FMBM / Fanambarana

FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY

« Ny Tenin’Andriamanitra,Fahatokiana sy Fiadanana »

Société Biblique Malagasy – Malagasy Bible Society

Lot II E 21 A Ter, Immeuble ECE Ampasampito

Antananarivo 101 – MADAGASIKARA – B.P. 922

Tél. 033 11 251 35 / 032 07 251 35

Réf : 001-2021/COMM/FMBM

Antananarivo, 7 mey 2021

FANAMBARANA HO AN’NY MPANAO GAZETY

Ny Tenin’Andriamanitra, BALISAMA manasitrana!

Ho fanamarihana ny androm-bavaka ho an’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Eran-Tany na ny Alliance Biblique Universelle, izay ankalazaina isaky ny 9 mey, ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy, dia manolotra ny trakitra BALISAMA ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana hiatrika ireo takaitra ara-nofo, ara-tsaina ary ara-panahy ateraky ny krizy ara-pahasalamana. Ny fampielezana ny trakitra dia hiaraha-miasa amin’ny fiangonana sy ny toeram-pitsaboana ary raisina maimaimpoana eny amin’ny biraon’ny FMBM. Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanasitranana ratra anaty iaraha-miasa amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Amerikana.

Ny trakitra BALISAMA dia mirakitra ny valinteny ara-Baiboly amin’ny fanontaniana hoe “Nahoana isika no mijaly raha tia antsika Andriamanitra?”. Ny tanjon’ny FMBM, mifanaraka amin’ny antom-pisiany, dia ny hampitao ny fiangonana sy ny mpitory filazantsara amin’ny asa fitoriana izay tanterahiny. Ohatra amin’izany ny hanohanana ny asa fitoriana izay efa tanterahan’ny kristianina eny anivon’ireo ivotoeram-pitsaboana. Araka izany, ireo rehetra maniry hampiasa ny trakitra dia afaka manatona ny tobim-pamatsian’ny FMBM manerana ny nosy : Antananarivo, Sambava, Antsirabe, Fianarantsoa, Toliara.

Ny FMBM dia sehatra fiaraha-miasan’ny Fiangonana sy ny fikambanana ary ny kristianina eto Madagasikara mba hampiroboroboana ny fampielezana ny Soratra Masina. Niorina ny 21 jona 1965 izy ary nekena ho mpikambana mahefa tao amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Eran-Tany (FMBET) tamin’ny taona 1972. Madagasikara heniky ny fahalalana an’i Kristy amin’ny alalan’ny Soratra Masina no vinan’ny FMBM. Mizara ho efatra lehibe kosa ny antom-pisiany eto amin’ny firenena : (1) Mandika ny Soratra Masina amin’ny fiteny azon’ny olona, (2) Mamokatra ny Soratra Masina amin’ny endriny ilàn’ny olona azy, (3) Mampiely ny Soratra Masina amin’ny vidiny takatry ny olona, ary (4) Mampiofana sy manentana ny fandinihana sy ny fampiasana ny Soratra Masina.


COMMUNIQUE DE PRESSE

La Parole de Dieu, une guérison pour les traumatismes!

A l’occasion de la journée mondiale de prière pour l’Alliance Biblique Universelle, célébrée chaque 9 mai, la Société Biblique Malagasy lance le tract dénommé “BALISAMA” en soutien aux compatriotes faisant face aux impacts physique, psychologique et spirituel causés par la crise sanitaire. Les tracts pourront être récupérés gratuitement auprès des bureaux de la Société Biblique Malagasy à partir du 10 mai 2021. Toutes les denominations d’églises chrétiennes, les centres de santé sont invités à participer à sa diffusion. Ce movement est intégré dans un programme d’accompagnement et de guérison des traumatismes, en collaboration avec la Société Biblique Américaine.

Le tract BALISAMA présente les réponses bibliques à la question “Pourquoi souffrons-nous si Dieunous aime?” . Conformément à sa mission, la Société Biblique Malagasy a pour objectif d’équiper les églises et les missionnaires dans l’évangélisation. A titre d’exemple, les tracts seront un support pour les chrétiens qui se sont engagés à visiter les Centres de Traitement Covid-19. En consequence, tous ceux qui souhaitent s’acquérir des tracts pourront approcher les bureau de la Société biblique Malagasy : Antananarivo,Sambava, Antsirabe, Fianarantsoa, Toliara.

La Société Biblique Malagasy est une plateforme de collaboration entre les églises et associations chrétiennes pour le développement de la diffusion de la Bible à Madagascar. Créée le 21 juin 1965, elle a été acceptée comme membre à part entière de l’Alliance Biblique Universelle en 1972. La Société Biblique Malagasy a pour vision d’édifier les chrétiens à la connaissance du Christ à travers les Saintes Ecritures. Son existence repose sur quatre (4) missions principales : (1) Traduire la Parole de Dieu en une langue que les gens peuvent comprendre ; (2) Produire la Parole de Dieu aux formes qui répondent aux besoins de chacun ; (3) Diffuser la Parole de Dieu à un prix abordable ; (4) Former et encourager à la méditation et à l’utilisation de la Bible.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV