Sabotsy 21 Septambra 2019.

Fandalinana ny 2 KORINTIANA

2 Korintiana 12.11-21

Mahatsiaro ho tomponandraikitra voalohany tamin’ny Fiangonana tany Korinto , indrindra ny fiainam-panahin’ny kristiana i Paoly . Mampahatsiaro antsika tomponandraikitra eo anivon’ny Fiangonana koa izany .

1-Tsy hamaky tratra ny Fiangonana(and11-18)

« Indro efa fanintelony izao no vonona hankaty aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo , fa tsy ny fanananareo no tadiaviko fa ianareo« (12.14). Tsy nanery ny olona hanome ho azy i Paoly , raha ny marina dia ny azy indray ary no nolaniana. »Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo , na dia araka ny fitombon’ny fitiavako anareo aza no fihenan’ny fitiavanareo ahy » (12.15). Ho antsika mpanompon’ Andriamanitra , maneke handany sy ho laniana amin’ny asan’ Andriamanitra.

2-Hananatra ny kristiana (and19-21)

Tena ao am-pon’i Paoly ny fiainam-panahin’ny kristiana : miezaka izay hampandroso azy ireo (and19). Amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra anao , manana izany toetra izany ve ianao? Tsarovy fa sarobidy ny andraikitrao. Mitandrema isika kristiana fandrao hisy fifandirana , fialonana, fahatezerana,fifampiandaniana, fifosana, fieboeboana, fikitranana eo amintsika ka tonga alahelo sy fietrena eo amin’ny mpanompon’ Andriamanitra izay natao hiadidy antsika izany . Mitandrema amin’ny fifangaroana amin’ny ratsy (Lio 12/ 1.15,21,8.34/ Heb 12.15/Efe 5.11/Rom 12.16/ 1 Pet 3.8).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2025

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 22. Ala. I man. Trinite - S. Vokovoko Manga
Oha. 23. 19-25 | Lio. 12. 35-40 | 1 Kor. 10. 31-11.1

| | 29. Ala. II man. Trinite
1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025