Alatsinainy 07 Desambra 20.

1 JAONA 2.20-25

Izay manaiky an’i Jesoa dia manaiky an’Andriamanitra

1-Tokana Andriamanitra

Efa hatramin’ny andron’ny kristiana voalohany no efa nisy ireo antikristy , ary misy mandraka androany izy ireo . Tsy hoe ny tsy mpivavaka ihany no ao anatin’izany fa misy koa ireo mpivavaka nefa tsy manaiky , tsy mino an’i Jesoa Kristy . Ambaran’ny Soratra Masina eto anefa fa ny olona toy izany dia tsy miaina ao amin’ny marina fa mpandainga satria ny marina dia izao : tokana ihany Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina ka ny fandavana an’i Jesoa tsy ho Kristy na Mesia dia midika ho fandavana an’ Andriamanitra Ray sy ny Fanahy koa . Izany indrindra no anambaran’ny Soratra Masina eto fa  » izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa » . Koa tomoera tsara amin’ny finoana izay efa nampinoana antsika fa aza mety ho rebireben’ireo rivo-pampianarandiso samihafa .

2- Manome fiainana Andriamanitra

Izay rehetra mijoro tsara amin’izany finoana marina ny maha-tokana an’ Andriamanitra izany dia mahazo antoka fa manana anjara amin’ny fiainana mandrakizay , araka ny teny fikasana nataon’Andriamanitra rahateo . Fiainana mandrakizay izay santarina dieny izao sahady , ary iainana amin’ny fahafenoany tanteraka kosa rahatrizay ka tonga ny fotoana voatendrin’ Andriamanitra hiafaran’izao tontolo misy iainantsika ankehitriny izao . Fototra ahafahantsika mandray ny fiainana mandrakizay omen’ Andriamanitra araka izany ny finoana . Koa aoreno mafy tsara izany .

Fanontaniana :

Inona avy no azontsika atao hanehoana ny finoantsika ?

Sampana Sekoly Aalahady FJKM

Alahady 06 Desambra 2020

1 KORINTIANA 12.1-3

Ireo mari-pamantarana ny olona itoeran’ny Fanahy Masina

1-Manao filazana tsara momba an’i Jesoa Kristy

Nandeha tamin’ny fanompoan-tsampy ireto Korintiana ireto talohan’ny niovany ho kristiana ka ampahafantarin’i Paoly azy ireo fa ny fanahy ratsy mpamitaka no nampiraparapa azy ireo tao anatin’izany fahajambana goavana izany . Ankehitriny kosa anefa , satria efa nandray ny Fanahy Masina ireto kristiana ireto dia ampianarina mba hahay hitondra tena tsara ka hanaiky tsy misy fepetra amin’izay hitarihan’izany Fanahy Masina izany . Tsy hitarika ny olona hiteny ratsy an’i Jesoa velively raha ny Fanahy Masina fa ho amin’ny Filazantsaran’ny famonjena sy fiainana feno fahasoavana maro tsy tambo isaina aza. Koa meteza koa isika hankato izany fiasan’ny Fanahy Masina ao amintsika izany , ka tsy hiteny ratsy an’i Jesoa sy ny namantsika .

2-Manaiky fa i Jesoa no Tompo

Iray amin’ireo fanekempinoana kristiana voalohany ny fanekena fa i Jesoa no Tompo . Maneho fahavononana hanompo sy hankato tanteraka izany fanekena izany . Ambaran’i Paoly eto àry fa tsy ho vitan’ny finiavan’ny kristiana samirery ny hijoro amin’izany fanekempinoana izany , fa ny Fanahy Masina no manome hery azy ho amn’izany . Araka izany , ny fanekena an’i Jesoa dia tsy teny atao fotsiny ihany fa tena fiainana mihitsy ary izay miaraka amin’ny Fanahy Masina no ho afa -miaina izany .Havaozy isanandro eo ambany fitarihan’ny FanahyMasina àry ny fanekentsika kristiana fa Jesoa no Tompon’ny fiainantsika .

Fanontaniana:

Inona avy no azonao ambara momba an’iJesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 05 Desambra 2020

ASAN’NY APOSTOLY 16.25-34

Ny vokatry ny fanekena an’i Jesoa Mesia

1- Fatokiana sy fahatoniana

Any am-ponja i Paoly sy i Silasy eto ary tsy famonjana tsotra no nahazo azy ireo fa tany amin’ny anatiny indrindra amin’ny tranomaizina sady mbola voafatotra tongotra aman-tànana ihany koa . Teo anatrehan’izany zava-tsarotra rehetra natrehan’izy ireo izany anefa dia indro izy roa lahy feno fatokiana sady tony tanteraka ka ny nataon’izy ireo dia nivavaka sy nihira fiderana an’ Andriamanitra . Mazàna tokoa isika rehefa tojo zava-tsarotra dia lany andro miasa saina sy be fanahiana hoe: fanahiana hoe : hanao ahaoana ny ampitso , inona no hiafarana . Ampianarin’izao Soratra Masina izao isika anio fa ny fivavahana sy ny fiderana an’Andriamanitra dia fiasam-pamonjena hanafaka antsika amin’ireo zava-tsarotra atrehantsika ireo . Anisan’ny fanehoana ihany koa izany fa olona manaiky sy matoky an’iJesoa sy ny maha-Mesia mpamonjy Azy isika .

2-Fizarana fiainana ho an’ny hafa

Raha teo an-dàlana hizotra ho amin’ny famonoan-tena ireo mpiambina rehefa nahita ny fivahan’ny varavaran’ny fonja dia nanakana azy ireo tsy ho amin’izany i Paoly . Tsy nanakana fotsiny anefa no nataon’i Paoly eto fa tena nitarika ilay mpiambina sy ny ankohonany mihitsy mba hino an’i Jesoa Kristy Tompo satria izany no loharanom-piainana sy famonjena . Isika ihany koa , rehefa misaina ny amin’ny nanafahan’i Jesoa antsika dia taomina mba hizara sy hitarika ny hafa manodidina antsika mba ho tonga mpino ka hanana anjara ao amin’ny fiainana mandrakizay .

Fanontaniana :

Inona no tombony amin’ny fahatoniana eo am-piatrehana olana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Masters en Théologie 2020.

Mpitandrina 44 mianadahy notolorana mari-pahaizana ambony

Natao tao amin’ny FJKM Andrainarivo fahasoavana ny Sabotsy 21 Novambra 2020 ny Fanompoam-pivavahana fiderana an’Andriamanitra sady fanolorana Mari-pahaizana akademika « Masters en Théologie » sy  » Maîtrise en Théologie » ho an’ny andiany « RAMAMBASOA Joseph ». Mpitandrina 44 mianadahy no notolorana mari-pahaizana tamin’izany, avy amin’ny Departemanta 6 dia Misolojia, Pratika, Testamenta Taloha, Testamenta Vaovao, Tantara ary ny Teolojia Systematika. 

Nisy koa ny fizarana valisoa ho an’ ireo 3 namiratra tamin’ny isa azo avy amin’ny asa fikarohana. 

Ny fanolorana ny mari-pahaizana akademika Maîtrise amin’ny Teolojia koa dia natolotra teo, fa ny famoahana ara-pomba-piangonana kosa dia natao teny Antsahamanitra ny Alahady 22 Novambra 2020. 

Nanolotra solosaina ho an’ny Departemantan’ny Masters amin’ny Teolojia kosa ireo Mpitandrina vao noraisin-tànana. 

« Ampy ho anao ny fahasoavako, ary ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena…  » II Korintiana 12:9, no fototry ny hafatra izay nentin’i  Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, Filohan’ny FJKM ka nitondrany hafatra 3 lehibe : » ny fahasoavana ‘Andriamanitra, itokio, ny fahalemenao tsara, tsy olana io ,fa ny fahalemenao ratsy no ario. « 

Anisan’ny nanamarika ny fandraisam-pitenenana samihafa ny fampahafantarana hoe: iza marina ny mpitandrina Ramambasoa Joseph ? 

Veronica A

                                                                                                             

SP 35 /Fitokanana Zava-bita

Nitokana zava-bita teny Fihaonana

SP  Vonizongo Vavolombelona ny FJKM

Miroso hatrany amin’ny asa isika. Taorian’ny fivoriana izay nataon’ny Mpiandraikitra foibe dia niroso tamin’ny iftokanana ny zava-bita tany Fihaonana Vonizongo ny teo anivon’ny Foibe FJKM ny Zoma 20 Novambra 2020 lasa teo. Fotodrafitrasa efatra(4) lehibe no notokanana tamin’izany.

Voalohany, ny Sekoly Teknika izay eo ambany fiahian’ny Foibe Fitondran-tsekoly FJKM. Ny sekoly dia efitrano lehibe misy rihana iray ary ahitana efitra 9. Mitsinjara ho efitrano fianarana sy Trano famakiam-boky,

Trano fanaovana infôrmatika ary trano fandriana ho an’ny Kilasimandry . Ny sampam-piofanana mahakasika ny fambolena sy fiompiana no atao ao. Fotom-piveloman’ny mponina any an-toerana ny fambolena sy fiompiana  ka ho fampandrosoana sy fanatsarana izany indrindra no anton’ny fananganana ity sekoly ity. Afaka misitraka ny fianarana sy fiofanana ihany koa anefa na dia ny avy lavitra noho izy manana toerana handraisana mpianatra kilasy mandry.

Ny faharoa, kianja filalaovam-baolina izay mbola tany mena ihany hatreto. Noheverina hanatanterahana ny fanadinana fanatanjahantena ara-panjakana izy io. Malalaka sy manana ny refy ilaina amin’izany ny kianja.

Ny fahatelo, ny fanatsarana ny tobim-pitsaboana izay mbola fananan’ny fiangonana. Ny trano no an’ny fiangonana fa ny olona rehetra tsy ankanavaka no andrasana hanatona hitsabo tena ao. Fitsaboana feno no afaka sitrahana ao ary misy toerana fampiterahana arifomba sy ampy fitaovana tsara. Ahitana efitra fampiterahana sy fitaovana mifanaraka aminy tsara.

Ny fahaefatra farany, ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana lovainjafy dia misy ihany koa ny tanin-janakazo, izay ahitana karazana hazo sy voninkazo. Eo amin’ny vavahady fidirana dia efa ahitana ny karazana zanakazo izay miisa 75 raha kely indrindra. Ahitana toerana fanaovana grefy ihany koa.

Nambaran’ny Ben’ny tanàna ao an-toerana, fa tombontsoa lehibe ho an’ny mponina no manana izao Fotodrafitrasa izao noho izy tena mahakasika ny filan’ny Mponina manontolo. Ezahana ny hikajy sy hikolokolo ny toerana raha ny nambarany hatrany ary namaranany azy dia ny fankasitrahana ny eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Eto Madagasikara.

                                                                                                              Ra Mahery 

Famoahana Mpit sy Mptra

FAMOAHANA SY FANIRAHANA MPITANDRINA SY MPAMPIANATRA ANDIANY « IRAKA FEHIZORO » TAO ANTSAHAMANITRA

Mpitandrina FJKM 87 avy amin’ny toeram-panomanana mpitandrina Kolejy Teolojika Ivato sy Fakiolte Teolojika Ambatonakanga, sy Mpampianatra 88 mianadahy avy amin’ny Ivon-toerana Fampiofanana Mpampianatra (IFRP Andohalo), misalotra ny « Andiany IRAKA FEHIZORO » no nirahina sy notsofin-drano ara-pombam-piangonana tao amin’ny kianja maitso Antsahamanitra ny Alahady, 22 novambra 2020, nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro. Nitarika ny fotoam-pivavahana, Atoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina, Birao Mpanolotsaina Mpiandraikitra Foibe. Nitondra ny hafatr’Andriamanitra, Dr. IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, Filohan’ny FJKM.

Hafatra roa lehibe no nentiny nampitaina tamin’ny vahoakan’Andriamanitra tao an-toerana, voalohany :

1-Firafetana-Faharetana

2- Fankatoavana-Fanoavana.

Fotoan-dehibe roa sosona io fotoana io, ankoatran’ny fanirahana ireo mpanompon’Andriamanitra175 ireo . Nofaranana tamin’ io ihany koa ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-200 taonan’ny Sekoly Protestanta FJKM. Tsiahivina fa Ivon-toeram-Panofanana Mpampianatra any Amboniatsimo Imerimandroso Ambatondrazaka no tsangambato amin’izany, izay mbola andalam-pamitana amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny asa vavolombelona kosa no nanolorana sitraka ireo nahazo ny laharana voalohany tamin’ny hira faneva sy sary famantarana ny faha-200 taona Sekoly Protestanta FJKM.

Baiko  omen’ny Tompo ho an’ny nirahiny ny hoe « Eo amin’izay hanirahan’i Jesoa anao no hitahiany anao ! ».

Zokieva

FJKM Ankadimbahoaka SP11

Fanolorana ny Mpitandrina vaovao

Notanterahina ny Alahady 29 Novambra 2020, tao amin’ny FJKM Ankadimbahoaka, ny fametrahana araka ny fombam-piangonana, ny Mpitandrina RATSIMANDRESY Joseph Andriamparany mianakavy. Nitarika ny fotoana, ny Prezida Synodaly SPAA11, RABELISON H.Manassé, Mpitandrina.
Nitarika ny fotoam-pivavahana sady nanambara ny hafatr’Andriamanitra, tamin’izany fotoan-dehibe izany, ny Mpitandrina Delege,RANDRIANARISON Emmanuel, Birao SPAA11, ka ny perikopan’io andro Alahady io, no noraisiny, ary ny Soratra Masina voasoratra ao amin’ny (Salamo 121:1-8) no
nataony lasitra nankany ny hafatr’Andriamanitra, ary nanambarany fa, Jehovah Andriamanitra Mpanao ny lanitra sy ny tany no fiarovana tsara sy azo antoka indrindra, sady manana fahefana amin’izay nohariny rehetra. Tsy ny tendrombohitra no ahazoana famonjena sy fitahiana, fa Jehovah
Andriamanitra irery ihany, sady azo ianteherana tsara Izy, satria miatrika ny vahoakany ka miaradalana sy mitarika azy ireo eo amin’ny fiainany. Setrin’izany anefa dia mila matoky Azy Tompo ny mpino sady mankato ny Teniny izay fanilo fanazavana ny lalana araka ny voasoratra ao amin’ny
Salamo 119:105 manao hoe : «Fanilon’ny tongotro Sy fanazavana ny lalako Teniny ny teninao. ». Miasa amin’ny fomba mahagaga amin’izay mankato ny eniny Andramanitra .
Tonga niatrika izao fotoan-dehibe izao ny Diakona sy loholona ary ny Sampana rehetra niaraka amin’ny antoko mpihira, izay nandray anjara fiderana (Diakona sy loholona, Tanora zandriny, CFM (Chorale Feo Miantso), Maintimolaly)
Nanambara ny Prezida Synodaly, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ny olona miasa eo anivon’ny Fiangonana, satria mitondra fampandrosoana ny tenan’i Kristy Lohan’ny Fiangonana.
Nirary soa ho an’ny FJKM Ankadimbahoaka, izay tarihin’ny Mpitandrina vaovao ny tenany, hahavita ny iraka ampanaovin’i Jesoa Kristy.
Marihina fa ny Mpitandrina RATSIMANDRESY Joseph Andriamparany dia Filoha SAFIF- SPAA11.

SOLI DEO GLORIA

FaingatananA ,, SF”.

Hafatry ny Filoha / Des 20

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Dia ny filazantsara

Mahatratra ny isan’androm-

piainantsika Malagasy,

ka ny tanindrazantsika

no hisitraka an’izany,

satria hivelatra hahatsiaro

fa isika rehetra izao

noforonin’ny Mpahary

hiara-miasa Aminy eto

hanjarian’ny tontolo

ho voakajy hahasoa!

Ka ny fambolena ala

Manerana ny tanintsika

Dia horaisintsika rehetra

Ho tena asa Fitoriana

Ny fitiavan’ny Mpahary

Izay namponina ny olona

Tao Edena fahizay!

Ka tsy hetsika hatao

Hialana voly, hisehosehoana,

Sanatria, fa tena hatao

Izay hanana hazo velona,

Voaara-maso sy voakolo

Izay nambolena, tena haniry

Ka ho feno ala indray,

Ho Nosy maitso i Gasikara!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Zoma 04 Desambra 2020

JAONA 6.59-71

Ny mino an’i Jesoa miatrika sedra

Mavesatra ny teny nambaran’i Jesoa ny amin’ny tena sy ny rany izay lazainy fa fihinana sy fisotro ho an’ireo izay mino Azy . Nisy tamin’ireo nanara-dia Azy no nihemotra raha nahare izany , fa ny tena mpianatra mahatsiaro sy mihevitra ny fifidianan’ Andriamanitra azy dia :

1-Mifikitra Aminy mandrakariva

« ianareo koa va mba te-hiala? » . Izany fanontaniana izany no nentin’i Jesoa nisedrana ny fahavononan’ireo roa ambin’ny folo lahy hanaraka Azy amin’izay alehany . I Simona Petera eto no misolo tena azy ireo ka manambara sy manamafy fa i Jesoa Kristy ihany no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay ka dia tsy hiala Aminy ireto Apostoly . Miantefa amintsika koa izany fanontaniana izany ary tarihana isika amin’ny alalan’ ity Soratra Masina ity mba hanavao sy hanamafy fa tsy hiala amin’Andriamanitra na inona na inona hitranga .

2-Mino mba hahalala Azy

Mety ho anton-javatra hitarika ny olona hiala amin’i Jesoa ny tsy fahalalana marina hoe : Iza moa Izy ? ary fakampanahy ho an’ny olona ihany koa anefa ny hoe : aleo hiandry hahalala tanteraka an’i Jesoa amin’ny fahafenoany vao hino sy hatoky ary hifikitra Aminy . Mitari-dàlana antsika eto ny Soratra Masina fa ny finoana no mitarika antsika hahalala an’Andriamanitra . Koa mandehana amin’ny finoana ary aoka ho vonona hahalala an’i Jesoa Kristy mba tsy handeha anjambany fotsiny amin’izay inoana fa ho afaka hilaza ihany koa hoe : « Izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra  » .

Fanontanaiana :

Hatraiza ny fahavononanao hiaraka amin’i Jesoa Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM