Alatsinainy 31 Desambra 2018.

Ny ABIDIAN’NY FAHOMBIAZANA

MARKA 9.14-29

Raha te-hahomby ianao:

A-Alao ny tsy finoana :

-satria ady amin’ny tsy finoana no nataon’i Jesoa eto

-satria hery mahagaga ny finoana

-satria ny andrasan’i Jesoa dia ny fanekempinoanao

B-Banjino i Jesoa

-satria i Jesoa no miantso anao

-satria i Jesoa , fa tsy ny fanahy maloto no tena mahery

D-Diniho ny fiainam-bavakao

-satria ny vavaka no tsiambaratelon’ny fahombiazana

-satria vavaka ifotorana no takin’ny fahombiazana

« Bokikelin’ny fahombiazana » IAA

Alahady 30 Desambra 2018.

Toriteny sy Fampianarana

MARKA 9.14-29

Ny ABDin’ny fahombiazana

Raha te- hahomby ianao

D-Diniho ny fianam-bavakao

Ahoana no fiafaran’ity tantara ity ?

« Ary rehefa tonga tao an-trano i Jesoa dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay sy nahavoaka azy . Ary hoy Izy taminy : « iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona , afa-tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina ihany  » (Mar 9.28-29).

-Satria ny vavaka no tsiambaratelon’ny fahombiazana

Mitaky vavaka ny fahombiazana .Raha te- hahomby amin’ny ady amin’ny devoly, mivavaha!Raha te- hahomby amin’ny fanasitranana , mivavaha!raha te-hahomby amin’ny fitaizana zanaka maditra, mivavaha!.Raha te- hahomby amin’ny asa ampanaovin’ny Tompo , mivavaha!Ianareo tsy nahavoaka azy , hoy i Jesoa , satria tsy ampy vavaka . « Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona , afa-tsy amin’ny fivavahana ihany ». Koa diniho ny fiainam-bavakao! »

Satria vavaka ifotorana no takin’ny fahombiazana . izany no ambaran’ny fifadian-kanina miaraka amin’ny vavaka eto. Tsy vavaka vonjy tavanandro amin’ny fotoana mahaporitra ihany, fa vavaka iainana. tsy vavaka vonjivonjena eo ankatoky ny fanadinana fotsiny , ohatra , fa vavaka mandavataom-piainana. Tsy vavaka anekena hampandefitra zavatra hafa (tele,radio…) mba hanaovana azy . Koa diniho ny fianam-bavakao!

« Bokikelin’ny fahombiazana« IAA

Sabotsy 29 Desambra 2018.

Toriteny sy fampianarana

MARKA 9.14-29

Ny ABDian’ny fahombiazana

B-Banjino i JESOA

Satria i Jesoa no miantso anao. »Ary i Jesoa namaly azy hoe:: »Ry taranaka tsy mino , mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? « Ento ety amiko izy « (and19). miteny mivantambantana i Jesoa : »Ry taranaka tsy mino ». Toa miteny mahery i Jesoa . Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Saingy , ekeo ny teniny na maharary aza raha te- hahomby ianao. Izy no miantso anao: »ento ety amiko izy ». Masiaka be ronono i Jesoa . Tena tia mantsy Izy. Banjino i Jesoa !

-Satria i Jesoa fa tsy ny fanahy maloto no mahery

Naneho ny heriny ilay fanahy maloto. Hoy ny and 20 : « nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ny fanahy.Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsikasinkasina sy nandoa vory » . Rehefa nodidin’i Jesoa hiala izy dia izao no nitranga :  » Ary rehefa ninananana izy sdy nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy , dia nivoaka taminy , ary efa toy ny maty ka dia nataon’ny maro hoe : maty » .Saingy , ahoana no niafarany ? « Fa i Jesoa nandray ny tànany ka nanarina azy , dia nitsangana izy »(and27). Tsy miova i Jesoa sy ny heriny mahatsangana ny maty . Aza matahotra hoe : toa vao mainka nihombo ity aretina nony nivavaka ? Toa maty mihitsy ? Banjino i Jesoa . Itokio i Jesoa . Fantany izay ataony . Banjino i Jesoa !……

« Bokikelin’ny fahombiazana » IAA

 

 

 

 

Zoma 28 Desambra 2018.

Toriteny sy Fampianarana

MARKA 914-29

Alao ny tsy finoana

Satria ady amin’ny tsi-finoana no nataon’i Jesoa eto: tovolahy marary,ray tsy mahita vahaolana , mpianatra tsy mahasitrana , mpanora-dalàna be adihevitra fotsiny .Hoy i Jesoa rehefa nilazana ny olana :« Ry taranaka tsy mino? » Rakotry ny tsy finoana avokoa ireo voatonona ireo , ary izany no nahafahan’ny aretina sy ny fanahy maloto nanjakazaka. Ny tsy finoanao no sakana amin’ny fahombiazanao sy fantsona tsentsina tsy hahatongavan’ny fahombiazana ho an’ny hafa. Alao ny tsy finoana !

-Satria hery mahagaga ny finoana : 

Rehefa nihetsika mafy ny aretina ka niantso vonjy ilay rangahy ,hoy i Jesoa: »ny zavatra rehetra dia hain’ny mino ». Ny tsy finoanao no mahatonga anao tsy hahefa izay atao.

-Satria ny andrasan’i Jesoa dia ny fanekem-pinoanao

Ny tsy finoana dia ny tsy fahatokiana an’i Jesoa sy ny heriny . Hoy ilay raimpianakaviana : « raha mba misy hainao dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay ».Tena  teny mitory fisalasalana sy tsy fatokiana izany . Fa rehefa notenenin’i Jesoa izy vao nibaradaka hoe :  « mino aho , vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako ».Taorian’ity teny ity vao niasa hanasitrana i Jesoa . Miandry ny fanekem-pinoanao koa i Jesoa : « mino aho !» ……

« Bokikelin’ny fahombiazana »   IAA

Alakamisy 27 Desambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 31.1-13

Raikitra ny ady nifandonan’ny Filistina sy ny Zanak’ Israely notarihan’i Saoly .

1-Tsy azo ialana ny efa voatenin’ny Tompo .

Resy ny Zanak’ Israely . Raha toa ka vitan’i Saoly mpanjaka ny nitarika ny vahoakany ho any amin’ny fandringanana , moa tsy azo inoana ve ny hitarihan’i Jesoa ny mpino ho any amin’ny fiainana mandrakizay

2-Tsyhavilana ny fandresena azo

Azon’ny Filistina ny fandresena , ary naviliny ho amin’ny fanandratana ny ssampiny izany. Tsy fantany fa ny kapoka dia anatin’ny fitaizan’ny Tompo  ny olony . Mihelina fa tsy hitoetra ny toa fahombiazan’ny ratsy ( Sal 73). « Koa aoka ho fantatrao amin’ny fonao , fa tahaka ny fananaran’ny olona ny zanany no fananaran’i Jehovah Andriamanitrao anao » (Deo 8.5)

3-Tsy jerena ny fahafaham-baraka

Nisikina herimpo sy fahasahiana ireo mponina tao Jabesy ka naka ny fatin’i Saoly sy ny zanany. Mahavariana ny fombàn’ Andriamanitra azy ireo .Raha ringan’ny Filistina ny miaramilan’ny Israely , izy ireo kosa izay tsy isalasalana fa vitsy , nahoana no afaka naka ny faty teo amin’ny manda ? Moa tsy porofo ve izany fa eo am-pelatànan’ny Tompo ny fitondrana ny tantara ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra» Boky faha- 3

Alarobia 26 Desambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 30.11-31

Momba azy Andriamanitra amin’ny ady hatrehiny , hany ka:

1-Nanisy làlana hitarihany azy

Lehilahy Egyptiana no nomanin’ Andriamanitra ho mpitari-dàlana azy. Tsy ho vokatry ny kisendrasendra mihitsy na ny aretina nahazo an’io na ny nanarian’ny tompony azy sy ny nahitan’ny olona azy . Tsy hanahirana ny fanarahan-dia satria, « hoy izy: hitondra anao midina ho amin’izany jirika izany aho » (and15)

2-Nanisy làlana handreseny

Tonga teo amin’ireo olona nandroba ry i Davida . Ireo anefa « homana sy misotro ary milanona » (and16). Tsy sarotra tamin-dry i Davida ny nandresy olona efa mamo ka tsy mahagaga raha raraka avokoa ny efa azony . Eto no manomboka nivadika ny takila satria ilay natao ho fahavoazana sy fahoriana no nivoatra ho fandresena . Nambabo ho an-dry i Davida fotsiny ny Amalekita.

3-Nanoro hevitra hankasitraka

Nahazo ny tandrify azy avokoa ny rehetra . Tsy nisy ny tombo sy hala satria avy amin’ilay Andriamanitry ny Tafika ny fdandesena iaraha-manana. Fahaiza-mitondra olona manamarika ny maha- mpitarika lehibe an’i Davida izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Talata 25 Desambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 30.1-10

Ory dia ory ry Davida sy ny miaramilany ka nisy ny fihetsehampo sy fihetsika samihafa.

1-Fahadisoam-panantenana no nitsena azy ireo raha tonga tao Ziklaga. Levon’ny afo ny tanàna sady lasa babo ny vady aman-janaka. Miteraka fijery sy fomba samihafa ny tranga toy izany raha sendra mba lalovana.

2-Nitomany izy ireo. Fanehoan’ny olona alahelo ao am-pony  ny ranomaso. Tsy nijanona  izy ireo raha tsy ritra ranomaso ary niraisan’izy rehetra izany

3- Valy faty no hevitry ny sasany . Nifampitaona ireny mba hitora-bato an’ i Davida izay notanany  ho fototry  ny fahavoazan’ny vady aman-janany sy ny tenany

4-Nampahery ny tenany kosa I Davida. Mariho tsara fa tamin’ny Tompo no nanaovany izany . Tsy  isalasalana  fa namboraka ny alahelony tamin’i Jehovah izy. Soa fianatra ho an’ny tojo fahoriana ny toy izany .

5-Nanontany an’ Andriamanitra ny amin’izay hatao izy . Ny nanontany ny hevitry ny Tompo  ny amin’izay atao no laharam-pahamehana  tamin’I Davida fa tsy hikaroka ny anton’ny fahavoazana. Rehefa nahazo toky  izy dia nanatanteraka avy hatrany ka niainga mba hamerina ny babo. Tsy nataony ho sakana ny faharerahan’ny namany sasany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra »  Boky faha- 3

 

 



 

 

 

 

 

 

 

 



 

 

Alahady 23 Desambra 2018.

FFandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 28.15-25

Mifanatrika Andriamanitra sy i Saoly eto . Izao no tsapa raha jerena tsirairay  izy ireo .

1-Ilay Andriamanitra nampanjaka.

 Tsy niova tamin’ny teny nataony Izy . Nihamafy aza ny sazy nomeny rehefa nikiry nankao, amin’ilay mpanao spiritisma i Saoly . Fanalana azy tsy ho mpanjakan’Israely no tany amin’ny toko 15, raha niitatra amin’ny fandringanana izany eto : « Ary hiaraka hatolotr’i Jehovah ho eo an-tànan’ny Filistina ny tenanao sy ny Israely , ary rahampitso dia ho ety amiko ianao sy ny zanakao , ary ny miaramilan’ Israely koa dia hatolotr’i Jehovah eo an-tànan’ny Filistina »(and19)

2-Ilay Saoly nampanjakaina

Efa teo amin’ny tsy misy azo atao intsony vao nanenina i Saoly  tamin’ny tsy nohainoany an’i Jehovah . Tara loatra ny fahatsiarovan-tenany . Teo izy vao tena raiki-tahotra tokoa (and20). Tsy nety nihinana izy noho ny hadisoam-panantenana sy ny hakiviana nameno ny fony fa vonjy no nandrandrainy tamin’ny fanompoan-tsampy , kanjo fanamelohan’ Andriamanitra no azony.Saingy nihinana ihany izy ary nahazo hery mba hirosoana any amin’ny … fandringanana (and25). Mahonena ny toy izao fa tsy mifankaiza amin’izay voambara momba an’i Esao hoe : « tsy nahita izay hibebahana izy , na dia nitady fatratra tamin’ny ranomaso aza » (Heb 12.17).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Sabotsy 22 Desambra 2018.

F

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 28.1-1

Mila mandini-tena hatrany isika rehefa mandalo ny fotoana nahatery dia tery eo amin’ny fiainana.

1-Mitandrina tsy hanao toa an’i Davida

Fa naneho fahavononana hiady sy handringana ny Israely mpiray firenena aminy izy mba hahazoany sitraka amin’i Akisy , mpanjaka jentilisa . Tadidio: »fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao(Jak 4.4) . Ary raha mitsangana hanenjika ny fiangonana ianao , i Jesoa , ilay lohany no hitsena anao hoe: »nahoana ianao no manenjika Ahy« ? (Asa 9.4)

2-Mitandrina tsy hanao toa an’i Saoly

Tsy namaly an’i Saoly Andriamanitra ,hoy ny and 6.Mahonena izany,nefa dia fahatanterahan’ny   ohab 1.24-28 , ka mamptandrina mafy antsika . Tsy ny nanamafy  ny fibebahany anefa no nataony ; fa ny  nilentika tany  amin’ny fahotany. Izy ihany  no efa nandrara ny fanontaniana ny maty(and3). Ny Tenin’ Andriamanitra rahateo dia mazava fa tena fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra ny fanontaniana ny maty (Deo 18.10-12). Lev 19.31).
Izay tokony hotsarovantsika eto dia izao :rehefa may i  Saoly dia ny zavatra nandrarany indray no nataony .Tandremo izany ! Hoy i Paoly : « Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho » (Gal2.18).

 « Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

 

 

FJKM -ARM/ Fiaraha-mivavaka

Fivoriambe Fiaraha-mivavaka

Ny  Fiangonana  rehetra   eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ( FJKM-ARM) isan-taona dia manatanteraka fiaraha-mivavaka ho fanehoana ny fiombonana sy hifampaherezana .

Izany dia hatao ao amin’ny FJKM AMBATOMENA  , ny Zoma 28 Desambra 2018 , manomboka amin’ny  12 ora sy sasany – 2ora tolakandro .

« Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona , tahaka ny fanaon’ny sasany … » (Hebreo 10.25)

« Fa tsy  menatra ny Filazantsara aho fa herin’ Andriamanitra ho  famonjena izay rehetra mino izany … ny marina amin’ny finoana no ho velona «  (Rom 1.16-17)

Ny  Birao ARM