SAMPATI / Hafatra ho an’ise!
« Aoka hirehitra ny jironareo » Lio.12, 35
« Miorena tsara amin’ny finoana » IPet.5, 9
Fiadanana ho an’ise !
Isaorantsika mandrakariva ny Tompo, araka ny efa nampahafantarina antsika tamin’ny lahatsoratra teo aloha, fa hiatrika ny ALAHADY NASIONALY isika SAMPATI FJKM ny Alahady 15 Novambra 2020. Ataontsika mandritra ny iray volana izany, araka ny toro-marika iombonana avy amin’ny Foibe, efa hitantsika amin’ny fandaharana iombonana. Ambara araka izany isika fa VITA soamantsara ny BOKY FAMPIORENAM-PINOANA SAMPATI FJKM, efa azontsika jifaina eto amin’ny SAMPATI FOIBE izany, vidiny 3000 Ar .
Ahitana fampianarana enina : (1) FINOANA MIORINA TSARA, (2) FINOANA MIASA, (3) FINOANA MAHAVOKATRA, (4) FINOANA MAHAVONJY, (5) FINOANA MAHATAONA, (6) FINOANA MAMPANDROSO, afaka manao komandy miaraka ny Synodamparitany tsirairay dia alefa izany.
Dia manao veloma finaritra amin’ny Anaran’ny Tompo Jesoa
TONIA
RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina