Talata 19 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany  ny  Tompo  

Isaia  63.7-9

Izay   tokony hataon’ny olona  efa novonjena

Nanaiky  ho faty   teo  amin’ny hazo fijaliana Kristy  mba hamonjena antsika  ka hananantsika  anjara  amin’ny fiainana  mandrakizay  . Inona  kosa àry  no tokony hataontsika  , raha izany  ny fitiavany antsika ?

1- Manambara   ny famindrampony  (and7)

Andeha  isika  hanao   tahaka   ny mpaminany ka hanmbara  hoe: « ny famindrampon’i Jehovah   no hambarako  dia ny fiderana  an’i Jehovah  araka  izay rehetra  nataony tamintsika ». Mamindra fo  sy   miantra  ny  Tompo  , maharipo  sady  be famindrampo Izy  ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay  . Tsy  manao   antsika  araka  ny  fahotantsika Izy  , ary  tsy mamaly  antsika  araka ny helontsika . Sambatra  izay rehetra manantena Azy  , fa  hamindra  fo aminy  Izy .

2- Manambara  ny famonjeny  (and 8)

« Fa  hoy Izy :oloko  tokoa ireo  , dia zanaka  tsy  mba  handainga  , ka dia  tonga Mpamonjy   azy Izy » . Tamin’ny fahoriany  rehetra  dia niory  koa Izy  ary ilay  anjelin’ny tavany  no namonjy  ireo . Ny  fitiavany   sy ny famindrampony no nanavotany   azy  sy nivimbinany   azy ary   nitondrany azy  tamin’ny andro taloha ela rehetra (and9). Izany   no  fitiavan’ Andriamanitra  antsika . Mpamonjy  mora  azo   amin’ny fahoriana Izy  . tokony   hotsarovana  koa anefa  fa mpitsara  ny ratsy fanahy  sy ny mafy hatoka  Izy . Koa  aoka  isika hibebaka  , satria  izay mibebaka  marina  tokoa  no handray  izany famindrampo  sy ny famonjeny   izany .

Fanontaniana:Efa  nandray  an’i Jesoa ho  Tompo  sy Mpmaonjy  anao  tokoa ve ianao?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Perikopa 2025

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 22. Ala. I man. Trinite - S. Vokovoko Manga
Oha. 23. 19-25 | Lio. 12. 35-40 | 1 Kor. 10. 31-11.1

| | 29. Ala. II man. Trinite
1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025