FJKM Ankadifotsy (SP 19) / Rainandriamampandry .
Rainandriamampandry
olom-piangonana no sady olom-panjakana.
Nahavory olona maro tetsy amin´ny FJKM Ankadifotsy ny tolakandron´ny Alahady 14 Oktobra 2018 teo ny velakevitra nampitondraina ny lohateny hoe: « Rainandriamampandry, ny asany sy ny fiainany », izay novelabelarin´Andriamatoa Esoavelomamdroso Manassé, Mpampianatra mpikaroka, akademisiana sy Andriamatoa Ranjatohery Harilala, Mpampianatra tantara, akademisiana, ary natrehan´ny Filohan´ny Akademia Malagasy. Ny Mpihiran´ny Farimbona FJKM Ankadifotsy no nanafana ny fotoana.
Anisan´ny nampahafantarina tamin´izany ny tantaram-piainan´i Rainandriamampandry, ny naha olo-panjakana azy : Governora sady mpitari-tafika nahomby tsy nilavo lefona tany Toamasina, fa efa olom-piangonana izy talohan´izany. Vita batisa, mpandray ny Fanasan´ny Tompo, efa mpiraki-draharaham-piangonana, diakona tao Ambohipotsy, nanampy tamin´ny fampianarana Sekoly Alahady sy ny maro hafa. Fa natokana ho Evanjelistra tao Ambodin´Andohalo ny taona 1874, ary voairaka teny Ambohidratrimo nitondra fiangonana 13. Hisy boky 150 takila, mirakitra ny tantara sy ny fiainany hivoaka tsy ho ela.
Hetsika nokarakarain´ny fianakaviamben´ny Sekoly Institution FJKM Rainandriamampandry izy ity ao anatin´ny fankalazana an´Andriamanitra noho ny faha-40 taona nanabeazana teo anivon´ny Sekoly sady fanombohana tamin´ny fomba ofisialy ny »Tetikasa Rainandriamampandry ». Tanjon´ny tetikasa ny hanabe sy hitaiza ny taraka hahalala ny tantaran´ny firenena sy ny olo-mangany ary handala ireo soatoavina napetrany. Ankoatran’iny velakevitra iny sy ny boky izay hivoaka dia hisy seho sehatra sy fampirantina momba an´i Rainandriamampandry amin´ny Martsa 2019 ary fametrahana Tsangambato misy ny sariny. Miara-mietana ao anatin´izao tetikasa izao ny taranak´i Rainandriamampandry.
Veronica ANDRIANARISON – SF