Talata 04 Septambra 2018.

Sahia manohitra ny kolikoly mba haharetanareo eo amin’ny tany

Jer 7: 1-7

Vanimpotoana sarotra dia sarotra teo amin’ny fiainampirenena no naminanian’i Jeremia mpaminany satria feno haratsiana sy kolikoly fiainan’ny Zanak’Israely, ka nanao ratsy avokoa manomboka any amin’ny vahoaka entina, ny mpitsara ny mpitondra fanjakana, ary indrisy hatramin’ireo mpaminany sy mpisorona ary mpitondra fivavahana koa aza dia mba tratran’izany kolikoly izany. Ka toherina ny kolikoly fa  :

1-Aza mitokitoky foana  (and 4-7)

 Nitokitoky foana tokoa ireto Zanak’Israely ireto satria ny tao an-tsainy dia ny hoe: raha mbola eo ny Tempolin’i Jehovah izay masina ka na dia  mijangajanga aza  izy ireo na mangalatra na manompo sampy na mandoto ny vadin’ny namany na manao kolikoly dia tsy misy olana, satria io ny Tempoly. Ary izany fisainana izany dia mpahazo na  dia ny Kristiana ankehitriny aza : manao kolikoly any am-piasana izy ,ka ny fitaovana sy ny vola azo any dia entina hanaovana asam-piangonana. Tsia! mitokitoky foana izany ka tsy mety, fa ny tokony hatao kosa dia :

2- Ataovy  tsara ny aleha (and 1-3 )

 Mazava sy tsotra ary mahitsy ny Tenin’i Jehovah eto: “ataovy tsara ny alehanareo dia hamponeniko amin’ny tany ianareo” . Saingy indrisy fa tsy nisy mpanaraka ny tenin’i Jeremia fa ny tenin’ireo mpaminany sandoka sy mpitondra fivavahana mpandray kolikoly no narahiny ka rava ny Tempoly, ary nodorana ny tanànan’I Jerosalema ny taona 586 talohan’I Jesoa Kristy, ka lasa Babo tany Babylona ny ankamaroan’ny olona.

Fampieritreretana:

Ny tenin’iza tokoa no narahina no tonga amin’izao toerana izao ny Firenena Malagasy?

R. Ndrianja, Mpitandrina,

Talen’ny Fitantanana Fananana, Foibe FJKM

Alatsinainy 03 Septambra  2018

Sahia manohitra ny kolikoly izay mandiso ny tantara

Mat 28 : 11-15

Efa maty  ary nitsangana tamin’ny maty ny Tompo Jesoa , hany ka very hevitra tanteraka ireo mpanohitra , sy mpanaratsy satria anjely mihitsy no nilaza sy nanambara ny zava-misy ary tsy maintsy nanao tatitra tany amin’ny lohan’ny mpisorona. Ireto farany kosa anefa dia nanao kolikoly ka

1-Kolikoly mampanota  ny maro  (and 11-13)

Rehefa tratra fa mpandainga sy diso ireto lohandohan’ny Mpisorona ireto rehefa nilaza fa mpisandoka sy mpisoloky ary mpandainga i Jesoa, ary tsy hitsangana mandrakizay amin’ny maty izany iny, dia very hevitra izy ireo, rehefa tonga ny tatitra. Ny hitany ho vaha-olana dia ny mandainga, ka tsy ny tenin’izy ireo ihany no latsaka tao anatin’izany fandrika izany fa nomeny volabe koa ny miaramila, mba hiaraka manota amin’izy ireo .Koa ialao lavitra ny fahotana, tsy ny an’ny tenanao ihany, fa ny hitarika ny maro amin’izany koa dia ialao.Fa ialana ihany koa ny

2- Kolikoly mandiso ny tantara (and 14-15 )

Tena nodisoin’ireto olona ireto hatramin’ny tantara raha nilaza fa nangalarin’ny olona ny fatin’I Jesoa. Ary izany fandisoana ny tantara izany koa no fakampanahy ho an’ny olona sasany eo akaikin’izao fifidianana ho Filohampirenena , ao anatin’ny fampielezankevitra izao.

Hafatra ampitaina:

Koa aza mandray kolikoly sao handiso ny tantara, fa lazao ny marina ,satria Kristy dia fahamarinana (Jao 14.6)

R. Ndrianja, Mpitandrina,

Talen’ny Fitantanana Fananana, Foibe FJKM

Alahady 02 Septambra 2018

 

Sahia manohitra ny kolikoly eo amin’ny fiaraha-monina

Eks23 : 1-9

Efa afaka tamin’ny fanandevozana ny Zanak’Israely eto , ka efa olona afaka , manome ny fitsipika sy lalàna tokony hiainany kosa Andriamanitra eto. Na dia efa nomena teo aloha tokoa aza ny didy folo (Jereo Eks 20 ;1-17), dia manome antsipirihany kosa ny Soratra Masina eto mba hiatrehana ny fiaraha-monina andavanandro ka :

1-Aza manao kolikoly na dia manao aza ny maro  (and 2)

Ny fitsipika amin’ny antsoina hoe: demokrasia dia izay lazaina sy izay ataon’ny maro no antsoina hoe :marina sy mety, fa eto kosa dia mazava tsara fa na dia manao ratsy aza ny maro, dia tsy tokony hanao izany isika Kristiana. Fandre eny amin’ny Birao sy Sampandraharaha maro tokoa fa ny mpanome tsolotra no atao hoe «mahalala fomba »,fa izay tsy manome tsolotra kosa no kilasiana ho «olona adala sy tsy mahalala ny tokony hatao ». Fa aleo  ho kilasin’ny olona ho adala, tsy maninona, fa ny adalan’izao tontolo izao no hampahamenatra ny hendry.

2- Aza ampijaliana na dia ny vahiny aza (and 9 )

 Misy maro no mahavita mijoro ho vavolombelona rehefa Malagasy mpiray finoana na Fiangonana aminy no mikarakara taratasy dia tsy hakany kolikoly, fa rehefa olona hafa kosa indrindra fa vahiny toy ny Vazaha, Sinoa, Karana,… dia mby ao an-tsaina avy hatrany hoe : itony manambola, itony angaha Malagasy, itony angaha Kristiana , fa aleo hakana kely . Hampahatsiahivin’ny Soratra Masina eto fa tsy tokony hatao izany, ary I Kristy rahateo dia maty ho an’ny firenena rehetra.

Fampieritreretana :

Efa naka na nanao kolikoly tamin’ny vahiny ve ianao?

R. Ndrianja, Mpitandrina,

Talen’ny Fitantanana Fananana, Foibe FJKM

 

Sabotsy 01 Septambra 2018.

Sahia manohitra ny kolikoly
Habakoka 2 : 9-14

 Araka ny tatitra nataon’ny fikambanana iraisampirenena iray, sady iaraha- mahita isanandro hiainantsika andavanandro rahateo dia anisan’ireo firenena lohany manerantany amin’ny Kolikoly i Madagasikara. Azon’ny fakampanahy noho izany , na dia ny Kristiana aza mba hanaraka ny fanaon’ny maro, kanefa isika kosa dia antsoina mba hanohitra ny kolikoly satria :

1-Manimba ny tena sy ny taranaka izany (and 9-13)

Ny mahavariana eto dia tena hahavitana trano tokoa ny vola azo amin’ny kolikoly, ary tsy trano fotsiny fa hahavita na harena sy vohitra mihitsy aza, kanefa dia voalazan’ny Soratra Masina mazava koa anefa fa ahitan-doza ho an’ny tena sy ho an’ny taranaka mihitsy izany.Ary dia firifiry tokoa moa ireo mpitondra ambony teto amin’ny Firenena no efa nandray kolikoly, fa aiza izy sy ny taranany ankehitriny ? Fa tsy ampy ny tsy manao kolikoly fotsiny, fa ilaina koa :

2-Ny tany ho feno fahalalana an’i Jehovah (and 14)

 Tsy hoe rehefa tsy misy ny kolikoly dia voatory ny famonjena, tsia!! Fa maro ireo Firenena na toeram-piasana vokatry ny fandaminan’ny fiarahamonina na sazy na lalàna henjana fotsiny dia efa mahafoana ny kolikoly ao aminy, saingy tsy ampy izany fa mila haparitaka ihany koa ny fahalalana an’I Jehovah, izay rahateo no hafatra napetrak’ i Jesoa mba hitoriantsika ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra.

Fampieritreretana :

Anisan’izay mbola manome tsolotra Polisy na Zandary na Mpitsara na olona hafa ve ianao?

R. Ndrianja, Mpitandrina,

Talen’ny Fitantanana Fananana, Foibe FJKM