Sabotsy 31 Oktobra 2020.

NEHEMIA 5.1-13

Mitantara ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra taorian’ny fahababoana ny bokin’i Nehemia . Miresaka ny amin’ny fanarenana an’i Jerosalema, tsy amin’ny lafiny ara-potodrafitrasa ihany , fa amin’ny lafiny ara-pivavahana sy ara-piaraha-monina indrindra koa .Eto dia hitantsika fa namarana ny tsy rariny ara-tsosialy i Nehemia .Asehon’ity perikopa ity àry ireo :

Ireo toetra mahamendrika ny mpitondra

1-Ny fahaiza-mihaino ny vahoakany (and 1-5)

Nihaino tsara ny fitarainan’ ny olona i Nehemia , raha tonga nilaza taminy ny fahavoazany ny olona , tsy niavonavona na nandrindrim-baravarana . Toetran’ Andriamanitra mihitsy ny fahaizana mihaino tsara ny olony, ka nahatonga azy hanafaka ny vahoakany tamin’ny fanandevozana tany Egypta (Eks 3.8). Ianao koa , mianara mihaino ny mpiara-belona voan’nytsindry hazo lena .

2-Ny fahatsapana ny manjo ny vahoakany

Zoma 30 Oktobra 2020.

KOLOSIANA 2.4-7

Manoro hevitra ny kristiana izay efa nandray an’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy ny amin’izay tokony hitondrany ny fiainany i Paoly Apostoly eto . Asongadiny amin’ny mpino fa tsy tokony hiroroa saina amin’ny fampianarana na fanao tsy mahasoa samihafa intsony izy ireo . Ampianarina antsika eto àry hoe :

Fikiro ny finoana marina

1-Fa aza sodokan’ny fampianarana sandoka (and4)

Mampitandrina ny Kolosiana ny Apostoly Paoly eto mba haharitra amin’ny fampianarana efa natolotra azy ireo . Misy mantsy mpampianatra sandoka , izay manodoka amin’ny fomba fiteniny sy ny fomba fampianarany izay manozongozona ny foto-pinoana ny amin’i Kristy , ka te- hampiditra fisalasalana indray ao amin’ny kristiana ny amin’ny » efa fisian’i Kristy  » talohan’ izao rehetra izao , ny maha- Andriamanitra an’i Kristy , ny maha-Mpamonjy Azy . Efa nampitandreman’i Jesoa ny mpianany koa ny fiavian’ny mpampianatra sandoka . Koa tandremo fa betsaka ny mivezivezy eny amin’ny toerana samihafa , eny na mitady hiditra an-tokantrano mihitsy aza , tsara fitafiana , mizara boky na trakta ka mampianatra fa tsy Andriamanitra i Jesoa . Fampianaran-diso ireny !

2-Ka miorena tsara ao amin’i Kristy (and 7)

Ny hahazona mifikitra amin’ny finoana marina dia ambaran’i Paoly eto fa ny firaisana amin’i Kristy ihany . Rehefa nandray an’i Kristy ho Tompo ny mino dia taomina izy hanorina ny fiainany manontolo eo amin’i Kristy ihany koa , mba tsy ho voahozongozona intsony . Ary rehefa tsara orina eo amin’i Kristy izy dia io firaisany amin’i Kristy io no mibaiko ny fiainany rehetra, manomboka amin’ny zavatra madinika hatramin’ny fanapahan-kevitra goavana eo amin’ny fiainany . Ianao koa , miraisa amin’i Kristy hahazoana miroso amin’ny finoana masina .

Fanontaniana :

Inona no azonao havaly ireny mpampianatra sandoka mitety tokantrano ireny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 28 Oktobra 2020.

Mpitsara 3.7-11

Ity tantara ity maneho amintsika fa Andriamanitra dia :

1-Mikapoka ny mpanao ratsy (and7,8)

Voalaza eto fa « nanao izay ratsy » teo imason’i Jehovah ny Zanak’Israely ka nanompo andriamanin-kafa (Bala sy Aseraha) , ary nanadino an’ Andriamanitra . Tsy sitrak’ Andriamanitra ny ampirafesina ka mikapoka izay manao izany izy . Ny olona teto natolony hanompo ny mpanjakan’i Mezopotamia nandritra ny valo taona . Tandremo fa tsy ialana maina eo anatrehan’ Andriamanitra ny fahotana , handraisana ny voka-dratsiny izany .

2-Mihaino ny fitarainan’izay mibebaka marina (and 9)

Rehefa mahatsiaro ny helony , ary miverina tamin’ Andriamanitra ka nitaraina , izany hoe : niantso famonjena , niangavy fanavotana ireto zanak’Israely ireto dia nihaino azy Andriamanitra ka nanangana mpamonjy ho azy ireo fa tsy namela azy hampahorian’ny mpanjakan’i Mezopotamia intsony . Tsarovy fa vonona handray izay miverina Aminy amin’ny fo torotoro sy mangorakoraka Andriamanitra . Ianao koa , na inona na inona helokao , miverena fa raisiny indray . I Jesoa rahateo tsy mandà izay manatona azy .

3-Mamonjy sy manome fiadanana izay mibebaka (and10,11)

i Otniela ( iray amin’ireo antsoina hoe : mpitsara madinika, fa satria fohy kokoa ny tantara monina azy ao amin’ny Soratra Masina no natsangan’ Andriamanitra hamonjy ny zanak’Israely ary nahavonjy ny olona ka nampandry fahalemana rehefa nitarika ny ady tamin’i Mezopotamia . Ny Fanahin’ Andriamanitra no tao aminy ka tsy nahagaga raha nahazo fandresena izy , sady ny dikan’ny hoe : Otniela rahateo dia hoe : « lion’ Andriamanitra » . I Jesoa koa no nomen’ Andriamanitra hamonjy antsika , tena Andriamanitra , nandresy ny fahafatesana Izy . Izay mino Azy no voavonjy (Jao 3.16) sy nahazo fiadanana (Jao 14.27) tsy efa-polo taona fa mandrakizay mihitsy .

Fanontaniana :

Aiza ho aiza ianao izao eo anatrehan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 28 Oktobra 2020.

JAONA 4.46-54

Tonga nanatona an’i Jesoa ity tandapa ity , satria fantany fa mahavonjy i Jesoa . Mihasikasina eto mantsy fa ao Kana iJesoa , toerana nanaovany fahagagana voalohany . Ny hafatra lehibe fonosin’izany dia ny hoe :

Mpamonjy azo antoka i Jesoa

1-Ka manatona Azy tsy am-pisalasalana (and46-47)

Ity tandapa nanan-janaka efa ho faty ity dia nitady famonjena tamin’olona na toeran-kafa fa raha vao nandre hoe : ao Kana i Jesoa dia natoky avy hatrany fa afaka mamonjy azy Izy . Ambonin’izany , avy any Kapernaomy izy no tonga ao Kana manatona an’iJesoa , izany hoe : mbola nandeha làlan-davitra nefa tsy nahasakana azy tsy ho tonga , ary hita eto koa fa na dia tsy namaly azy mivantana teo no eo aza i Jesoa (and48) dia tsy nahakivy azy koa fa mbola nanohy tsy am-pisalasalana manatona an’i Jesoa nangataka ho an’ny zanany izy. Ianao koa , aza misalasala manatona an’i Jesoa , aza avela hisy hanakana anao na elanelana na zavatra hafa koa . Ihoaro ireny!

2-Ka minoa ny Teniny (and 48-54)

Efa voalaza teo fa tsy fanasitranana avy hatrany no nasetrin’i Jesoa , ary na nisisika ny mba hanasitranana ny zanany aza ity lehilahy ity dia tsy nisy hetsika nataon’iJesoa , na filazana fa hidina any Kapernaomy hanaraka azy hijery ny marary Izy : Teny ihany no nataony « Andeha mody , velona ny zanakao » (and 50) .Tsy tahaka ny teo intsony ny fihetsik’ity tandapa ity , tsy nametra-panontaniana akory izy , na mbola nitaona an’i Jesoa hidina any Kapernaomy hiaraka aminy intsony koa , fa « nino » avy hatrany izay nolazain’i Jesoa ka lasa niverina nody . Rehefa tonga tany an-tranony dia vaovao mahafaly no nitsenan’ny mpanompony azy : velona ny zanany . Ianao koa , henoy sady inoy izay lazain’i Jesoa aminao.

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny olona misalasala hanatona an’i Jesoa na tonga manatona Azy ihany fa tsy mino ny Teniny avy eo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

seham-panabeazana SKOTO

 Mpanazava sy Tily niatrika ny hamehana ara-pahasalamana

Anisan’ny lasibatra nandritry ny valanaretina Covid-9 ny sehatry ny fanabeazana.  Ankoatra ny fanabeazana anaty rindrina efatra dia nisedra izany ihany koa ny fanabeazana eny anivon’ny ankalamanjana toy ny fanabeazana Skotisma. Maro ireo sahan’asa tsy maintsy najanona ka anisany amin’izany ny Lasy, ny Fiofanana, ny fihaonambe…

Ho an’ny Tily sy mpanazava manokana dia nisy ihany ireo hetsika natao teny amin’ny tambajotran-tserasera ho famenoana ny fanabeazana izay banga. Karoka nampiasaina tamin’izany ny E-talenta. Lalao fifaninanana nandraisan’ireo beazina rehetra manerana an’i Madagasikara anjara. Talenta nivoitra tamin’izany ny sary asa tanana, tao-vato, kabary, sary miaina sy mozika isan-karazany. Tsy nilalao fotsiny anefa ireo beazina fa nisy ny loka nozaraina toy ny trano lay, fandriana fitondra milasy, finday, sakaosy. Nahavelom-bolo ny fandraisana anjaran’ireo ankizy.

Rehefa nitarazoka ny fihibohana dia niroso tamin’ny dingana faharoa ny fifaninanana saingy nasiana toromarika manokana. Asa tanana sy famoronana no natao. lohahevitra nalaina tamin’izay novoizin ’ny OMMS (Organisation Mondiale du Mouvement Scootisme) ihany ary niompana tanteraka tamin’ny fanodinana ny plastika. Beazina 16 mirahalahy no nandray anjara tamin’izany izay nahitana sampana efatra dia ny mavo, maitso, mena, ary menafify.

Mbola hisy ny dingana fahatelo mialoha ny faran’ny taona ka apetraka amin’ireo Mpiandraikitra isam-pivondronana indray ny fikarohana ireo talenta ananan’ny Beazina. Hisokatra tsy ho ela ny taom-panabeazana 2020-2021, anefa dia mbola mifaningotra amin’ny fisian’ny valanaretina. Ao anatin’izany ny SAmpana MPAnazava sy TIly dia nametraka paik’ady hoan’ny fampivoarana ny fanabeazana toy ny Vidéoconférence, ny fanajana ny elanelana iray metatra hoan’ny Mpivory raha misy izay mivory. Hiverina tsy ho ela araka izany ny fanombohan’ny taom-panabeazana ary atao manaraka ny fepetra ara-pahasalamana hatrany.

                                                                                                                                                             Ra Mahery

vehivavy tsara

 Ny atao hoe renim-pianakaviana

 Tsy ny reny rehetra akory dia afaka lazaina hoe tena renim-pianakaviana vanona, fa maro koa amin’ izao vanim-potoana iainantsika izao ny reny no mitarika ny zanany mankany amin’ny lalan’ ny fahaverezana, dia ny fanoroany ny zanany hanao zavatra izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo. Maro ireo reny mihevitra fa sarotra ny fiainana, ka dia lasa mahatonga azy ireo tratry ny fakam-panahy, ka hivarotra azy, na aleo tonga dia hotsorina mihitsy hoe mitarika azy amin’ny fivarotan-tena. Mampalahelo fa tena toa izy indray no mampirisika ny zanany hanao fitondran-tena tsy mendrika eo amin’ny fiarahamonina. Na inona tsy fahampiana ao an-tokantrano tsy tokony ny ankizy no atao mitondra ny mangidy, fa ny ray aman-dreny no tokony mitolona mamelona ny ankohonany. Ny ankizy dia manana zo hitafy, hianatra ary tsaboina raha marary. Ny ankamaroan’ny ray aman-dreny amin’ izao fotoana Izao indray dia misy ny minia tsy mivaky loha tsotra izao ny zanany, ka mahatonga fakam- panahy ny tanora hirona any amin’ny fivarotan- tena. Tsarovy fa tempolin’ Andriamanitra ny vatantsika ka tsy tokony avela ho viravirain’ i satana.

Hafatra ho an’ ny reny, meteza ho tena reny vanona tokoa na eo anivon’ny fiarahamonina na eo amin’ny ankohonana. Aza mitarika na mamporisika ny ankizy amin’izany na inona na inona tsy fahampiana ao an tokantrano, fa toroy ny lalana mahitsy sy marina izy, ary izay mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Tompo.

Rondro Vahatriniaina

SAMPATI / Hafatra ho an’ise!

« Aoka hirehitra ny jironareo » Lio.12, 35

« Miorena tsara amin’ny finoana » IPet.5, 9

Fiadanana ho an’ise !

Isaorantsika mandrakariva ny Tompo, araka ny efa nampahafantarina antsika tamin’ny lahatsoratra teo aloha, fa hiatrika ny ALAHADY NASIONALY isika SAMPATI FJKM ny Alahady 15 Novambra 2020. Ataontsika mandritra ny iray volana izany, araka ny toro-marika iombonana avy amin’ny Foibe, efa hitantsika amin’ny fandaharana iombonana. Ambara araka izany isika fa VITA soamantsara ny BOKY FAMPIORENAM-PINOANA SAMPATI FJKM, efa azontsika jifaina eto amin’ny SAMPATI FOIBE izany, vidiny 3000 Ar .

Ahitana fampianarana enina : (1) FINOANA MIORINA TSARA, (2) FINOANA MIASA, (3) FINOANA MAHAVOKATRA, (4) FINOANA MAHAVONJY, (5) FINOANA MAHATAONA, (6) FINOANA MAMPANDROSO, afaka manao komandy miaraka ny Synodamparitany tsirairay dia alefa izany.

Dia manao veloma finaritra amin’ny Anaran’ny Tompo Jesoa

TONIA

RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina

Ramambasoa BODO

Topimaso

Teraka tao Diégo Suarez, 14 Oktobra 1938, nodimandry tao Antananarivo ny 11 Desambra 2017.

Artisane de paix, aussi bien au sein de la famille élargie qu’ auprès de ses frères et soeurs d’horizons différents, Mama nous a appris l’abnégation et la tolérance. A son exemple, nous continuons à cultiver nos jardins et nos rizières pour rester fidèles à nos origines et garder les pieds sur terre. Avec ses collègues, elles innovèrent les orientations du département des femmes protestantes en introduisant l’économie familiale, le petit entrepreunariat mais aussi le partenariat hommes et femmes dans l’Eglise.

 Florentine Ramambasoa

pioneered for Planned Parenthood in Madagascar and Africa and founded FISA Fianakaviana Sambatra in 1967 https://fisa-madagascar.org/. She was instrumental to Women and Family Rights in the country. She was elected to the Executive Committee of the World Alliance of Reformed Churches (Geneva) http://wcrc.ch/ from 1997 to 2004.

Sola Deo Gloria

Ramambasoa Aina Hery

Talata 27 Oktobra 2020.

2 TIMOTY 3.10-12

Mampiomana an’i Timoty ny amin’ny zavatra tsy maintsy hatrehana i Paoly , sady maoro làlana azy ny amin’izay mety hataony hiatrehana izany koa . Mampianatra antsika koa ny Mofonaina anio hoe:

Aza taitra amin’ny fanenjehana

1-Rehefa mandeha amin’ny làlana marina (and10)

Lazain’i Paoly eto fa efa nandray tsara ny fampianarany ary nanara-dia azy amin’ny fitondrantena sy ny asa masina niantsoana azy koa i Timoty .Azo ambara araka izany fa mandeha amin’ny làlana tsara izy , ary io làlana io anefa dia làlana tsy maintsy hahitana fanenjehana araka ny ampiomanan’i Paoly an’i Timoty . Fanampin’izany rahateo ny fiharatsian’ny olona ( and1-9). Ianao koa , raha mandeha amin’ny làlana marina , aza taitra fa ho enjehina , nefa sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana , hoy i Jesoa .

2-Fa mamonjy amin’izany ny Tompo (and 11)

Na dia mampiomana an’i Timoty ny amin’izay tsy maintsy hisian’ny fanenjehana aza i Paoly eto , dia mampahery azy koa raha mizara aminy ny traikefany niaraka tamin’i Jesoa , ka milaza hoe : « ny Tompo nahafaka ahy tamin’ izany rehetra izany « . Asehony tsara fa tsy avelan’i Jesoa hiaritra irery ny fanenjehana akory ny mpanompony fa eo Izy , manafaka azy Izy . Ianao koa , mahereza ary matokia fa manafaka ny Tompo .

3-Fa ivelomy ny fahamasinana (and12)

Tohin’ny fampiomanana sy fampaherezana ataon’i Paoly dia fampirisihana kosa no hamaranany azy mba hiveloman’i Timoty amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra hatrany . Ny hevitr’ izany dia hoe : miaina amin’ny fahamasinana , mivelona amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra , mitoetra amin’ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy hatrany , mitana ny fampianarana marina araka ny Soratra Masina . Ianao koa , aoka hiaina amin’ny fahamasinana .

Fanontaniana :

Inona no tokony hatao raha hiharan’ny fanenjehana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 26 Oktobra 2020.

MARKA 7.31-37

Ny nahasitranan’i Jesoa lehilahy ilay sady marenina no raiki-dela no tantaraina eto . Ny olona no nandray andraikitra hitondra azy . Ampianarina antsika àry fa :

izay manam-pinoana dia manana andraikitra

1- Hitondra ny voageja ho eo amin’iJesoa (and31,32)

Fantantsika eto araka ny voasoratra eto fa tsy ity lehilahy ity no tonga ho azy teo amin’i Jesoa fa nentin’olona izy . Maneho amintsika izany fa manam-pinoana ireo olona nitondra azy ireo fa hain’iJesoa ny manasitrana azy . Porofon’izany finoana izany , tsy nentiny teo fotsiny fa nangatahany na niangaviany mihitsy i Jesoa mba hametra-tànana aminy . Ianao ve manam-pinoana ? Aza jerem-potsiny àry ny olona voageja fa ento izy hanatona an’iJesoa , mba hihaino Azy sy hahay hiresaka Aminy koa.

2-Hamela an’i Jesoa hikarakara azy (and 33-35)

Rehefa nentin’ireo olona ireo teo amin’iJesoa ilay lehilahy dia navelany i Jesoa hikarakara azy araka ny fombany sy ny fotoanany . Hitantsika teo fa hametra-tànana no nangatahan’ny olona nefa nentin’i Jesoa niala teo ilay lehilahy ary noharoniny ny sofiny . Tsy mahita mihitsy isika eto hoe : nitsikera na niady hevitra tamin’ny fomba nandraisan’iJesoa ilay marary ny olona na dia izy ireo aza no nitondra azy teo . Isika koa , ento eo amin’i Jesoa ny olona fa Izy mahalala ny fomba hikarakarany azy . Tsy anjarantsika ny mibaiko an’iJesoa na mitsikera Azy , indrindra raha tsy araka izay noheverintsika na nandrasantsika no handraisany an-tànana azy .

3-Hilaza ny fahatsaran’iJesoa ( and 36,37)

Hita eto koa fa ny olona nanatri-maso , na dia noraran’iJesoa tsy hiteny aza dia tsy nahay nangina . Azo antoka fa teo koa ireo olona nitondra ny marary teo amin’iJesoa , ka tsy tana fa nitory ny fahatsaran’iJesoa koa dia i Jesoa izay nanokatra ny sofiny handre ny Teniny ary nanokatra ny vava hahay hidera sy hitory Azy .

Fanontaniana :

Firy ny olona voageja fantatrao , ary firy amin’ireny no efa nentinao teo amin’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM