Alatsinainy 10 Febroary 2020.

2TANTARA 23.1-11

Ny olona manana ny Tenin’ Andriamanitra

1-Miverina amin’ny faneken’ Andriamanitra

Noho ny zava-misy niainan’ny mponin’i Joda dia nitsangana i Joiaida mpisorona , ka nanao fanekena tamin’ireo tomponandraikitra ny Jiosy , eny , nampahatsiahy fa Andriamanitra efa nanao fanekena fa avy amin’ny taranak’iDavida no tokony ho mpanjaka . Noho izany , nasehony fa tokony hiverenana ny faneken’ Andriamanitra eo amin’ny fanosorana mpanjaka . Ny olona manana ny Tenin’ Andriamanitra dia miverina amin’ny fanekena hatrany.

2-Mahay manao fandaminana

Zava-dehibe tokoa no nirosoan’ny vahoaka Jiosy dia ny fanosorana mpanjaka avy amin’ny taranak’i Davida .Koa mba hisian’ny fahombiazana manoloana ny sakana mety ataon’ny fahavalo dia nanao fandaminana miavaka i Joiada mpisorona . Notsinjarainy sy napetrany tamin’ny anjara toerana misy azy ny tsirairay : ireo mpisorona , ny Levita, ny mpiandry varavarana . Feno fahendrena ny olona manana ny Tenin’Andriamanitra ka mahay mandamina .

3-Tolorana andraikitra

Nifamatotra tamin’ny fanosorana an’i Joasy ho mpanjakan’i Joda ny fanoloran’i Joiada mpisorona azy ny Teni-vavolombelona (didy folo). Fanehoana izany fa ny olona manana ny didy sy fitsipika avy amin’ Andriamanitra no azo tolorana andraikitra mba hitondra vahoaka .Ny olona manana ny Tenin ‘Andriamanitra no afaka mitondra ny olona ho amin’ny fahamasinana sy fankatoavana an’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Lazao ny andraikitra miandry ny olona manana ny Tenin’ Andriamanitra sy mahatsiaro ny Tenin’ny fanekena?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 08 Febroary 2020.

MAHATOKY NY TENY VAVOLOMBELON’NY TOMPO

DEOTERONOMIA 4.1-8

Ny didy sy fitsipika nomen’ Andriamanitra

  1. Antoky ny fahaveloman’ny olony

Miantso ny olona  hihaino sy hankao  ny didy sy fitsipika  avy amin’Andriamanitra I Mosesy .Tsy  nomena azy  ireo   fotsiny izany didy sy fitsipika izany ka efa nampianarina ka tokony hifanaraka amin’izany ny fiainany . Antoka handraisana ny fiainana , ny fahavelomana ny fihainoana sy fankatoavana izany didy  fitsipika izany .Efa hitan’ny Zanak’ Israely ny toe-javatra nihatra tamin’ireo sokajin’olona tsy hankato  an’Andriamanitra .Fahafatesana , fandringanana no anjarany.Tian’Andriamanitra handray  ny tena fitiavana avy Aminy  ny olona ka tarihany hankato Azy mandrakariva.

2-Manavaka ny olony amin’ny hafa

Manana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ny zanak’Israely noho izy ireo  manana sy nampianarina ny didy sy fitsipika avy amin’ Andriamanitra : olona tena akaikin’Andriamanitra , afaka miankina Aminy amin’ny fotoana rehetra.Tonga manana sy miaina amin’ny toetra manokana mampiavaka azy ireo  amin’ny hafa : ”olona Hendry sy manan-tsaina” .Tsarovy fa rehefa miaina sy mivelona marina amin’ny Tenin’ Andriamanitra isika dia manana toetra miavaka mampitsirirritra izao tontolo izao .Miana amin’ny fahendrena sy ny fahatahorana Azy . Ho gaga ny manodidina antsika.Te-hanavaka anao  amin’ny olona rehetra Andriamanitra.Nomeny  ny teniny ianao  . Diniho  sy ankatoavy izany.

Fanontaniana:

Lazao  ny tombotsoa azonao  amin’ny fihainoana sy fakatoavana ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 07 Febroary 2020.

SALAMO 89.33-37

Andriamanitra marina.Tsarovy

Salamo maneho ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Davida .Marina Andriamanitra ka mitana ny teniny .

1-Mitana ny teniny

Nanambara ny fanekeny tamin’i Davida Andriamanitra .Fanekena nataony ny filazana fa haharitra madrakizay ny fanjakan’i Davida, izany hoe : hisy hatrany ireo mpanjaka avy amin’ny taranany.Hoy ny voalaza :« nefa ny famindrampoko tsy hofoanako aminy , ary ny fahamarinako tsy havadiko , ny fanekeko tsy hotsoahako« . Mampahatsiaro izany fa ny fanekena nataon’Andriamanitra dia tsy miova mandrakizay .Tsarovy fa ny olombelona no mety miova sy manadino ny teny nataony fa tsy mba toy izany kosa Andriamanitra .Matokia Azy.

2-Manatanteraka fanekena nataony

Mitana ny fanekena nataony Andriamanitra sady miasa ho amin’ny fanatanterahana izany ka hisy mpanjaka hivoaka avy amin’ny taranak’iDavida : »Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ny fahamasinana …ny taranany haharitra mandrakizay » (and35,36). Na toa inona na toa inona toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao dia tanerahin’ Andriamanitra ny fanekena nataony .Tanteraka tao amin’i Jesoa Krisyy ,ilay avy amin’ny taranak’i Davida izany . Jesoa Kristy dia te-hanjaka mandrakizay eo amin’ny fiainantsika raha mino sy manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy isika .

Fanontaniana:

Efa nekenao ho Tompo sy Mpamonjy ve i Jesoa Kristy . Fomba ahoana no annatanterahanao izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 06 Febroary 2020.

1 JAONA 1.1-4

Ny Tenin’ Andriamanitra

Asehon’iJaona amin’izao fitarihanteny izao ny maha-Izy Azy ny Tenin’Andriamanitra araka ny fahatsapany azy .

1-Jesoa loharanom-piainana

Vavolombelona niaina sy nahita an’i Jesoa Kristy i Jaona . Nahita ny asa notanterahin’i Jesoa izy , nahita ny fahafatesany . Koa raha mizara sy mampahafantatra ny Tenin’ Andriamanitra izy noho izany dia te- haneho fa i Jesoa Kristy tena olona .Teny tonga nofo niara-nonina tamin’ny olombelona io Teny io .Nasehon’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny tena fiainana .Izy no manome fiainana ho an’izay mihaino sy mandray ary mino ny teny nambarany .Araka izany , dia i Jesoa Kristy no Ilay Teny loharanom-piainana . Minoa Azy .Raiso ny Teniny .

2-Teny mitondra fifaliana

Mijoro ho vavolombelona hatrany i Jaona fa marina sy azo antoka ny hafatra ambarny .Tena niara-niaina tamin’i Jesoa Kristy izy , nefa koa noho ny finoany sy ny nadraisany ny fanambarana natolotra azy dia mametraka tanteraka ny fiainany tamin’i Jesoa Kristy izy ka mandray ny fahasoavana avy Aminy sady misitraka fiainam-pifaliana .Tiany mba hanana izany fiainam-pifaliana izany koa ny olona rehetra dia mizara sy mampahafantatra ny Tenin’Andriamanitra tonga oloana tao amin’i Jesoa Kristy izy.Mitaona anao mba hifandray amin’i Jesoa kristy dia hanam-pifaliana ianao.

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao mba hahafahana mandray ny tena fiainana kasain’ Andriamanitr ho antsika?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 05 Febroary 2020.

ASAN’NY APOSTOLY 13.26-37

Ny teny momba ny famonjena

Ampahatsiahivin’i Paoly Apostoly ny làlana nitondran’Andriamanitra ny Zanak’Israely . Ny nanafahana azy ireo tany amin’ny tany Egypta , ny nanomezana azy ny tany Kanana , ny nanomezana mpanjaka ary indrindra ny teny fampanantenana momba ny taranak’i Davida.

