Sabotsy 01 Desambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 17.17-30

1-Mila fifanohanana ny fiatrehana ny ady :

I Jese , rain’i Davida dia nihevitra  manokana an’ireo zanany  niady ho an’ny firenena ka naniraka an’i Davida hijery sy hanohana azy ireo (and 17-18).toy izany koa , adidintsika ny mifanolo-tànana sy mitrotro amam-bavaka ireo izay miatrika ady manokana. Rehefa tsy afaka handeha hiantafika masina ianao , tohano  ireo handeha hirotsaka any an-tany fiadiana.

2-Mila manadihady tsara vao  manapa-kevitra

Tonga teo i Davida  , nahita ny zava-niseho ary nanontany tetsy sy teroa . Tena fahendrena izany : mamantatra tsara ny  zava-misy aloha , manoloana ny fahavalo. Ny  zavatra reny nambaran’i Goliata sy hitany tamin’ny fihetsik’ireo miaramilan’Israely dia nanampy azy hahita  izay hatao .

3-Mila  mijoro  ho mpampahery  fa tsy ho mpanakivy

Rehefa hitany ny zava-nisy dia niteny izy . »Fa zinona  moa io Filistina tsy mifora io no dia hihaika ny miaramilan’ Andriamanitra velona? « (and26). Teny fampaherezana lehibe izany satria miaramila nivadi-po no nanodidina azy . Izy no namelona  tao am-pon’izy ireo fa »miaramilan’ Andriamanitra velona » izy. Isika koa, raha mbola mijery an’i Jesoa isika , tsy maintsy mahery sady tonga mpampahery ny hafa.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

 

 

 

 

Sekoly FJKM / Fanabeazana mampiaty

TETIKASA MAHAY, FANABEAZANA MAMPIATY

Asan’ny FJKM tarihin’ny Departemantan’ny Sekoly: ezaka atao mba hampidirana an-tsekoly ireo ankizy manana fahasembanana, tohanan’ny Christoffel Blinden Mission

Herinandron’ny Fanabeazana Mampiaty: 03-08 Des 2018:

03/12/18: hetsika eny amin’ny Sekoly Mampiaty
04/12/18: fitiliana ny fahasalaman’ny ankizy mpianatra eny amin’ny Hopitaly Ambohibao Antananarivo sy eny amin’ny Hopitaly Andranomadio Antsirabe
05/12/18: fihaonamben’ny mpiara-misehatra rehetra any amin’ny DREN Atsinanana
06/12/18: fihaonamben’ny mpiara-misehatra rehetra any amin’ny Akany Gazela Moramanga
07/12/18: fihaonamben’ny mpiara-misehatra rehetra any amin’ny Tranompokonolona Antsirabe
08/12/18: Hetsika ara-panatanjahantena « Fo miara-mitempo ho an’ny fanabeazana mampiaty«  (Coeurs en choeur pour l’Education Inclusive) ao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina sy Kianja mitafo Foyer Social Cité Canada Toamasina

Niry

 

Zoma 30 Novambra 2018.

Fandalinana ny Boky : 1 Samoela 

1 Samoela 17.1-16

Diso fantatry ny Filistina loatra ny zava-manjo ny Israely noho ny amin’i  Saoly mpanjaka, ka dia avy izy ireo manao fihantsiana sy fampihorohoroana .

1-Amin’ny alalan’ny fitaovam-piadiana :

Atody miady amam-bato ny Israely rehetra manoloana an’i Goliata (and4-7).Ny fitaovana  entiny miady toy izany koa isika raha sanatria ka ataontsika tsara  pirina  ny Baiboly , satria  tsy iainana sy halalinina , ka rehefa milaza hevi-diso ireo sandoka dia mivalaketraka isika . Tsy azontsika adinoina koa fa fahavalo  lehibe  sy masiaka  no ifanandrinantsika . Fahavalo tsy hitsitsy antsika izany fa hampanompo antsika raha maharesy antsika.Mila miambina hatrany isika tsy ho babon’i satana sy ny fahotana.

2-Amin’ny fihaikana olona :

Toy ny nataon’i Goliata teto dia mihaika antsika koa ny fahavalon’ ny  finoana kristiana sy ny fomban’izao tontolo izao .Te-hirehareha eo imasontsika  izy ireny fa izy no mahery ary tsinotsinona isika. Hatahotra toa an’i Saoly sy ireo miaramilan’Israely ve isika (and11) sa hijoro? Tsarovy fa i Jesoa  aza sahin’i satana nohatonina ka nalaina fanahy (Mat 4.1-11). Koa tsy matahotra hanatona antsika izy . Anjarantsika ny mahatsiaro izany ka tsy hatahota-poana fa hiambina lalandava kosa.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

 

 

 

 

Alakamisy 29 Novambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 16.14-23

Mandeha amin’ny làlana saro-pantarina Andriamanitra:

1-Ampihaoniny ny mpanjaka naongana sy ny mpanjaka vaovao

Mariho fa efa vita ny fanosoran’i Samoela an’i Davida ho mpanjaka raha niseho izao tantara eto izao. I Davida tsy nisehoseho foana. I Saoly  tsy nahalala rahateo. Moa tsy mampiseho antsika ny fahefan’ Andriamanitra mitondra ny politika erantany ve izao ?

2-Ny fisian’ny fanahy ratsy tao amin’i Saoly no làlana nidiran’i Davida tao an-dapa:

Tonga sekolin’ny fiainana an-dapa ho an’i Davida nanomanan’ny Tompo azy hitondra fanjakana ny zava-nitranga. Mahagaga toy izany ny hevitr’ Andriamanitra fa »mahagaga amin’ny fisainana Izy« (Isa 28.29). Ny anjarantsika dia ny miandany Aminy mba ho fitahiana ho antsika ny  fitondrany.

3-Ny feon-dokanga notendren’i Davida no fandroahana fanahy ratsy nampiasain’ny Tompo

Mahavariana izany .Tsy nisy asan’ny  mpiandry . Feon-dokanga tendren’ny olon’ Andriamanitra dia ampy nampialany fanahy ratsy. Mba mieritreritra izany ve ireo  mpitendry zava-manenontsika ? Mozika manao ahoana no tendreny , mampiditra fanahy ratsy sa mandroaka fanahy ratsy ? Fa mahery io  mozika io , ary tsy zava-kanto fotsiny fa mahatratra ny  tontolo ara-panahy .

« Raiso ny Tenin’ Andrimanitra » Boky faha-3

Alarobia 28 Novambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela

1 Samoela 16.1-13

Hitantsika eto ny tohin’ny tantara :

1-Tsy avelan’ny Tompo hohajambain’ny alahelony  an’i Saoly i Samoela.

Mandrapaoviana no hahalahelovanao an’i Saoly (and1),hoy izy . Koa samia mitandrina fandrao ny fihetsehampontsika izay mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra no manakona ny masontsika tsy hahita ny làlana tian’ny Tompo hizorantsika .

2-Maniraka azy hanosotra mpanjaka vaovao ny  Tompo .

Mbola eo i Saoly , mbola tena eo amin’ny fitondrana izy , saingy tsy manakana ny Tompo , izay tompon’ny tantara , hifidy sahady sy hanosotra sahady ny mpanjaka vaovao izany . Niahotra i Samoela ,kanefa nanolo-tsaina azy ny Tompo, ka dia lasa izy .Isika koa ,Mety heverintsika fa mahatahotra ny làlana , saingy raha mihaino ny tolo-tsain’ny Tompo ao aminn’y teniny isika dia hahery ka handeha.

3-Mpanjaka tsy nampoizina no nofidin’ny Tompo .

Nalefa avokoa ireo  zoky sy lehibe tamin’i Jese, saingy nolavin’ny Tompo avokoa . Ilaikely tavela tany an-tsaha no nantsoina fa iny no izy. Antony :tsy mba toy ny fijerin’ny  olona no fijerin’i Jehovah , fa ny olona mijery ny  miseho eo ivelany , fa i Jehovah kosa kosa mijery ny fo »(and7). Inona re no hitan’ny Tompo ao amin’ny foko sy fonao e?Marina amin’ny fitiavana Azy ve?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

STK / Hafatry ny Komity Foibe

FIANGONANA  JESOA  KRISTY  ETO MADAGASIKARA

SAMPANA TANORA KRISTIANA

 

HAFATRY NY KOMITY FOIBE

“S.T.K. vavolombelona amin’ny asa tsara.”

 

“Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika;

Ary tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra

sy ny fanahinao rehetra, ary ny herinao rehetra” (2 Tim. 1: 8 ; Deo. 6: 5)

 

Ho aminareo mandrakariva anie ny fiadanan’ny Tompo Jesoa. Amena.

Misaotra ny Tompo isika fa afaka nanatanteraka ny fivorian’ny Komity Foiben’ny S.T.K.- F.J.K.M. izay natao teto Ambatomanga ny Alakamisy 25 Oktobra hatramin’ny Sabotsy 27 Oktobra 2018.

Isaorana Andriamatoa Ramadimisaina Jean Denis, Mpiandraikitra Foibe miahy ny STK, sy Andriamatoa Rakotonindrainy Jaona, Mpitandrina, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana nitondra fampianarana tamin’izao fivoriana izao . Ankasitrahana ny Komity Foibe izay nahasolo tena ireo Synodamparitany misy azy avy.

Nanamarika ity fivoriana ity ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fankalazana ny faha-45 taonan’ny S.T.K.- F.J.K.M. amin’ny taona 2019; Ny teny faneva iainana amin’izany dia hoe: “Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao”. (2 Tim. 3: 14a). “tanora vavolombelona ô, mahareta” no lohahevitra navoitra avy amin’izany.

Manoloana ny fiomanana ho amin’ny fiatrehana ny Zaikabe sy ny  Fihaonambe Nasionaly amin’ny taona 2019 dia tena maro tokoa ny hevi-dehibe izay nodinihina  nandritra izao fivoriana izao:

  • Famitana ny tetikasa sy tetibola taona 2019
  • Fanapariahana ny Gazety Tanora Fianarana (GTF) mba ho tafapaka any amin’ireo Synodamparitany miisa 38.
  • Fanaovana ho zava-dehibe ireto vanim-potoana miavaka ireto, izay samy hotanterahina any Fianarantsoa – SP MATSIATRASOA :
    • Komity Foibe : Zoma 25 – Sabotsy 26 oktobra 2019
    • Zaikabefaha XIV : Alatsinainy 28 – Talata 29 Oktobra 2019
    • Fihaonambe Nasionaly faha-8 : Alarobia 30 – Alahady 03 Novambra 2019
  • Fanentanana amin’ireo asa samihafa hotanterahin’ny S.T.K.–F.J.K.M.:
    • Adidy Foibe
    • Fampiakarana ny rakitra amin’ny Alahadin’ny S.T.K.
    • Fandraisana anjara amin’ny 500 Ar isaky ny mpikambana ho fanorenana ny tsangambato any Ankadiefajoro Antananarivo.
    • Adidy isaky ny Synodamparitany amin’ny fananganana ny Fiangonana any Bemahatazana – Miandrivazo SP FAHAZAVAN’ATSIMO ANDREFANA ( Hetsika Vontosy Filazantsara).

Koa manantena ny fiarahantsika S.T.K. mientana amin’izany rehetra izany ary dia manao veloma finaritra antsika amin’ny Anaran’ny Tompo ; Mirary sahady ny hahatrarantsika ny Krismasy 2018 sy ny Taona vaovao 2019 izahay.

    Ny Filoha

     Andriamatoa Andriamalala Solomon Jean Denis, Mpitandrina

……………………………………………………………………………………………………………………………

Teny faneva faha-45 taona ( 2019)  sy FIHAONAMBE NASIONALY FAHAVALO ( Fianarantsoa)

« Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao.»  (II Tim. 3: 14a)

  • TANORA VAVOLOMBELONA Ô, MAHARETA
  • FIHAONAMBE NASIONALY faha-8 ( Fianarantsoa )

2.1- Fifaninanana Soratra Masina

  • TestamentaTaloha : SALAMO

Asiana taridalana (oh: jereo ny teny miverimberina, iza no mpanoratra, firy ny mpanoratra …..)

  • Testamenta Vaovao : Filemona sy Hebreo

Fanamarihina:

– Mandeha tsirairay ny fifaninanana fa tsy mitambatra toy ny teo aloha intsony ny solon-tenan’nySP

– Asiana tari-dalana

  • Momba ny STK: vakio ny fitsipika sy ny tantarany ( Tsy manontany anaran’olona)
  • FJKM :Tantaran’ny FJKM tao anatin’ny50 taona
  • Fifaninanana Hira
  • Hira ara-tSOLFA :

– Mamorona feo amin’ny SALAMO ankoatra izay efa nivoaka tamin’nyVol 1,2,3).

– Atao mitohy ny andininy fa tsy dinganina

– Manaraka tsara ny Solfa (tsotra): 6/4, 4/4, 3/4 (Tsy atao classique)

– Ny famaranana kosa dia ny tohin’ireo Hira amin’ny fivorian’ny tanora ao amin’ny Fihirana FFPM ( 759, 760, 761, 762, 763, 764, 765) no hianarana tsara, hiraina tsy misy mozika.

– Fe-potoana :Tsy mihoatra ny 4 minitra

– Tsaraina ihany koa ny fitafy (Tsy manao robe pastoraly)

  • Dihy Mirindra (Ballet): tsy latsaky ny 20 nympandray anjara,

– Feon-kira: Hira Faneva faha 45 taona (ezahina mba ho feon-kira azo handihizana, ary hivoaka amin’ny 27 Avril 2019 )

  • Gadona: Kidodo, Karitaky, Medley, Malesa, Baoenjy, Salegy, Batrelaky, Hira gasy, vako-drazana

– Samy mamorona tonony ny mpandray anjara tsirairay arymanaraka teny faneva faha 45 taona izay sady loha-hevitry ny Fihaonambe Nasionaly

– Hira tsy mihoatra ny 7 minitra

Fanamarihina:

– Aparitaka ny Fifaninanana HIRA FANEVA faha 45 taona STK FJKM ,atao hira azo andihizana

– hanaovana antsony TONONY ( hatramin’ny faran’ny volana Desambra 2018

Farany fanolorana ny tononkira, farany Martsa ny feony, mivoaka Aprily

  • Fifaninanana Fanatanjahantena
  • Lalao Baolina kitra (Foot à 11), lahy sy vavy
  • Lalao Baskety lahy sy vavy
  • Lalao iraisan’ny lahy sy vavy
  • Lalao Tsipy kanety be
  • Hazakazaka mifampitohy (Relais): L2 sy V1, mihoatra 18 taona, latsaka 18 taona

Fanamarihana :

 – Tsy maintsy mandray anjara amin’ny Soratra Masina sy mahavita ny Adidy 2018, 2019 ny Synodamparitany vao afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana rehetra

– Ny KF dia ampidirina ao anatin’ny sokajinasa

– Tsy mitarika ny SP ny KF

– Ny KF no tompon’andraikitra amin’nympilalao entiny

– Ny teknisianina tsy manapakevitra fa mitsara ny lalao ihany fa ny KF no tomponandraikitra feno amin’ny fanapahankevitra

Ny Komity Foibe STK

Oktobra 2018

Alahadin’ny SEFALA 2018.

SEKOLY FANOMANANA LAIKA FOIBE (SE.FA.LA.)

« Ataovy mpianatra ny firenena rehetra.» (Mat.28:19)

FANDAHARANA IOMBONANA

ALAHADIN’ NY SEFALA

ALAHADY 30 Desambra 2018

Hafatra

Trano Ifanomezantsoa I -Tohatohabato RANAVALONA I

– Antaninarenina – Antananarivo Rihana faha 6 – Varavarana faha 607

……………………………………………………………………………………………………………………………

Lohahevitra volana Desambra 2018:

“Mifalia amin’ny fitiavan’ny Tompo”

FANDAHARANA : Litorjia Endriny faharoa

Fidirana : Feon-java-maneno

Fiarahabana Apostolika : Rom.1: 7

 Fiderana an’Andriamanitra: Sal. 95. 1- 6

Hira: 75/ 1,2

Vavaka Fiderana  sy Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra:

 Hira: 226

 Vavaka mialoha ny Vakiteny

Soratra Masina: I Sam. 2. 1 – 3 / Lio. 1. 39 – 56 / Fil. 4. 1 – 9

  Hira : 324/ 1-2 (Fih.Fif.)

 Toriteny

Vavaka setrin’ny tenin’Andriamanitra sy fangatahana

Fanekem-pinoana

Asan’Andriamanitra: Famakiana ny HAFATRA  SEFALA Foibe

 Raharaha

 Rakitra: 539 – 545 – Antokompihira

Fanolorana ny rakitra: Hira Fanampiny: 53/ 2 faranana amin’ny Amena

 Famaranana:

Hira: 68. 1

Tso-drano:  Hira: 68. 2

 Vavaka mangina

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena

……………………………………………………………………………………………………………………………

HAFATRA

Ry havana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Kristy Jesoa Tompontsika.

Ny Biraon’ny SeFaLa Foibe noho ny sitrapon’Andriamanitra, mba ho mpitory ny teny fikasana milaza fiainana izay ao amin’i Kristy Jesoa, mamangy anareo Mpitandrina, Katekista, Mpiandry, Mpitoriteny, ary isika Kristiana isam-pitandremana.

Fotoana iray sarobidy izao Alahadin’ny Fiantsoana sy Alahadin’ny SeFaLa izao satria fotoana hitrotroana amam-bavaka manokana antsika navoakan’ny SeFaLa sy ireo eo andalam-pianarana ary indrindra ny Tale sy ny Komity Mpandrindra ary ny Mpampianatra SeFaLa rehetra eo ihany koa ny SeFaLa Foibe. Misaotra ny Tompo isika fa raha araka isa dia mitombo ireo manolontena.

Koa entanina isika hiezaka mafy amin’ny fandraisana anjara ho fanatanterahana ny vinan’ny FJKM hoe : « Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara » manoloana izany hafanana izany. Torio ny Tenin’Andriamanitra, mijoroa Vavolombelona, aoreno ny Fiangonana.

Farany aza adino ny manohana hatrany ny asantsika aty amin’ny SeFaLa Foibe, indrindra ny mifampivavaka. Mampahery antsika rehetra mba hazoto sy hafana fo amin’ny fanompoana sy ny fanoloran-tena. « Tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao » (Apo. 3 : 11)

Ny Filoha :  RAKOTONDRAMANANA Arijaona, Mpitandrina

Ny Mpitantsoratra : Lalaina Johary, ROBSON RADO Mpitandrina

Talata 27 Novambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 15.17-35

Tantara tena mampalahelo mafy no hitantsika eto:

1-Naongan’ i Jehovah ny  mpanjaka :

Izy  no nifidy an’i Saoly , saingy naongany izy satria  tsy nankato ny baikony . »satria nandà ny Tenin’i Jehovah ianao , dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa » (and23). Ary koa: »Jehovah efa nandà anao tsy ho mpanjakan’ Israely intsony »(and26). Koa mila mitandrina  ny manam-pahefana rehetra fa raha tsy  mihaino  ny feon’ Andriamanitra izy dia Andriamanitra mihitsy no hitsangana hanongana azy eo .

2-Nifona i Saoly , nefa tsy nahazo rariny .

Hoy izy : »efa nanota aho ,fa efa nandika ny Tenin’i Jehovah sy ny teninao , fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony« (and24). »Efa nanota aho »(and30).Saingy tsy nampiverina an’ Andriamanitra hanafoana ny fanonganana azy izany ; dia hoy isika hoe: fa nahoana loatra re,satria hitan’ Andriamanitra tao aminy  fa tsy tena vonona hankato Azy izy . Hitantsika izany  amin’ny fomba fiteniny hoe: »Efa nihaino ny  feon’i Jehovahihany aho ». Fampitandremana lehibe ho antsika izany. Andriamanitra dia tsy  azo vazivaziana .Mahita ny ao am-po tsy  miloaka Izy. Koa na dia miteny fifonana sy fibebahana aza ny vavantsika , ny fontsika no tena jereny : mibebaka amin’ny fontsika tokoa ve isika?

« Raiso ny  Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-3

 

Alatsinainy 26 Novambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1Samoela

1 Samoela 15.1-16 

Mivoatra sy  mitombo  tahaka ny zavatra  maro  ny faharatsiana . Inona no antony ?

1-Tsy nofongorana hatramin’ny fakany izy ireny .

Ireo Amalekita no nanohitra ny Israely voalohany raha niala tao Egypta izy  ireo (Eks 17.8-13). Hentitra sady henjana ny baiko nomena an’i Saoly. « Aringano…Aza asiana miangana « (and3). Tsy tanteraka na niniana tsy natao izany  (and 8-9). Mazava ny antony : safidy ny efa tsy nankato tanteraka an’ Andriamanitra sy ny sitrapony tao amin’i Saoly mpanjaka . Maro koa ireo zava-doza nihanaka eo amin’ny fiaraha-monintsika( zava-pisotro  mahamamo , kolikoly …) . Fongory tsy hisy ao amin’ny fiainanao ireny , aza asiana miangana .

2-Tsy notanterahina marina ny Tenin’ny Tompo .

Hoy i Jehovah : »niala tamin’ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko« (and11). Fankatoavana tsy  misy fepetra no takin’ny Tompo. Fa ny fanarahana izay heverintsika ho mety fotsiny , nefa tsy manaraka izay tena lazainy ,dia mahatonga an’Andriamanitra halahelo sy ho  tezitra ary hiafara amin’ny famaizana maharary mihitsy . Koa aoka isika hitandrina ka tsy ho sahisahy foana hiteny toa an’i Saoly hoe: »efa nahatanteraka ny Tenin’i jehovah aho« (and13), nefa hay ny tiantsika ihany no nataontsika .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Alahady 25 Novambra 2018.

Fandalinana ny  Boky 1Samoela 

1 Samoela  14.35-52

Nahazo fandresena miezinezina ny Israely , saingy fandresena nisy aloka izany . Nahoana?

1-Satria notataovan’ny fahanginan’ Andriamanitra 

Raha nanontany Azy ny Mpisorona sy i Saoly ,dia tsy namaly ny  Tompo(and 37). Io fahanginan’ Andriamanitra i mantsy dia milaza fa tezitra Andriamanitra .Nisy fahotana nanafina ny tavany tao.Nataon’i Saoly avy hatrany ny fanadihadiana hahalalana ny fototr’izany,ka i Jonatana no voatana sy nitsotra ny nataony. Ary isika koa ,rehefa tsy afaka mandre intsony ny Tenin’ Andriamanitta,na dia mamaky Baiboly sy mihaino toriteny  ihany aza: mandiniha tena fa misy efitra manasaraka antsika amin’ Andriamanitra ao.Aza mamono eritreretra fa fantaro izy ota ao aminao ,dia ibebaho ,itsory amin’ny Tompo.

2-Satria saika nisy faty olona !

Azo ambara ho niteniteny foana i Saoly  raha nampianiana ny  olona tsy hanendry hanina mandritra ny ady. Ary vokatr’izany izao loza nitatao tamin’i Jonatana zanany izao , raha tsy niaro azy tsy ho faty ny vahoaka . Tsy maintsy mitandrina mafy ny amin’izay tenenintsika koa isika mba tsy hifotitra amintsika na ny zanantsika izany. Soa fa eo i Jesoa izay namonjy antsika mba hiharan’ny fahatezeran’ Andriamanitra .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3