Alarobia 31 Oktobra 2018.

Ireo didy folon’ny fahombiazana 

9-Mivonona hiaritra ny mafy

Araka ny torohevitr’i Petera hoe :  » fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo  ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao rehefa niaritra  fahoriana vetivety ianareo 1 Pet 5. and 4  10 . Ny fahoriana resahin’i Petera dia ny fahoriana amin’ny ady amin’ny devoly sy ny fiaretana rehetra takin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa. Fa marina amin’ny lalanan’ny fahombiazana rehetra  koa anefa izao :mitaky fiaretana mafy ny fahombiazana . Hoy ny Malagasy: « ny valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika ».Tsy indray azo ny fandria-mafana sy ny valala manatody. Aza mandositra ny mafy raha te-hahomby ianao. Ady ny fiainana ka miara-mila tsy mataho-maty .

10-Banjino ny mandrakizay 

Araka ny voasoratra hoe: » Andriamanitry ny fahasoavana rehetra  izay efa niantso anareo ho any  amin’ny voninahiny  mandrakizay  amin’i Kristy (and  11). Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena (1 Pet 5) . Raha mandresy lahatra antsika hikatsaka fahombiazana amin’ny fiainana ankehitriny ihany ny manam-pahaizana rehetra  nanoratra boky sy nanao lahateny mipoapoaka , ny finoana kristianina kosa , manome antsika masolavitra hitsinjovantsika ny ao ambadika izao  hita izao. Ny fahombiazana tena izy dia tsy ny fananana mari-pahaizana ambony fotsiny izay tsy afa-mandingana  ny rangolahin’ny fasana . Ny  fahombiazana tena izy dia tsy ny fananam-bola aman-karena be izay tsy hahatondrana na iraimbilanja  aza rehefa maty,tsy  ny fananana fahefana amam-boninahitra mameno tratra ,izay mety hanaovana fandevenana makotrokotroka . Ny fahombiazana tena izy dia izay maharitra mandrakizay , mihaika ny herin’ny fasana  ary tsy mandady amin’ny lala-mari-tampon’ny fotoana fa mihanika ny lala-miakatry ny mandrakizay.

Marihana fa fomba filaza ihany ny hoe : « didy folo » fa tsy fampilaharana azy amin’ny Didy folo ao amin’ny Baiboly akory.

« Bokikelin’ny fahombiazana » IAA

Talata 30 Oktobra 2018.

IREO DIDY FOLON’ny FAHOMBIAZANA 

8-Manohera ny devoly (1Pet 5.8-9)

Araka ny torohevitr’ i Petera  hoe: »Mahonona tena , miambena , fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany. Tohero izy ». Aza alaim-panahy hihevitra fa tsy misy ny devoly, na hoe: hevitra ratsy foronin’ny saintsika ny devoly. Fa ny devoly dia tena misy ary tena miasa . Hatrany amin’ny takila voalohandohany ao amin’ny Baiboly dia efa resahina izany . Miasa mafy hanangoly anao izy. Tokana ny baiko eto :TOHERO IZY . Aza itadiavana marimaritra iraisana fa raiso ho fahavalo tsotra izao  .

Raha marina ny finoanao an’i Jesoa , tsy matahotra io « tahaka » ny liona io ianao: manana an’i Jesoa ianao . Izy ilay voasoratra ao amin’ny  Apo 5.5. Ny fahombiazana ivelan’ny fanananao an’i Jesoa dia hanandevo anao ho,voagejan’ny fiavonavonana, ny fireharehana,ny fitiavam-boninahitra amam-pahefana ka hiankohofanao eo amin’i satana izay tsy menatra mihitsy miteny hoe : »Izao rehetra izao homeko anao raha hiankohoka eto anatrehako ianao « (Mat 4.9). Tsy fahombiazana  anefa izany . Fa na omen’ny devoly anao avokoa aza izao rehetra izao . »Fa inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza , kanefa very ny ainy ? (Mar 8).

« Bokikelin’ny Fahombiazana« IAA

Alatsinainy 29 Oktobra 2018.

IREO DIDY FOLON’ny FAHOMBIAZANA 

7-Maneke hotarihana 

Araka ny torohevitr’i Petera :

-Manaiky ny fahefana mitarika : »ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, maneke ny loholona« (1Pet 5). Malaza izao ny hoe: « leadership », avy amin’ny teny hoe:« leader » na mpitarika , avy amin’ny matoateny « to lead » mitarika. Fa raha te-hahomby ho lasa mpitarika ianao , maneke ny lalànan’ny « followership », avy amin’ny follower « mpanaraka », avy amin’ny matoateny anglisy hoe: « to follow » na « manaraka ». Ary mazava izany fa ny olona manana mari-pahaizana ambony rehetra dia nanana mpitarika  avokoa (directeur de mémoire, directeur de thèse). Ny fanarahany ny torohevitr’ireny ihany no hany nahatonga azy hahazo ny  mari-pahaizana ambony azony .

-Manana fanetrentena eo imason’olona(1Pet 5.5). Zava-dehibe ny fahaiza-manetry tena ka mametraka ny hafa ho ambony noho ny tena . Tsy fahambaniana mihitsy akory ny fanekena hanompo ny hafa . I Jesoa  no modely faratampony amin’izany . Izy izay  miteny hoe: « ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo… ». Noporofoiny izany raha nanasa ny tongotry ny mpianany Izy (Jaona 13) (1Pet 5.5;6,7,8) ka taorian’izany mamatonalin’ny fanetrentena tsy manam-paharoa izany no niposahan’ny masoandron’ny fahombiazana tsy manan-tsahala  (1 Pet 5.9-11)

-Manana fanetrentena eo imason’ Andriamanitra (1 Pet5.6). Ny fanetrentena eo imason’Andriamanitra dia ny fanekena Azy ho Tompo ka tsy iadiana fo hitondra samirery ny fiainana.Hadalana ny mianan-kendry hahay mitondra samirery ny fiainana. Vakio Jao 15.5

« Bokikelin’ny Fahombiazana » IAA

Alahady 28 Oktobra 2018.

IREO DIDY FOLOn’ny FAHOMBIAZANA 

6-Minoa an’i Jesoa : 

Toy ilay vehivavy narary 12 taona : nino izy ka dia nanatona azy , hikasika Azy. Ny finoana kristiana ihany no sahy manambara aminao fa ny tena fahombiazana marina dia ao amin’i Jesoa . Fa tsy fahombiazana mamatotra anao no  azonao  ao amin’i Jesoa fa fahombiazana manafaka anao ity vehivavy afaka tamin’ny aretina namatotra azy an-taona maro ity . Ny fahombiazana vokatry ny herinao fotsiny mety hitarika anao ho andevon’ny vola ka tsy hanana fitsaharana intsony .

-Araka  ny nolazain’i Petera : mino  ka mankato ny baiko hoe: »ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo » (1 Pet 5.7). I Jesoa dia afaka mitondra ny entanao rehetra, na ny entam-pahotana mahavery ny fanahinao, na ny entam-piainana tsy  misaraka ny fanahinao, na ny entam-piainana tsy misaraka amin’ny maha-olombelona.Mahatoky mandrakariva ny tenim-pitiavany ao amin’ny Mat 11.28. Ataovy azonao antoka fa efa nanolotra  tokoa ny fonao hidiran’i Jesoa ianao. Fa raha tsy izany , tsy hisy fahombiazana tena izy ho azonao akory . Fahombiazana sandoka,ankosotra fotsiny ny ivelan’izany (mbola hitohy…)

« Bokikelin’ny fahombiazana « IAA

Sabotsy 27 Oktobra 2018.

IREO DIDY FOLON’ny FAHOMBIAZANA 

Alatsaho ao am-ponao ireto tenin’ny olo-kendry ireto:

-Ho tonga malahelo ny  miraviravy tànana amin’ny asany . Fa mampanakarena ny tànan’ny mazoto (Ohab 10.4)

-Ny tànan’ny mazoto no hanapaka. Fa izay miraviravy tànana dia hampanompoina (Ohab 12.24)

-Ny fanahin’ny kamo maniry , fa tsy mba mahazo. Fa ny fanahin’ny mazoto hohatavezina(Ohab 13.4)

-Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena , fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany (Ohab 21.5)

5-Sahia misisika (Mar 5.25)

Toa an’ilay vehivavy narary 12 taona (and25 ,26). Jereo fa dingana maro no nataon’ity vehivavy ity :

-12 taona be izao izy no niaritra ny aretiny

-efa namonjy  dokotera maro

-efa nandany ny fananany rehetra izy

-tsy nanaiky ho resin’ny fahakiviana noho ny tsy fahasitranany fa mbola lasa indray namakivaky ny vahoaka , nisisika , nanao izay hahatongavana teo  amin’ i jesoa. Tsarovy fa mety handalo tsy fahombiazana  betsaka ianao , saingy raha manana faharetana sy fitozoana tsy mety kivy ianao , hiandry anao ery am-piafaran’ny hazakazakao ny satroboninahitry ny fahombiazana .

Mba fantatrao ve ilay lehilahy Amerikana atao hoe: Thomas EDISON, izay namorona ny takamoa (ampoule) tamin’ny 1878 , dia voalaza fa nanao fanandramana hatrany amin’ny in-1000 vao nahita fahombiazana hahazoana io takamoa ampiasaintsika mora foana ankehitriny io?

Koa mahaiza misisika , ary manàna faharetana .Hahomby ianao rehefa tsy resin’ny tsy fahombiazana. Fa zana-tohatra hiakarana ho amin’ny fahombiazana ny tsy fahombiazana .

« Bokikelin’ny fahombiazana « IAA

Zoma 26 Oktobra 2018.

IREO DIDY FOLON’ny FAHOMBIAZANA 

3-Misokafa amin’ny hafa  (Gen  24.18)

Toa an- dRebeka izay nanana toetra soa nisokafany ho an’ny hafa

-olona tsy fantany akory ity mpanompon’i Abrahama ity , nefa nekeny am-pitiavana ny hampiana .

-olona nahay nanaja ny hafa izy: »tompokolahy »hoy izy

-Nanaiky hanao  mihoatra noho izay nangatahina hataony aza izy : ny hosotroin’ny tenany ihany no nangatahin-dralehilahy taminy, nefa ny ramevany koa, nanolorany tena an-tsitrapo hampisotroina .Ny olona mahay misokatra amin’ny hafa toy izany dia misokatra ho azy ny araben’ny fahombiazana .

-Toy ilay mpanompon’i Abrahama (Gen 24.22). Nahay nisokatra tamin’i Rebeka koa ity  mpanompon’i Abrahama ity , tsy faly nandray fotsiny ny fanampiana azy izy fa mba nahay nanolotra tamin’ny fahalalan-tànana ihany koa. Izany ilay antsointsika  Malagasy hoe: »fitia mifamaly mahatsara fihavanana ».

4-Maneke hiasa mafy (Gen 24.20)26

Toa an-dRebeka :Fantaro fa rameva folo  be izao  ireo nampisotroiny ireo ary izy irery no nampisotro azy.Tena nila raharaha ara-bakiteny izy. Asa mafy no nekeny tam-pitiavana . Tsy misy fahombiazana ivelan’ny fanekena hiasa mafy toy izany . Ny olona kamo na malaindaina amin’ny ataony , tsy hahomby na oviana na oviana . Ny olona mazoto no mahomby

(mbola hitohy…

« Bokikelin’ny fahombiazana » IAA

Alakamisy 25 Oktobra 2018.

IREO  DIDY FOLOn’ny FAHOMBIAZANA 

-Nahomby ilay mpanompon’i Abrahama fa nahita vady ho an’i Isaka

-Nahomby i Rebeka satria ho tafita handeha hanambady

-Nahomby ilay vehivavy narary 12 taona satria nahita fahasitranana

-Natoron’i Petera ireo tanora nanoratany ao amin’ny Epistiliny ireo  fomba hahombiazany .

Inona no tokony hatao raha te- hahazo fahombiazana tena izy ?

1-Meteza ho olom-bavaka  (Gen 24.12-28)

Toy ilay mpanompon’i Abrahama : Nivavaka izy (and12) . Aza mieritrertra hiatrika irery ny fiainana . Olona noforonina hifandray amin’ Andriamanitra ianao . Toy ny trondro , tsy avy miaina ivelan’ny rano no tsy  maintsy ilainao ny fifandraisana amin’ Andriamanitra .Nanao ny anjarany izy (and17) ,tsy manala ny andraikitra akory ny vavaka.  Ny olona mivavaka dia tsy miasa kelikely kokoa akory, fa miasa tsaratsara kokoa satria hazavain’ny Fanahy Masina.

2-Mahaiza mandinika tsara  (Gen 24.21)

Toy ilay mpanompon’i Abrahama . Ny fahombiazana rehetra dia mitaky fahaiza-mandinika . Ampiasao  ny sainao fa tsy mifanohitra amin’ny asan’ny Fanahy Masina akory ny fandalinana sy ny fanadihadiana. Aza manao rapa-dango saingy hoe: »Tompo ô , omeo vola aho! ka nony nivoaka ny trano ianao dia nahita kitapo latsaka ,izay hitanao  ao anatiny, vola be tokoa, saingy hitanao ao koa ny karapanondron’ny tompony misy ny adiresiny  dia hihevitra ve ianao fa valimbavaka io? (mbola hitohy)

« Bokikelin’ny fahombiazana « IAA

 

Alarobia 24 Oktobra 2018.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 24.16-33

1- Toriteny ifamaliana

  Tamin’ny tapany voalohany  tamin’izao toriteny izao dia izy no nampita ny  Tenin’ Andriamanitra (and1-13) sy nitaona ny fiangonana hampihatra izany (and12-14), ka ny tenany  no voalohany  tamin’izany.Ety kosa  dia hitantsika ny valitenin’ny fiangonana . Mba fatratra loatra re izany !Mba ahoana re raha atao toy izany ny toriteny? Mitsangana ny solotenan’ny fiangonana milaza ny valiteny amin’izay nambara taminy .

2- Tsy ilaina ny mitoky an-kamorana .

Naka toky tsara intelo miantaona i Josoa (and 19,22,23) ary  tsy nataony vitan-dresaka fotsiny  fa nosoratany mihitsy ny fanekena nataon’ny vahoaka tsy hanompo afa-tsy ny Tompo  ihany sady  mbola nasiany tsangambato  koa (and 25-27). Tsy mora ny mampiorina ny olona amin’ny finoana. Fa raha ny hamaroan’ny toriteny re fotsiny no heverina dia efa tokony ho olona manao ahoana moa ianao?

3-Maty ireo Mpitarika 

I Josefa efa  ela no maty . Maty koa i Josoa .Maty koa i Eleazara izay niara- niasa taminy . Ny loza dia izao : sao miara-maty amin’ireny ny finoan’ny olona tarihany ? Saino manokana  ny and 31!

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

« Raiso  ny Tenin’ Andriamanitra » Boky hafa- 2

FJKM Ankadifotsy (SP 19) / Rainandriamampandry .


Rainandriamampandry
olom-piangonana no sady olom-panjakana.


Nahavory olona maro tetsy amin´ny FJKM Ankadifotsy ny tolakandron´ny Alahady 14 Oktobra 2018 teo ny velakevitra nampitondraina ny lohateny hoe: « Rainandriamampandry, ny asany sy ny fiainany », izay novelabelarin´Andriamatoa Esoavelomamdroso Manassé, Mpampianatra mpikaroka, akademisiana sy Andriamatoa Ranjatohery Harilala, Mpampianatra tantara, akademisiana, ary natrehan´ny Filohan´ny Akademia Malagasy. Ny Mpihiran´ny Farimbona FJKM Ankadifotsy no nanafana ny fotoana.

Anisan´ny nampahafantarina tamin´izany ny tantaram-piainan´i Rainandriamampandry, ny naha olo-panjakana azy : Governora sady mpitari-tafika nahomby tsy nilavo lefona tany Toamasina, fa efa olom-piangonana izy talohan´izany. Vita batisa, mpandray ny Fanasan´ny Tompo, efa mpiraki-draharaham-piangonana, diakona tao Ambohipotsy, nanampy tamin´ny fampianarana Sekoly Alahady sy ny maro hafa. Fa natokana ho Evanjelistra tao Ambodin´Andohalo ny taona 1874, ary voairaka teny Ambohidratrimo nitondra fiangonana 13. Hisy boky 150 takila, mirakitra ny tantara sy ny fiainany hivoaka tsy ho ela.

Hetsika nokarakarain´ny fianakaviamben´ny Sekoly Institution FJKM Rainandriamampandry  izy ity ao anatin´ny fankalazana an´Andriamanitra noho ny faha-40 taona nanabeazana teo anivon´ny Sekoly sady fanombohana tamin´ny fomba ofisialy ny »Tetikasa Rainandriamampandry ». Tanjon´ny tetikasa ny hanabe sy hitaiza ny taraka hahalala ny tantaran´ny firenena sy ny olo-mangany ary handala ireo soatoavina napetrany. Ankoatran’iny velakevitra iny sy ny boky izay hivoaka dia hisy seho sehatra sy fampirantina momba an´i Rainandriamampandry amin´ny Martsa 2019 ary fametrahana Tsangambato misy ny sariny. Miara-mietana ao anatin´izao tetikasa izao ny taranak´i Rainandriamampandry.

Veronica ANDRIANARISON – SF

FMBM / Application FI. A. FI


FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY,

VITA NY APPLICATION FI.A.FI.”AMIN’NY ANDROÏD

 

Fifaliana ho an’ny FMBM “Fikambanan’ny Mampiely Baiboly Malagasy” no manolotra fitaovana iray ho entina mitory ny filazantsara ,indrindra fa ho an’ireo izay tsy mahay mamaky teny sy manoratra.  Tetikasa antsoina hoe “FInoana Azo avy amin’ny FIhainoana (FI.A.FI)”. Ny FI.A.FI. dia efa nisy teo anivon’ny  FMBM nandritra ny taona maro.

Tamin’ny zoma 28 septambra 2018 lasa teo, teny amin’ny foiben-toerana teny Ampasampito no nampahafantarina ny vahoaka Kristiana rehetra ny fahavitan’ny “APPLICATION FI.A.FI”.

Araka izany dia endrika vaovao indray no isitrahan’ny rehetra ny FI.A.FI. manomboka izao. Azo alaina mivantana eny amin’ny foiben-toeran’ny FMBM eny Ampasampito io fitaovana vaovao io. Zaraina maimaimpoana, tsy misy vola aloha. Marihina fa ny Testamenta Vaovao ihany aloha hatreto no vita ka amin’ny Dikanteny Iombonana eto Madagasikara “DIEM” izany. Noho ny fivoaran’ny teknolojia izay hita fa tsy azo ferana intsony no antony iray lehibe nanaovana izao ezaka izao sady tsapa rahateo koa fa mora ny manaparitaka ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny « internet ».

Ny fiaraha-miasa takiana amintsika rehetra araka izany dia ny fanapariahana io “APPLICATION” io amin’ireo tapaka sy ny namana rehetra ho fanitarana ny tenin’Andriamanitra. 155 Mo no lanjany ary ny “Smart Phone” no mahazaka azy. Tsotra sady mora ampiasaina izy ity satria sady miaraka ny feo sy ny soratra izay vakianao.

Ankoatra io “Application” io, dia misy ihany koa ilay fitaovana iray antsoina hoe: “PROCLAIMEUR”. Mitovy amin’ny radio ny endriny. Mirakitra ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Vaovao manontolo ity fitaovana ity. Ny Baiboly Protestanta sy ny Baiboly Katolika ary ny DIEM dia hita ao avokoa. Misy ihany koa ny dikanteny amin’ny fiteny Anglisy sy Frantsay. Ny mampiavaka azy indray dia mandeha amin’ny herin’ny masoandro, afaka fahanana amin’ny “courant eléctrique” ary ny fahatelo dia afaka fahanana amin’ny “Manivel” na ahodina tànana.

Raha liana amin’io tetikasa io indray ianao dia afaka manatona eny an-toerana. Maimaimpoana avokoa ireo fitaovana ireo, miaraka amin’ny fampiofanana atolotra anao. Izany tokoa ny hoe “Ny Tenin’Andriamanitra  tsy mba voafatotra” ary mivoatra manaraka ny toetrandro. Moa ve ny fiainantsika  mivoatra manaraka ny tenin’Andriamanitra  ?

Evariste RASOLOHERY

Santatra Fahazavana AFIFAB