Talata 31 Desambra 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 11.20-30

Eto amin’ity perikopa ity dia asehon’i Matio fa tonga amin’ny fotoana isehoany amin’ny maha-Izy Azy i Jesoa . Tonga Izy haneho ny asetrin’ Andriamanitra ny tsi-finoana , ny tsy andraisana Azy , ary ny antso manokana .

1-Tsy nino ireo tanàna any Galilia (20-24)

Nandany fotoana maro i Jesoa nivezivezy tao amin’ny tanàna tany Galilia :Kapernaomy ,Korazina. Nomena tombony tamin’ny toriteny sy tamin’ny fahagagana ireo , nefa nandà ny androm-pahasoavana fanararaotra. Koa dia fitsarana mavaivay sy mahery vaika noho ny nanjo an’i Sodaoma sy Gomora , i Tyro sy i Sidona no hanjo azy. Tsy afa-maina ny maditra sy ny mafy fo .

2-Tena nisy anefa ny nino (25-27)

Fa raha tsy nandray ny sasany , tena nisy kosa ny nandray dia ireo tondroin’i Jesoa hoe: »zaza madinika« , dia ireo olon-tsotra nandray tamim-pinoana ny teniny . Asan’ Andriamanitra ny fanambarana ny tenany ary any amin’ny fo vonona hino no isehoany . Anisan’izany ve ianao?

3-Ny antsom-panafahana nataon’i Jesoa

Miantso ireo tsy afa-mitraka noho ny enta-mavesatra i Jesoa , dia ireo novesaran’ny lalàna maro nataon’ny Fariseo.Izay manatona an’i Jesao amin’ny finoana dia hahazo fitsaharana , fanafahana amin’ny fiezahany sy ny entana mitambeatra aminy .Ary toy ireo omby roa iray zioga ka mifamato-piainana , dia toy izany izay mitondra ny ziogan’i Jesoa : iray aina aminy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6

Alatsinainy 30 Desambra 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 11.1-19

Eto dia miditra amin’ny fizarana faharoa amin’ity boky Matio ity isika .

1-Ny asan’i Jesoa mandresy lahatra an’i Jaona (1-6)

Ny hafatra nomen’i Jesoa hampitaina amin’i Jaona dia ny asany : toriteny, fampianarana, asa mahagaga.Izy no ilay Mpanjaka nampanantenaina. Mifarana ny asan’i Jaona , fa ny an’i Jesoa indray izao no manomboka .

2-Ny anjara toeran’i Jaona ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra (7-15)

Feo miantso mafy no ilazan’i Jesoa an’i Jaona: feo fanomanana ny fon’ny olona , hiatrika ny fahatongavan’ny Mesia .Tsy sitraka no azony tamin’ny fampitan-kafatra fa sazy sy tranomaizina. Fa tsy moramora ny miditra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra .Rombahina izany!

3-Ny fon’ny mpihaino ny irak’ Andriamanitra(16-19)

Na i Jaona na i Jesoa dia irak’ Andriamanitra nanao asa nifaùmeno : ny voalohany mpampiomana, ny faharoa mpanatanteraka. Samy nanana ny fomba fiasany izay oharina aminn’y ankizy eny an-tseana .Talaky maso ny asany :i Jaona niantso ho amin’ny fibebahana (feo fisaonana), i Jesoa nanome fifaliana (sodina).Tsy nihontsona anefa indrisy ny fo vaton’ny tsy mino.

Tena asehon’i Jesao fa ny nahatongavany dia ny hanafaka ireo eny anjorombala (mpamory hetra, mpanota): io no asa manamarina ny antom-pisiany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

f

Alahady 29 Desambra 2019.

Fandalinana ny Flazantsara araka an’i MATIO

Matio 11.20-30

Eto amin’ity perikopa ity dia asehon’i Matio fa tonga amin’ny fotoana isehoany amin’ny maha-Izy Azy i Jesoa . Tonga Izy haneho ny asetrin’ Andriamanitra ny tsi-finoana, ny tsy-fandraisana Azy ary ny antso manokana.

1-Tsy nino ireo tanàna any Galilia (20-24)

Nandany fotoana maro i Jesoa nivezivezy tao amin’ny tanàna tany Galilia: Kapernaomy , Korazina . Nomena tombony tamin’ny toriteny sy tamin’ny fahagagana ireo , nefa nandà ny androm-pahasoavana fanararaotra . Koa dia fitsarana mavaivay sy mahery vaika noho ny nanjo an’i Sodoma sy Gomora i Tyro sy Sidona no hanjo azy.

2-Tena nisy anefa ny nino (25-27)

Fa raha tsy nandray ny sasany , tena nisy kosa ny nandray dia ireo tondroin’i Jesoa hoe: »zaza madinika » , dia ireo olon-tsotra nandray tamim-pinoana ny teniny . Asan’ Andriamanitra ny fanambarana ny tenany ary amin’ny fo vonona hino no hisehoany . Anisan’izany ve ianao?

3-Ny antsom-panafahana nataon’i Jesoa (28-30)

Miantso ireo tsy afa-mitraka noho ny enta-mavesatra i Jesoa, dia ireo novesaran’ny lalàna maro nataon’ny Fariseo .Izay manatona an’i Jesoa amin ‘ny finoana dia hahazo fitsaharana , fanafahana amin’ny fiezahany sy ny entana mitambesatra aminy . Ary toy ireo omby roa iray zioga ka mifamatom-piainana, dia toy izany izay mitondra ny ziogan’i Jesoa : iray aina Aminy.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Sabotsy 28 Desambra 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 10.24-42

Atrangan’i Jesoa eto fa tsy hitazam-potsiny Andriamanitra fa hiaro ny olony izay misedra ny mafy .

1-Ny tena vavolombelona (24-27)

Ny mpianatra izay hirahin’i Jesoa dia ho vavolombelona haneho ny fahatsaran’ny fanjakan’ Andriamanitra . Hizaka ihany izy ireo . Ny takina aminy dia ny ho vonona hiatrika izany amim-pahamendrehana. Misy farany ny zavatra rehetra fa izay natao tao amin’ny mangingina , mbola hanaovana antso avo ho ren’ny tanàna manontolo .

2-Ny fiarovan’Andriamanitra (28-31)

Mampahery i Jesoa fa eo anatrehan’ny herin’ny ratsy mampiasa herisetra hampahoriana ny mpianatra dia ampy ny fiarovan’ Andriamanitra . Raha sanatria ka afaka mamono ny vatana izy , tsy mahay mamono ny fanahy . Ka ny tsara dia aleo ho vavolombelona tsy mivadika amin’ Andriamanitra izay Tompon’ny teny farany .

3-Fepetra arahina amin’ny maha- vavolombelona (32-42)

-Tsy menatra ny maha- an’i Jesoa eo anatrehan’ny olona

-Tsy matahotra izay mety ho fananganan’ny fianakaviana ny tena ho fahavalo noho ny fanarahana an’i Jesoa!

-Vonona hamoy hatramin’ny aina aza ho an’i Jesoa

-Vonona hifanampy aamin’ireo mpianatr’i Kristy hafa koa!

Zoma 27 Desambra 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 10.1-23

Eo amin’ny toko faha-9 dia onena ny vahoaka i Jesoa ka ny fifidianana ny Apostoly dia tafiditra amin’ny fanirahana mpiasa hamory ny vokatra .

1-Ny fiantsoana ny Apostoly (1-4)

Niantso ireto 12 lahy ireto i Jesoa . Mankeo aminy aloha ny mpianatra hitoetra tsara sy hiombom-piainana Aminy vao irahiny sy omeny fahefana .

2-Ny fanirahana ny Apostoly (5-15)

Ny olona kendren’ny asa no nofaritan’i Jesoa voalohany , dia ho an’ny Jiosy aloha , hitady ny very ao. Ny ventin-kevitry ny hafatra dia momba ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahefana nomena hanaovana fahagagana. Ny fepetra dia izao: tsy mahazo mitaky vola.

3-Fampaherezana ny Apostoly manoloana ny asa(16-23)

Tsy asa maivan-danja ny asan’ireto Apostoly ireto raha irahina hitoriteny izy ireo fa momba ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny anjaran’ny olona any am-parany. Raha tojo fanoherana sy fanenjehana izy ireo dia ampaherezin’i Jesoa fa ny Apostoly tsy mitsoaka ady , nefa koa tsy mitono tena fa mandeha amin’ny fahendrena omen’i Jesoa .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Alatsinainy 23 Desambra 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 8.1-17

I Jesoa dia asehon’i Matio ho Ilay mpampianatra lehibe (Mosesy vaovao) sy ilay mpanao soa lehibe . Andriamanitra manatrika sy mitsofoka eo amin’ny fiainana andavanandro . Dimy ny fampianarana ary dimy koa ny fahagagana.

1-I Jesoa manome fahafahampo ny olona tsirairay (and1-15)

Teo ilay marary hoditra . Rehefa nahita an’i Jesoa izy dia nataony fa i Jesoa no vahaolany , manova ny satany , afaka manova ny hoaviny . Izany no niankohofany teo amin’i Jesoa . Voavaha ny fatorany , naverina hiditra ta amin’ny fiaraha-monina sy ny fivavahany izy .

Teo ny mpanompon’ilay kapiteny Romana . Nisolo vava azy ity kapiteny ity. Afaka mampiasa fahefana hanafaka ny marariny i Jesoa , izay no finoany . Hoy i Jesoa : »tongava aminao izay inoanao  » Afaka manasitrana ao anaty elanelana i Jesoa izy.

Teo ny rafozambavin’i Petera .Tsy nangataka hositranina Izy fa ny fahitan’i Jesoa azy dia nahatonga Azy namonjy sy nanafaka azy tamin’ny aretiny. Nitsangana avy hatrany sy nanompo an’i Jesao izy.

2-i Jesoa manome fahafahampo ny olona maro (and16-17)

Asehon’i Matio fa i Jesoa dia Ilay Andriamanitra manatrika sy miditra eo amin’ny fiainantsika (Imanoela). Noraisiny sy nandraisany olona ny toerana sy ny fotoana rehetra. Vokany : sitrany ny marary. Ampy hahavonjy antsika amin’izay manjo antsika rehetra i Jesoa.

« Raiso ny Tenin’Andriamanitra » Boky faha-6

Sabotsy 21 Desambra 2019

Fandalinana ny  Filazantsara araka an’i MATIO

Matio  7.1-14

Anterin’i Jesoa  hatrany  fa ny mpianany  dia  manana adidy  telo , amin’ny tenany  , amin’ny namany  ary amin’Andriamanitra  izay fepetra takiana  ho an’izay ho ao  amin’ny fanjakan’ Andriamanitra

1-Ny  mpianatry ny Tompo  manoloana ny hafa(and1-6)

Tian’i Jesoa  raha mba mahay mandini-tena ka manala  ny diso  amin’ny tena aloha  vao manaisotra ny an’ny hafa. Manana adidy  hizara fahasoavana amin’ny namany  ny mpianatra nefa tsy maintsy  malina tsara . Misy  ireo karazan’olona atao hoe : « alika «  sy « kisoa » (olona mahay  mandray zava-tsoa).

2-Ny vavaka sy ny lalàna volamena (and7-12)

Ny vavaka no fototry ny fiainana kristiana . Fepetra telo no takiana amin’izany : mangataka amin’ny finoana , voatondro  mazava ary amim-paharetana . Manana adidy  hanao  tsara ho an’ny namany koa ny kristianina . Io ilay « lalàna volamena »(and12)

3-Ny safidy  hiditra amin’ny làlana tery (and13-14)

Làlana tokana  ihany  no mankany  amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Ny làlana sy ny vavahady dia samy ety . Ilazana ny fibebahana , ny fandrosoana amin’ny toe-piainana masina , ny fandava-tena hanoherana ny  herin’ny nofo noho ny safidy  hino  sy hatoky an’i Jesoa Kristy izany.

« Raiso ny  Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Zoma 20 Desambra 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio  6.19-34

Ity fampianarana ity  dia milaza ny olona mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra.

1-Mifantoka amin’Andriamanitra izy  fa tsy  amin’ny zavatry ny tany  (and19-21)

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny harena. Vokatry ny tsy fatokiana an’ Andriamanitra dia lasa ny ezak’olombelona  no nibahana . Misy anefa ny fahavalo mandrava  . Ny vahaolana aroson’i Jesoa dia : mihary harena any an-danitra  , matoky  ny fitantanan’ Andriamanitra isanandro , mametraka azy ho laharam-pahamehana  dia kofehy manara-panjaitra ny sisa.

2-Mianina amin’ny Tompo tokana ihany izy (and22-24)

Ny maso  dia iankinan’ny aina , natao hibanjinana an’i Jesoa Kristy  (Heb 12.2) sy ny  Voninahitr’ Andriamanitra izy . Momba ny vola : natao  ho mpampiasa ny vola ho an’ Andriamanitra isika fa tsy hotantanan’ny vola hiala amin’Ilay tena tompony dia ny Raintsika any an-danitra.

3-Matoky an’ Andriamanitra feno ka tsy resim-panahiana izy (and 25-34)

Ny fatokiana feno sy fiankinana amin’ Andriamanitra  no lesona  tian’i Jesoa hiainan’ny mino  . Ny fanahiana dia toetry  ny kamboty  zatra miahy tena , ny tsy matoky dia toetry ny andevo  zatra omena nefa misy tamby sy latsa. Ny anjaran’ny zanaka dia ny misitraka sy misaotra amin’izay omen-dRainy azy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Alakamisy 19 Desambra 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 6.1-18

Ny  fiainam-panahin’ny  mponin’ny fanjakan’ Andriamanitra dia miainga avy ao anaty vao miseho  amin’ny ety ivelany .

1-Ny fiantrana :

Ny  fiantrana (and2) dia milaza  fahatsaram-po  atao  amin’ny mpiara-belona  amin’ny maha-olombelona  ary natao  ho fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra . Andriamanitra no mahita ny antony  hanaovana izany  sy hamaly  fitia izany .

2-Ny  vavaka ho an’ny tena manokana (and 5-8)

Ny tena  vavaka dia fiainana velona ao anaty  tsiambaratelo sy miafina ao anaty  efirano mangina tsy  voaterin’ny fombafomba sy ny faharetana fa ao anaty  fo mahitsy  sady tsotra . Tsy ny resabe  na ny halavan’ny vavaka no mampahomby  ny vavaka fa ny fiombonam-po  amam-panahy  , toy ny fo matoky mamboraka amin-dRay.

3-Vavaka fiainana na modely (and9-13)

Misy  fangatahana fito ao : ny telo  dia momba an’ Andriamanitra ary ny efatra dia mahakasika ny filan’ny mpino  . Vavaky ny zanaka vokatry  ny finoana an’i Jesoa Kristy izay mampianatra mivavaka io  . Misy  ny asa voatsinjara ao anatin’ny vavaka dia ny manandrify  amin’ Andriamanitra sy ny asa miandry izay manonona ny vavaka.

4-Fifadiankanina (and16-18)

Ny vavaka fifadian-kanina dia mariky  ny fanetretena sy fibebahana . Fanehoana fiankinana feno  amin’ Andriamanitra izay loharanon’ny fahavelomana sy tena  hery mampatanjaka . Araka ny and 18 dia mitondra  mandrakariva ho amin’ny  fitahiana izany

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Hafatra KRISMASY 2019

Fiarahabana sy firariantsoa

Ny Filohan’ny FJKM, Filoha am-perinasan’ny FFPM sady Filohan’ny FFKM amin’ity taona 2019 ity,  mamangy ny vahoaka Malagasy manontolo, ary ny vahoaka Kristianina manokana, amin’izao Krismasy 2019 izao, ary manolotra ny teny avy amin’ny Tompo JESOA ho antsika amin’ity Krismasy ity manao hoe : « Fiadanana ho ety ambonin’ny tany ho amin’ny olona ankasitrahany !  » (Lio.2.14).

Fotoanan’ny fanomezana ny Krismasy fa nanomezan’Andriamanitra ny Zanany Lahitokana, ka izany teny izany koa no fanomezana ho anao !

Enga anie ny Krismasinao tsy ho tahaka ny Krismasin’ny Mponin’i Betlehema, maizina am-pototry ny Mazava !

Enga anie ny Krismasinao tsy ho tahaka ny Krismasin’ny Mpandray vahiny tao Betlehema ka hametraka an’i JESOA any an-tranon’omby !

Enga anie ny Krismasinao tsy ho tahaka ny Krismasin’i Heroda Mpanjaka : Krismasy ao anaty fo maloto, romotra, te hamono an’i JESOA !

Fa :

Enga anie ny Krismasinao  ho tahaka ny Krismasin’ny anjely : nirahina hitory fiadanana dia faly nihira fiadanana hanakoako ho an’ny mila vonjy !

Enga anie ny Krismasinao  ho tahaka ny Krismasin’ny Mpiandry ondry fahizay izay novangian’ny Lanitra ka nandray tamim-pahatsorana ny Filazantsara notorina taminy ary tonga mpampiely an’izany !

Enga anie ny Krismasinao  ho tahaka ny Krismasin’ireo Magy : olona lalin-tsaina, fa nanaiky hotarihin’Andriamanitra ka nanaiky toy ny zaza ho tonga hatreo amin’i JESOA, izay nekeny ho Mpanjakany !

Enga anie ny Krismasinao  ho tahaka ny Krismasin’i Josefa sy i Maria : nino ny tenin’Andriamanirtra ka nahita ny fahagagam-pamonjena : i JESOA KRISTY eo anivon’ny tokantranony !

Fa ho anao koa , raha mety ianao, no itenenan’i JESOA hoe : « Fiadanana ho ety ambonin’ny tany ho amin’ny olona ankasitrahany !  » (Lio.2.14).

ARY VONINAHITRA ANY AMIN’NY AVO INDRINDRA HO AN’ANDRIAMANITRA ! Amen

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM