Alakamisy 31 Desambra 2020

1 JAONA 5.1-9

Ny olona mino an’i Jesoa Kristy

Ny Soratra Masina dia milaza fa izay rehetra mino dia :

1) Manam-pitiavana (and1-3)

Manaiky ny mpino fa i Jesoa no Kristy. Izy no Ilay voahosotr’ Andriamanitra. Izy no Ilay Mesia. Izany fanekeny izany no mitarika azy ho amin’ny fitiavana an’Andriamanitra aloha. Ny fitiavana an’ Andriamanitra kosa dia miseho amin’ny fankatoavana ny didiny (and3). Araka izany, ny olona mino dia sady tia an’Andriamanitra no tia ny namany koa. « Raha misy manao hoe : tia an’ Andriamanitra aho nefa mankahala ny rahalahiny dia mpandainga izy, fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, ataony ahoana no fitia an’Andriamanitra izay tsy hitany ? «  Ary izay rehetra tia izay niteraka dia tia izay naterany koa  » (and1b). Io fitiavana io no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatry ny Tompo isika. Tsy azo heverina ny isian’ny fifankahalalan’ny samy milaza ho mpino ao am-piangonana.

2) Maharesy izao tontolo izao (and4,5)

Ny teny hoe : izao tontolo izao  » dia manambara ny rafi-piaraha-monina izay anjakan’ny fahefan’ny devoly, izay mifanohitra amin’ Andriamanitra. Manjaka ao ny aizim-pahotana rehetra toy ny fahalotoam-pitondrantena, ny fahalovana, ny tsy fahamarinana, ny fifandrafiana, ny fifankahalana, ny fitiavan-tena tafahoatra, ny avonavona. Mifanohitra amin’ Andriamanitra izao tontolo izao. Fa hoy ny voasoratra : »Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray  » (1 Jao 2.15b). Tsy maintsy miatrika ady ara-panahy isanandro ny mpino, raha mbola eto amin’izao tontolo izao. Izay mifikitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy no maharesy izao tontolo izao.

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny kristiana sasantsasany tsy hifankatia?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatra faran’ny taona 2020

HAFATRA AVY AMIN’NY FILOHAN’NY FJKM
HO AMIN’NY FARAN’NY TAONA 2020
“HAFAINGANO NY FAHATONGAVAN’NY FARANY!”

Nanao fandaharana asa izahay, vao tsy ela izay, dia nisy niteny hoe:”Hataontsika izany, raha mbola tsy tonga i Jesoa!”. Dia nisy namaly hoe:”Ary i Jesoa koa , ela vao tonga an! Maninona àry Izy no mbola tsy tonga foana?”Nampahatsiahivin’ny Tompo ahy ny valin’izany fanontaniana izany, ka anafarana anao koa ankehitriny amin’izao faran’ny taona izao hoe:

HAFAINGANO NY FAHATONGAVAN’NY FARANY


Fa hoy ny tenin’i Jesoa :” Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Mat.24.14).

HAFAINGANO NY FAHATONGAVAN’NY FARANY

Hafaingano no fitoriana ny filazantsara hahatratra ny firenena rehetra! Izay azonao atao dia ataovy amin’ny herinao rehetra!
Fa hoy koa i Petera : Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra,12 sady manantena no mampahafaingana ny hiavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra!” (I Pet.3.)


HAFAINGANO NY FAHATONGAVAN’NY FARANY

Mitondrà tena amin’ny fahamasinana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra! Ny faran’ny taona anankiray dia mampanakaiky antsika ny “Farany”; fa ny ataontsika no mampahafaingana na tsia
ny fahatongavany! Saino izany anio


HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY! Amen.

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina
Filohan’ny FJKM

Alarobia 30 Desambra 2020

ISAIA 11.1-10

Amin’ny fiavian’ny Mesia

1-Hitsara araka ny fahamarinana (and1-4)

Nihevitra ny tenany ho ambony noho Andriamanitra ny mpanjakan’ny Asyriana . Andriamanitra ihany no tompon’ny teny farany . Nambaran’ny mpaminany fa raha vao miverina amin’i Jehovah ny Israely dia niditra an-tsehatra Izy . Hisy Mpanjaka hiseho avy amin’ny taranak’i Davida . Ara-tantara dia i Hezekia no tondroin ‘io faminaniana io , nefa koa dia milaza ny fiavian’i Jesoa Kristy hanafaka ny olona rehetra . Hitoetra ao Aminy ny Fanahin’i Jehovah , hamonjy ireo izay iharan’ny tsy rariny sy ireo mpandefitra Izy , fa ny mpihetraketraka sy ireo ratsy fanahy sy ireo izay minia manohitra an’ Andriamanitra kosa dia hotsarainy araka ny fahamarinana . Izany fitsaran’ny Mesia izany no fiandohan’ny fitsarana farany mialohan’ny hahatanterahan’ny fanjakany . Fotoana fibebahana izao .

2-Mitondra fiadanana (and5-10)

Ny fahasimban’ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra no fototry ny fahasimban’ny tontolo iainana . Ny fahatanterahan’ny fanjakan’ i Mesia kosa no mandevona ny faharatsiana sy ny korontana rehetra . Hanenika ny tany manontolo ny fahalalana an’i Jehovah (and9) . Tsy handramatra ny biby fiompy intsony ny bibidia . Hiverina amin’ny firindrana araka izay nandaharan’Andriamanitra azy tany am-boalohany ny zavatra rehetra (and6-8) . Tsy misy afa-tsy ny fiverenana amin’Andriamanitra ihany no mitondra fiadanana ho an’ny olombelona sy ny zava-boahary manontolo .. Ny fampiharana izany dia amin’ny alalan’ny famelana an’i Jesoa Kristy , Ilay Mesia hanapaka sy hanjaka ao am-pontsika .

Fanontaniana :

Misy ifandraisany ve ny fahotan’ny olombelona sy ny aretina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofo / Janoary 2021

Teny voalahatra hovakiana isanandro

MANEHO NY MAHA IZY AZY NY TOMPO

01Gen 1.26-31
02Jao 1.1-5
03Jao 1.43-51
04Fil 2.5-11
05Apo 19.1-4
061 Tim 1.12-17
07Mar 1.40-45
08Isa 45.1-8
09Mpit 6.19-24
101 Sam 1.1-13
11Asa 8.18-24
122 Pet 1.1-11
13Lio 4.14-22
14Joba 42.1-6
15Apo 21.22-27
16Sal 9.1-10
17Jao 5.30-38
181 Jao 1.5-10
19Jer 4.22-28
20Apo 1.1-8
21Isa 51.12-16
22Eze 36.33-38
23Jer 18.5-11
24Asa 17.22-34
25Sal 111. 1-9
26Heb 12.1-6
27Eks 33.12-23
28Sala 18.20-27
29Mat 3.13-17
301 Kor 12.27-31
312 Mpanj 5. 15-27

Talata 29 Desambra 2020

ROMANA 11.7-15

Tian’ Andriamanitra hovonjena ny olona rehetra

Moa ve dia hahafoy an’ Israely tokoa Andriamanitra ka nanome azy fanahy sondrian-tory sa maso tsy hahita ary sofina tsy handre ? ( and 7,8) . Mizara roa ny valiny :

1-Tiany hovonjena ny Jiosy

Ts sitrak’Andriamanitra ny hahavery ny olony , saingy matetika dia ny olona no minia mikimpy manoloana ny fahamarinana izay efa aseho azy . Ny firenena Jiosy izay taranak’i Abrahama araka ny nofo ( jereo ny and 1,2) , nomena ny lalàna sy ny Soratra Masina ary ny fombam-pivavahana isankarazany dia nihevi-tena ho manankarena ka nalaim-panahy hanamarin-tena sy tsy hiankina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra . Hany ka na dia efa tonga aza i Jesoa , Ilay Mesia izay nandrandrainy fatratra dia tsy fantany sady nolaviny . Tsy mahafoy ny olony mandrakizay Andriamanitra fa ny olona miadana ara-nofo ka manara-po amin’ny sakafo sy ny zavatry ny tany no mora voan’ny torimasom-panahy .

2-Tiany hovonjena ny jentilisa

Mahagaga ny fitondran’Andriamanitra , fa ny fandavan’Israely an’Ilay Mesia no nanjary varavarana misokatra ho famonjena ny Jentilisa . « …Fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ny Jentilisa » (and11) . Ny fandavan’ny Jiosy an’i Jesoa Kristy no nampiely ny Apostoly any amin’ny firenena Jentilisa ka nahatonga azy ireo hanana anjara amin’ny famonjena . Tsy midika akory izany fa efa narian’Andriamanitra izay efa nandà Azy . Ho avy ny fotoana hiverenany , hoy i Paoly ka rehefa voaray indray ho isan’ny zanak’Andriamanitra ny Jiosy dia hahita fitahiana amin’ny fitsanganan’ny maty ny Jentilisa (and15) . Tian’Andriamanitra hovonjena avokoa ny olona rehetra , na Jiosy na Jentilisa .

Fanontaniana :

Inona no hatao mba hialana amin’ny fanavakavahana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

FDL sy FTPK/ SL

Ny Vokatra ateraky ny fivorian’ny Synoda Lehibe.

Noho ny fahamehana ara-pahasalamana dia tsy azo notanterahina ny fivorian’ny Synoda Lehibe.

Miandrandra mafy izany ny Fiangonana satria zava-dehibe no andrasana amin’io Synoda Lehibe io, raha tsy hitanisa afa tsy ny fanavaozana tomponandraikitra sy izay ho Filohan’ny FJKM isika. Fa raha ny andinin-dalana ao amin’ny Fotodalana sy Fitsipika no jerena dia tsy izany ihany no anjara andraikitr’io fivoriana fara-tampony io. Koa ndeha hitanisa vitsivitsy isika. Ny Fivorian’ny Synoda Lehibe no :

 Manapaka ny fitsanganan’ny Sampana sy ny Sampanasa ary Asa (Fotodalana and.16. 8)

 Manangana sy mamaritra ny Synodamparitany iray ( Fotodalana and. 18)

 Mamaritra ny fotokevi-dehibe amin’ny fitoriana ny Filazantsara (Fitsipika and. 3)

 Mifidy sy mankato Ny Mpiandraikitra Foibe sy ny ho Filohan’ny FJKM miaraka amin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe. Santionany ihany ireo nambara ireo ka anentanana ny Fiangonana manontolo hanohana izany am-bavaka. Amin’ny maha fivoriana faratapony ny Synoda Lehibe dia tsy maintsy fehezina tsara ny fivoriana mba tsy hiteraka korontana. Samy te hiteny sy haneho ny heviny ny rehetra kanefa ilaina ny mandrindra ireny mba hivoahana amin’ny fanapahan-kevitra iombonana. Noho izany, ny fandraisam-pitenenana ao amin’ity fivoriana ity dia arindra ho toy izao araka ny Fitsipiky ny FJKM and. 251:

Mba hikajiana ny fotoana dia alamina araka izao ny fandraisam-pitenenana ao amin’ny Fivoriambe fanapahan-kevitra :

1. Izay mpivory mangataka hiteny momba ny « Fandaminana ny adihevitra » na « motion d’ordre » dia omena alalana hiteny raha vao manangan-tanana ka maneho fa izany no antony hitenenany. Ireto no voakasiky ny « Fandaminana  adihevitra » na « motion d’ordre » :

 Famerenana ny volavolan-kevitra any amin’ny Vaomiera,

 Fanavahana ny andinin-kevitra samihafa hanapahan-kevitra ao amin’ny volavolan-kevitra iray,

 Fanehoana fa misy mifanohitra amin’ny Fotodalàna sy Fitsipiky ny FJKM ny volavolan-kevitra ka raha izany dia faranana tsotra ny adihevitra.

2. Eo amin’ny fandraisam-pitenenana dia olona roa (2) ihany no omena alalana hiteny mandritra ny fotoana voafetra ankoatra ilay Mpampakateny avy ao amin’ny Vaomiera izay manolotra ny volavolan-kevitra : ny iray (1) voalohany miteny ho fanazavana ny fombàna ilay volavolan-kevitry ny Vaomiera, ny iray (1) faharoa kosa miteny mba hanitsy sy hanohitra ny volavolan-kevitry ny Vaomiera.

3. Aroso avy hatrany ny tsangan-tanana fanapahan-kevitra raha vao vita ireo fanazavana roa (2) mifanesy ireo .

4. Raha misy amin’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe mangataka fitenenana dia omena alalana alohan’ny hafa izy”.

Eto am-pamaranana dia ndeha isika hivavaka hoe: “Andriamanitra Tompo ô! Ampio ny Fiangonanao hahatontosa ny fivorian’ny Synoda Lehibe faha XIX; ho fivoriana lavitry ny sakana ara-pahasalamana sy ny loza hafa, ho fivoriana isehoan’ny voninahitrao Andriamanitra.” Amena.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Rasorampiangonana

Mofo / Desambra 2020

Teny voalahatra isanandro

MANAIKY AN’I JESOA MESIA NY MINO

01Jao 1.35-51
02Jao 4.16-24
03Asa 10.34-43
04Jao 6.59-71
05Asa 16.25-34
061 Kor 12.1-3
071 Jao 2.20-25
08Mat 1.1-17
09Jao 10.31-42
10Gen 49.8-10
11Efe 1.15-23
12Jao 11.21-27
13Eze 3.1-3
14Rom 3.21-26
15Mar 9.14-29
16Mat11.25-30
17Jao 12.20-36
182 Tim 3.14-17
191 Jao 4.1-3
20Mat 1.18-25
21Heb 3.1-6
22Heb 1.8-12
23Efe1.1-4
24Sal 2.7-12
25Mat 2.6-12
26Gal 4.1-7
27Jer 1.4-10
28Mat 4.12-17
29Rom 11.7-15
30Isa 11.1-10
311Jao 5.1-9

DATY VAKITENY

Alatsinainy 28 Des. 2020

MATIO 4.12-17

Nanomboka nanao ny asany ny Mesia

Nogadrain’i Heroda i Jaona mpanao batisa , ary novonoiny . Toa efa fampahafantarana sahady ny amin’izay hihatra amin’i Jesoa izany , na dia vao hanomboka aza ny asa nanirahana Azy .

1-Tany Galilia no toerana nanombohany ny asany

Tao Kapernaomy no nanombohan’iJesoa ny asany , ao amin’ny zaratanin’i Zebolona sy Naftaly araka ny fitsinjarana nataon’i Josoa . Nantsoin’iIsaia mpaminany hoe : Galilia , tanin’ny Jentilisa io toerana io satria nisy fotoana nandroahana ny Jiosy hiala tao , tamin’ny andron’ny fahababoana . Izany tantara izany no nahatonga io toerana io ho natao tsinotsinona , na dia efa nisy Jiosy niverina nanorim-ponenana aza taty aoriana . Tao amin’io tanàna io no nanombohan’ny Mesia ny asany . Mampianatra antsika izany mba hihevitra manokana ireo olona na tanàna ataon’ny olona ankilabao . Aoka mba hoheverina sy omen-danja ny asa fitoriana ny Filazantsara any amin’ny saha vaovao sy ireo mpanompon’Andriamanitra manolo-tena hiasa amin’ny toerana lavitra sy saro-dàlana ary any ambanivolo.

2-Miantso ny olona hibebaka Izy

Nanomboka nitoriteny i Jesoa ka nanao hoe : « Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra  » (and17) . Ny voambolana hoe: « Mibebaha » dia midika hoe : miova fomba fisainana , miova zotra . Tahaka ny nataon’ny mpaminany taloha rehetra dia nananatra ny olona Izy mba hialany amin’ny toetra ratsy . Fantany fa tsy mbola io no fotoana mety hanambarany ny tenany amin’ny maha-Mesia Azy . Raha heverina ny fotoana efa niantsoana olona hibebaka dia tsy tokony hisy intsony olona hiverina amin’ny faharatsiany , saingy tia antsika ny Tompo ka mbola miala nenina

.Fanontaniana :

Inona no tokony hohatsaraina amin’ny fanaovana tafika masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM