Sabotsy 31 Jolay 2021

1 KORINTIANA 1.26-31

Ny fiantsoan’Andriamanitra

1-Mitaky fanetrentena

« Fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry «  (and27)

Ny Fiangonana tao Korinto dia niangonan’ireo olona manankarena , manam-pahaizana , nanana ny toerany teo amin’ny fiaraha-monina . Nirehareha tamin’izany izy ireo . Nananatra azy ireo i Paoly Apostoly ka nanambara fa Andriamanitra dia nifidy ny malemy hanehoany ny heriny . Koa tsy izay mirehareha ho manam-pahendrena na hendry , na izay mihevi-tena ho mahery fa izay itoeran’ny herin’Andriamanitra . Izay olona rehetra mila ny herin’Andriamanitra dia tsy maintsy manetry tena . Noho izany, ny olona mihevitra ny fiantsoan’Andriamanitra azy dia mahay manetry tena mba hitoeran’ny herin’Andriamanitra ao aminy . Mianara manetry tena tahaka an’i Jesoa kristy

2-Mitaky fiombonana amin’i Kristy

« Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesoa izay nataon’ Andriamanitra fahendrena … » (and30)

Teo amin’ny Jiosy , ny fahendrena sy ny fahamarinana dia maka endrika olona sady olona rahateo. Toy izany koa ny Filazantsara izay naka endrika olona dia Jesoa Kristy . Andriamanitra anefa efa nampiombona ny mpino tamin’i Jesoa Kristy . Noho izany , ny olona nantsoin’ Andriamanitra dia miombona amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanekena ny fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana araka ny Filazantsara . Tsy tokony hisy olona milaza ny tenany ho miombona amin’i Kristy kanefa mandà ny fahendrena sy fahamarinana ary ny fahamasinana ao aminy . Satria efa nantsoin’Andriamanitra ianao dia manàna fiombonana aminy amin’ny alalan’ny fanekena nyFilazantsara .

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba iainanao ny fiantsoan’Andriamanitra anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 30 Jolay 2021


Matio 4. 18 – 22


Jesoa Kristy miantso olona hanaraka Azy


1- Maneho ny fitiavany

« Dia hoy Jesosy taminy : Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. » (And. 19)
Rehefa nahita an’i Simona sy Andrea mirahalahy nanarato teo amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesoa dia niantso azy ireo hanaraka Azy. Nantsoina ho mpanarato olona izy mirahalahy. Ny ranomasina dia entina milaza izao tontolo izao ary ny Filazantsara no harato (Mat. 13. 47). Fitiavan’i Jesoa Kristy azy mirahalahyizany sady fitiavana hanafaka ny hafa amin’ny fangejan’ny ota ho amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy ny fiantsoana ny mpianatra. Araka izany, ny fiantsoan’ i Jesoa Kristy olona mba hirahiny dia midika ho fitiavany ilay olona nantsoiny sady fitiavana ny olona hitoriana ny Filazantsara ihany koa. Koa ekeo ny antson’i Jesoa Kristy miantefa aminao fa fitiavany anao izany sady famonjena ny hafa koa

2-Maneho ny heriny

« Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy « (and20)

Mampieritreritra ny zava-mitranga eto : Vao nandre ny antson’i Jesoa Kristy izy efatra mirahalahy ireto dia nandao ny haratony , ny sambony , ny ankohonany (and22). Nanaraka an’i Jesoa Kristy tsy nisy fepetra na ady hevitra fa nanaiky am-pahatsorana .Ny anton’izany fanekena moramora izany dia satria ny antson’ny Tompo dia misy hery miantefa ao am-pon’ny olona izay antsoina mba hitaona ny hafa hanaraka an’i Jesoa ihany koa .Ny Tompo irery ihany no miantso izay tiany amin’ny heriny , manomana azy amin’ny asa fanompoana ,fa tsy miankina amin’ny faniriana na fandavan’ny olona ihany koa. Ny olom-boantso dia nantsoina tamin’ny herin’i Jesoa Kristy hamonjy ny hafa.

Fanontaniana :

Inona no nanosika anao hamaly antson’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofo/ Aogositra 2021

Teny vakiana isanandro

01Efes 2.8-10
022 Tim 2.14-21
03Deo 15.7-11
041Kor 15.54-58
05Mat 6. 1-4
06Oha10.9-20
07Jao 10.22-30
08Mat 21.33-46
09Kol 2.1-5
10Sal 31.1-5
11Eks 31.1-11
12Asa 7.51-8.1
13Mat 19.16-26
14Jao 5.17-29
15Lio 18.18-30
16Sal 34.11-22
17Oha 14.22-27
18Mat 7.15-23
192 Kor 9.6-15
20Jao 14.12-14
211 Pet 5.1-4
22Mar 12.41-44
23Lio 3.7-14
24Mika 6.6-8
25Sal 133.1-3
26Fil 1.1-11
27Mat 12. 31-37
28Heb 10.19-25
29Lio 6.27-36
30Eks 36.1-7
312 Sam 9.1-13

Hafatry ny Filoha / Jolay 2021

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa isika, tena mino,

Fa momba antsika i Jesoa Tompo.

Azy ny asa fa tsy antsika

Isika, olona voafetra;

Izy kosa dia tsitoha.

Isika olona malemy,

Izy kosa dia mahery.

Isika olona mpanota,

Izy kosa Fahamasinana.

Isika olo-mety diso,

Izy kosa Fahendrena.

Koa ny hany anjarantsika.

Dia ny mankato ny baiko,

Izy miantoka ny sisa

Hahato ny fikasany.

Tsy takatsika hatrany akory

Ny fitondràny mahagaga

Itondrany ny Fiangonany;

Saingy dia matoky isika

Fa hendry Izy, tsara Izy

Ka izay rehetra ataony

Dia ataony am-pahendrena

Ao anaty fahatsarany.

Manaiky: izay no anjarantsika,

Dia mankato ny baiko omeny,

Fa efa mialoha antsika

Ny fahasoavany tsy lany

Lazain’ny teny fikasany

Fa ampy, tena ampy tsara

Hahavitana izay hatao!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Alakamisy 29 Jolay 2021

JEREMIA 1.4-10

Andriamanitra miantso olona

1-Manomana azy mialoha

« Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro …no efa nohamasiniko sy notendreko » (and5)

Nantsoin’Andriamanitra ho mpaminany i Jeremia. Tsy vao tamin’io fotoana io akory no resy lahatra ny aminy Andriamanitra fa nisy fanomanana mialoha nataony . Talohan’ ny nahaterahany no efa nomanina ho mpaminany izy . Mahafantatra sy manamasina ny olona antsoiny Andriamanita izay vao manendry azy ho mpaminany . Olona efa voaomana mialoha no antsoin’Andriamanitra hanao ny asany . Tsy kisendrasendra akory no iantsoan’Andriamanitra fa efa fantany mialoha , navahany tao anatin’ny maro , ary omeny fahefana mialoha mifanaraka amin’ny fanompoana hotanterahiny izany olona izany .

2-Maniraka azy hiasa

« …hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly  » (and 10)

Andraikitra lehibe nanirahan’Andriamanitra an’i Jeremia mpaminany ny handrava sy hanangana indray. Ny fandravana dia milaza ny fitsaran’Andriamanitra ary ny fananganana indray dia milaza ny fahasoavan’Andriamanitra . Midika izany fa ny asan’ny mpaminany dia ny mandrava ireo tsy mety rehetra ary manorina sy manamafy orina izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra . Mafy sy sarotra kokoa ny milaza ny fandravana noho ny milaza ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny olona . Kanefa , tsy maintsy milaza ireo zavatra milaza ireo zavatra roa ireo ny olom-boantso, tahaka an’i Jesoa Kristy nanana fahasahiana nanambara ny fahaverezan’ny tsy mino ary famonjena ho an’ny mpino .

Fanontaniana :

Ahoana ny fandraisanao ireny hafatra milaza fandravana ireny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 28 Jolay 2021

Asan’ny Apostoly 9. 1 – 19

Ny olom-boafidy hitondra ny Anaran’i Jesoa Kristy

1-Miaritra fahoriana noho ny Anarany

« Fa hasehoko azy ny habetsahan’izay tsy maintsy hiaretany ho Voninahitry ny Anarako » (and16)

Rehefa nantsoin’ny Tompo ho any an-tranon’i Jodasy hampahiratra ny mason’i Paoly i Ananiasy dia nisalasala ihany . Natahotra i Ananiasy satria efa maro no niharan’ny fanenjehana nataon’i Saoly . Tamin’izany no nilazan’ny Tompo taminy fa tsy maintsy hiaritra fahoriana noho ny Anaran’i Jesoa Kristy i Saoly , satria efa fanaka voafidy . Ny olom-boafidy hitondra ny Anaran’ny Tompo dia tsy maintsy miaritra fahoriana ho Voninahitry ny Tompo . Fenitra ho an’ny mpino kristiana izany. Làlana efa nolalovan’i Jesoa Kristy izany , narahin’ny mpianatra ary mbola iainan’izay rehetra voafidy hitondra ny Anaran’i Jesoa Kristy ihany koa ho Voninahitry ny Anarany .

2-Omena ny Fanahy masina

« Dia nametra-tànana taminy … mba hahiratan’ny masonao ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao  » (and 17)

Nirahin’ny Tompo i Ananiasy hametra-tànana tamin’i Saoly , ilay voafidin’Andriamanitra , hitondra ny Anaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny Jentilisa. Rehefa avy nametra-tànana tamin’i Saoly i Ananiasy dia sady sitrana izy no nandray ny Fanahy Masina . Araka izany ny fametrahan-tànana dia fanomezana ny Fanahy Masina mba hahafahana maneho ny herin’ny Filazantsara amin’ny asa misiona rehetra atao . Hery miasa amin’ny olom-boafidin’ny Tompo hanao ny asany ny Fanahy Masina . Tsy maintsy omena ny Fanahy Masina ny olona voantso sy nofidian’ny Tompo ary afaka manao ny asa fitoriana ny Filazantsara. Koa ny olom-boafidin’ny Tompo dia omeny ny Fanahy Masina .

Fanontaniana :

Avy aiza ny hery entinao manao ny asan’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 27 Jolay 2021

Jaona 21. 15 – 22

Ny mpianatra tia an’i Jesoa Kristy

1- Mamahana sy miandry ny ondriny

« Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. » (And. 17)

Baiko iray nambara tamin’ny fomba telo no nataon’i Jesoa tamin’i Simona rehefa avy namaly ny fanontanian’i Jesoa izy. Intelo ny nandavan’i Simona an’i Jesoa, intelo ny fanontanian’i Jesoa, intelo ny valin-tenin’i Petera, izay niafara tamin’ny alahelo. Tian’i Jesoa Kristy hamafisina tsara ny ny fahavononan’ny olona izay manaiky ho mpianany ho amin’ny famahana ny ondriny. Mpianatra tsy mora mandà an’ i Jesoa ka hiala amin’ny fiandrasana sy ny famahanana ny ondrin’i Jesoa na dia ao anatin’ny sarotra aza. Raha tianao àry i Jesoa Kristy, ataovy tsara ny asany ampanaovina anao.

2- Mijery ny tenany fa tsy ny hafa

« …Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao. » (And. 22)

Tamin’izany fotoana izany, niely ny resaka fa tsy ho faty i Jaona, ilay mpianatra tian’i Jesoa, mandra-piaviany fanindroany indray. Tonga tany amin’ny mpianatra izany tsaho izany, ary izany no nahatonga ny fanontanian’i Petera hoe: « Tompoko, inona no ho amin’ity lehilahy ity?  » (And. 21). Nanorina ny finoany sy ny fisainany tamin’ny tsaho sy honohono i Petera fa tsy tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa tsy miorina amin’ny Tenin’i Jesoa Kristy ny mpianany dia ho diso hevitra, ary sahiran-tsaina amin’ny tsaho sy ny resaka aelin’ny olona. Koa ataovy marina ny fanarahanao an’i Jesoa Kristy . Miorena amin’ny finoana ny Teniny izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina, dia tsy handairan’ny tsaho sy ny resaka tsy mahasoa miely.

Fanontaniana :

Inona avy ny ataonao hanehoanao ny fitiavana an’i Ktristy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM

KOMITY F.T. Maritiora

KOMITY FANORENANA NY TSANGAMBATON’NY  MARITIORA

Fandaharana iombonana

Alahady 08 Aogositra 2021

« Ianareo  no vavolombeloko , hoy i Jehovah sady  mpanompoko  izay efa nofidiako… »( Isa 43.10a)

Feon-javamaneno Fiarahabana Apostolika

Fiderana sy fisaorana ny Tompo

Sal 138.1-3,7 (rehetra)

Hira 824.1,4

Vavaka fiderana

Zavamaneno

Ny Sitrapon’Andriamanitra

Mpitarika : Fil 2.12,13,14

Rehetra : S al 119.1,2

Hira 308.1,3

Fifonana amin’Andriamanitra

Vavaka

Hira 427.1

Famelankeloka avy amin’Andriamanitra

Mpitarika : 1 Tes 5.9,10 / Lio  19.10

Rehetra : Sal 32.1,2

Hira 428.3

Fanambaram-pinoana N°2

Feonjavamaneno

Teny fohy  ataon’ny mpitarika

Raharahan’ny Fiangonana

Famakiana ny Hafatra

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Fotoan’ny ankizy

Hira 774.2

Fampianarana

Hira 473.5

Vavaka

Sal 31.1-8 / Mat 21.33-46 / Asa 7.51-8.1

Hira 306.1,4

TORITENY

Zava-maneno  malefaka na Antoko mpihira

Vavaka fangatahana

Asa vavolombelona

Famaranana

Hira 548.1

Tsodrano

Hira 638.4

Trinite masina

Ho an’ Andriamanitra irery ny  Voninahitra