Alarobia 30 Septambra 2020.

OHABOLANA 9.7-12

Ny fahatahorana an’ i Jehovah

1-Fiandoham-pahendrena

Ny olon-kendry dia manatanteraka fihetsika sy asa mifanaraka amin’ny zava-kendreny sy ny foto-kevitra ijoroany . Fahendrena ihany koa ny fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy , fahalalana ny paikan-damina sy ny fepetra mifehy ny tontolo , ary ny fifandraisana fanapahankevitra mifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny . Ny bokin’ny Ohabolana dia maneho amintsika fany fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena . Araka izany , raha misy milaza azy ho hendry nefa tsy manana tahotra an’Andriamanitra dia tsy hafa fa fahendren’izao tontolo izao . Fahendrena sadasada toy ny ataon’ny vahiny izay mifono fampianaran-diso .

2-Fahazavan-tsaina

Ny tena fahazavan-tsaina dia ny fananana toe-tsainamifanaraka amin’ny toromarika avy amin’ny Tompo , Ilay fahazavan’izao tontolo izao.Ny olona efa tapa-kevitra hiala tanteraka amin’ny aizina ka tsy manaraka ny fanaon’izao tontolo ao , mijoro amin’ny finoana , mitandrina ny toromarika avy amin’ny Avo indrindra dia Ilay nahary izao rehetra izao no manana fahazavantsaina . Nomen’Andriamanitra saina mba hanovozana fahalalana isika . Tano mafy àry izay anananao fa fantatrao izao fa « ny fahafantarana ny Iray masina no fahazavan-tsaina  » (and 10) . Koa miorena tsara, aza miova.

Fanontaniana :

Tanisao ireo maha-zava-dehibe ny Tompo.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 29 Septembre 2020.

OHABOLANA 16.1-7

« Ankino amin’i Jehovah ny asanao dia ho lavorary izay kasainao » (Oha 16.3)

Ny mpino miantehatra amin’Andriamanitra

1-Manankina tanteraka ny asa Aminy

Ny hoe: manankina ny asa amin’ny Tompo dia midika fa mametraka feno eo am-pelatànany ny fizotry ny asa. Mandray ny toromarika avy Aminy, miandrandra ny fitahiana sy ny fahasoavany , manaiky ny fitantanany ary manantena ny fiarovany mandrakariva. Eo amin’ny fiainana andavanandro dia samy manana izay tarazo mahazatra azy ny tsirairay. Misy ny miankina amin’ny razana , ao ny miankina amin’ny vola aman-karena , ny voninahitra . Misy ny miantehatra amin’ny olombelona tahaka azy ihany . Ny mpino miantehatra amin’ny Tompo kosa dia manankina feno ny asany amin’Ilay Mpahary izay mpanorina izao rehetra izao amin’ny finoana tanteraka.

2-Mahazo valimbavaka

Midika izany fa ilay fikasana , ilay nofinofy , nankinina tamin’ny Tomo dia indro fa tanteraka soamantsara . Tontosa an-tsakany sy andavany , vita ara-potoana ary ahafahana mijoro ho vavolombelona fa tena miasa ny Tompo , manolo-tsaina Izy . Fomban’i Jesoa mihitsy rehefa manatanteraka ny andraikitra nankinina taminy ny tsy mijanona antenatenany na sanatria mihemotra fa miroso hatramin’ny farany ka indro Izy miteny hoe :« vita » (Jao 19.30). Miasa ary mamaly vavaka ny Tompontsika .

Fanontaniana :

Manomeza ohatra amin’ireo valimbavaka efa azonao .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Lohahevitra / Taona 2020

PERIKOPA FJKM

JANOARYMANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO ANDRIAMANITRA
FEBROARYMAHATOKY NY TENY VAVOLOMBELON’NY TOMPO
MARTSAMIVERENA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO
APRILYVAVOLOMBELON’NY FITSANGANAN’ny TOMPO NY MINO
MEY ANKATOAVY NY FITARIHAN’NY FANAHY MASINA
JIONAMIHAVANA AO AMIN’NY TOMPO
JOLAY AMBARAO NY FAHAFAHANA AO AMIN’NY TOMPO
AOGOSITR MAHATOKY HATRAMIN’NY FAHAFATESANA NY MINO
SEPTAMBRMIASA AMIN’NY FATAHORANA AN’ ANDRIAMANITRA
OKTOBRA MIROSOA AMIN’NY FINOANA MASINA
NOVAMBR MIANDRANDRA FAMONJENA NY MINO
DESAMBRMANAIKY AN’I JESOA HO MESIA NY MINO

Daty hotadidiana

Hafatra ampitaina amin’ny MF rehetra

Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe (MF)

Alarobia 11 Nov- Talata 17 Nov 2020, FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA

MF manokana : Alarobia 18 Nov 2020

SYNODA LEHIBE : Taona 2021

Alatsinainy 28 Septam. 2020

Miasà amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra

EFESIANA 5.8-12

Ny  vokatry  ny mazava dia :

1-Ao amin’ny fahatsarana rehetra

Ambaran’i Paoly  eto mazava fa ao amin’ny Tompo  isika ankehitriny . Miara-dàlana  amin’izany ny fitaomana antsika tsy hiray petsapetsa amin’ny asan’ny maizina . Tanterahina amin’ny fanaovana asa tsara izany .Fomba fiasa mazava , mahasoa , maharesy lahatra , manitsy izay diso , mitaiza  amin’ny fahamarinana, ary mizotra  ho amin’ny fahatanterahana  (2 Tim 3.16) . Ny fahatsarana  ambara eto àry dia fahatsarana  eo anatrehan’ny Tompo aloha, mitohy eo amin’ny mpiara-manompo ary azo ijoroana vavolombelona amin’ny tranga rehetra  sy ny sehatra rehetra.Fihetsika  faka tahaka. Tsy hiandrasana dera na laza aman’ olona fa atao ho an’ny Tompo .

2-Ao amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana

Ny teny  hoe : fahamarinana dia avy  amin’ny teny hoe : marina , toy ny marindrano  ka tsy misy avo sy iva fa mitovy tantana  lalandava.Tsy miankina  amin’ny tontolo  misy azy no mahatonga  ny rano ho marindrano na tsia  fa amin’ny sehatra rehetra . Raha ao anaty tavoahangy ny rano , na tsy manaraka   ny jidina aza ny tavoahangy , eny fa na dia  hatongilana aza , ny marindrano  tsy miova  fa eny hatrany . Toy izany koa no takiana amintsika mpanara-dia  ny  Tompo . Tsy hanao  tahaka ny tanalahy  ka mora hiova loko  , na tahaka ny trandraka ka hanaraka volontany.

Fanontaniana :

Inona avy ireo  fihetsika sy fitondrantena  ary  toetra mampiavaka ny olona mandeha amin’ny fahazavana ?

Sampana  Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

Alahady 27 Septambra 2020.

MARKA 12.1-12

Izay andrasan’ny Tompo amintsika

1-Ny fanajana ny fanekena

Nanaiky hanofa tanimboaloboka ny mpiasa tany voalaza eto. Misy ny fotoana nifanarahana tamin’ny tompontany mba hanefana ny hofany . Indrisy anefa fa fisamborana ny iraka no nafitsok’ireto mpanofa . Mpivadika , tsy azo itokisana . Izany no ilazana ireto mpanofa ireto . Fihetsika mandiso fanantenana ny Tompo tsotra izao izany . Nanafatra antsika izy mba hiasa sy hitandrina ny saha (Gen 2.15), saingy tsy araka izany no ataontsika.

2-Ny fialana amin’ny herisetra

Fahatsorana , fahaizana mandray olona, fihanoana, fanatanterahana ny hafatra nampitain’ny iraka no nantenaina . Indrisy anefa fa herisetra no valinkafatra hita teto : fisamborana , kapoka , ratra , fanalambaraka. Izany dia maneho miharihary ny habibiana nataon-dRaolombelona . Aoka hialana ny herisetra.

3-Mihaino sy manaraka ny fananarana

Mba takatr’ireo mpihaino ihany ary nazava tamin’izy ireo tsara ilay hafatra teto, saingy ny fisamborana ihany no nasetrin’izy ireo . Ny vahoaka izay olombelona tahaka azy ireo indray no natahorany fa tsy ny Tompo . Raha ny tokony ho izy dia fanetrentena , fandinihantena , fibebahana , fialana amin’ny toetra ratsy no hita . Mahaiza mihaino .

Fanontaniana :

Nahoana ny olona sasany no mafy hatoka sarotra anarina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 26 Septambra 2020.

JEREMIA 32.36-41

Mpanorina fa tsy mpandrava ny Tompontsika

1-Mpanorina firaisankina

Ny hoe : « omeko fo iray izy » dia midika fa ny Tompo mihitsy no miasa ao amin’ny tsirairay mba hananan’izy ireo firaisankina sy fiombonana . Mitovy ny tanjona , miara-paly miaraka ory , miara-manompo Tompo iray , araka ny vavak’i Jesoa hoe : « mba ho iray ihany izy  » (Jao 17.14).Miara-mientana amin’ny fanompoana masina .

2-Mpanorina sori-dàlana

Homeko lalàna iray izy mba hatahorany Ahy lalandava (and 39) . Manana vina sy sori-dàlana mazava ho an’ny olona ny Tompo . Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Ilay lalàna sy fahamarinanna ary fiainana dia mitantana antsika hizotra amin’ny fiainana mandrakizay ny Tompo . Sitrany raha miaina amin’ny fahatahorana Azy isika amin’ny andavanandrontsika mihitsy.

3-Mpanorina toe-po mba hatahorana Azy

« Ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa mba tsy hialany Amiko » (and 40) . Ambaran’ny Tompo eto izay hataony sy ny anton’izany .Izy no mahalala izay mahasoa antsika .Isan’izany ny handraisantsika fitahiana sy fahavokarana (and41) . Miara-dàlana amin’izany dia mamolavola toe-po sy toe-tsaina mba hifikirantsika Aminy hatrany ny Tompontsika . Tsy mijanona amintsika irery izany fa mitohy amin’ny taranaka fara mandimby .

Fanontaniana :

Inona avy ireo dingana tanterahan’ny Tompo amintsika mariky ny fitiavany antsika ?

Sampana Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

SAF /Fanolorana fitaovana

Fanolorana fitaovana ara-pahasalamana ho an’ny Foibe FJKM. 


Nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanampiana ny fiangonana manoloana izao ady amin’ny covid-19 izao ny Sehatrasa fampandrosona FJKM na ny SAF FJKM. Nanolotra fitaovam-piarovana ara-pahasalamana izy ireo tamin’izany ny Alakamisy 3 septambra 2020.  Ny solotenan’ny Biraon’ny mpiandraikitra foibe FJKM, izay notarihan’ny filohan’ny FJKM Dr. Irako Andriamahazosoa Ammi Mpitandrina sy ny Sekretera Jeneralin’ny FJKM Radimison Jonah Mpitandrina no niatrika izany fanolorana fitaovana ara-pahasalamana izany. Anisan’ny nisolotena ny SAF FJKM kosa tamin’ity hetsika fanohanana ity ny solontenan’ny Mpanatanteraka sy ny Filankevi-pitondrana notarihan’ny Filohany  Rakotoarivony Hubert Mpitandrina. Fiaraha-miasa avy amin’ireo mpanohana ny asa fampandrosona sahanin’izy ireo  toy ny tetik’asa Rapid Response Fund ao anatin’ny Act Alliance no nafahany nanatontosa izao hetsika izao.

Nangonin’i Veronica