Alatsinainy 14 Desamb 2020

ROMANA 3.21-26

Ny fanamarinan’ Andriamanitra

1-Mamafa ny fahotana

Foto-pinoana iray ahariharin’i Paoly ato anatin’ny Epistily ity ny momba izany fanamarinan’ Andriamanitra izany . Ampahatsiarovin’i Paoly eto fa tsy misy marina ny olona rehetra , raha jerena araka ny lalàna satria samy efa nanota , samy efa nandika na dia ampahany tamin’ny didy sy fitsipika ihany aza, nefa raha diso amin’ny anankiray dia diso amin’izy rehetra . Ambara eto àry fa tsy araka ny lalàna ( didy sy fitsipika ) izany fanamarinan’Andriamanitra izany , fa araka ny teny efa voarakitra ao amin’ireo bokin’ny lalàna sy ny mpaminany dia araka ny fahasoavana sy famindrampo ka manankery hamafa ireo fahotana nahalavo ny olona teo anatrehan’ Andriamanitra. Tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy no nahalavorary izany fanamarinana mamafa ny fahotana izany , ary natolotra ho an’izao tontolo izao tsy ankanavaka.

2-Mitaky finoana

Izao Soratra Masina izao dia maneho fa vonona Andriamanitra , ary efa ny nanao dingana rehetra mba hanamarina izao tontolo izao, ka ho afaka amin’ny fahotana miteraka ny fahafatesana . Inona kosa àry no andrasana amintsika olombelona manoloana izany ? Ny finoana : tena maimaimpoana ary tsy niandrasan’Andriamanitra tambiny avy tamin’ny asa sy ny fitondrantenantsika ny fanomezany ny famelankeloka , saingy tsy mba hanana anjara amin’izany izay tsy mino an’i Jesoa , satria io finoana io ihany no hahafahana mahita ny fanamarinan’Andriamanitra ao ambadiky ny fanombohana an’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana .

Fanontaniana :

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 13 Desambra 2020

EZEKIELA 3.1-3

Ny tsingerin’ny fifandraisan’ny mpino amin’ny Tenin’Andriamanitra

Hita eto amin’ireo dingana nandraisan’i Ezekiela mpaminany ny Tenin’Andriamanitra :

1-Mahita :

Naseho an’i Ezekiela ilay horona-taratasy feno soratra ary tsy nanampi-maso teo anoloan’izany izy fa nibanjina ka nahita izany ( Eze 2.9). Dingana voalohany ny fahitana ireo Soratra izay asehon’Andriamanitra sy isehoan’ Andriamanitra ao anatin’ny Baiboly , ka aoka koa ny masontsika hifantoka amin’izany Soratra Masina asehon’Andriamanitra antsika izany ka hijery an’i Jesoa , Ilay teny tonga nofo , Tompon’ny finoana sy mpanefa azy.

2-Mihinana

Baiko nomena an’i Ezekiela ny hoe : « hano izay hitanao » , izany hoe : tsy tokony hijanona ho fahitana na ifandraisana ivelany fotsiny ilay soratra Masina fa tena alatsaka anaty , tsakotsakoina , dinihana tsara , ankafizina. Izany fihinanana ny Tenin’Andriamanitra izany indrindra no mahatonga azy ho loharanon’ny finoana ao anaty , hoy i Jesoa : »Dinihinareo ny Soratra Masina , ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay » ( Jao 5.39)

3-Mandeha mizara

Nantsoina hitondra ny Tenin’ Andriamanitra amin’ ireo mpiray firenena taminy i Ezekiela mpaminany , fa isika ihany koa rehefa nahita an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Teniny ka voky zava-tsoa avy amin’izany dia irahina mba hizara izany Tenin’Andriamanitra, mba hanome tsiro « mamy toy ny tantely« eo amin’ny fiaraha-monina . Tsarovy hatrany anefa fa tsy dingana mifanesy indray mandeha tsy miverina akory ireo fa mila iverimberenantsika matetika .

Fanontaniana :

Aiza ho aiza amin’ireo no misy anao amin ‘izao fotoana izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 12 Desambra 2020

JAONA 11.21-27

Ny fahoriana atrehina amin’ny finoana

1-Ambara amin’i Jesoa

Ny zava-dehibe eto amin’izao Perikopa izao dia mampahatsiaro antsika fa ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy dia tsy midika ho tsy fisian’ny fahoriana tsy akory . Manome fianarana ho antsika kosa ny amin’izay ahafahantsika miatrika izany . I Marta no maneho eto fa azo atao , ary tokony hatao mihitsy aza ny milaza amin’i Jesoa Kristy izay rehetra manavesatra ny fo ka mahatonga alahelo , ary hita amin’ny resaka nifanaovany tamin’i Jesoa rahateo fa mihaino Izy ka mamaly izany fitaraina’ny olony izany . Ho antsika àry , andeha hihazakazaka hanatona an’iJesoa . Mialohan’ny zava-drehetra , ary aoka tsy hiandry olana ihany vao hidodododo, fa ny fiainana manontolo mihitsy no ento ho eo Aminy.

2-Anaovana ny fanekem-pinoana

Rehefa nambaran’i Jesoa fa « Izy no fananganana ny maty sy fiainana » dia tsy misalasala na nihambahamba kely akory i Marta , fa avy hatrany dia namaly ny fanontanian’i Jesoa ka nanaiky fa Izy no « Kristy Zanak’ Andriamanitra » . Mazava tsara ny filaharan’ny zava-mitranga eto , fa mino aloha vao mahita ilay asa mahagaga hanehoan’Andriamanitra ny Voninahiny , izany hoe : « finoana avy amin’ny Tenin’i Kristy « . Koa raha tojo fahoriana na olana saro-bahana isika dia aoka tsy ho maika fotsiny hitady vahaolana , fa hahatsiaro mandrakariva koa ny fanavaozana indray ny fanekena fa i Jesoa Kristy no Tompo sy mpanefa ny finoantsika .

Fanontaniana :

Ahoana ny niatrehanao ny olana hatramin’izay ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 11 Desambra 2020

EFESIANA 1.15-23

Ny fiombonan’ny mpino

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia tonga mpino kristiana i Paoly . Toy izany koa ny Fiangonana tao Efesosy izay hanoratany ka hanehoany fa ny mpino kristiana dia :

1-Mifampahatsiaro sy mifampivavaka

Fankasitrahana sy tonom-bavaka no mandrafitra ny ampahany maro amin’ity Epistily ho an’ny Efesiana ity . Iray amin’ireny izao perikopa izao , izay maneho fa ankasitrahan’i Paoly sady isaorany an’ Andriamanitra mihitsy ny finoana tao amin’ireo kristiana tao Efesosy . Na dia teo tokoa mantsy ny elanelan-tany sy ny zava-tsarotra natrehan’i Paoly , satria any am-ponja izy dia tsy nahasakana azy hivavaka sy hampahery ireo mpino namany izany . Manoloana ny zava-tsarotra atrehantsika ihany koa dia aoka hifampahatsiaro am-bavaka isika ka hifampahery sy hifanampy hatrany .

2-Tena iray amin’i Jesoa Kristy

Ambaran’i Paoly eto fa toy ny tena (vatana) iray ny Fiangonana ka i Jesoa Kristy no lohan’izany vatana iray izany . Ary zava-dehibe ho an’ny Fiangonana ny mahazo antoka izany fahamarinana izany satria Tompon’ny fanapahana amin’ny ankehitriny sy ny ho avy rehetra iJesoa , eny fa na ny fahafatesana aza izay fara-tampony amin’ny olona tsy maintsy atrehan’ny olombelona , ary tsy ahitany fanafany dia efa noresen’i Jesoa Ilay lohan’ny Fiangonana izany . Koa taomina àry isika mba hahatsiaro indray fa isika na dia maro aza dia tena iray ihany , fa samy momba ny tenan’i Kristy ny mino rehetra .

Fanontaniana :

Inona koa no azo hanamafisana ny fiombonana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 10 Desambra 2020

GENESISY 49.8-10

Andriamanitra mandrindra ny tantara

Milaza ny amin’ireo taranak’Israely 12 lahy sy ny ho aviny ity Gen 49 ity , ka maneho indrindra izany fa :

1-Mitana ny teny omeny Andriamanitra

Ny anarana Hebreo hoe : Joda dia midika hoe : « deraina  » na hoe : koa malaza . Mazava ho azy , araka izany raha toa ka fiderana sy fankalazana avy amin’ireo rahalahiny no miandry azy amin’ny ho avy araka izay ambaran’ Israely rainy hoe : « hoderain’ny rahalahinao ianao » . Fa raha iverenana kely koa ny tantara dia antom-pideran’i Lea reniny an’ Andriamanitra ny fahaterahan’ity zanany faralahy tamin’Israely ity , araka ny Gen 29.35 . Voaozona tokoa ireo teny nomen’Andriamanitra an’i Joda sy ny taranany ireo , ka vay ao aminy no nipoiran’i Jesoa Mesia araka ny tetiarana ao amin’ny Filazantsara .

2-Mahatantanteraka ny sitrapony Andriamanitra

Hita taratra eto fa sitrapon’Andriamanitra ny hampitoetra ny fiadanany amin’ireto zanak’Israely ireto ka amin’ny alalan’ny Joda no hanatontosany izany . Voalaza eto ihany koa fa ny firenena rehetra mihitsy no hanoa ny fanapahana eo an-tànan’ilay mpanapaka avy amin’ny taranak’i Joda satria sady matanjaka nefa tsy misetrasetra , ary voadio izany fanapahana izany . Marina tokoa fa i Joda sy ny taranany no resahana eto , saingy tsy nisy nahatanterak a ireo teny milaza ny sitrapon’ Andriamanitra ireo raha tsy i Jesoa Kristy irery ihany . Hafatra ho antsika àry : hazony tsara ny Tenin’Andriamanitra ary ekeo ny ho mpanompon’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana :

Inona no atao manoloana ny fitantanan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

50th FJKM/2 infrastructures

CHAPEL DEDICATION AND HANDING OVER OF KEYS

TWO OF THE INFRASTRUCTURES FOR THE 50th ANNIVERSARY OF THE FJKM

A service and the dedication of the Philadelphia Chapel at Ivato Theological College was held on Saturday, November 14, 2020.  It was the Collaboration of the PROK- Presbyterian Church of South Korea and the FJKM church. Coinciding with this, the Committee presented the keys to a large building that commemorates the 50th anniversary of the FJKM. The end of the Jubilee year was in 2018 but the Committee was still finishing the work. Families of 75 Pastoral College students and family of Ivato Theological (K.T.I) now benefit from this infrastructure and .

The first floor has 8 rooms, the second, 20 rooms and the third floor is a large room measuring 51 by 12 meters. Construction work has been completed, the access to water and electricity is still the next step.

The Assistant President of the Headquarters Bureau, Pastor Mr. ZARAZAKA Jean Louis Pastor led the service and the FJKM President Dr Pastor Irako Andriamahazosoa Ammi, delivered the Words of God. The message was taken from Revelation 3: 7,9.  Three main points emerge from these verses: Jesus is holding His church, trust Him. Jesus cares about His church, be careful. And Jesus loves His church, stand firm.

The FJKM liturgy for dedication was followed at that time. The service started at the entrance, then the cutting of the ribbon followed by the dedication of the stone tablet and it continued throughout the service.

A joyful meal prepared by the chairman of the committee ended the time in the main hall. The program was successfully completed despite the heavy rain with big hails.

Communication team (FJKM)

FJKM Ankadimbahoaka

FIANTSOANA

Antsoina am-pitiavana isika mpianakavin’ny finoana eto amin’ny Fitandremana Ankadimbahoaka ho tonga hiara-manome voninahitra an’ Andriamanitra noho ny fetin’ny taranaka sy fianakaviana ary ny ankohonana , izay hatao ny Alahady 13 Desambra 2020 sy ny Alahady 20 Desambra 2020 , samy manomboka amin’ny 9ora maraina ,izay hiarahana amin’ny Mpitandrina vaovao RATSIMANDRESY Joseph ANDRIAMPARANY . Samia mifampilaza sy mifanentana . Ento ambavaka ny fotoana .

Alarobia 09 Desambra 2020

JAONA 10.31-42

Ny fanekena an’i Jesoa Mesia

1- Tsy safidy fa fahamarinana tsy hay tohaina

Ambaran’i Jesoa eo amin’ny andininy faha-30 ny hoe : « izaho sy ny Ray dia iray ihany  » . Manamafy ny fahamarinana araka ny Filazantsara izay efa hitantsika izany fa tokana tokoa Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy . Masina . Miseho eto amin’izao perikopa izao indrindra àry fa tsy hay toherin’ny fisainan’ny olombelona izany fahamarinana izany , satria tsy teny na foto-pinoana na fampianarana fotsiny ihany izany fa tena nofo miaina sy miasa ary mitondra fiainana mihitsy . Ny Jiosy tao amin’ny Tempoly no voalaza eto fa niezaka nanohitra izany fahamarinana ny amin’i Jesoa Kristy sy ny asany izany , saingy niala izy ireo satria nandao azy ireo i Jesoa . Koa ekeo àry ny fahamarinana ambaran’ny Tenin’Andriamanitra dia hitoetra eto amintsika mandrakariva iJesao Kristy .

2-Fototry ny finoana marina

Ny fiafaran’ity Perikopa ity dia maneho fa «  maro no nino an’i Jesoa  » tamin’ireo vahoaka nanatona Azy teny an-dafin’ny Jordana . Nino ireo olona ireo satria nandray ny teny nambaran’i Jaona mpanao Batisa ka nanara-maso ny fahatanterahan’izany teo amin’ny fiainan’i Jesoa . Nolavin’ireo Jiosy tao amin’ny Tempoly i Jesoa , saingy neken’ireo vahoaka teny an-dafin’iJordana kosa araka izany no fototry ny finoana marina fa tsy ny toerana na ny fiaraha-monina manodidina . Koa na aiza na aiza misy anao ankehitriny , ekeo i Jesoa ho Tomponao .

Fanontaniana :

Misy azonao atao mba hamonjena ireo tsy mety mino ve ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 08 Desambra 2020

MATIO 1.1-17

Voaporofo ny maha- Mesia an’i Jesoa

Misy hevitra voizin’ny mpanoratra ao ambadiky ny tetiarana toy izao . Matio manokana dia maneho ny :

1-Fahatanterahan’ny teny fikasana

Ny filazana avy hatrany fa iJesoa no « Kristy zanak’i Davida, zanak’i Abrahama » dia manoporofo mazava , fa tanteraka ao Aminy ireo teny fikasana sy faminaniana maro samihafa momba ny Mesia , izay hita ao amin’ny Testamenta Taloha . Ny maha- zanak’i Abrahama dia maneho fa iJesoa no loharanon’ny fitahiana ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany (Gen 12.3) . Ny maha-zanak’i Davida dia midika fa mpanjaka ankasitrahan’Andriamanitra hanjaka mandrakizay Izy (Sal 132.11) , ary i Kristy dia manambara fa i Jesoa no fahatnterahan’ny famonjen’ Andriamanitra .

2-Fahaterahana ho an’izao tontolo izao

Anaram-behivavy dimy no hita ato amin’izao tetiarana izao ary endri-pifandraisana tsy ara-dalàna teo amin’ny fiaraha-monina avokoa no nahazoan’izy ireo zanaka (Tamara , Rahaba, Rota, vadin’i Oria, Maria ) . Asehon’i Matio eto anefa fa anisan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny fiavian’i Jesoa Ilay Mesia izy ireo . Araka izany dia mazava fa manana anjara ao amin’i Jesoa avokoa izao tntolo izao ary Izy mihitsy aza moa no nilaza fa « tsy tonga hiantso ny marina , fa ny mpanota » (Mat 9.13) . Koa andeha isika hanatona Azy sy hanaiky hateraka indray mba handraisantsika ny famonjen’i Jesoa Mesia .

Fanontaniana:

Afaka mandresy lahatra ny hafa amin’ny maha-Mesia an’i Jesoa ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Aumônerie/ Porte ouverte 20

Fanasana

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” II Tim.1:8a“Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kelyindrindra ireto no natananareo tamiko koa » Matio 25 :40

Izahay Fianakaviamben’ny Aumônerie dia faly manasa anareo hitsidika ny

“VARAVARANA MISOKATRA”

HAMPIRANTIANA NY ASAN’NY AUMÔNERIE

ny Talata 08 Desambra 2020 hatramin’ny Zoma 11 Desambra maraina,

ao amin’ny Foibe FJKM, varavarana 201

Fanokafana: Talata 08 Desambra, amin’ny 10 ora maraina

Hisy  FAMELABELARAN-KEVITRA:

Ny fiatrehana ny fanabeazana aorian’ny Covid 19”

iarahana amin-dRamatoa POGET Helivao, Mpitandrina Aumônier Nasionaly SAFFIFAA sy Ramatoa RAVOAHANGINARISOA Fara Fanja, Mpitandrina, Aumônier APU ary hisy FIARAHA-MIALA HETAHETA aorian’io.

Hery lehibe ho anay, ry havana, ny fitsidihanareo! Hivelatra amin’ny Asan’ny Aumônerie isika, ho voninahitr’Andriamanitra