Alarobia 01 Jolay 2020.

Ambarao ny fahafahana avy amin’ny Tompo

EKSODOSY 3.1-12

Mampianatra antsika ity tantara ity hoe: maneke hirahina hitory fahafahana ka:

Lazao amin’izay ampahoriana fa :

1-Mahita azy Andriamanitra (and7a)

Raha ny teny fototra no jerena dia tanisaina indroa amin’ny endriny samihafa ny matoanteny hoe: « mahita » , ny heviny amin’izany dia tsy hoe : mahita fotsiny fa tena mahita tokoa , na tena mahita mihitsy ny fahorian’ny olony Andriamanitra , ary tsy misy miafina aminy hatramin’ny antsipirihany madinika indrindra ny fahoriany . Mampahery indrindra izany satria tsy Andriamanitra jamba ny Andriamanintsika , hitany mihitsy ny fahorian’ny voageja.

2-Mandre azy Andriamanitra (and7)

Izy Andriamanitra eto no milaza hoe: mandre tsara ny sento sy tarainan’ny zanak’Israely , izany hoe: tsy very maina ny antsoantso sy taraina ataon’ny vahoakany amin’Andriamanitra . Midika izany fa tsy Andriamanitra lalodalovana Izy fa mahare (Isa 59.1) .Aoreno ny finoana fa mihaino izay rehetra mitaraina ka maniry fahafahana amin’ny fanandevozana Andriamanitra .

Hidina hamonjy azy Andriamanitra (and8)

Ny fahitan’Andriamanitra ny fahorian’ny olony sy ny fandrenesany ny fitarainany dia mahatonga Azy hiditra an-tsehatra amin’ny fanafahana azy ireo . Izy tenany no milaza hoe: « hidina Aho izao hamonjy azy  » .Tsy avelan’Andriamanitra ho andevo ny olony fa mihetsika Izy hanafaka azy ary rehefa Izy no mandray an-tànana tsy maintsy afaka tokoa . Ary moa va tsy izany indrindra no nataon’iJesoa , tonga Izy hanafaka(Jao 8.36)

Fanontaniana:

Nahoana no tsy matoky ny fanafahan’Andriamanitra ny olona ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025