Misionera FJKM / mandrakotra ny Nosy

Nahavita namangy Kaominina 119 sahady

Nanomboka tamin’ny volana Novambra 2017 no niantafika tamin’ireo Kaominina maro manerana ny Nosy ny misionera FJKM nahavita fiofanana tamin’ny SEMI na ny Sekoly Misionera. Misy ny efa niverina avy niantafika, ao ny mbola any an-toerana ary ao ny eo am-pikarakarana ny fiaingana.

Araka ny tatitra voaray dia Kaominina 119  no efa vita sahady hatreto ka samy nananganana vondron’olona mpiara-mivavaka avokoa, satria izany rahateo no iraka ampanaovina ireo misionera. Miisa 2 hatramin’ny 6 ny misionera mitory isaky ny kaominina, ary vondron’olona mpiara-mivavaka amin’ny toerana 2 hatramin’ny 6 eo koa no voatsangana arakaraky ny fidadasiky ny kaominina tsirairay.

 Vatsiana Baiboly sy Perikopa ary Mofonaina izy ireo amin’izany hahafahany manohy ny fiaraha-mivavaka aorian’ny fodian’ny misionera. Ny Synodamparitany any an-toerana kosa no miandraikitra ny asa fanohizana hahatonga ny vondron’olona mpiara-mivavaka ho lasa Fiangonana mijoro.

Tanjon’izao asa misiona izao ny hamita Kaominina 200 amin’ny volana Aprily 2018, hoy  Atoa ROBERT SAONINA Marson Mpitandrina, Mpanampin’ny Tonian’ny Departenmantan’ny Fiangonana. Araka izany dia nohavaozina ny lisitra mirakitra ny fitsinjarana ireo misionera handeha amin’ireo Kaominina sisa tavela.

Miisa 1365 ny misionera rehetra navoaka hatramin’izay avy teto Antananarivo, Toamasina, Mahajanga, ary Taolagnaro. Amin’ny ankapobeny dia ny antsasak’izy ireo no mpandeha fa ny ambiny kosa dia misionera mpandefa, izany hoe manohana am-bavaka sy ara-pitaovana. Raha ho an’ny misionera avy eto Antananarivo Renivohitra sy ny Manodidina ohatra dia 515 amin’ireo 902 no mandeha.

Ny Fiangonana manontolo no entanina hitrotro am-bavaka sy hanohana azy ireny izay misedra olana samihafa toy ny tsi-fandriampahalemana, ny faharatsian’ny lalana, ny dia an-tongotra lavitra, sns… Mitohy hatrany ny asa famontosana Filazantsara ny Nosy koa entanina hatrany ny kristiana hanolo-tena sy hanaraka ny fiofanana ao amin’ny IFAMI na ny Ivotoerana Fanomanana Misionera (SEMI teo aloha) araka izao tetikandro 2018 izao :

Mahajanga 27 febroary – 03 martsa, Moramanga 16-17 martsa, Antsiranana 21-23 martsa, Taolagnaro 04-05 aprily,Toliara 30 aprily – 01 may, Ambalavao 22-24 may, Fianarantsoa 15 jona.

Niry Rakoto, Santatra Fahazavana

Fandalinam-pinoana / Famonoana olona ???

MAMONO OLONA : BIBLIKA FA TSY KRISTIANA

Fotoana iresahana ny Fampihavanana Malagasy ankehitriny. Efa tsy zava-baovao amin’ny samy Malagasy izany mihavana izany. Atolotra ity lahatsoratra ity, mba ho saina mampieritreritra antsika mpampihavana sy ampihavanina.

Ny atao hoe Biblika dia fampianarana na hevitra hita voasoratra (boky, toko, andininy) ao amin’ny Baiboly. Ny “mamono olona” izany dia zavatra hita ao amin’ny Baiboly. Kaina dia nahafaty an’i Abela. Davida dia tsy navelan’Andriamanitra hanao tempoly satria namono olona izy. Mosesy dia namono ilay Egyptiana izay namono Hebreo.Tsy mampianatra velively hamono olona anefa ny Kristiana.

Ny atao hoe Kristiana dia fampianaran’i Kristy, fampianaran’ny Fiangonana araka izay nampitan’i Kristy azy tamin’ny Apostoly. Tsy hoe satria misy boky sy toko ary andininy ny zavatra iray, dia azo antsoina ho Kristiana avy hatrany io. Ahoana ny nampianaran’i Kristy azy, dia araka izay koa no hitanan’ny Fiangonana Kristiana azy.

Mat 5:21-22 sy 1 Jao 3:15

Ny fampianarana ntaolo (Jiosy tranainy) dia jeren’i Jesoa amin’ny maso kristiana. Mamono olona isika rehefa nahafaty ilay olona. Fa amin’ny fampianaran’i Jesoa, dia efa mpamono olona izay tezitra (lava) amin’ny rahalahiny, mankahala azy,  manao ny rahalahiny ho adala, foka tsy misy saina. Ny fanivaivana olona dia efa famonoana azy, satria “endrik’Andriamanitra” ny olona tsirairay.

Koa tsy hiandry efa nahafaty azy vao mamono olona: izany no fampianaran’i Kristy ary tanan’ny Kristiana. Ary satria tsy mpamono olona ny Kristiana, dia tsy mpamaly faty koa izy izany.

Gen 9:6 sy Nom 35:9-14

Misy fampianarana momba ny “valin-dra” ao amin’ireo Soratra Masina ireo. Ny atao hoe “valin-dra” dia famaliana faty izay namono ny havan’ny tena. Ny fianakavian’ilay olona novonoina (tsy nahy) no hamaly faty ny ran’ny havany, ka ilay olona nahafaty ihany no valiany ra eo.

Zon’ny fianakaviana mihitsy eo ny mamaly faty (valin-dra) tamin’izany. Nasiana tanàna fandosirana koa ho an’izay nahafaty tsy nahy olona, mba tsy ho tratran’ny “valin-dra” izy. Miendrika fitsaram-bahoaka io “valin-dra” io, raha ny firesaka ankehitriny no ilazana azy. Ambara tsotra izany fa, biblika io “valin-dra” io, satria misy boky sy tokoa ary andininy milaza azy.

Tsy Kristiana kosa anefa izany mamaly faty izany. Ny Rom 12:14-21 dia manda ny fampianarana momba ity mamaly faty na “valin-dra” ity. Mivavaka ho an’ny fahavalony, maniry ny soa ho azy fa tsy manozona, ary miandry an’Andriamanitra hamaly izay ratsy nataony: izany no fampianarana kristiana. Ary mbola asain’ny Tompo manampy azy amin’ny fahavoazany amin’ny maha olombelona momba ny filana fototra (hanina, rano) aza ny Kristiana.

Fampitahana

Samy nanana ny nataony hoe “valin-dra”  ny firenena samihafa. Ho an’ny ankamaroan’ny fiarahamonina tranainy, dia miendrika fitsaram-bahoaka izany. Ny foko na fiaviana na firazanana no nampihatra izany. Ary na ilay namono olona, na ny havany akaiky dia samy afaka mamono amin’ny alalan’io valifaty (valin-dra) io avokoa. Sady zo no adidy mihitsy ny manao izay hahafaty ilay namono ny azy eo.

Ny Firenena israelita dia voalazan’ny Testamenta Taloha fa, ny havany akaiky ihany no mahazo mamono amin’ny alalan’ny valin-dra. Afaka mandositra mamonjy ny tanàna fandosirana anefa ilay nahafaty tsy nahy, mba tsy ho tratran’ny valin-dra, mialohan’ny hitsarana azy. Ary tsy azo vonoina ny havany, fa ilay namono ihany no azo ampiharany ny valin-dra.

Ny Kristiana kosa dia tsy manao valin-dra, fa miandry ny famalian’Andriamanitra. Tsy avela hifamono izany ny samy olombelona, na inona na inona ilay tranga nahafaty ny iray. Sakanan’io fampianarana io ny famaliana faty ho zo sy adidy, toy ny fahita fahiny. Azo lazaina fa, loharano niteraka ny Fitsarana, izay afaka hitsara ny famonoana olona izany, ka tsy mifamono intsony ny olona.

A.Zaka, Mpitandrina

Zoma 09 Martsa 2018.

Mibebaha eo  anatrehan’ny  Tompo Asan’ny Apostoly  3.17-21Lehilahy  nalemy tongotra  hatrany  an-kibon-dreniny   no  tafatsangana noho ny  finoana  ny Anaran’i Jesoa Kristy(and 16) ary  nahagaga  ny  olona rehetra  ny nahita  azy  . Fa tarihan’ny  Tompo ny fijerintsika ka :1-Ampiany   isika handini-tena

Ny   finoana  ananantsika  dia tsy  maintsy   hita  miharihary   amin’ny fiainana andavanandro . Ny  olona  talanjona  tamin’ny  fahasitranan’ilay  nalemy  teo  aloha  iny  dia nihazona  an’i Petera sy i Jaona  (and11)satria  tsy  ampy ny finoany an’i Jesoa Kristy  na dia  tonga  tao  amin’ny Tempoly  aza ireo . Mampandini-tena antsika izany  fandrao  lasa fahazarana  ny  miditra  ny trano  fiangonana ka tsy   miandrandra zava-baovao  avy amin’ny Tompo . Aoreno  mafy  ny finoana fa Anarana mahavonjy  ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo  . Minoa  Azy dia hahita  ny Voninahiny .

2-Asainy   mibebaka  isika 

Izay  mahatsiaro  tena  ho malemy  no mitady  mpampahery, ary  izay  mahatsapa   ny fahotany   no mandroso  mibebaka . Lalàm-piainana  miaraka  amin’ny  Tompo  izany  araka  ny hamerenan’ny  Apostoly  eo  amin’ny olona  ny famonjena  nataon’i Jesoa Kristy  teto an-tany . Tarihany  hibebaka  isika mba  hamonoany  ny fahotantsika rehetra  ka hananantsika  fifaliana  sy fiadanana . Ny Tompontsika  no mitady  fihavanana amintsika izay tafasaraka  noho ny heloka  sy ny fahadisoantsika . Fiombonam-piainana ety an-tany  ka hatrany  an-danitra   no kendren’ny  Tompo Jesoa  ho antsika .

Fanontaniana:

Inona no atao  rehefa manao  fanomanam-panahy ao am-piangonana ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 08 Martsa 2018.

Mibebaha eo anatrehan’ny  TompoJoba 42.1-6Joba  tafiditra  amin’ny faratampon’ny faharesen-dahatra   tanteraka   ka milaza hoe : « Fantatrao   fa hainao   avokoa   ny zavatra rehetra  , ary tsy  azo ferana ny fisainanao » (and2)1-Manandratra  ny Tompo   ny  mino  

Mahatsapa  ny fahalehibiazan’ Andriamanitra  tokoa i Joba noho ireo  toe-javatra  nihatra  tamin’ny fiainany . Miseho  eto  fa ny fihevitry   ny Tompo  dia tsy takatry   ny saintsika olombelona loatra  , ary  mety  mifanohitra amin’ny fisainantsika mihitsy aza izany . Alaim-panahy ny olona indraindray  hanery   ny heviny  ho toy  ny sitrapon’ny Tompo  saingy  noho ny famindrampon’ ny Tompo  dia manafaka  ao anatin’ny  fahadisoan-kevitra hatrany Izy . Izy   no anton’ny zavatra rehetra satria  mifehy  ny tantarantsika Izy .

2-Manatrika ny Tompo ny mino  

Mifanatrika  amin’ Andriamanitra  isika  raha mivavaka  ary mahita   ny fahalementsika  eo anoloan’ny fahasoavany   sy ny voninahiny  . Tahaka  izany i Joba  eto, izay   miaiky   ka tsy  misy  azo ampitahaina amin’ny Tompo  akory   fa tena  Andriamanitra  lehibe  Izy  sady mitondra ny fiainantsika  ao Aminy  . Koa ny  fifonana  sy ny fibebahana  no  mendrika  hatao   eo anatrehany  satria  tsy nandeha  araka ny sitrapony  isika na efa nandre ny teniny aza . Aza hatao   zavatra kely  ary ny fanatonana  sy  ny fanatrehan’ny  Tompo  .

Fanontaniana:

Mandresy lahagra  anao ve  ny teny eto ?Birao  Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

FOIBE FJKM / Fisintonana Taombaovao 2018.

FITSANGATSANGANAN’NY MPIASAN’

NY FOIBE FJKM 2018.

CAFE D’AMPASIMBE

Toy ny fanao isantaona dia nifamotoana ny fianakaviamben’ny FOIBE FJKM ny Sabotsy 03 Martsa 2018 , tao amin’ny tany malalaky ny « Café d’Ampasimbe », toerana fandraisam-bahiny sy fampisakafoana amin’ny lanonana sy fety isan-karazany . Marihana fa an’ny zanaky ny FJKM io toerana nilasiana io , ka naneho ny hafaliany tokoa izy teo am-pandraisana ny mpiara-manompo .

IREO TONGA TANY AMPASIMBE

Tonga nanatrika io fotoana io  ny Mpikambana ao amin’ny BMF notarihan’ny Filohan’ny FJKM mianakavy , ny mpanatanteraka rehetra notarihan’ny Sekretera Jeneraly mivady ,ireo Tonian’ny Departemanta , ny Tomponandraikitry ny Sampana sy Sampanasa ary Asa ombam-bady aman-janaka , ny Masera MAMRE, ny SAF , ny  mpiasan’ny Famoahamboky ANTSO , IMARIVOLANITRA , ARSIVA ….

Nampiavaka ity fotoana ity koa ny nanatrehan’ny solotenan’ny CWM izay  mamangy an’i Madagasikara tamin’io fotoana io , izay nampiseho ny hafaliany sy ny fahagagany  amin’ny fomba fampitana ny Tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fomba maro samihafa ka nolazainy fa hozarainy any amin’ny tany niaviany koa izay rehetra hitany teto amintsika .

FANOMBOHANA sy FITSINJARANA

Taorian’ny Fanompoampivavahana fanokafana notarihan’ny Mpanampin’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana sy ny fanazavana ny Mofonaina mahakasika ny lohahevitry ny volana Martsa « Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo » dia natao ny fitsinjarana ny olona rehetra ,arakaraka ny sokajy misy azy sy ny taonany  ka ny  zaza sy ny ankizy dia nitokana niaraka tamin’i Pasteur FARAFANJA ,Talen’ny Arsiva ; ny tanora sy ny zatovo kosa   niaraka tamin’i Pasteur DYNA , Tonian’ny Dorkasy . Ny ambiny  dia noraisin’Andriamatoa Filohan’ny FJKM ny  fanentanana niompana amin’ny « Fampihavanana sy ny Fibebahana » .

FIZARANA HO TARIKA

Natsitokotoko ny olona izay nahitana tarika 8isa . Samy nomena fanontaniana iombonana : Inona marina ny atao hoe : fibebahana sy ny fisehon’izany eo amin’ny fiainana maha-kristiana ? Samy nanao ny tatitra avy ny isan-tarika namintinana ity lohahevitra mafonja ity . Rehefa izany dia nomena asa atao ny isan-tarika mba haneho io lohahevitra io ihany amin’ny alalan’ny Tononkalo na Hira fohy arahim-pihetsika na amin’ny alalan’ny Kabary , na Epistily voasoratra .

Nahafinaritra sy namelona fanahy tokoa ny lalao satria hafaliana sy hehy no nameno ny fotoana . Tafita ny hafatra satria  tafalatsaka anaty ny Tenin’ Andriamanitra , samy naneho ny fahavononany hankato izay nampitain’ny Fanahy masina taminy ny rehetra .

Ny ampaham-potoana manaraka dia nifampizara indray arakaraka izay mahametimety aminy : tao ny nanao Alavonkina mirindra , dihy tsotsotra ho fanetsehana ny vatana efa savolain’ny asa aman-draharaha notarihan’ny efa matihanina amin’izany .Ny zatovolahy sy ny tanora kosa dia nirohotra any amin’ny lalao baolina (foot , basket …). Nafana ny lalao satria dia notapahina fotsiny rehefa tonga amin’ny famaranana .

 

FISAKAFOANA

Ny sakafo  moa dia niombonana ny Laoka ( Sosisy sy petit pois) , fa ny Vary sy ny pitsipitsony no samy nitondra ny sahaza azy ny fianakaviana tsirairay . Taorian’ny sakafo dia raikitra indray ny fampisehoana KARAOKE , ny hira sy dihy efa nampiomanana ny Departemanta sy ny Sampana ary ny sehatra asa .

Rehefa tonga ny tamin’ny 3.30 mn dia samy nikenokenona ny hitodi-doha hody ny ankohonana satria efa niantrana ireo fiarabe hatramin’ny 10 isa nitatitra ny fianakaviamben’ny FOIBE FJKM .

TOETRANDRO

Amin’ny ankapobeny dia tsara ny andro na dia nisy erikerika madinidinika ihany izay tsy dia nahavanona loatra . Feno fankasitrahana ny Tompo ny sokajin’olona samy hafa tonga tao Ampasimbe .

Dia ho amin’ny taona ho avy indray ny fotoana manaraka raha sitrapon’ Andriamanitra.

Sahondramalala Vololona

AFIFAB/ Site web

Alarobia 07 Martsa 2018.

Mibebaha eo anatrehan’ny  Tompo Hosea 14.2-4

Rehefa mibebaka  ny  olona  dia mamindra fo Andriamanitra  . Mampiseho  izany fa Andriamanitra   no ahitan’ny  mino   famindrampo . Koa  ny fiverenana Aminy   no antso  avo   ataon’ny  mpaminany  .

1-Miverena mba  ho   voavotra 

Mety hifarana  amin’ny fahaverezana   sy ny fahafatesana  ny làlan’izay  nahafoy  sy tafasaraka   amin’ Andriamanitra noho   ny  tsy nihainoana ny Tenin’ Andriamanitra  sy tsy mba nitandremana ny didiny . »Lavon-keloka » no hilazan’ny Soratra masina ieo  tsy  mankato  ka mitoetra ao anaty   fahotana ihany . Maty fahavelony  izy , izany hoe: mihevi-tena ho  tafita  na tsy  mino  sy tsy mivavaka  aza kanefa fiainana  manalavitra  Ilay  Tompon’ny aina  izany  . Jesoa Kristy  no  efa   maty  hamelona antsika . Koa  mibebaha   eo anatrehany mba hamindrany  antsika  hiala  amin’ny maizana  ho amin’ny fahazavana.

2-Miverena mba handray   famindrampo 

Ambara   koa hoe: tena fitiavana  ny  famindrampo  satria  fialana na famindrana toerana  olona iray  avy amin’ny maizina  ho amin’ny fahazavana mahagaga no hataon’ny Tompo  amin’izay  namindrany  fo  . Jesoa Kristy  dia naneho  endrika famindrampo  maro  fony  izy  tety an-tany  . Tao   ny nesorina  tamin’ny  fahajambana  , ampianarana mba hahalala ny herin’ Andriamanitra  sy ny fitiavana nositranina tamin’ny aretina maro  samy hafa , fitiavana tsy  nijereny  ny  ditra   sy ny adalan’ny  olona  ny  famindrampo . Koa mitaona antsika hiverina hiara-dàlana amin’ny Tompo  isanandro  , handeha  araka ny Fanahy .

Fanontaniana:Iza no harahinao  sy henoinao  teny kokoa ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 06 Martsa 2018.

Mibebaha eo  anatrehan’ny  Tompo Marka 1.1-8

Manatanteraka izay  voalazan’ny  mpaminany   ny  Tompo  Jesoa  . Jaona  mpanao  batisa   no  nialoha Azy mba hitory  ny batisan’ny fibebahana ho  famelankeloka , mitarika antsika hanaraka azy izy  araka ny hita eto.

1-Manàna finoana hiarahana amin’ny Tompo 

Asainy  manamboatra  ny làlana izay diavintsika  isika. Ny  anjarantsika  dia mandray   fanapahankevitra  ho  tia  sy hanompo Azy Azy . Mahalala ny sitrapon’ Andriamanitra , izay  efa zatra  mandroso  amin’ny finoana . Manahaka ireo  mpanompo  nanara-dia  ny  Tompo  isika rehefa  manaiky  hiara-miasa Aminy . Jesoa Kristy  no mandray  antsika sy izay  entintsika  hanatona Azy. Aoka isika hanana finoana mba hiara-mandeha Aminy .

2-Maneke ny herin’ny Tompo  manafaka 

Tsy  ny rano  amin’ny batisa no tokony  hatao  ho zava-dehibe  fa ny herin’ Andriamanitra  handraisany antsika  ho zanany . Mitafy  an’i Kristy  ny fiangonana nanomboka  tamin’ny batisa ka afaka mitahiry  izany  mba hamirapiratan’ny tavan’ny Tompo  amin’ny endriky  ny mino . Resy  lahatra  no ilazana   ny  olona  manaiky  ny herin’ny Tompo manafaka. Fa Izy  no niteny  hoe: »raha ny zanaka  no manafaka  anareo  dia ho afaka  tokoa ianareo   » (Jao 8.36).

Fanontaniana:Manana finoana hanekena ny herin’ny batisa ve ianao?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

SP11 / FJKM Ankadimbahoaka

Alahadin’ny Mpitandrina
Alahady 11 Martsa 2018

Antsoina ny zanaky ny FJKM Ankadimbahoaka  ho tonga hiombompo amam-panahy amin’ny Fanompoampivavahana noho ny   amin’ny Alahadin’ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY Rafidison Timoty mianakavy , izay hatao ny  Alahady 11 Martsa  2018 ho avy izao , ho fampaherezantsika azy mianakavy  sy ho fanohanana  azy amin’ny fomba hita maso . Tongava maro ho Voninahitr’ Andriamanitra  sy ho herin’ny mpanompony .

« Izay manan-tsofina , aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana » Apo 3.6

Alatsinainy 05 Martsa 2018.

Mibebaha eo anatrehan’ny  Tompo 2 Petera 3.8-10

Mampirisika  antsika hifona sy hibebaka  ny  Tompo amin’ny alalan’ny Soratra masina . Ny Apostoly  dia nampahery  ny fiangonana  mba tsy  hisalasala  satria  fohy  ihany  ny fotoana  ho antsika  mitaha  amin’ny  fotoanan’ny  Tompo .

1-Aza mangataka andro  ela raha  hibebaka 

Voafetra  isika   ka  na  ny  andro   hahavelomantsika  aza  dia eo  an-tànan’Ilay Tompo  sady Mpamonjy  . Ny heloka  rehetra  , ny fahadisoana  samihafa  dia tian’ny Tompo  tsy hahavoa  antsika. Koa mandrosoa eo anatrehan’ny Tompo  amin’ny fanolorantena,  mba hosasany sy   hodioviny indray. Ny  Tompo  no  miantso  ny  olona hibebaka  ka hiala  amin’ny ratsy  fanao . Aoka hanatona  ny  Tompo  amin’ny fo  mino   isika  rehefa mivavaka Aminy  .

2-Aza miherikerika  intsony,   fa jereo  Jesoa 

Manankery  hanafaka  antsika  ny Rà nalatsaky ny  Tompo  teo  amin’ny hazo fijaliana . Tiany  ho madio   sy  masina   isika  ka tsy  ho  faty    na ho  very  . Izy  no mitantana  sy  mitondra  , ka aoka   isika hankato ny teniny  .Mijery  Azy isika  raha manaraka  izay lazainy  , mijery  Azy isika  raha manaiky  ny toromarika  omeny  hananantsika fiainam-baovao ao Aminy  . Tsy tokony  hitady  famonjena  hafa intsony  satria Jesoa Kristy   ihany   no Mpamonjy  izao  tontolo izao  . Misokatra  ho an’izay  mibebaka ihany  ny làlam-pamonjena .

Fanontaniana:Efa  manana fiainam-baovao  ve ianao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Alahady 04 Martsa 2018.

Mibebaha  eo  anatrehan’ny Tompo Ezekiela 18.27-32

Miantoka   ny  fahavelomana  ny tsy  fisian-keloka   na fahotana   . Koa taomin’ny Tompo  amin’ny alalan’ny  mpaminany  isika  mba hiala   amin’ny ratsy  rehetra   amin’ny  fibebahana  (and27). Mitady  olona  manaiky  hibebaka  amin’ny fahadisoana  ny Tompo  ary  mamerimberina  fa  tsy  sitrany  ny hahafatesan’ny  ratsy  fanahy  fa  ny hialany  amin’ny làlany  ratsy   mba ho velona Izy .

1-Manatona  ny  Tompo  amin’ny  fo mino  

Na  inona na inona  endriky   ny fahadisoana   sy ny fahotana  mety  mangeja  sy  mamatotra  dia tsarovy   fa  mitady  olona  hodiovina sy hosasana  ary  hovonjena  ny  Tompo . Efa  nataony  mihitsy  ny famonjena   na mbola  mpanota  aza ny  olona . Koa aoka  isika  hanatona ny Tompo  amin’ny fo mino  fa mamela  heloka  izay  rehetra  tonga  miaiky  ny fahotany  Izy . Mitady  fihavanana amin’ny  olona   Andriamanitra  ka tsy mamela  azy  ho  faty  sy ho very  . Manatona mba handray  ny famonjeny  isika .

2-Mivavaha  ka aza avela  handalo  ny Teny 

Isaky  ny  mandray ny teny vakiana  na henoina   isika   dia tokony   hisy  dingam-piainana vaovao  indray  hatao . Koa aza havela  handalo  fotsiny  ny  tenin’ny Tompo  fa izany   no  efa nanolorany   ny tenany  . Ilay  teny  tonga nofo   ho  sorona  teo  amin’ny hazo fijaliana  mba hisolo  voina  antsika . Vitany  ny famonjena  antsika  ary resiny  ny fahafatesana . Noho izany  , miantso  antsika  mba hiala  amin’ny fahotana  sy  ny faharatsiana  ny Tompo  ka handray  ny famelankeloka  sy  ny  fiainana omeny   izy  mino   sy mankato ny teny  .

Fanontaniana :Efa  misy  dingana  hitanao  nanova ny fiainanao  ve nentin’ny Tenin’ Andriamanitra ?Birao  Sekoly Alahady FOIBE FJKM