Alarobia 12 Septambra 2018.
Sahia manohitra ny kolikoly
1 Korintiana 6.9-11
Izay te-handova ny fanjakan’ Andriamanitra 
Tanjon’ny mpino ny handova ny fanjakan’ Andriamanitra . Manan-jo handova izany isika rehefa:
1-Manaiky handao ny fanao ratsy taloha (and9-11a)
Tanisain’i Paoly eto ireo fanao ratsy mety hanakana ny fandovantsika ny fanjakan’ Andriamanitra . Fanao ratsy izay mihanaka tokoa ankehitriny ny ankamaroan’izy ireo . Voalazany eto ny fangalarana sy ny fitiavan-karena izay mifandray amin’ny fanaovana kolikoly . Ny fialana amin’ireny fanao ratsy ireny no antoka handovana ny fanjakan’ Andriamanitra . Koa taomina isika hiala amin’ireny mba hananantsika anjara lova avy amin’ny Ray .
2-Manaiky ny asan’i Jesoa sy ny Fanahy masina (and11b)
Tsy efan’ny saintsika olombelona ny hiala amin’ny ratsy fa vokatry ny fitiavan’ Andriamanitra te-hamonjy antsika izany . Notanterahiny tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izany ka ny Ra latsaka teo amin’ny hazo fijaliana no nanadiovany sy nanamasinany ary nanamarinany antsika . Ny Fanahy masina izay nampioeriny ao anatintsika kosa no mitahiry antsika hananana izany fanadiovana sy fahamasinana ary fahamarinana izany . Izay manaiky ny hohavaozin’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa sy ny asan’ny Fanahy masina no afaka ny handova ny fanjakany .
Fanontaniana:
Inona no mety ho hevitry ny hoe: »fieremana »?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM