Talata 01 Desambra 2020.
JAONA 1.35-51
Ny olona mihaona amin’i Jesoa Mesia dia :
1-Manaiky ny fanambarana momba Azy

I Jaona mpanao batisa no manambara momba an’i Jesoa eto amin’izao perikopa izao , ka ambarany fa Izy no « Zanak’ondrin’ Andriamanitra » . Nanaiky izany fanambarana izany ireo mpianatr’i Jesoa ka tiana te- hifandray bebe kokoa amin’i Jesoa ary dia nanaraka Azy avy hatrany . Miharihary eto fa tsy mba manosi-bohon-tànana izay rehetra te-hiaraka Aminy i Jesoa Kristy , fa manome toky aza Izy , fa izay manatona Azy dia hahita zavatra tsara lavitra mihoatra noho izay efa nambara taminy . Koa ekeo ny fanambarana momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Soratra Masina , ary meteza ho isan’ny mpianany fa miantso antsika rehetra hanaraka Azy Izy.
2-Mijoro ho vavolombelona mahataona ny hafa

i Andrea rahalahin’i Simona Petera no voalohany nijoro ho vavolombelona eto ka nanambara fa « efa nahita ny Mesia » izy . Tsy nijanona tamin’ny teny fotsiny anefa izany fijoroana ho vavolombelona izany fa narahina asa dia ny fitondrana an’i Simona rahalahiny hihaona amin’i Jesoa hanaraka Azy , dia sahy nijoro ho vavolombelona tamin’i Natanaela fa efa tanteraka ao amin’i Jesoa avy any Nazareta ity , ny teny voalazan’ny Soratra Masina ka nitaona hoe : « andeha hizaha » . Tsarovy àry , fa ny fijoroantsika ho vavolombelona ny amin’ny teny sy asan’ Andriamanitra dia fiasam-pamonjena ho an’ny hafa .
Fanontaniana :
Efa nihaona tamin’i Jesoa ve ianao? Inona no vokatr’izany teo amin’ny fiainanao sy ny manodidina anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM