Alahady 09 Desambra 2018.

Fandalinana ny Boky : 1 Samoela 

1 Samoela 20.24-42

1-Mety hahafehy tena vetivety ihany ny ratsy 

Mariho fa tamin’ny takariva voalohany nahabanga ny toeran’i Davida teo  amin’ny latabatry ny mpanjaka dia mbola tsy naninona akory i Saoly . Hitantsika amin’izany  fa na ny ratsy fanahy aza dia mba mety mampiseho toetra tsara kely ihany ao anatin’ny fotoana fohy .

2-Vaky bantsilana ihany anefa ny tao am-pony 

Tamin’ny andro faharoa dia tsy hainy nafenina intsony ny tao am-pony . Vaky teo ny resaka fa tsy zakany mihitsy ny mijery an’i Jonatana sy i Davida mifankatia , satria raha mbola eo i  Davida , ilay lehilahy mahery ,tsy ho mari-toerana ny fanjakan’i Jonatana zanany . Izany no hevitr’i Saoly  !Ka nony nanome fanazavana ny amin’i Davida hanala tsiny azy i Jonatana dia tora-defona no vokany . Izany tokoa no izy , na ho ela na ho haingana , tsy maintsy  hiseho  ihany ny tena toetran’ny olona sy izay ao am-pony tokoa. Ibebaho dieny tsy mbola vaky ny hevi-dratsy mikobona ao am-ponao .

3-Tsy tery làlana ny tena fiiavana 

Na teo aza ny saika nahafaty an’i Jonatana  tsy nahasakana azy tsy hamonjy ny fotoana nifanaovany tamin’i Davida ihany izany , mba hanambarana ny zavatra rehetra sy hanamafisana orina ny fifankatiavany , izay hahatratra sy taranany . Izany tokoa no tena fitiavana , ary ny fitiavanao , manao ahoana ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV