Hafatry ny Filoha
HAFATRA TAOMBAOVAO 2020

Ry hava-malala ho aminareo anie ny fiadanana.
Misaotra indrindra ny amin’ny fitondrana am-bavaka sy ny fiarahabana nataonareo. Misaotra ny Tompo Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina isika noho ny Krismasy 2019 ary izao taona vaovao 2020 izao. Ny Tompo anie hamaly fitia anareo tamin’izay nataonareo rehetra.
Ny teny firariantsoa izay atolotra antsika diany I Kor 15: 58 manao hoe:”Koa amin’izany, ry rahalahy Malala dia miorena tsara, aza miova ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo”.
Indreto ny hafatra dimy ho antsika Fiangonana hamakivakiana ity taona vaovao ity :
- Mandehana amin’ny fitiavana. Hoy i Paoly :” Koa amin’izany ry rahalahy Malala”, tsarovy ry Havana malala fa mpiraitampo ao amin’i Kristy isika ary aoka ny olona no hifandimby toerana sy andraikitra, fa tsy hifanangana ho fahavalo.
- Miorena amin’ny finoana. Hoy i Paoly:”Miorena tsara, aza miova”, ny fitiavan’I Jesoa tsy miova io no manefy ny fitiavantsika Azy ho fitiavana tsy miova eto anivon’izao tontolo izao miovaova.
- Miasà am-pahazotoana. Hoy i Paoly :”Mahefà be”… Efa tena miasa isika tamin’ny famontosana Filazantsara ny Nosy Madagasikara. Asa tokony ho tratrarintsika tao anatin’ny efa-taona no novitaintsika tao anatin’ny telo taona mahery noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
- Mifotora amin’ny asan’ny Tompo. Hoy i Paoly:” Mahefà be amin’ny Asan’ny Tompo”… Ny Asan’ny Tompo sy izay hahafaly Azy no atao fa tsy ny asan’ny devoly. Hoy i Jesoa :“Izay miray amiko ary Izaho aminy dia mamoa be izy”.
- Mahatsiarova ny mandrakizay. Hoy i Paoly :”Satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo”… Satria ho avy ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Hiditra any amin’ny mandrakizay isika. Eo am-pitsinjovana ny mandrakizay no hiomanantsika hiatrika ny Synoda Lehibe izay kasaina atao any Sambava amin’ny 12 ka hatramin’ny 19 aogositra 2020. Dieny izao ary dia mangataka antsika Fiangonana hivavaka mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra amin’izany Synoda Lehibe izany.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amena.
Nosintonina avy amin’ny Lahateny nataon’ny Filohan’ny FJKM teny Antsonjombe ny 19 janoary 2020