Alakamisy 03 Novambr 2020

ASAN’NY APOSTOLY 10.34-43

I Jesoa Ilay Mesia fampihavanana

1-Mandrava ny fanavakavahana

i Petera Apostoly izay mpitarika ny Fiangonana tao Jerosalema dia isan’ireo Apostoly tsy resy lahatra ny amin’ny hitoriana ny Filazantsara amin’nyJentilisa , fa aminy dia natao ho an’ny vahoaka Jiosy irery ihany ny famonjena . Miseho anefa eto amin’izao perikopa izao fa niaiky volana i Petera ka niloa-bava ampahibemaso fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy noho ny famonjena nataony dia foana izany fanavakavahana izany , satria hitany sy tsapany fa « tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra » fa na Jiosy na Jentilisa dia manana anjara amin’izany famonjena izany avokoa . Araka izany , ny olona izay manaiky sy mino an’i Jesoa ho Mesia ihany koa dia tsy manome vahana ny fanavakavahana amin’ny endriny rehetra .

2-Mahatanteraka ny fiadanana

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay Tompon’ izao rehetra izao no tanteraka ny Teny soa milaza fiadanana izay efa ambaran’ Andriamanitra hatramin’ny vanim-potoanan’ireo Zanak’ Israely . Sitrapon’ Andriamanitra tokoa araka ny ambaran’ny Soratra Masina , ampahatsiarovan’i Petera eto ny hanjakan’ny fiadanana sy ny filaminana eto amin’izao tontolo izao ka ny fahafatesan ‘i Jesoa sy ny fandreseny ny fahafatesana no mahalavorary izany fiadanana avy amin’ Andriamanitra izany . Koa minoa an’i Jesoa dia raiso ny fiadanana atolotr’ Andriamanitra , ary iaino sy ijoroy ho vavolombelona isanandro isanandro .

Fanontaniana :

Inona no andraikitra raisinao manoloana ireo endrika fanavakavahana samihafa izay mbola iainan’ny fiaraha-monina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 02 Desambra 2020

JAONA 4.16-24

Jesoa Mesia ho an’izao tontolo izao

Resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ny vehivavy Samaritana no hita eto fa Mesia Izy ka :

1-Mahalala ny marina rehetra

Rehefa nandroso ny fifampiresahana eto dia niezaka nanafina ny marina momba ny tokantranony ilay vehivavy Samaritana ka nilaza hoe : « tsy manambady aho » . Natsikafon’i Jesoa tanteraka anefa ny marina ka na ny lasa na ny ankehitriny , eny fa na ny ho avy aza dia nambarany avokoa . Tsy misy miafina amin’i Jesoa Kristy tokoa ny marina retra momba ny fiainantsika . Koa aza afenina Azy , aza mihatsaravelatsihy eo anatrehany fandrao ho fahafahambaraka ho antsika no haterak’izany amin’ny fotoana hanehoan’i Jesoa izay nafenina rehetra  » fa tsy misy takona izay tsy ho hita na miafina izay tsy haseho  » , hoy ny Soratra Masina (Mar 4.22)

2-Manafaka amin’ny tsy fahalalana

Tsy nahalala an’i Jesoa ho ny Mesian’Andriamanitra ity vehivavy iray teto ity . Vokatr’izao fifampiresahana izao anefa dia nisy tsirim-pahalalana teraka tao anatiny ka nahatonga azy nandao ny sininy teo am-patsakana sy niantso ny mpiara-monina taminy mba hizaha an’i Jesoa . Mbola feno fisalasalana ihany anefa ity vehivavy ity manoloana ilay fahalalana vaovao izay nitondran’i Jesoa azy , ka nitandrina fatratra na dia ny amin’ny teny nolazainy aza « izao angaha no Kristy? » (Jao 4.29) . Ny tsy fahalalana dia mitarika antsika hisalasala na hatahotra ka hanaotao foana mihitsy aza . I Jesoa Kristy no manafaka antsika amin’izany . Koa henoy ny Teniny dia minoa izay lazainy « koa raha ny zanaka no hanafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » (Jao 8.36)

Fanontaniana :

Inona no zavatra nangeja ka efa nanafahan’i Jesoa anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 01 Desambra 2020.

JAONA 1.35-51

Ny olona mihaona amin’i Jesoa Mesia dia :

1-Manaiky ny fanambarana momba Azy

I Jaona mpanao batisa no manambara momba an’i Jesoa eto amin’izao perikopa izao , ka ambarany fa Izy no « Zanak’ondrin’ Andriamanitra  » . Nanaiky izany fanambarana izany ireo mpianatr’i Jesoa ka tiana te- hifandray bebe kokoa amin’i Jesoa ary dia nanaraka Azy avy hatrany . Miharihary eto fa tsy mba manosi-bohon-tànana izay rehetra te-hiaraka Aminy i Jesoa Kristy , fa manome toky aza Izy , fa izay manatona Azy dia hahita zavatra tsara lavitra mihoatra noho izay efa nambara taminy . Koa ekeo ny fanambarana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Soratra Masina , ary meteza ho isan’ny mpianany fa miantso antsika rehetra hanaraka Azy Izy.

2-Mijoro ho vavolombelona mahataona ny hafa

i Andrea rahalahin’i Simona Petera no voalohany nijoro ho vavolombelona eto ka nanambara fa « efa nahita ny Mesia » izy . Tsy nijanona tamin’ny teny fotsiny anefa izany fijoroana ho vavolombelona izany fa narahina asa dia ny fitondrana an’i Simona rahalahiny hihaona amin’i Jesoa hanaraka Azy , dia sahy nijoro ho vavolombelona tamin’i Natanaela fa efa tanteraka ao amin’i Jesoa avy any Nazareta ity , ny teny voalazan’ny Soratra Masina ka nitaona hoe : « andeha hizaha » . Tsarovy àry , fa ny fijoroantsika ho vavolombelona ny amin’ny teny sy asan’ Andriamanitra dia fiasam-pamonjena ho an’ny hafa .

Fanontaniana :

Efa nihaona tamin’i Jesoa ve ianao? Inona no vokatr’izany teo amin’ny fiainanao sy ny manodidina anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM