Perikopa Feb 2020

Maneho ny tana-maheriny ny Tompo Andriamanitra

            Miara-misaotra an’Andriamanitra mahery isika noho ny volana Janoary 2020 izay madiva hivalona . Volana niandohan’ny Fiangonana tao anatin’ny lohahevitra hoe: “Maneho ny tana-maheriny ny Tompo Andriamanitra« . Raha ny perikopa ny Alahady faran’ny volana Janoary no anehoana izao lohahevitra izao dia :

  • Ezekiela 20, 30- 38: Diso fanantenana hatrany Andriamanitra noho ny Zanak’ Israely olony izay efa nanehoany ny fitantanany mahery kanefa dia miverina manao ny fanaon’ny razany ihany izy ireo. Ity toko ity dia ahitana taratra izany. Noho izany, maneho ny tàna-maheriny amin’ny olony ny Tompo Andriamanitra ka mikapoka azy nefa onena ka mamindra fo aminy indray. Rehefa haneho ny hery manafaka ny olony Andriamanitra dia manao ny fanambaran-tenany eo amin’ny olony Izy (“Izaho no…”.Zahao and.5- 6, and. 12, 20, 26, 38…). Io Fisehoan’Andriamanitra (Epifania) amin’ny olony io no fanomboham-panehoany ny heriny. Efa nasehon’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao i Jesoa Kristy, Zanany sady Andriamanitra mba ho fisehoan’ny tàna-maheriny hanafaka ny olona eo ambany vahohon’ilay ratsy.
  • Matio 8, 1- 4 :Afaka vakiana amin’ny endriny roa ity perikopa ity ka amaliana ny fanontaniana hoe: Iza no Tompo Andriamanitra ary inona no endrika hanehoany ny heriny ?

I Jesoa no Tompo Andriamanitra. Nidina avy any an-tendrombohitra Izy mba hahatsiarovana fa efa nidina avy tany an-danitra izy, ho ety an-tany mba haneho ny heriny. Ho fanekeny ny fidinany hamonjy ny fandrarana mba tsy hankalazain’ilay boka sitrana ny aminy. Mitarika ny olona amin’ny fahadiovana izy, toy ny nanarahan’ny olona Azy eto ka nanadiovany ilay boka. Mendrika iankohofana Izy amin’ny maha Andriamanitra azy, ka amin’izany dia Izy Andriamanitra mihitsy no mandidy ny olona amin’izay tiany itondrana azy fa tsy ny olona no manao izay heveriny ho mety, ka nasehony izany tamin’ny alalan’ilay fampanarahana ny lalàna sy izay andrasany amin’ilay boka voadio.

Fa raha ny fisehoan’ny heriny kosa no ambara dia miseho izany amin’ny fanekeny handray ny talahon’ny mila vonjy. Fantatra fa ny fahabokana dia manery ny olona tratran’izany mba ho any ivelan’ny fiarahamonina. Koa ny herin’i Jesoa manadio dia ny famerenany indray ilay nangataka taminy (ilay boka) hiverina ao amin’ny fiarahamonin’ny samy olona sy ny olona mifandray amin’Andriamanitra ka nanambaran’ny Tompo ny amin’ny hankanesana any amin’ny Tempoly.

  • Kolosiana 1, 24- 29 : Eto amin’ity perikopa ity, ny Fiangonana no fisehoana sy fitohizan’ny asam-pamonjen’i Jesoa Kristy (and. 24), amin’izany, ny Fiangonana dia tonga ho fanehoana an’i Jesoa Kristy, Tompo Andriamanitra (and. 27). Noho izany, isika Fiangonana no fisehoan’Andriamanitra velona. Mahazo manantena ny Fiangonana fa hahomby amin’izay ataony izy ka ho tànan’Andriamanitra mahery satria Izy Jesoa Kristy Andriamanitra no velona ao aminy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Foibe JKM

Sekoly FJKM/Fanokafana…

FOIBE FITONDRAN-TSEKOLY FJKM

Tsy mitsanga-menatra ny sekoly FJKM

Natao teny amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina ny fanompoam-pivavahana fanokafana ny taom-pianarana 2019-2020 eo anivon’ny sekoly FJKM ny zoma faha-17 Janoary 2020 lasa teo. Ny mpitandrina RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa, aumônier sekoly FJKM, no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Ny Filohan’ny FJKM IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, kosa no nitory ny Tenin’Andriamanitra nalaina avy tao amin’ny Marka 4, izay nanomezany hafatra mafonja roa avy amin’izany:

1-Ny olona kenakenaina dia olona tsy azo antenaina

2-Rehefa miaraka amin’i Kristy, tsy maintsy tafita ny dia.

Nisy ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao ireo Raiamandreny rehetra eo anivon’ny foibe FJKM sy ny foibe fitondran-tsekoly. Nitohy tamin ‘ny fankasitrahana ireo mpianatra nahazo « mention » rehetra ny fotoana, sy fankasitrahana ireo sekoly mendrika, sy ny mpiara-miombona antoka rehetra tamin’ny foibe fitondran-tsekoly FJKM.

Naseho nandritra izany koa ireo tompon’andraikitra vaovao eo anivon’izany foibe fitondran-tsekoly FJKM izany. Tohano tsara ny sekolintsika mba hananana mpianatra mahomby .

Mpikambana ao amin’ny FOIBE FITONDRANTSEKOLY FJKM

                                                                                              RaMahery

Hafatry ny Filoha

HAFATRA TAOMBAOVAO 2020

Ry hava-malala ho aminareo anie ny fiadanana.

Misaotra indrindra ny amin’ny fitondrana am-bavaka sy ny fiarahabana nataonareo. Misaotra ny Tompo Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina isika noho ny Krismasy 2019 ary izao taona vaovao 2020 izao. Ny Tompo anie hamaly fitia anareo tamin’izay nataonareo rehetra.

Ny teny firariantsoa izay atolotra antsika diany I Kor 15: 58 manao hoe:”Koa amin’izany, ry rahalahy Malala dia miorena tsara, aza miova ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo”.

Indreto ny hafatra dimy ho antsika Fiangonana hamakivakiana ity taona vaovao ity :

  • Mandehana amin’ny fitiavana. Hoy i Paoly :” Koa amin’izany ry rahalahy Malala”, tsarovy ry Havana malala fa mpiraitampo ao amin’i Kristy isika ary aoka ny olona no hifandimby toerana sy andraikitra, fa tsy hifanangana ho fahavalo.
  • Miorena amin’ny finoana. Hoy i Paoly:”Miorena tsara, aza miova”, ny fitiavan’I Jesoa tsy miova io no manefy ny fitiavantsika Azy ho fitiavana tsy miova eto anivon’izao tontolo izao miovaova.
  • Miasà am-pahazotoana. Hoy i Paoly :”Mahefà be”… Efa tena miasa isika tamin’ny famontosana Filazantsara ny Nosy Madagasikara. Asa tokony ho tratrarintsika tao anatin’ny efa-taona no novitaintsika tao anatin’ny telo taona mahery noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
  • Mifotora amin’ny asan’ny Tompo. Hoy i Paoly:” Mahefà be amin’ny Asan’ny Tompo”… Ny Asan’ny Tompo sy izay hahafaly Azy no atao fa tsy ny asan’ny devoly. Hoy i Jesoa :“Izay miray amiko ary Izaho aminy dia mamoa be izy”.
  • Mahatsiarova ny mandrakizay. Hoy i Paoly :”Satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo”… Satria ho avy ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Hiditra any amin’ny mandrakizay isika. Eo am-pitsinjovana ny mandrakizay no hiomanantsika hiatrika ny Synoda Lehibe izay kasaina atao any Sambava amin’ny 12 ka hatramin’ny 19 aogositra 2020. Dieny izao ary dia mangataka antsika Fiangonana hivavaka mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra amin’izany Synoda Lehibe izany. 

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena.

Nosintonina avy amin’ny Lahateny nataon’ny Filohan’ny FJKM teny Antsonjombe ny 19 janoary 2020

Zoma 31 Janoary 2020.

ROMANA 16.25-27

Mitaona ny Fiangonana hibanjina an’ Andriamanitra izay Tompon’ny voninahitra i Paoly .Ampahatsiahiviny fa:

Andriamanitra Tompon’ny voninahitra

1-Mampiorina mafy amin’ny finoana

Ambaran’i Paoly fa « mahay mampahery » Andriamanitra , izany hoe : mahay mampiorina mafy , mahay mitana mafy tsy hihozongozonin’ny finoana , fa mba hahajoro tsara. Izany fampaherezana izany dia araka ny Filazantsara , izay tsy iza fa i Jesoa Kristy . Izany hoe: ny fandrenesana ny Filazantsara no fitaovana ampiasain’Andriamanitra hampiorenana ny finoan’ny mpino , ny fandrenesana an’i Kristy toriana no itomboan’ny finoana ihany koa , ary hananany faka ka tsy hampihozongozona azy. Mazotoa mihaino toriteny isika , ary mazotoa koa anefa manambara an’i Jesoa tahaka izany nataon’i Paoly .

2-Mitady ny olona rehetra ho vonjena (and26,27)

Efa naseho ankehitriny ny zava-miafina , ka nampahafantarina ny firenena rehetra hahatonga ny fanekena ny finoana , hoy i Paoly raha manohy ny teniny . Asehony amin’izany fa tsy navela ho manjavozavo intsony izay nambaran’ny fanekena taloha , tsy navelan’Andriamanitra ho zava-miafina intsony fa naharihary ao amin’i Kristy . Ny tanjon’Andriamanitra amin’izany dia ny hahatonga ny olona rehefa hino , ary izay rehetra mino no mahazo famonjena , satria tia antsika ny Tompo dia efa ataony ny fomba hamonjena antsika ny fomba hampiorenana ny finoantsika . Anjarantsika ny miaina amin’izany .

Fanontaniana:

Inona re no mety mahatonga ny olona tsy hahatsiaro fa isan’izay tena tian’ Andriamanitra hovonjena izy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 30 Janoary 2020.

KOLOSIANA 1.24-29

Ny asa fanompoan’i Paoly Apostoly no resahiny eto , ka ilazany fa izany asa fanompoany izany dia:

1-Asa fanompoana hitondrana fahoriana (and24)

Ataon’i Paoly mihasikasina raha miresaka ny anjara fanompoany izy fa iaretany fahoriana izany . Any am-pifatorana rahateo izy no manoratra ity epistily ity , kanefa na izany aza dia mahavariana fa ny voambolana lazainy dia ny hoe : mifaly , ary na dia ao anaty fahoriana aza izy dia mifaly , izany hoe: fifaliana tsy miorina amin’izao tontolo izao , fa miorina amin’i Kristy , fifaliam-pamonjena.Faka tahaka ho antsika izao fahaizan’i Paoly mifaly ao anaty fahoriana izao noho ny amin’i Kristy .

2-Asa fanompoana natolotr’ Andriamanitra (and25a)

Paoly dia maneho eto fa ny asa fanompoany dia natolotr’Andriamanitra azy , nampiandraiketina azy , ary ny vontoatin’ izany dia ny hanazava feno ny Tenin’ Andriamanitra mba hahafantaran’ny olona ny zava-miafina , dia ny loharanon’ny fanantenana sy ny famonjena izay tanteraka tao amin’i Kristy ary i Kristy ihany no toriany ao anatin’izany .

3-Asa fanompoana ho an’ny fiangonana (and 24-25)

Mazava eto koa fa voafaritra mazava ho an’ny fiangonana ny asa fanompoan’i Paoly ary mikendry ny hahafeno ny fahalalan’ny olona ny Tenin’Andriamanitra . Ny tena dia mahatsapa kosa fa raha ny heriny ihany dia tsy mahavita izy , fa ny herin’Andriamanitra no miasa ao anatiny mba hahafahany manatontosa ny zara fanompoana manokana , mikeleza aina nefa aoka hiantehitra amin’ny herin’ Andriamanitra .

Fanontaniana :

Inona no tokony atao mba hahaizana mifaly na dia ao anaty fahoriana aza?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Vakiteny isanandro /Feb 2020

01 Sal 119.105-112
02 Sal 111.1-8
03 Deo 7.1-11
04 Jao 1.1-8
05 Asa 13.26-37
06 1 Jao 1.1-4
07 Sal 89.33-37
08 Deo4.1-8
09 Mat 7.24-29
10 2 Tant 23.1-11
11 Sal 119.129-136
12 Sal 119.137-144
13 Lio 11.27-28
14 Asa20.32-35
15 Sal 33.1-11
16 1 Pet 1.22-25
17 Jos1.1-9
18 1Tim 1.12-16
19 Lio 5.1-7
20 Sal 119.17-24
21 1 Tim 4.6-16
22 Sal 119.17-24
23 2 Mpan 23.1-3
24 Sal 93.1-5
25 Jao 17.6-19
26 Apo 21.1-8
27 Deo 6.16-25
28 Kol 3.16-17
29 Apo 22.6-9

Alarobia 29 Janoary 2020.

JOBA 37.14-24

« Mihainoa izany ry Joba . Mijanona ka mba diniho ny fahagagana ataon’ Andriamanitra » (Joba 37.14)

Mitaona an’i Joba i Eliho , hibanjina ny asan’ Andriamanitra satria:

Ny asan’ Andriamanitra dia:

1-Maneho ny fahalehibiazan’Andriamanitra

Anankiray tanjon’i Eliho ny hitarika an’i Joba handinika tsara ny asan’Andriamanitra , hanakatra izany ary handanjalanja koa, fa ny fandinihana ireo asany ireo no hahazoana mahatakatra ny fahalehibiazany sy ny heriny .Amin’ny fahoriana mihatra dia banjino ny ny asan’Andriamanitra fa aza manampi-maso tsy hahita afa-tsy ny fahoriana .

2-Maneho ny fahatsaran’ Andriamanitra

Ny fahatsaran’ Andriamanitra raha tarafina eto amin’ny perikopantsika dia hita fa tsy amin’ny olombelona ihany izany fa amin’ny zava-boahary manontolo . Eliho dia mitaona an’i Joba hibanjina ireny , fa amin’ny fibanjinana ireny indrindra no hahazoana mahatakatra fa miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra.

3-Maneho fa manana ny fisainany lalina tsy takantsika Izy

Ao anatin’ireo fanontaniana apetrak’i Eliho amin’i Joba no hahatakarana fa misy ny asan’ Andriamanitra hitantsika maso fa maro koa ny tsy takatry ny saintsika akory « ny mampihevaheva ny rahona« , ohatra :tsapa amin’izany fa eo anatrehan’Andriamanitra dia tsy toy inona akory ny fisainan’ny olombelona , bitika isika , ary tokony hanaiky fa Andriamanitra irery no Tompon’ny hery sy ny fandaharana.

Fanontaniana:

Raha mandinika ny asa mahagaga ataon’ Andriamanitra isika , inona no tsapantsika?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 28 Janoary 2020

EZEKIELA 20.30-38

Ny Jiosy eo am-pahababoana no iantefan’ny faminanian’i Ezekiela satria na dia efa babo aza dia misy ireo mbola manadino an’ Andriamanitra , fa nirona tamin’ny sampin’ny Babyloniana , Misy koa anefa ny misabaka ka eo anelanelan’ny fanompoana an’ Andriamanitra sy mardoka . Mazava ny hafatr’ Andriamanitra:

Andriamanitra masina

1-Tsy manaiky hapirafesina amin’ny sampy (and 30-31)

Hentitra Andriamanitra amin’ny alalan’ny fiampangana miendrika fanontaniana milaza amin’ny taranak’i Israely fa tsy ankasitrahany velively ny fampirafesana azy amin’ ny andriamanin-kafa, ary ny fanaovana izany dia mahatapaka ny fifandraisana eo Aminy sy ny olony ; mahatonga an’ Andriamanitra tsy mihaino (Isa 59.2) . Mila mitandrina isika mpino fa ny fampirafesana an’ Andriamanitra mivantana na ankolaka dia manapaka ny fifandraisantsika Aminy sy ny olony . ary very anefa izay rehetra lavitra sy mahafoy Azy .

2-Hanafay ny mafy loha(and35-38)

Rehefa milaza amin’ny olony ny hitondrany azy hiala ao Babylona , ka ho any anefitra hifandahatra Aminy Andriamanitra dia hanala ny masirasira rehetra: « havahako hiala aminareo ny mpikomy sy izay nanota amiko« , ary ambarany mazava azy fa tsy ho tafiditra any amin’ny tanin’ny Israely ireo , izany hoe: hofaizin’ Andriamanitra ireo Jiosy izay mieritreritra fa satria any am-pahababoana izy dia afaka miala amin’ny lalàn’Andriamanitra , ka dia milona ihany amin’ny fahotana na dia efa Izy Andriamanitra izao aza no manao ny dingana voalohany hanadio ny olony. Tsarovy fa tsy avelan’ Andriamanitra hiala maina izay tsy mety mibebaka .

Fanontaniana:

Inona no fahotana mbola ikirizana ka tsy hihainoan’ Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM