo mpanatrika ny Synoda Lehibe FJKM faha-XIX izay natao tao Sambava ao anatin’ny Synodamparitany Kristy Fihavanantsika Avaratra Atsinanana (KRIFIAA), tao amin’ny FJKM Filadelfia Sambava Centre  io teny io nandritra ny herinandro (11-18 aogositra 2021). Singanina amin’ny zava-dehibe tapaka tamin’ny Synoda Lehibe faha-XIX hiatrehana ny efa-taona ho avy ny amin’ny fiangonana mihavao mirotsaka an-tsehatra eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay  sy ny amin’ny tomponandraikitra eo amin’ny fiangonana mihavao  hatrany eo amin’ny asan’ny fiangonana.

Nifanojo indrindra amin’ny fahatsiarovana ny faha-53 taonan’ny FJKM ny andro farany amin’ny Synoda Lehibe FJKM hany ka nanana ny anjara toerany teo amin’ny fandaharam-potoana samihafa ny fisaorana sy ny fankalazana an’Andriamanitra noho izany tsingerin-taona izany. Tsy vitan’ny hoe Ambohipihaonan’ny mpino FJKM – ny mpitandrina sy ny mpampianatra ary ny laika avy amin’ny sampana, sampanasa, asa, toeram-panomanana mpitandrina, synodamparitany  – Sambava nandritra ny herinandro fa tanatin’izany ihany koa no nandrafetana ireo fanamby sy asa vaovao atrehina ao anatin’ny efa-taona ho avy.

MIROTSAKA AN-TSEHATRA !

Manomboka izao, tsy ho fiangonana mijanona ao anatin’ny efitrano ny  FJKM fa ho fiangonana mirotsaka an-tsehatra tsy eo amin’ny asam-piangonana ihany fa eo amin’ny asa fampandrosoana ny olona amin’ny maha-fiangonana mihavao azy. Mihavao ny FJKM ka hampiaraka ny asa fitoriana ny Filazatsara ny asa fampandrosoana ny olona. Hampiasain’ny fiangonana amin’izany ireo rafitra  sy sampana misy eo aminy. Toy ny sekoly handresena ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra, ny Sampanasa Fampandrosoana hanatsara ny toe-piainan’ny olona amin’ny alalan’ny tohana sy fanofanana, ny sampana samihafa eo anivon’ny fiangonana hanosika ny fitaizana ny maha-olom-pirenena ankoatra ny fampianarana ny Soratra Masina. Tanjona amin’ireo rehetra ireo ilay vina «Fiangonana mandresy fahantrana».  Hampiaraka ny asa fitoriana ny Filazantsara amin’ny asa fikarakarana mivantana ny fiainan’ny olona ny fiangonana mihavao ka hiditra amin’ny fihariana, ny fampamokarana ny otrikarenan’ny fiangonana ary ny famoranana asa sy orinasa mbamin’ny banky.

MANDRESY FAHALOVANA !

Tsy ny fiangonana ihany no mihavao fa ireo zanaky ny fiangonana rehetra ao anatiny, manomboka amin’ny mpitantana izany ka hatraty amin’ny kristiana tsirairay. Endrik’izany  mpitantana mihavao izany ireo mandrafitra ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe vaovao lany tamin’ity Synoda Lehibe FJKM fah-XIX ity : misasaka tsara ireo vaovao sy ireo efa teo taloha. Mitovitovy amin’izay ihany koa ny zava-misy eo amin’ireo Mpiandraikitra Foibe 100 mianadahy. Toy ny milaza izany fa efa miroso amin’ny fiangonana mihavao ny FJKM ka tsy maintsy manavao ny olona manomboka amin’ny zanany. Manolona ny fahalovana samihafa eto amin’ny firenena, tsy mitazam-potsiny ny fiangonana sy ny mpitantana azy fa mirotsaka an-tsehatra miady amin’izany araka ny Soratra Masina mitondra fihavaozana. Singanina amin’izany ny hahatonga ny olona rehetra ho vanona sy vonona amin’ny alalan’ny asa misiona sy ny fanakaikezana ny olona amin’ny fiainany andavanandro:  hampiasa ny teknolojian’ny serasera sady hitoriana ny Filazantsara no hitaizana ny olona hanao ny marina, ny rariny ary ny hitsiny hanosehana ny kolikoly, ny fitiavan-tena… Hahatrarana izany, hisy ny toromarika mety hiseho amin’ny endrika torolalana na boky hataon’ny fiangonana ho fitaovana. Fitaovana hitaizany ny zanany manana andraikitra eo amin’ny firenena mba hijoroan’izy ireny ho vavolombelon’ny fahazavan’i Kristy velona ao aminy.

Miorena tsara, aza miova. Mijery anao ry fiangonana ô ny firenena !

Raholizo

Alatsinainy 30 Aogositra 2021

EKSODOSY 36.1-7

Rehefa nandidy an’i Mosesy ny Tompo Andriamanitra mba hanorina ny tabernakeliny , izay azo tsorina amintsika ankehitriny hoe: « toeram-piavavahana amin’ny Tompo » dia natao sy naorina araka ny teny sy ny drafitry ny Tompo madiodio mihitsy izany . Indro nanendry olona manokana ny Tompo mba handavorary izany fanamboarana toeram-pivavahana izany . Fantantsika koa anefa fa ny tao-trano dia tsy efan’ny irery , hoy ny fitenenana , ary marina indrindra izany eto satria :

1-Nanao fanatitra hanaovana ny asa ny olona

Tsy ho vita mora ny fanatanterahana izany asa izany na dia eo tokoa aza ny fahendrena amam-pahalalan’ireo olona nomena fanomezam-pahasoavana manokana hanamboatra izany trano izany miaraka amin’ny zavatra rehetra ilaina ao anatiny amin’ny fanompoana ny Tompo . Koa tena ilaina indrindra ny fandraisana anjaran’ny maro. Eo anatrehan’izany ary dia nisy ny fanatitra nangonin’ny Zanak’Israely mba ho anjaran’ny tsirairay amin’ny fandrafetana ny trano fivavahana sy ny mombamomba azy rehetra.

2-Nafana fo tamin’ny fanolorana fanatitra ny olona

Rehefa natao ny tombam-bidin’ny asa manoloana ny vola voangona rehetra ho enti-manana izany dia tsapan’ny tomponandraikitry ny asa fa « mitondra mihoatra noho izay hahavita ny fanompoana amin’ny asa nandidian’i Jehovah hatao« . Noho izany dia notenenina ny olona mba hanajanonana ny fanatitra nataony ,satria tena ampy ary efa mihoatra amin’ny tokony hahavitana ny asa no voangona . Heverina fa tena miavaka izany amin’ny fanaovana asan’ny Fiangonana.

Fanontaniana :

Mbola mafana fo amin’ny fanaovana ny asan’nyTompo ve ny olona ankehitriny ? Nahoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 29 Aogositra 2021

LIOKA 6.27-36

Ao anatin’ ilay antsoin’ny mpahay Baiboly hoe : torItenin’i Jesoa tany an-tendrombohitra ity teny voalahatra ho antsika androany ity . Rehefa mamaky ity mofonaina àry dia ireto no andeha hasongadintsika ao amin’izany .

1-Zava-dehibe ny fananana fitiavana ny hafa

Raha miresaka fitiavana ny hafa izany dia tsy isalasalana mihitsy fa Andriamanitra no mari-drefy tokony ananan’ny olona amin’izany araka ilay voalaza ao amin’ny Jao 3 .16, satria noho ny fitiavany ny olona dia indro Izy manome ny tsara indrindra mba hahasoa ny olona . Araka ny hita ato amin’ny Baiboly koa anefa dia tokony ho vitan’ny olona ny maneho izany fitiavana ny hafa izany : izay nataon’i Abrahama ohatra , tamin’ny nanekeny tsy misy fepetra ny Tenin’ny Tompo noho ny fitiavany ny Tompo indrindra dia nataony sorona ho an’ny Tompo ny zanany , fa ny Tompo moa no mandamina ny zavatra rehetra.

2-Fitiavana mihoatra lavitra ny mahazatra

And 32 : raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no soa azonareo fa ny mpanota koa mba tia izay tia azy . Hamafisina araka izany àry fa manatanteraka fitiavana mihoatra lavitra ny mahazatra mihitsy no tadiavina amin’izany fa tsy mianina fotsiny amin’ny fitiavana mahazatra izay tena hatao sy vitan’ny rehetra ihany . Takiana hihoatra ny rehetra ny olona ka hanehoana izany fitiavana mihoatra lavitra ny vitan’ny rehetra izany dia fanatanterahana ny fitiavana ny fahavalo, fanaovana soa amin’izay mankahala, misaotra ireo izay manozona ary mivavaka ho an’izay manisy ratsy .

Fanontaniana :

Fitiavana hafa amin’ny endrika inona no tena tadiavin’ny Tompo ? Azo tanterahana ve izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 28 Aogositra 2021

HEBREO 10.19-25

Ny mpisorona sy ny mpisoronabe ihany no afaka miditra ao anatin’ny toera- masina tao amin’ny Tempoly . Rehefa tonga anefa i Jesoa Kristy nandrava ny efitry ny fisarahana tamin’ny alalan’ny fanolorany ny ainy sy ny Rany dia nanokatra làlam-baovao ho an’ny mpino Azy Izy tamin’izany (and19) ka miaina ny atao hoe : fanjaka-mpisorona ny mpino Azy rehetra ankehitriny (1 Pet 2.9). Ny fiainana izany anefa dia mitaky :

1-Fananana fo marina sy mahitsy

Tsy mety velively ny manatona Azy amin’ny endrika ivelany satria tena fahita amin’ny olona ny manaja Azyamin’ny molotra fotsiny (Jer 12.2)

2-Fananana fahatokiana be avy amin’ny finoana

Ny olona feno fatokiana tanteraka an’Andriamanitra no ilaina manatona Azy fa ho lany andro fotsiny raha feno fisalasalana sy fiahiahiana amin’ny heriny sy ny asany ho an’ny olony

3-Fananana fo voadio tsy amin’ny fieritreretana ratsy

Ny fahaterahambaovao no hany hananana izany tamin’ny fanekena an’i Jesoa Kristy nanolotra ny Rany ho fanavotana ny olony ary ho tahaka ny Ran’ny Zanakondry tsy misy kilema teo amin’ny Zanak’Israely(Eks 12.7) no hiasan’ny Ran’i Jesoa nalatsany teo amin’ny hazo fijaliana ho fanavotana sy ho famonjena ary fanomezana zava-baovao izay rehetra mino Azy .

4-Fananana tena voasasa amin’ny rano madio

Sariteny no ampiasaina eto ka ny tena , izany hoe : ny vatana dia milaza ny olona sy ny fiaimpiainany rehetra . Ny rano madio kosa dia maneho ny Tenin’Andriamanitra (Efes 5.25-26) andaniny ary ny Fanahy Masina ankilany (Jao 7.27-39)

Fanontaniana :

Olona manao ahoana no manana fahatokiana hiditra amin’ny fitoera-masin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fisaorana

Teny fisaorana noho ny fampaherezana ny fianakaviana

Ny vadiny :

RANARISON Beby Denise

Ny zanany :

RASOLONJATOVO SOLOHERY Christiane

RASOLONJATOVO SOLOHERY Mamy

RAZAKAMIADANA Miray sy Aliravaka

Ny zafiny , ny zana-jafiny ary ny fianakaviana manontolo

Dia maneho ny fankasitrahana feno anareo tonga nidodododo ka nampionona, nankahery, niombom-bavaka, naneho ny fihavanana sy nanao ny soroka niara-nilanja ny mavesatra ary niombona alahelo tamin’ny niantsoan’ny Tompo hiara-hitoetra any Aminy ny malalanay :

                                               Mpitandrina  SOLOHERY Paul Xavier

Isaoranay manokana ianareo :

– mpikambana Birao foibe FPMA am-perin’asa

– mpikambana Birao foibe FPMA teo aloha izay niara niasa taminy

– fiaraha-miasa ny Mpitandrina FPMA (FMM)

– tafo sy fiaraha-mivavaka FPMA

– solontena avy ao amin’ny faritany sy sampana nasionaly iraisana

– solontena avy ao amin’ny komity sy vaomiera isan’ny ambaratonga avy

– solontena avy amin’ny Fiangonana FJKM  any an-tanindrazana

– zanaka am-piezalana FJKM Isotry Fitiavana

– Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (Frantsa)

Hoy ny tenin’ny Apôstoly Masina hoe :

’Satria tsy iza fa ianareo ihany koa no fanantenanay sy hafalianay ary satroboninahi-pandresena hireharehanay eo anatrehan’i Jesoa Tompontsika, amin’ny andro hiaviany. Eny, voninahitray sy hafalianay tokoa ianareo ! ‘’

                                                                                              (Diem : I Tesalônisianina 2 : 19-20)

Zoma 27 Aogositra 2021

MATIO 12.31-37

Aza miteny ratsy ny Fanahy Masina

Nisy asa fanasitranana nataon’i Jesoa teo ambony (and22) ka nitolagaga indrindra ny vahoaka noho ny hery ombam-pahefan’i Jesoa tamin’izany . Nanaratsy izany kosa anefa ny Fariseo ka nilaza izany ho asan’iBelzeboba lohan’ny demonia. Eo anatrehan’izany i Jesoa no miteny hoe: misy fahotana ataon’ny olona nefa hahazoany famindrampo, fa misy kosa fahotana ataon’ny olona fa tsy ahazoany fanafana mihintsy .

Ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina tahaka ny ataon’ny Fariseo eto dia heverina fa fanahy iniana mihitsy, satria manasokajy ho ratsy ny asan’ny Fanahy Masina . Koa satria minia manao izany izy ireo dia tena manalavitra indrindra ny famelankeloka tokony ho azony ary izany no nitenenan »ny Tompo azy hoe : tsy hahazo famelankeloka mihitsy izay manao izany zavatra izany (Jao 3.19)

Ankilan’izay koa anefa , mety hitranga ny tsy finoana an’i Jesoa Kristy,ny fankahalana Azy, ny fanaovana tsinotsinona amin’ny maha-olona Azy, noho ny tsy fahatakarana ny maha-Andriamanitra Azy , nefa afaka mibebaka amin’izany ny olona ka miverina amin’Andriamanitra indray mba hohavaozina raha mino an’i Jesoa , Ilay nanao sorona ny ainy ho fanavotana ny olona . Izany no fahadisoan’ny Fariseo eto, sady nanaratsy ny asa tsaran’ny Fanahy Masina no tsy nihevitra velively ny hibebaka ka nahatonga an’i Jesoa hiteny hoe : ho azon’ny olona ny famelan-keloka amin’ny fitenenan-dratsy samihafa , amin’ny fanoherana ny zanak’olona fa ny fanaovana ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahitam-panafana intsony .

Fanontaniana :

Inona no hanjo ny olona raha minia miteny ratsy ny Fanahy Masina izy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM