Zoma 08 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 31.27-40

Vaovao mahafaly ho an’ny olona

1-Hampitomboina indray izay nihavitsy (and27)

Izany no tiana haseho amin’ny hoe:afafy indray ny taranak’Isrely sy i Joda . Nihavitsy izy ireo sy ny biby fiompy noho ny fahababoana , fa Andriamanitra no handray andraikitra hampitombo azy ireo indray ao amin’ny taniny. Fotoanan’ny fanorenana sy fanarenana izany .

2-Hisy fanekena vaovao (and31-34)

Tsy voasoratra amin’ny vato fisaka toy ny tamin’ny fanekena taloha izany , fa dia tao am-pon’ny olona mihitsy no hosoratan’Andriamanitra. Hiteraka fifamatoram-piainana eo amin’ Andriamanitra sy ny olona izany . Aza adinoina fa ny Ran’i Jesoa no nanisiana tombokase izany fanekena vaovao izany .

3-Hisy fanorenana vaovao (and38-40)

Manondro fananganana ny tanànan’ Andriamanitra izany. Hamasinina ho an’ Andriamanitra izany. Ahatsiarovantsika ihany koa fa vokatry ny fanekena vaovao dia misy koa ny fanantenantsika ilay Jerosalema vaovao izay omanina ho antsika (Jer 21.2). Fantaro fa mitaky fahamasinana ho an’izay te-hiditra ao izany (Apo 21.8).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra »Boky faha-6

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025