Sabotsy 31 Aprily 2018.

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo Lioka  15.8-10

Mifaly  amin’ny fibebahana ny  Tompo

Ity  fanoharana nataon’i Jesoa ity   dia iray tarika  ka  antsoin’ny mpandinika  hoe: « ny fifalian’ Andriamanitra »1-Mitady ny  very  ny  Tompo

Harena sarobidy  amin’Andriamanitra  ny  olona . Very  tahaka ilay farantsakely tadiavin’ny  tompony   isika.Tafasaraka tamin’ Andriamanitra Tompontsika isika noho ny fahotana. Harena sarobidy  amin’ Andriamanitra  ny  olona  ka tsy  tiany  ho very  na dia iray  aza. Nandao  ny lanitra  sy ny voninahiny i Jesoa Kristy  . Nidina sy nitondra ny hazavana  hitadiavany  tsy  miato  ny  mpanota  Izy. Ho an ‘ny olombelona  irery  ihany no niavian’i Jesoa  Kristy. Farito mazava tsara  izay  tena harena eo  amin’ny fiainan’ny   fiangonana mba hanomezana ny laharam-pahamehana amin’ny fanompoana hotanterahina .

2-Mifaly  amin’ny hareny  hita ny Tompo

Vokatry   ny fitiavan’ Andriamanitra  ny  fibebahan’ny  mpanota. Tsy  ilay  farantsakely no mitady  ny  tompony  fa ny  tompony  no mitady  ilay harena  very. Fanapahankevitra  sy fitiavan’ Andriamanitra  ny fikarohana  ny  mpanota . Fandraisan’ny  mpanota  izany  fitiavan’ny  tompo  izany no fibebahana . Fivoriam-pifaliana any an-danitra  sy  ety an-tany  ny amin’ny fibebahan’ny  mpanota  iray  (and10). Faly  Andriamanitra  miaraka amin’ny anjeliny  ary faly  ny fiangonana miaraka amin’ny  olom-boavonjy ety   an-tany   . Izany  fifaliana  izany   no fahasambarana  ambaran’ny Filazantsara .

Fanontaniana:

Ahoana no atao  amin’ny olona mibebaka mba handehanany  amin’ny sitrapon’ Andriamanitra?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 30 Martsa 2018.

Mibebaha eo  anatrehan’ny Tompo Marka 15.26-38

« Ary natao ho isan’ny mpanota  Izy » and 28

1-Ilay Mpanjakan’ny Jiosy

Mpanjakan’ny Jiosy  no nilazana  an’i Jesoa , satria avy amin’ny  Jiosy ny  famonjena  (Jao 4.22) . Noraisin’ny  Romana   ny valitenin’i Jesoa  tamin’ny Pilato  hoe : « Mpanjaka va ianao ? » , « voalazanao »(Jao 18.37). Nanaiky  ho faty  ilay  mpanjakan’ny  mpanjaka , Ilay  Mpitsara izao  tontolo  izao  mba hisolo  ny vahoakany  teo  amin’ny hazo fijaliana . Ny  mpitsara marina no notsaraina. Nasandratra   ho avo  teo amin’ny hazo fijaliana ho hitan’ny  olona i Jesoa  Mpanjaka  mba hahazoany famonjena.

2-Ilay Mesia Mpamonjy  sady Zanak’ Andriamanitra

Tsy  vonjena ny  Tompo  fa Mpamonjy , tsy  baikon’izao   tontolo izao Izy  fa manao  izay tiany  hatao  , tsy  azon’ny fakam-panahy  sy eson-teny  ary  ny famingavingana horesena . Kristy na Mesia Mpanjakan’ny Jiosy  i Jesoa . Ny  famonjena  izao  tontolo izao  dia ny faneken’i Jesoa Kristy  ny didim-pitsarana. Asan’Andriamanitra ny famonjena ny  mpamono olona  sy ny  mpanota. Fampihavanana ny  hazo fijaliana. Mitondra fibebahana ho an’izao tontolo izao  eo amin’ny hazo fijaliana ny Zanak’ Andriamanitra  . Izany  no mampiato  ny fahatezeran’ Andriamanitra  amintsika sy hahatonga  antsika  ho vita fihavanana Aminy .Mitaraina amin’ ho  antsika  Ilay  olombelona , lahitokan’ Andriamanitra  mba hamonjena antsika . Fanokafana  ny fanalahidin’ny lanitra hidirantsika ny fahafatesan’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana :

Inona no maha-zava-dehibe amin’ny fahafatesan’i Jesoa ?Birao  Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 29 Martsa 2018.

Mibebaha  eo anatrehan’ny  Tompo Matio   26.30-35

Mitarika  ny  mpianany hivavaka i Jesoa 

1- Midera   an’ Andriamanitra   i Jesoa 

Eny an-dàlana  ho any an-tendrombohitra  Oliva i Jesoa  mitarika  ny  mpianatra  hiombom-bavaka  sy hiatrika  ny  fijaliany . Manaova  fiderana  ny  Tompo   ho fanatanterahana  ny sitrapon’ ny  Tompo  . Hanatanteraka  izay  voasoratra  momba Azy  i Jesoa  Kristy . Manaiky  Izy hiharan’ny  Tenin’ Andriamanitra (and3; Zak 13.7) . Tsy  ny fahazoan-javatra  na  tombotsoa  manokana   no hiderana  ny  Tompo  fa ny  fanaovana ny  sitrapon’ Andriamanitra .

2-Manambara   ny famonjeny ny Tompo 

Manambara   ny  fahafatesany   sy ny fitsanganany   i Jesoa  Kristy  . Hovonoina  i Jesoa  dia hiparitaka  ny ondriny : ny mpianany  sy  ireo  mpanaraka  Azy  (and31) . Eken’i Jesoa  Kristy   izany   sitrapon’ny Rainy izany  mba hahatanteraka  ny  famonjena  ny  mpanota. Tsy izay  tian’ny olona tokoa  no famonjena  fa izay  fikasan’ Andriamanitra  . Tsy  maintsy  maty i Jesoa ho fibebahany ho antsika , ary tsy maintsy  atsangana Izy  mba  ho santatry  ny hahavelomantsika .

3-Mampibebaka  ny  mpianatra  ny Tompo 

Mampibebaka an’i Petera  sy ny Apostoly  i Jesoa Kristy  fa handà Azy izy ireo . Matotra  ny Tenin’i  Jesoa , handà  an’i Jesoa intelo  ny mpianany  amin’ny  ora misasakalina ka hatramin’ny telo  ora maneno akoho  . Marina ny tenin’ny  Tompo . Mieritrereta dia mibebaha  fa  tsy  mahay  mandainga  ny  Tompo . Tsy  fihetsehampo  no hanompoana ny Tompo  fa ho araka  ny sitrapon’ Andriamanitra .

Fanontaniana:Ahoana no  fahatsapanao  ny  atao hoe: mivavaka?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 28 Martsa 2018.

Mibebaha eo  anatrehan’ny Tompo Jaona 13.12-20

I Jesoa Tompo  sy mpampianatra 

1-Manompo  ny  mpianany i Jesoa 

Fanompoan’ny  mpandray vahiny  no nataon’i Jesoa  amin’ny fanasana  ny  tongotry ny mpianany  , araka  ny  fomba Jiosy  (and12). Mpampianatra  tonga ohatra  i Jesoa  ary  lehibe  tonga mpanompo . Miondrika  i Jesoa  manasa  ny tongotry  ny  mpianatra  , hiditra  ao amin’ ny fanjakany  . Nanaiky  ho  tonga  olona Andriamanitra  mba handraisany  ny mpanota  sy hamonjeny azy.

2-Mampianatra  ny  mpianany i Jesoa 

Mampianatra ny fifanompoana  , fifankatiavana i Jesoa . Ampidirina  ao amin’ny sekolin’ny  fanompoana  sy ny fanetrentena  ary ny fitiava-namana sy ny fahavalo  ny  mpianatra . Adino   matetika  ity fifanompoan’ny kristiana ity « hifanasa tongotra » (and15) . Ampianarin’ny Tompo  hifanampy , hifamela heloka sy  hifampitondra izay  mavesatra  ny mpino   (Gal 6.2) .

3-Manome fahasambarana i Jesoa  

Ao  amin’ny fampiharana ny tenin’i Jesoa  no itoeran’ny fahasambarana (and17). Tsy ampy  ny mahalala an’i Jesoa  ho mpampianatra , mpamonjy  … Fivelomana amin’ny Tenin’ny Tompo  no fahasambarana , »sambatra  ianareo  raha  manao  izany   »  . Misy   mahalala  an’i Jesoa  sy  miara-misakafo ary  manatsoboka  ny  mofony  ao  amin’ny lovian’i Jesoa Kristy fa mamadika Azy . Sambatra  izay mandray  an’i Jesoa  ho Tompo  sy  mandray ny teniny .

Fanontaniana:

Ahoana no hanehoana ny fifanompoana kristiana eo  amin’ny fiangonana?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Jobily fisotrondronono/ P. Ramarosahanina A.

FJKM MALAZA FAHAZAVANA 

JOBILY FISOTRONDRONONO NY

MPITANDRINA RAMAROSAHANINA ANDRIANIRINA MIVADY

 

Notanterahina tao amin’ ny FJKM MALAZA FAHAZAVANA (SP 11) , ny Fankalazana an’ Andriamanitra noho ny fisotrondrononon’ny Mpitandrina RAMAROSAHANINA Andrianirina  mivady sy ny ankohonany . Izany dia nataon   ny  Sabotsy  24 Martsa 2018 , nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany .

Ny Biraon’ny SP  RANDRIANANJANIRINA A. Mario , Mpitandrina no nitarika ny Fanompoampivavahana

Andriamatoa RABELISON Harimanitra Manasse  Mpitandrina  ,  Prezida Synodaly , no nitondra ny hafatra nalaina  tamin’ny teny faneva ao  amin’ny 2 TIMOTY 4.7a manao hoe : «  Efa niady ny ady tsara aho … » 

Tonga nanome voninahitra ny fotoana  ireo Mpitandrina maro ao anatin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo , ombam-bady aman-janaka , otronin’ny fianakavian’ny Mpitandrina  , ny Fitandremana  niasana  teo aloha ary ny vahoaka kristiana avy ao amin’ny FJKM Malaza Fahazavana .Niarahaba sy nirary soa ny Mpitandrina  izay handeha hisotro ronono .

 Tamin’izany no nanolorana ny fanomezana avy amin’ny isam-pitandremana , niaraka amin’izay natolotry ny Fitandremana Malaza Fahazavana sy ny Fitandremana Ambohimarina Faharetana , niasany teo aloha .

 Feno fifaliana ny fianakaviana  amin’ny fihetsika mampihetsi-po nasehon’ny vahoaka kristiana . Dia mirary soa ny Mpitandrina  na dia voalaza tao aza hoe : hisara-nono amin’ny fiangonana izy , dia mbola hanaraka azy mianakavy eny hatrany ny fitahian’ Andriamanitra . Ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana , mba hahazo ny satroboninahitra fiainana .

Sahondramalala Vololona

AFIFAB FOIBE FJKM / Site web

Talata 27 Martsa 2018.

Mibebaha eo anatrehan’ny TompoMarka 14.3-9

Asa fibebahana 

1-Fanosorana  menaka   an’i  Jesoa Kristy  

Menaka  manitra narda sarobidy  indrindra iray  tavoara manontolo   no nahosotra  an’i Jesoa . Nanaiky izany  i Jesoa  satria tsy  mbola nisy olona nanao fanosorana Azy teto  an-tany  araka ny fanaon’i Mpisoronabe amin’ny  mpanjaka  na ny  mpisorona  (Lev 8.12) . Noraisin’i Jesoa manetry  tena  ho  fahamarinana  ny nataon’ity  vehivavy  ity . Mesia mpisoronabe hitondra  sy handray  ny  fibebahana  sy hamela  heloka  ny mpanota ny  Tompo .

2-Fanamboarana  an’i Jesoa  halevina 

Vonona ho faty  sy hitondra  fibebahana ho  an’ ity vehivavy   ity sy izao  tontolo izao  i Jesoa . Manaiky  hosorana  dieny  mbola velona Izy ho fitehirizana ny  faty  , araka  ny  fomba Jiosy . Dieny  mbola velona i Jesoa Kristy   no karakaraina . Andriamanitra   velona  no Tompo  tompointsika . Tsy  misy  mahasakana ny  fanolorantena feno  sy ny  fitiavantsika  an’i Jesoa Kristy  . Mazotoa manompo.

3-Tsaroan’i Jesoa  Kristy izay  manosotra Azy 

Holazaina  miaraka  amin’ny fitoriana  ny Filazantsara  ny nataon-dravehivavy  . Sitrak’i Jesoa  ny nataon’i Maria  sy ny  fitiavany   (jereo  Jao 12.3) . Nafoiny  ho an’i Jesoa Kristy  izay  nananany rehetra  . Tsy menatra  ho sakaizan’ny  mpanota i Jesoa Kristy ary tsy  menatra  ny hanaiky an’i Jesoa ho Tompo  i Maria . Manamasina  an’i Kristy  ao am-pony i Maria (1 Pet 3.15) . Mankasitraka ny asa tsara ny Tompo .

Fanontaniana:Ahoana no fanamasinantsika  an’i Jesoa Tompo  ao am-po ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 26 Martsa 2018.

Mibebaha eo anatrehan’ny TompoMatio  21.1-11

Miditra   an’i Jerosalema  ny  Mesia

1-Maniraka  an’i Jesoa  Mesia  mpanjaka Andriamanitra

Irahina ho   amin’ny zanak’i Ziona   zanakavavy dia i  Jerosalema  na ny  fiangonana i Jesoa , ilay  Mesia  mpanjaka malemy fanahy  , mitaingina  boriky miasa  (and4) . Tonga  hanompo  sy hitondra filaminana  sy fiadanana i Jesoa Kristy . Tsy  soavaly fampiasan’ny mpanjaka  sy ny miaramila  no ilain’ny Mesia fa boriky  fampiasa andavanandro  . Miditra  ny renivohitry  ny fanjakana   sy  ny  fivavahana i Jesoa . Nofidin’ny Tompo ho tanànan’ny  famonjena   sy fiadanana i Jerosalema .

2-Miantso  sy maniraka  ny mpianany i Jesoa Irahin’i Jesoa  Kristy  haka  sy  hamaha  ilay  boriky  mifatotra  sy ny zanany  ny  mpianatra  (and2). Manaiky  hiombona aina    sy fanompoana  amin’ny mpanjakany  ny  mpianatra . Feno  ny hafatra  nomen’i Jesoa  ny mpianatra . Tondroiny mazava  ny  toerana  haleha  sy ny  toetran’ny boriky  halaina ary ny  valiteny  hatao  amin’ny tompony    : Betifaga na tranon’ny aviavy  no heviny ; zanaboriky  mifatotra  sy ny zanany  : misy  raharaha hanalan’ny  Tompo azy.3-Mandray  an’i Jesoa mpanjaka  ny vahoaka   

Mandray  ny mpanjakany   ny vahoaka  , namelatra  ny lambany  , nandahatra rantsankazo handehanany  , nialoha   sy nanaraka Azy  ary  nihira  ny « Hosana » . Mihira  fiderana hosana  ho an’ny taranak’i Davida mpanjaka ny  vahoakany   . Mpanjaka , fanantenan’ny  mino i Jesoa Kristy  . Mesia mpanjaka  sady mpaminany  avy any Nazareta any Galilia  i Jesoa (and11) .

Fanontaniana :

Ahoana no fomba handraisantsika ny  mpanjakantsika ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Fihaonan’ny Zanaky ny FJKM 2018.

 

Tontosa ny fihaonan’ny zanaky ny FJKM
manana andraikitra eto amin’ny firenena

“ Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika …

Ny fahamarinana manandratra ny firenena” II Tim . 1:8a , Oha 14: 34a. Io no tenin’Andriamanitra  nofidiana tamin’ny fihaonana voalohany  niarahana tamin’ireo zanaky ny FJKM manana andraikitra eto amin’ny firenena ny Sabotsy 17 Martsa 2018 lasa teo teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Andriamatoa RANDRIAMAMPITA Tovomanjato, Mpitandrina, vaomieran’ny fiainam-pirenena no nitarika ny fotoana, ary ny Mpitandrina Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, filohan’ny FJKM no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, izay nalaina tao amin’ny mofon’aina tamin’io Sabotsy io dia  tao amin’ny Salamo 25:4-11. Ny tantaran’i Davida mpanjaka no niaingana ary nampitondraina ny lohahevitra hoe : « Andao isika ho tompon’andraikitra tahaka an’i Davida ». Tompon ‘ andraikitra araka izany ny kristiana amin’ny voninahitr’Andriamanitra, ary koa ny fahotan’ny tenany fa indrindra ny fibebahana ataony.

Araka ny fanazavan’ny filohan’ny FJKM, dia natao izao fampivondronana izao mba tena ivelomana ilay teny faneva hoe “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara”, ka amin’ny sehatra rehetra no tokony ahitana taratra izany. Izay rahateo no voalazan’ny Soratra Masina hoe “ Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika”.

Inona no anjara biriky tokony ho entintsika amin’ny maha kristiana FJKM antsika eo amin’ny fiainana iveloman’ny firenena, eo amin’ny lafiny samihafa?”. Ny valin’io fanontaniana io no tena nandrasana tamin’ireo zanaky ny fiangonana. Izay nahitana loholona miisa 2 sy solombavam-bahoaka miisa 5, tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena sy ny maro hafa.  Izy ireo izay nosokajiana ho 12 araka izay sehatra misy azy avy. Rehefa vita ny dinidinika dia namoaka fehin-kevitra ny isan-tsokajy izay hoarafitra anaty boky ka haparitaka eraky ny nosy ahafahana manampy ireo zanaky ny fiangonana rahateo mba hijoroany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy sady ho voninahitr’Andriamanitra. Taorian’ity fihaonana ity dia tapaka fa hotohizana isan-taona ny fihaonana tahaka izao.

Tombony ho an’i Madagasikara ny manana olom-pirenena vanona sy matahotra an’Andriamanitra fa anisan’ny tena mampandroso, ary mitarika ny fahombiazan’ny firenena indrindra koa ny fananana mpitarika  kristiana tena sahy mijoro amin’ny fibebahana, ary ho vavolombelon’i Jesoa Kristy amin’izay rehetra ataony mba hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra.

Hasina ANDRIANAMBININTSOA

(Santatra Fahazavana)