Alahady 13 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 12.1-17

Zavatra telo miavaka no ambara eto:

1-Fitarainana noho ny fanambinana ny ratsy fanahy (and1-6)

Zava-manahiran-tsaina ny mpivavaka maro ny hoe: « Nahoana no ambinina ny ratsy fanahy? Nahoana no miadana ny mpiodina rehetra? » Ny Sal 73 dia mamaofy izany lava . I Jeremia koa mba tratran’izany . Antony : rehefa nomena anao iJesoa dia omen’ Andriamanitra anao miaraka Aminy maimaipoana koa ny zavatra rehetra (Rom 8.31-32) . Ary na dia tsy takatrao aza ny fitondran’ Andriamanitra , ekeo fa hendry Izy , fitiavana Izy .

2-Fandaozan’ny Tompo ny Tempoliny sy ny vahoakany (and7-13)

Ny fahotana ifikiran’ny vahoakany dia mahatonga an’ Andriamanitra handao azy satria tonga efitra mampisaraka azy ireo Aminy izany heloka amam-pahotana izany (Isa 59.2) .Mampieritreritra lalina izany , raha ilaozan’ny Tompo ny Fiangonana , inona intsony no ilàna azy ?

3-Fitaizana ireo firenen-kafa (and14-17)

Firenena Jentilisa nikasikasika ny tanin’ Israely ireo sady nampiana-dratsy azy . Koa tsy havelan’ny Tompo ho afa-maina izy ireo , fa hovaliany tokoa . Israely kosa mbola hamindrany fo indray . Mahagaga izany !

« Raiso ny Tenin’ Andriamanira » Boky faha-6

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

Aogositra: MIFAMPAHERY NY MPINO

| | 03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025