1-Manambara an’i Jesoa Kristy zanak’i Davida

Notanterahan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny famonjena izao tontolo izao .Tsy kisendrasendra izany fa efa voasoratra tao amin’ny Soratra masina rehetra efa novakiana sy nampianarina ny Jiosy . Ireo Jiosy no tsy nahalala , tsy nandray Azy. Ny fanamelohana an’i Jesoa Kristy , ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty dia efa voasoratra avokoa . Tsarovy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no hahafantarantsika ny làlam-pamonjena voasoratr’ Andriamanitra ho antsika .

2-Mampahafantatra fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy

Io teny fikasana nataon’ Andriamanitra ho an’ny Zanak’Israely dia tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy . Niharan’ny fahafatesana i Davida kanefa tratry ny fahalovana . I Jesoa Kristy kosa ,ilay avy amin’ny taranak’i Davida no ambara hoe: « tsy hamela ny iray Masinao ho tratry ny lo ianao ».Mampahafantatra antsika ny Tenin’Andriamanitra fa tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy no notanterahan’Andriamanitra ny teny fikasana ho famonjena izao tontolo izao . Ampahafantaro ny manodidina anao izany .

Fanontaniana:

Nahoana no misy olona misalasala ny amin’ny famonjena notanterahin’ Andriamanitra ho antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 04 Febroary 2020.

JAONA 1.1-8

Ny maha-Izy Azy ny Teny

1-Maharitra mandrakizay

Mazava tsara ny fanambaram-pinoana « tamin’ny voalohany » na koa hoe : « tany am-piandohana  » .Aseho amin’izany fa ny Teny dia efa hatramin’ny ela , talohan’ny namoronan’ Andriamanitra izao tontolo izao dia efa nisy . Teny maharitra mandrakizay izany , teny tsy miova ka azo antoka.Toetra mampiavaka ny Tenin’ Andriamanitra izany : marina sy azo antoka izay ambarany noho izany minoa sy matokia dia handray ny fiainana avy Aminy ianao.

2-Manome fiainana

Mifamatotra tamin’ny naharian’Andriamanitra izao tontolo izao ny Teny . Teny mpahary ,teny manankery . Teny loharanom-piainana sy fototry ny fisian’ny zavatra rehetra.Rehefa mandray ny Tenin’ Andriamanitra ianao dia mitondra fiainana ho anao izany .Ao amin’i Jesoa Kristy , Ilay Teny tonga nofo ny fahavelomana ho antsika .

3-Mampita hafatra

Ny Tenin’ Andriamanitra no loharanon’ny fiainana sy mitondra fahazavana manafaka ny olona amin’ny aizina .Tsy ho fantatry ny olona anefa izany rehetra izany raha tsy teo i Jaona , Ilay vavolombelona manambara izany . Nampiasa , nanambara ny hampitana hafatra . Ny fanambarana an’i Jesoa Kristy , Ilay Teny tonga nofo no hahafahantsika mandray ny hafatra fa namonjy antsika noho ny fitiavany Andriamanitra.

Fanontaniana:

Fomba ahoana no entinao manambara fa marina sy azo antoka ny Tenin’ Andriamanitra?

Alakamisy 06 Febroary 2020

MAHATOKY  NY TENY  VAVOLOMBELON’NY TOMPO

DEOTERONOMIA 7.1-11

Andriamanitra manome lova ny olony

1-Mitaona ny olony tsy  hifangaro amin’ny ratsy .

Nanafaka ny zanak’Israely Andriamanitra ka nampiditra azy ireo tany  amin’ny tany Kanana . Efa nanana ny andriamanitra nivavahany ny mponina tao amin’izany tany izany , noho izany tsy maintsy nandrava , nandringana ny  mponina tao amin’izany tany izany ny zanak’ Israely mba tsy hifangaro aminy  na koa hanaraka ny fomba fanaony . Andriamanitra ihany no tokony hivavahana sy  hotompoina  , noho izany dia tsy maintsy potehina sy ravahana izay herin’ny faharatsiana rehetra  . Mba hahafahana manompo marina an’ Andriamanitra dia aza mety hifangaro amin’ny ratsy ianao .

2-Mitaona ny olona hitoetra tsara ao aminy

Navahan’ Andriamanitra tao anatin’ny  maro ny olona navotany. Nanehoany ny tena fitiavana ka nahafahany  teo ambany fatorana samihafa.  Nofidiny ho  tena olony ireo, noho izany  dia tsy ekeny intsony ny hiverenany  amin’ny fanompoana andriamanin-kafa. Nomeny ny teniny ny olony . Ny olona miaina sy mivelona marina amin’ny teniny dia voaaro  amin’ny asan’ny ratsy ka tsy hiharan’ny fandringanana.Tsarovy fa fitiavan’ Andriamanitra  antsika  no nanomezany ny Teniny . Rehefa miaina marina amin’ny Teniny  isika dia voatahiry amin’ilay fiainam-pamonjena  notanterahiny tao amin’i Jesoa Kristy ,Ilay maty sy nitsangana tamin’ny maty.

Fanontaniana:

Fantatrao ve ny lova nomanin’ Andriamantra  ho anao ? Raoviana ianao no afaka hisitraka izany ?

Sampana  Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 02 Febroary 2020.

SALAMO 111.1-8

Andriamanitra manatanteraka ny fanekeny

Asehon’ny mpanao salamo fa ilay Andriamanitra tsara sady mpanao ny tsara dia manatanteraka ny fanekena .

1-Maneho izany amin’ny asany

Ny asa tanterahin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny olona no hanehoany fa mitana ny fanekena nataony Izy . Asa lehibe tena miavaka izany . Izy no nanafaka ny zanak’Israely tany amin’ny tany Egypta , tany nahandevozana . Asam-pamonjena izany , asa fanafahana tamin’ny fatoran’ny fahavalo , asa maneho ny maha-Andriamanitra marina Azy , ilay mankasitraka ny fahorian’ny olony . Ny olona mino Azy dia mitady izany mandrakariva . Notanterahin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy io asa io dia ny nanafahana antsika tamin’ny fahotana.

2-Mikarakara ny olony

Fikarakarana feno ny tanterahin’ Andrtiamanitra ho an’izay matahotra Azy. Mitana ny fanekena izay efa nataony Izy . Tanteraka ny asam-pamonjena izay nataony. Mifameno amin’izany dia manao izay hahalavorary ny fiainan’ny olony Izy ka manome izay rehetra mahasoa. Eny , naneho ny heriny Tsitoha Andriamanitra ka nomeny ho lovan’ny olona ilay tany fampanantenana , araka ny nambarany tamin’i Abrahama.Tsarovy fa mitana ny fanekeny mandrakariva tokoa Andriamanitra . Mikarakara ny fiainantsika isanandro Izy , nefa koa omeny anjara lova ho antsika matahotra Azy ny fiainana mandrakizay .

Fanontaniana:

Inona no tsapanao rehefa mamaky sy mandinika ny Tenin’ Andriamanitra ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 01 Febroary 2020.

MAHATOKY NY TENY VAVOLOMBELON’NY TOMPO

SALAMO 119.105-112

Ny Tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’ny mino

1-Manoro làlana

Manana ny anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona mino an’ Andriamanitra ny teniny .Resy lahatra tanteraka ny mpanao salamo fa na toa inona na toa inona toe-javatra iainana izorany dia afaka miatrika ny zava-misy hatrany izy satria manana ny Tenin’ Andriamanitra fanilo manazava, mitari-dàlana .Tsarovy fa ny olona tsy manana ny Tenin’ Andriamanitra no sahirana miatrika ny zava-misy .

2-Mampahery

Mandalo fahoriana ny mpino nefa mahery hatrany noho ny fanomezany toerana ny Tenin’Andriamanitra eo aminn’y fiainany .Satriny hitady, hihaino ny Tenin’ Andriamanitra rehefa misy toe-javatra mihatra aminy satria mampahery azy hatrany izany .Raha misy toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana vakio ny Tenin’ Andriamanitra fa hahazoanao hery hiatrehana ny ho avy izany.

3-Mampandresy

Miseho eto fa mafy ny fitsapana mahazo azy (and109-110) « an-tenda ihany ny aiko » , kanefa azony antoka ny famonjena ambaran’ny Tenin’ Andriamanitra . Miroso izy ,miroso ho mpandresy ka mifaly noho izany . Ny olona manana ny Tenin’ Andriamanitra dia mpandresy ka mifaly mandrakariva na dia mandalo fitsapana aza.

Fanontaniana:

Mitondra inona ho anao ny Tenin’ Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM