Zoma 14 Jiona 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 17 .1-15

Fahamarinana roa no hitantsika eto :

1-I Jesoa no Kristy

Izany no vontoatin’ny toritenin’i Paoly sy ny fandresen-dahatra nataony . Io Jesoa io dia ilay tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty (and3). Ary mandraka ankehitriny dia tsy miova izany fahamarinana fototra izany . Na Jiosy na Jentilisa dia samy tsy maintsy mino an’io Jesoa Kristy io avokoa. Ny Jiosy, tsy mila miandry Kristy na Mesia hafa intsony, ny Jentilisa tsy maintsy manaiky fa io lehilahy Jiosy antsoina hoe: Jesao io tokoa no hany Mesia marina tsy maintsy inoana. Ary marina ho antsika Malagasy koa izany . Tsy misy famonjena ivelan’i Jesoa Kristy.

2-Ny fitiavana mandinika Soratra Masina no mamaritra ny toe-panahintsika (and11)

Zavatra roa mifamatotra ireo : voalohany , lazaina fa tsara toe-panahy isika rehefa tia mandinika Soratra Masina fa mandray ny Tenin’ Andriamanitra amin’ny zotompo . Mampandini-tena izany ho an’ireo sampana na fikambanana kristiana kamo mandinika Soratra Masina . Manam-potoana hanaovana zavatra maro ny sampana fa tery fotoana rehefa handinika Soratra Masina . Mety ve izany? Fa izao koa , faharoa : vokatry ny Soratra Masina nodinihana dia tonga manana toe-panahy tsara isika . Velona sy mahery mantsy ny Tenin’ Andriamanitra ka tokony hisy vokany eo amin’ny fiainan’izay mandray azy . Mbola mampandini-tena koa izany ho antsika izay mamaky Baiboly isanandro sy mandinika Soratra Masina . Inona no vokany ? Hitan’ny Tompo sy ny olona eo amintsika ve izany ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV